Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mahasoa Amin’ny Fanompoana’ i Marka

‘Mahasoa Amin’ny Fanompoana’ i Marka

‘Mahasoa Amin’ny Fanompoana’ i Marka

NISY olana teo anivon’ny fiangonan’i Antiokia. Hafa mihitsy anefa ny olana teo amin’ny apostoly Paoly sy Barnabasy. Nikasa hanao dia misionera izy ireo tamin’izay, ary “nisafoaka mafy” rehefa hanapa-kevitra hoe iza no hiaraka aminy. (Asa. 15:39) Nisaraka izy ireo, ary samy nandeha tamin’ny lalany. Nahakasika an’i Marka, misionera fahatelo niaraka tamin’izy ireo, ilay fifandirana.

Iza moa i Marka? Nahoana ireo apostoly no nifanditra momba azy? Nahoana izy ireo no samy niziriziry tamin’ny heviny? Niova hevitra ve izy ireo tatỳ aoriana? Ary inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Marka?

Tao an-tranony tany Jerosalema

Toa avy tamin’ny fianakaviana jiosy nanan-karena i Marka, ary lehibe tany Jerosalema. Ny fitantarana momba ny fiangonana kristianina tany am-boalohany no miresaka voalohany an’i Marka. Nogadrain’i Heroda Agripa I ny apostoly Petera, tamin’ny taona 44 tany ho any. Nafahan’ny anjely tamin’ny fomba mahagaga anefa izy, ka nankany “an-tranon’i Maria, renin’i Jaona, izay atao koa hoe Marka. Ary nisy olona maro nivory sy nivavaka tao.”—Asa. 12:1-12. *

Toa tao an-tranon’ny renin’i Marka àry ny fiangonan’i Jerosalema no nivory. Lehibe ihany angamba ilay trano, matoa nisy “olona maro” nivory tao. Nanana mpanompovavy atao hoe Roda i Maria, dia ilay nankeny “am-bavahady” rehefa nandondòna i Petera. Asehon’izany rehetra izany, fa olona nanan-katao i Maria. Voalaza koa fa an’i Maria ilay trano, fa tsy hoe an’ny vadiny. Efa maty vady angamba izy, ary mbola tanora kely i Marka tamin’izay.—Asa. 12:13.

Azo inoana fa anisan’ireo nivory sy nivavaka tao i Marka. Tsy maintsy ho nifankahalala izy sy ny mpianatra ary ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga tamin’ny fanompoan’i Jesosy. Rehefa nosamborina i Jesosy, dia toa i Marka ilay tovolahy zara raha nitafy niezaka nanaraka azy. Notadiavin’ny olona hosamborina anefa izy, ka lasa nandositra.—Mar. 14:51, 52.

Andraikiny teo anivon’ny fiangonana

Nisy vokany tsara tamin’i Marka ny fifaneraserany tamin’ny Kristianina matotra. Nanao fandrosoana izy, ary tsikaritr’ireo rahalahy nanana andraikitra izany. Efa nieritreritra an’i Marka i Paoly sy Barnabasy, tamin’ny taona 46 tany ho any. Nitondra “fanampiana” avy tao Antiokia ho an’ireo olona tratran’ny mosary tao Jerosalema izy ireo tamin’izay. Niverina tao Antiokia izy ireo, tatỳ aoriana, ary nentiny niaraka taminy i Marka.—Asa. 11:27-30; 12:25.

Raha mamaky maimaika fotsiny ny olona iray, dia mety hihevitra fa ny maha Kristianina azy telo ireo ihany no niarahany, ary ny fahaizan’i Marka fotsiny no nifidianan’i Paoly sy Barnabasy azy. Hita tamin’ny taratasy hafa nosoratan’i Paoly anefa fa zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy i Marka. (Kol. 4:10) Mety hanampy antsika hahatakatra ny zava-nitranga tatỳ aoriana izany.

Notendren’ny fanahy masina hanao dia misionera i Paoly sy Barnabasy, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana. Niala tao Antiokia izy ireo ary nankany Sipra. Niaraka taminy i Jaona Marka “mba hanampy azy.” I Marka angamba no nikarakara izay nilain’izy ireo nandritra ilay dia, mba hahafahan’ireo apostoly hifantoka tamin’ny fitoriana.

