Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelao i Jehovah Hanontany Anao

Avelao i Jehovah Hanontany Anao

Avelao i Jehovah Hanontany Anao

MISY fanontaniana an-jatony manohina ny fo ao amin’ny Baiboly. Mampiasa azy ireny i Jehovah, mba hampianarana fahamarinana lehibe. Nametraka fanontaniana maromaro, ohatra, izy mba hampitandremana an’i Kaina. (Gen. 4:6, 7) Fanontaniana vitsivitsy monja anefa no napetrany, dia efa nandrisika an’i Isaia mpaminany hanao zavatra. Hoy izy: “Iza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?” Raha vao nandre izany i Isaia, dia namaly hoe: “Intỳ aho iraho!”—Isaia 6:8.

Nahay nametraka fanontaniana koa i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Maherin’ny 280 ny fanontaniany ao amin’ny Filazantsara. Nampiasainy izy ireny indraindray, mba hampanginana ny mpanakiana azy. Ny tena tanjony anefa mazàna, dia ny hanohina ny fon’ny olona sy hanampy azy handinika ny fifandraisany amin’i Jehovah. (Mat. 22:41-46; Jaona 14:9, 10) Nampiasa fanontaniana koa ny apostoly Paoly mba handresen-dahatra, ao amin’ireo boky 14 nosoratany. (Rom. 10:13-15) Ahitana fanontaniana maro be, ohatra, ny taratasiny ho an’ny Romanina. Nandrisika ny mpamaky hahatakatra ny ‘halalin’ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany’ izy ireny.—Rom. 11:33.

Mitaky valiny ny fanontaniana sasany. Ny hafa kosa natao hampisaintsainana, ary io no tena fampiasan’i Jesosy. Nilaza tamin’ny mpianany izy, indray andro, mba ‘hitandrina amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda’, izany hoe ny fihatsarambelatsihiny sy ny fampianaran-disony. (Mar. 8:15; Mat. 16:12) Noheverin’ny mpianany fa noho izy ireo nanadino mofo no nitenenan’i Jesosy azy, ka lasa niady hevitra izy ireo. Mariho ireo fanontaniana napetrak’i Jesosy taorian’izay. “Hoy izy tamin’ireo: ‘Nahoana ianareo no miady hevitra noho ny tsy fanananareo mofo? Mbola tsy takatrareo na azonareo ihany ve? Donto ve ny fonareo ka tsy azonareo ny hevitr’izany? “Mana-maso ve ianareo nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre?” ... Mbola tsy azonareo ihany ve ny hevitr’izany?’ ” (Mar. 8:16-21) Nanampy ny mpianany handinika ny tena tiany holazaina izany.

“Hanontany anao aho”

Nampiasa fanontaniana be dia be i Jehovah Andriamanitra, mba hanitsiana an’i Joba mpanompony. Tiany ho tsapan’i Joba fa tsinontsinona izy raha mitaha amin’ny Mpanao azy. (Joba, toko faha-38-41) Toa tsy nitady valiny i Jehovah, fa te hampisaintsaina sy hanohina ny fo kosa. Hoy, ohatra, izy: “Taiza àry ianao fony aho nanorina ny tany?” Mbola tsy tapitra daholo ny fanontaniany, dia efa gina tsy nahateny i Joba. Hoy fotsiny izy: “Inona no havaliko anao? Mitampim-bava fotsiny aho.” (Joba 38:4; 40:4) Tonga saina i Joba, ka nanetry tena. Tsy nampianatra azy hanetry tena fotsiny anefa i Jehovah, fa nanitsy ny heviny koa. Ahoana izany?

Diso hevitra i Joba indraindray, na dia ‘lehilahy tsy nanan-tsiny sady marina’ aza. ‘Nolazainy fa ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra.’ Nanarin’i Eliho àry izy. (Joba 1:8; 32:2; 33:8-12) Nahitsin’i Jehovah koa i Joba, ka nametrahany fanontaniana. Hoy izy avy tao anatin’ny tafio-drivotra: “Iza moa izato manamaizina ny fikasako, ka miresaka momba ny zavatra tsy fantany akory? Misikìna toy ny lehilahy tomady, azafady, fa hanontany anao aho, ka valio.” (Joba 38:1-3) Nametraka fanontaniana maro be i Jehovah avy eo. Naharihariny tamin’izany fa tsy manam-petra ny fahendreny sy ny heriny, rehefa jerena ny zavatra noforoniny. Inona no vokany? Natoky kokoa ny fitsaran’i Jehovah sy ny fomba fiasany i Joba. Zavatra niavaka teo amin’ny fiainany iny! Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra mantsy no nanontany azy.

Avelao i Jehovah hanontany anao

Mahasoa antsika koa ve ireo fanontaniana ao amin’ny Baiboly? Eny! Handray soa be dia be isika raha maka fotoana hisaintsainana azy ireny. Manohina ny fo ny fanontaniana ao amin’ny Baiboly. Anisan’ny mahatonga ny Tenin’Andriamanitra handaitra izany. “Mahery” tokoa izy io, ka “mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Heb. 4:12) Mila apetratsika amin’ny tenantsika mihitsy anefa ireny fanontaniana ireny vao tena handray soa isika. (Rom. 15:4) Ireto misy ohatra:

‘Tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?’ (Gen. 18:25) I Abrahama eto no nanontany an’i Jehovah, talohan’ny handravana an’i Sodoma sy Gomora. Nilaza izy fa sanatria an’i Jehovah ny hanao ny tsy rariny, ka hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy. Hita fa tena nino izy hoe manao ny rariny i Jehovah.

