Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!

Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!

Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!

“Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko. Ampandehano amin’ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.”—SAL. 119:37.

1. Nahoana no tena ilaina ny maso?

TENA sarobidy ny maso! Izy io no ahitantsika ny endrika sy ny lokon’ny zavatra manodidina antsika. Manampy antsika hamantatra ny namantsika na ny zavatra mety hampidi-doza antsika izy io. Amin’ny alalan’ny maso no ahitantsika fa kanto sy mahatalanjona ny zavaboary, ary tena misy Andriamanitra sady be voninahitra. (Sal. 8:3, 4; 19:1, 2; 104:24; Rom. 1:20) Vavahadin-tsaina koa ny maso, ka tena ilaina mba handraisana fahalalana an’i Jehovah sy hampitomboana ny finoantsika azy.—Jos. 1:8; Sal. 1:2, 3.

2. Nahoana isika no tokony hitandrina amin’ny zavatra jerentsika, ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny fitalahoana nataon’ny mpanao salamo?

2 Mety hanimba antsika koa anefa ny zavatra jerentsika. Tena mifandray mantsy ny maso sy ny saina, ka mety hampitsiry na hampitombo faniriana ao am-pontsika ny zavatra hitantsika. I Satana Devoly no mifehy an’ity tontolo ratsy fitondran-tena sy tia tena ity, ka maro ny sary sy dokam-barotra aeliny. Mety ho voatarika mora foana hanao ratsy isika, na dia ataontsika indray mitopy maso fotsiny aza izy ireny. (1 Jaona 5:19) Tsy mahagaga àry raha nitalaho tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko. Ampandehano amin’ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.”—Sal. 119:37.

Mety hitarika hanao ratsy ny maso

3-5. Milazà tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho fa loza ny vokany rehefa tsy fehezina ny maso.

3 Diniho izay nitranga tamin’i Eva. Nilaza i Satana fa “hahiratra” ny masony raha mihinana amin’ny “voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izy. Azo antoka fa faly erỳ i Eva nieritreritra hoe “hahiratra” ny masony. Vao mainka izy naniry hihinana an’ilay voankazo rehefa nahita fa “mahate hihinana ilay hazo sady mahafinaritra ny maso, eny, mahafinaritra ny mijery azy.” Nandika ny didin’Andriamanitra àry izy. Tsy nankatò koa i Adama, ka nisy vokany tena ratsy tamin’ny olona rehetra izany.—Gen. 2:17; 3:2-6; Rom. 5:12; Jak. 1:14, 15.

4 Nisy vokany tamin’ny anjely sasany tamin’ny andron’i Noa koa ny zavatra hitany. Hoy ny Genesisy 6:2 momba azy ireo: “Tsikaritr’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona. Koa nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny.” Lasa nanana faniriana maharikoriko hanao firaisana tamin’ny olombelona ireo anjely mpikomy, rehefa nitsiriritra vehivavy. Niteraka zaza nahery setra izy ireo. Tena ratsy fanahy ny olona tamin’izany, ka naringan’Andriamanitra daholo afa-tsy i Noa sy ny fianakaviany.—Gen. 6:4-7, 11, 12.

5 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia resin’ny fanirian’ny masony ny Israelita iray atao hoe Akana. Nangalatra zavatra tao Jeriko izy, rehefa resy io tanàna io. Nilaza Andriamanitra fa tokony hopotehina ny zava-drehetra tao amin’ilay tanàna, afa-tsy ny zava-tsarobidy sasany ho an’i Jehovah ihany. Nomena baiko izy ireo hoe: ‘Mitandrema ianareo mba tsy hanakaiky ny zavatra atokana haringana, sao hotsiriritinareo ireny ka hakanareo.’ Tsy nankatò i Akana, ka resy tao amin’ny tanànan’i Ay ny Israelita. Maty ny maro tamin’izy ireo. Tsy niaiky i Akana hoe nangalatra, raha tsy efa tratra. Hoy izy: ‘Nahita [an’ireo entana] aho, dia notsiriritiko izany ka nalaiko.’ Tsy nifehy ny masony i Akana, ka noringanina izy sy “izay rehetra azy.” (Jos. 6:18, 19; 7:1-26) Ny zavatra nandrarana azy mihitsy no notsiriritiny.

Ilaina ny mifehy tena

6, 7. Inona matetika no ‘teti-dratsy’ ampiasain’i Satana mba hamandrihana antsika, ary ahoana no hampiasan’ny mpanao dokam-barotra an’izany?

6 Inona no itovizan’ny fakam-panahy mahazo antsika sy izay nahazo an’i Eva sy ireo anjely tsy nankatò ary Akana? Mbola maka fanahy ny olona amin’ny alalan’ny “fanirian’ny maso” i Satana, ary io no “teti-dratsiny” mahomby indrindra. (2 Kor. 2:11; 1 Jaona 2:16) Fantatr’ireo mpanao dokam-barotra fa tena misy heriny eo amin’ny olona ny zavatra jereny. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny varotra any Eoropa: “Ny zavatra hitan’ny maso no mahasarika indrindra, noho izay zavatra re na tsapa avy amin’ny vavahadin-tsaina hafa. Mahavita mitarika antsika hanao zavatra mifanohitra amin’izay heverintsika fa mety mihitsy izy io.”