Nitory nanerana an’i Sipra i Paoly sy Barnabasy ary Marka. Nankany Azia Minora izy ireo avy eo. Nandiso fanantenana an’i Paoly i Jaona Marka tany. Voalaza fa rehefa tonga tao Perga izy telo lahy, dia ‘nandao azy ireo i Jaona, ka niverina tany Jerosalema.’ (Asa. 13:13) Tsy fantatra ny antony nanaovany an’izany.

Niverina tao Antiokia indray i Paoly sy Barnabasy ary Marka, roa taona tatỳ aoriana. Nikasa hanao dia misionera fanindroany ireo apostoly, mba hanolokoloana ny voa nafafy teo aloha. Te hitondra an’ilay zanak’olo-mpiray tam-po aminy i Barnabasy, fa tsy nanaiky i Paoly. Nandao azy ireo mantsy i Marka tamin’ilay dia farany. Izany no niteraka an’ilay fifandirana voaresaka terỳ aloha. Niaraka tamin’i Marka i Barnabasy ary nankany Sipra, tanàna nahaterahany. I Paoly kosa nankany Syria. (Asa. 15:36-41) Hita hoe tsy nitovy ny fandraisan’izy roa lahy an’ilay fanapahan-kevitr’i Marka.

Nihavana indray izy ireo

Azo antoka fa nalahelo tamin’iny zava-nitranga iny i Marka. Mbola mpanompo tsy nivadika ihany anefa izy. Voaresaka ao amin’ny tantaran’ny Kristianina voalohany indray izy, 11 na 12 taona teo ho eo, taorian’ilay disadisa. Iza no niaraka taminy? Ilay tsy eritreretinao mihitsy, dia i Paoly!

Nigadra tany Roma i Paoly tamin’ny taona 60 sy 61, ary nandefa taratasy maromaro. Lasa anisan’ny Soratra Masina izy ireny. Hoy izy tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosianina: “Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Aristarko, mpiara-migadra amiko, sy Marka, zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy—izy ilay nasaina noraisinareo tsara raha sendra tonga any aminareo.— ... Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra, ary mbola ireo koa no nanampy sy nankahery ahy.”—Kol. 4:10, 11.

Niova tokoa ny toe-javatra! Tsy azoazon’i Paoly i Marka taloha. Mpiara-miasa tena nilainy indray anefa izy tatỳ aoriana. Nilaza tamin’ny Kolosianina i Paoly hoe mety hitsidika azy ireo i Marka. Raha tanteraka izany, dia ho solontenan’i Paoly izy amin’izay.

Diso nanakiana loatra an’i Marka ve i Paoly, taona maro talohan’io? Nila nahitsy ve i Marka, ary nandray soa tamin’izany? Sa samy nisy naha marina an’ireo? Na ahoana na ahoana, ny fihavanan’izy ireo indray dia manaporofo fa samy matotra izy mirahalahy. Namela ny lasa homba ny lasa izy ireo, ary niara-niasa indray. Ohatra tsara tokoa izany ho an’ireo Kristianina tsy mifanaraka!

Nanao dia lavitra i Marka

Hita avy amin’ireo dia samihafa nataon’i Marka fa nitety tany maro izy. Avy ao Jerosalema izy ary nifindra tao Antiokia. Nandeha sambo nankany Sipra sy Perga indray izy avy eo. Nankany Roma izy taorian’izay. Naniry haniraka azy ho any Kolosia i Paoly avy eo. Tsy izay ihany anefa!

Nanoratra ny taratasiny voalohany ny apostoly Petera, tamin’ny taona 62 ka hatramin’ny 64 tany ho any. Hoy izy: “Mampamangy, hono, ianareo, hoy ilay eto Babylona. ... Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Marka zanako.” (1 Pet. 5:13) Nankany Babylona àry i Marka, ary niara-nanompo tamin’ilay apostoly nivory tao an-tranon-dreniny, taona maro lasa izay.