Mety halaim-panahy haminavina momba ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny hoavy isika. Ohatra hoe: ‘Iny Ranona iny ve mba ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona?’ Na hoe: ‘Iny Ranona iny ve izao hatsangana amin’ny maty?’ Aleo mitadidy ny fanontanian’i Abrahama toy izay hiasa saina amin’izany. Natoky tanteraka izy fa manao ny rariny sy mamindra fo i Jehovah, ary Ray tsara fanahy. Raha manahaka azy isika, dia tsy hisalasala na hanahy tsy amin’antony, na koa hanao adihevitra tsy misy dikany.

“Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?” (Mat. 6:27) Niresaka tamin’ny vahoaka sy ny mpianany i Jesosy teo. Te hanamafy izy fa ilaina ny miantehitra amin’i Jehovah, ilay Ray be fitiavana. Maro ny zavatra mampanahy amin’izao andro farany izao. Tsy hanatsara zavatra na hanalava ny androm-piainantsika anefa ny fanahiana.

Mila misaintsaina an’io fanontanian’i Jesosy io isika, rehefa manana olana na manahy momba ny havantsika. Tsy hanahy be loatra isika amin’izay, ka tsy ho vizana na ho rera-tsaina na ho kivy. Manome sakafo ny vorona sy mampitafy ny zavamaniry ilay Raintsika any an-danitra. Mahalala tsara izay ilaintsika koa àry izy, araka ny toky nomen’i Jesosy.—Mat. 6:26-34.

“Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony?” (Ohab. 6:27) Manome torohevitra feno fahendrena ho an-janany ny raim-pianakaviana iray, ao amin’ireo toko sivy voalohany amin’ny Ohabolana. Te hilaza izy eo amin’ilay andininy etsy aloha fa misy vokany mangidy ny fanitsakitsaham-bady. (Ohab. 6:29) Tokony hahatonga saina anao io fanontaniana io, raha tsapanao fa niadaladala tamin’olona tsy vadinao ianao, na koa nieritreritra zavatra vetaveta. Azonao tadidina koa izy io, isaky ny alaim-panahy hanao zava-dratsy hafa ianao. Vao mainka misongadina avy amin’izy io fa marina ilay toro lalana hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Gal. 6:7.

“Iza moa ianao no hitsara ny mpiasa an-tranon’ny hafa?” (Rom. 14:4) Niresaka ny olana nitranga teo anivon’ny fiangonana voalohany i Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Samy hafa fiaviana ny Kristianina tamin’izany, ka tia nitsara olona ny sasany. Nampahatsiahy azy ireo anefa i Paoly tamin’io fanontaniana io fa i Jehovah ihany no manan-jo hitsara, ary tokony hifankatia izy ireo.

Samy hafa fiaviana sy saranga koa ny tena Kristianina ankehitriny. Miray saina anefa izy ireo noho i Jehovah. Manao izay hisian’izany foana ve ianao? Tena mila misaintsaina an’ilay fanontanian’i Paoly ianao, raha mora manakiana ny hafa, nefa izy tsy mandika ny toro lalan’ny Baiboly akory!

Mampifandray antsika kokoa amin’i Jehovah ny fanontaniana

Hita avy amin’ireo ohatra ireo fa tena manampy antsika ireo fanontaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mandray lesona avy amin’izy ireny isika, rehefa mandinika ny teny manodidina azy. Hahita fanontaniana mahasoa hafa isika, rehefa mamaky Baiboly.—Jereo ilay efajoro eo amin’ny pejy 14.

Hanana ny fomba fisainan’i Jehovah isika, raha raisintsika am-po ireo fanontaniana mampisaintsaina ao amin’ny Teniny. Hoy i Joba, rehefa avy nanontany azy i Jehovah: “Honohono fotsiny no nandrenesako ny momba anao, fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.” (Joba 42:5) Nanjary nino kokoa i Joba hoe misy i Jehovah. Toy ny hoe hitany teo akaiky teo mihitsy izy. Hoy i Jakoba mpianatra, tatỳ aoriana: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8) Saintsaino foana àry ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ireo fanontaniana ao anatiny. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao amin’izay, ka toy ny hoe “mahita” azy mihitsy!

[Efajoro, pejy 14]

Te hanana ny fomba fisainan’i Jehovah ve ianao? Apetraho amin’ny tenanao àry ireto fanontaniana ireto:

▪ “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah kokoa noho ny mankatò ny tenin’i Jehovah?”—1 Sam. 15:22.

▪ “Ilay namorona ny maso ve tsy hahita?”—Sal. 94:9.

▪ “Tena voninahitra ve ny fitadiavan’ny olona voninahitra ho an’ny tenany?”—Ohab. 25:27.

▪ “Rariny ve raha tezitra mafy toy izao ianao?”—Jona 4:4.

▪ “Inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy?”—Mat. 16:26.

▪ “Inona no hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?” —Rom. 8:35.

▪ ‘Inona moa no anananao izay tsy nomena anao?’—1 Kor. 4:7.

▪ “Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?”—2 Kor. 6:14.

[Sary, pejy 15]

Inona no nianaran’i Joba avy amin’ireo fanontanian’i Jehovah?