7 Tsy mahagaga àry raha miezaka be ny mpanao dokam-barotra mba hanao sary maro hanairana ny masontsika, ka hahatonga antsika hividy ny entana amidiny na hiantso azy hiasa ho antsika. Nandinika ny vokatry ny dokam-barotra eo amin’ny olona ny mpikaroka iray any Etazonia. Hoy izy: “Tsy natao hampitana fanazavana fotsiny ny dokam-barotra, fa natao indrindra hanan-kery eo amin’ny fihetseham-po sy ny zavatra ataon’ny olona.” Sary manaitra ny filan’ny nofo no ampiasaina matetika. Tena mila mitandrina àry isika amin’izay jerentsika sy ampidirintsika ao am-po sy ao an-tsaina!

8. Inona no lazain’ny Baiboly ka mampiseho fa ilaina ny mifehy ny maso?

8 Mety ho resin’ny fanirian’ny maso koa ny tena Kristianina. Ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra àry isika hifehy tena, ka tsy hijery na haniry zava-dratsy. (1 Kor. 9:25, 27; vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Niaiky i Joba, lehilahy marina, fa tena misy vokany eo amin’ny faniriana ny zavatra jerena. Hoy izy: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?” (Joba 31:1) Tsy vitan’ny hoe tsy nety nikasi-behivavy hafa i Joba, fa nifehy ny sainy koa mba tsy hieritreri-dratsy. Nohamafisin’i Jesosy fa tokony hadio foana ny saintsika. Hoy mantsy izy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.”—Mat. 5:28.

Ireo zavatra tsy misy ilana azy

9. a) Nahoana isika no tena mila mitandrina rehefa mampiasa Internet? b) Inona no mety ho vokany na dia manao topy maso amin’ny sary vetaveta fotsiny aza?

9 Mihabetsaka ankehitriny ny olona “tsy mitsahatra mijery” sary vetaveta, indrindra ao amin’ny Internet. Tsy isika no mila mitady ny toerana misy azy ireny, fa mipoitra ho azy izy ireny! Mety hisy dokam-barotra ahitana sary manaitra ny maso, hiseho tampoka eo amin’ny ordinaterantsika. Mety haharay hafatra koa isika. Rehefa sokafana anefa ilay izy, dia sary vetaveta no miseho eo, ary tena sarotra ny mamono azy. Na mijery kely fotsiny aza ny olona iray alohan’ny hamonoany an’ilay sary, dia efa miraikitra ao an-tsainy izany. Mety hisy vokany tena ratsy, na dia topy maso fotsiny aza. Mety henjehin’ny eritreriny ilay olona na hiady mafy mba hamafa an’ilay sary ao an-tsainy. Ho ratsy kokoa noho izany ny vokany raha minia “mijery” azy ireny ny olona iray. Ny fony mihitsy mantsy no feno fanirian-dratsy, izay mila vonoiny.—Vakio ny Efesianina 5:3, 4, 12; Kol. 3:5, 6.

10. Nahoana ny ankizy no tena mora voasarika hijery sary vetaveta, ary inona no mety ho vokatr’izany?

10 Te hahalala zavatra ny ankizy ka mora voasarika hijery sary vetaveta. Mety hisy vokany maharitra eo amin’ny fiheverany ny firaisana izany. Milaza ny gazety iray fa mety ho diso hevitra momba ny firaisana ilay ankizy, “tsy hahay hifandray tsara sy hifankatia amin’ny hafa, ary hanambany vehivavy. Ho andevozin’ny sary vetaveta koa izy, ary mety hisy vokany amin’ny fianarany sy ny fifandraisany amin’ny fianakaviany sy ny namany izany.” Ny tena loza aza, dia hisy vokany tena ratsy izany rehefa manambady izy.

11. Milazà ohatra mampiseho fa tena misy vokany ratsy ny fijerena sary vetaveta.

11 Hoy ny rahalahy iray: “Ny fijerena sary vetaveta no sarotra nialana indrindra tamin’ny fahazaran-dratsiko rehetra, talohan’ny naha Vavolombelon’i Jehovah ahy. Miverina ao an-tsaiko foana ireny sary ireny amin’ny fotoana tsy ampoizina. Ohatra hoe rehefa misy fofona miserana, na mozika reko, na zavatra hitako, na rehefa varimbariana aho. Miady mafy aho isan’andro.” Nisy rahalahy iray koa nijery boky misy sary vetaveta tamin’ny mbola kely, rehefa tsy tao an-trano ny ray aman-dreniny. An’ny rainy tsy Vavolombelona ireo boky ireo. Hoy izy: “Tena nahatsiravina ny vokatr’ireny sary ireny teo amin’ny saiko! Efa 25 taona izay no lasa, nefa mbola ato an-tsaiko foana izy ireny, ary tsy mety afaka na dia miady mafy aza aho. Manenjika ahy ny eritreritro, na dia tsy misaintsaina azy ireny aza aho.” Fahendrena tokoa ny tsy mijery zavatra tsy misy ilana azy, mba hisorohana ny vokany ratsy toy izany! Ahoana no hahavitana izany? Mila ‘mambabo ny hevitra rehetra hankatò an’i Kristy’ isika.—2 Kor. 10:5.