Nigadra fanindroany tany Roma i Paoly, tamin’ny taona 65 tany ho any. Nanoratra ho an’i Timoty tany Efesosy izy, mba hiantsoana azy ho any aminy. Hoy koa izy: “Ento miaraka aminao i Marka.” (2 Tim. 4:11) Tany Efesosy indray àry i Marka tamin’izay. Tsy isalasalana fa niverina tany Roma niaraka tamin’i Timoty izy. Tsy mora ny nanao dia tamin’izany, nefa vonona hanao azy ireny i Marka.

Fanendrena lehibe hafa

Nomen’i Jehovah fanahy masina i Marka, mba hanoratra ny Filazantsara faharoa. Anisan’ny fanendrena lehibe azony izany. Tsy hita ao amin’io Filazantsara io ny anaran’ny mpanoratra azy. Fantatra avy amin’ireo lovantsofina tranainy indrindra anefa fa i Marka no nanoratra azy io, ary i Petera no nitantara taminy ny zava-nitranga. Saika ireo zavatra natrehin’i Petera avokoa mantsy no nosoratany.

Mino ireo mpandinika ny Filazantsaran’i Marka fa nosoratana ho an’ny Hafa Firenena izy io. Nohazavain’i Marka tsara mantsy ireo fombafomba jiosy. (Mar. 7:3; 14:12; 15:42) Nadikany ireo teny aramianina mety tsy ho azon’ny mpamaky tsy Jiosy. (Mar. 3:17; 5:41; 7:11, 34; 15:22, 34) Nampiasa teny latinina maro izy, ary nohazavainy tamin’io fiteny io mihitsy aza ireo teny grika tsotra. Nomeny ny sandam-bola romanina nifanitsy tamin’ireo vola madinika jiosy. (Mar. 12:42, f.a.p.) Toa mifanaraka tsara amin’ny lovantsofina fahiny ireo rehetra ireo, dia ny hoe tany Roma i Marka no nanoratra ny Filazantsarany.

“Mahasoa ahy amin’ny fanompoana”

Tsy ny fanoratana Filazantsara ihany no nataon’i Marka tany Roma. Tadidio ilay nolazain’i Paoly tamin’i Timoty hoe: “Ento miaraka aminao i Marka.” Nahoana? “Mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy”, hoy i Paoly.—2 Tim. 4:11.

Io no resaka farany momba an’i Marka ao amin’ny Soratra Masina, sady ahafantarantsika zavatra maro momba azy. Tsy voaresaka mihitsy hoe apostoly izy, na mpitarika, na mpaminany. Mpanompo izy, izany hoe mpikarakara ny hafa. Azo antoka fa tena nandray soa tamin’ny fanampiany i Paoly, taloha kelin’ny nahafatesany.

Olona nanao ahoana moa i Marka, rehefa dinihina ireo pitsipitsina fanazavana ireo? Nazoto nampiely ny vaovao tsara tany amin’ny faritra maro izy, ary faly nanompo ny hafa. Tena nahazo valisoa sy andraikitra maro izy, satria tsy nilavo lefona!

Vonona hanao ezaka toa an’i Marka isika, mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mifindra any amin’ny faritra hafa na tany hafa koa ny sasany amintsika, mba hampielezana ny vaovao tsara. Mety tsy ho afaka hifindra toy izany ny ankamaroantsika, kanefa afaka manahaka an’i Marka amin’ny fomba hafa. Niezaka nanompo an’ireo rahalahiny kristianina izy. Vonona hiezaka hanampy an’ireo mpiray finoana amintsika koa àry isika, mba hahafahany hanompo an’Andriamanitra. Azo antoka fa hotahin’i Jehovah foana isika raha manao izany.—Ohab. 3:27; 10:22; Gal. 6:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nahazatra ny olona tamin’ny andron’i Marka ny nanana anarana tamin’ny teny hebreo na fiteny hafa. Yohanan no anarany amin’ny teny jiosy, na Jaona amin’ny teny malagasy. Marcus kosa no anarany amin’ny teny latinina, izany hoe Marka.—Asa. 12:25.

[Sarintany/Sary, pejy 8, 9]

(Jereo ny gazety)

Tanàna Sasany Nandehanan’i Marka

Roma

Efesosy

Kolosia

Perga

Antiokia (any Syria)

Sipra

RANOMASINA MEDITERANE

Jerosalema

Babylona