Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hoy ny Ezekiela 18:20: “Tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny rainy ny zanaka.” Milaza kosa ny Eksodosy 20:5 fa ‘hosazin’i Jehovah noho ny fahadisoan’ny ray ny zanaka.’ Mifanohitra ve ireo?

Tsia. Ilay voalohany manasongadina fa tsy maintsy hijinja izay afafiny ny tsirairay. Ilay faharoa kosa te hilaza fa mety hisy voka-dratsiny amin’ny taranany ny fahadisoan’ny olona iray.

Hita avy amin’ny Ezekiela toko faha-18 manontolo fa ampamoahina amin’izay ataony ny tsirairay. Hoy, ohatra, ny andininy faha-4: “Izay manota no ho faty.” Ary ahoana raha “olo-marina ny olona iray ka manao ny rariny sy manao izay mahitsy”? “Ho velona tokoa” izy. (Ezek. 18:5, 9) Tsaraina ‘arakaraka izay nataony’ àry ny olona efa mahay manapa-kevitra.—Ezek. 18:30.

Marina izany rehefa jerena ny tantaran’ny Levita iray atao hoe Kora. Mbola tany an-tany efitra ny Israelita tamin’izay. Tsy nahafa-po an’i Kora ny andraikitra nomena azy. Nitsiriritra ny asan’ny mpisorona izy sy ny namany, ka nikomy tamin’i Mosesy sy Arona, izay solontenan’i Jehovah. Tsy nanan-jo hanao an’io asa io ry Kora, ka novonoin’i Jehovah ho faty. (Nom. 16:8-11, 31-33) Tsy niara-nikomy taminy anefa ny zanany. Tsy nanasazy azy ireo noho ny fahadisoan’ny rainy àry Andriamanitra. Tsy maty izy ireo satria tsy nivadika.—Nom. 26:10, 11.

Ahoana kosa ny amin’ilay fampitandremana ao amin’ny Eksodosy 20:5, izay anisan’ny Didy Folo? Mila mijery ny teny manodidina indray isika. Nanao fifanekena tamin’i Jehovah ny firenen’ny Israely fa hankatò ny Lalàny. Hoy izy ireo rehefa avy novakina taminy ny Lalàna: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Eks. 19:5-8) Lasa nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah izy ireo. Natao ho an’ilay firenena manontolo àry ilay fampitandremana ao amin’ny Eksodosy 20:5.

Nahazo fitahiana maro ilay firenena rehefa nankatò an’i Jehovah. (Lev. 26:3-8) Rehefa nivadika kosa izy ireo, izany hoe nanompo sampy, dia tsy notahin’i Jehovah intsony sady tsy narovany. Niharan-doza ilay firenena manontolo. (Mpits. 2:11-18) Nisy ihany anefa olona tsy nivadika fa nitandrina ny didin’Andriamanitra. (1 Mpanj. 19:14, 18) Nijaly izy ireo noho ny fahadisoan’ny fireneny, nefa naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy i Jehovah.

Nihoa-pampana tatỳ aoriana ny fahotan’ny firenen’ny Israely ka nanjary naneso ny anaran’i Jehovah ny firenen-kafa. Nosazin’i Jehovah àry ny Israely ka navelany ho lasa babo tany Babylona. Niharan’io sazy io daholo ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. (Jer. 52:3-11, 27) Lehibe tokoa ny fahotan’ilay firenena ka mbola nizaka ny vokany hatramin’ny zafikely sy ny zafiafy ary ny zafindohalika mihitsy aza. Tanteraka àry ny Eksodosy 20:5.

Tantarain’ny Baiboly koa fa nisy olona nizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny razambeny. Nahatezitra an’i Jehovah i Ely mpisoronabe satria tsy nesoriny tamin’ny asan’ny mpisorona ny zanany lahy, nefa “olona tsy manjary” sy ratsy fitondran-tena. (1 Sam. 2:12-16, 22-25) Ny zanany no nomen’i Ely voninahitra mihoatra noho i Jehovah. Namoaka didy àry i Jehovah fa tsy hisy ho mpisoronabe intsony ny taranak’i Ely. Tanteraka izany, nanomboka tamin’i Abiatara, zafindohaliny. (1 Sam. 2:29-36; 1 Mpanj. 2:27) Tanteraka tamin’i Gehazy koa ny Eksodosy 20:5. Mpanompon’i Elisa izy, ka nohararaotiny izany, mba hahazoany zavatra tamin’i Namàna, Jeneraly syrianina. Nasain’i Jehovah nilaza taminy i Elisa hoe: “Hiraikitra aminao sy ny taranakao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny habokan’i Namàna.” (2 Mpanj. 5:20-27) Nizaka ny vokatry ny fahadisoan’i Gehazy àry ny taranany.

I Jehovah no Mpamorona sy Mpanome aina, ka manan-jo hilaza hoe inona no sazy mendrika ny olona iray. Hita amin’ireo tantara etsy aloha fa mety hizaka ny vokatry ny fahotan’ny razambeny ny taranaka atỳ aoriana. ‘Mahare ny fitarainan’ny ory’ anefa i Jehovah. Amindrany fo izay olona mitalaho fanampiana aminy ary iantrany.—Joba 34:28.

[Sary, pejy 29]

Nizaka ny vokatry ny fikomiany i Kora sy ny namany