12, 13. Inona avy no zavatra tsy misy ilana azy tokony hohalavirin’ny Kristianina, ary nahoana?

12 Anisan’ny “zava-poana” na zavatra tsy misy ilana azy tokony hohalavirina koa ny fialam-boly mampirisika ho tia harena, na hanao asan’ny maizina, na misy herisetra sy fandatsahan-dra ary vonoan’olona. (Vakio ny Salamo 101:3.) Andraikitry ny ray aman-dreny kristianina eo anatrehan’i Jehovah ny mifantina an’ireo zavatra hojerena ao an-tranony. Marina fa tsy hisy Kristianina hinia hifandray amin’ny fanahy ratsy. Ahoana anefa ny amin’ireo filma, tantara mitohy ao amin’ny tele, lalao video, ary bokin’ankizy manasongadina ny herin’ny maizina? Tena mila mailo ny ray aman-dreny.—Ohab. 22:5.

13 Tokony hitandrina isika, na tanora na antitra, mba tsy ho tia lalao video sy filma misy herisetra sy vonoan’olona mahatsiravina. (Vakio ny Salamo 11:5.) Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hampifantoka ny saintsika amin-javatra halan’i Jehovah. Tadidio fa te hanimba ny saintsika i Satana. (2 Kor. 11:3) Mety handany fotoana be koa ny boky sy tele ary lalao video, na dia tsy voatery ho ratsy aza. Vokatr’izany, dia lasa tsy manam-potoana intsony isika hanaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana sy hamakiana Baiboly isan’andro, ary hanomanana fivoriana.—Fil. 1:9, 10.

Tahafo i Jesosy

14, 15. Inona no nampiavaka ny fakam-panahy fahatelo nataon’i Satana tamin’i Kristy? Ahoana no nataon’i Jesosy mba hanoherana izany?

14 Mampalahelo fa tsy maintsy mahita zava-poana sasany isika eto amin’ity tontolo ratsy ity. Nampisehoan’i Satana zava-poana, na dia i Jesosy aza, tamin’ny fakam-panahy fahatelo nataony taminy. ‘Nitondra azy nankeo amin’ny tendrombohitra avo dia avo ny Devoly. Nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.’ (Mat. 4:8) Nahoana i Satana no nanao izany? Satria fantany fa tena misy vokany ny zavatra jerena. Mety tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy fa te ho olo-malaza indray, rehefa mahita ny hakanton’ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao. Ahoana no nataony?

15 Tsy nifantoka tamin’ilay zavatra natolotr’i Satana i Jesosy. Tsy navelany hanana fanirian-dratsy ny fony. Tsy hoe nandinika ela be izy vao nanda, fa nanao zavatra avy hatrany. Hoy izy: “Mandehana ianao, ry Satana.” (Mat. 4:10) Ny fifandraisany tamin’i Jehovah sy ny fanaovana ny sitrapony no nifantohan’i Jesosy, satria izany no nahatongavany tetỳ an-tany. (Heb. 10:7) Nahatohitra ny teti-dratsin’i Satana àry izy.

16. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Jesosy?

16 Maro ny zavatra ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Jesosy. Voalohany, mamitaka ny olona rehetra i Satana. (Mat. 24:24) Faharoa, na tsara na ratsy ny faniriana ao am-pontsika, dia afaka mampitombo izany ny zavatra jerentsika. Fahatelo, hiezaka hampiasa “ny fanirian’ny maso” foana i Satana mba hampivadika antsika. (1 Pet. 5:8) Fahefatra, hahatohitra an’i Satana isika, raha manao zavatra avy hatrany.—Jak. 4:7; 1 Pet. 2:21.

Aoka ho “tsotra” foana ny masonao

17. Nahoana no tsy hendry isika raha efa tojo zavatra tsy misy ilana azy vao mandinika hoe inona no hatao?

17 Nampanantena an’i Jehovah isika, rehefa nanokan-tena ho azy, fa tsy hijery zavatra tsy misy ilana azy. Nivoady hanao ny sitrapony isika, ka nilaza toy ny mpanao salamo hoe: “Tsy avelako ho any amin’ny lalan-dratsy ny tongotro, mba hitandremako ny teninao.” (Sal. 119:101) Tsy hendry isika raha efa tojo zavatra tsy misy ilana azy vao mandinika hoe inona no hatao. Efa nohazavaina tsara tamintsika ireo zavatra raran’ny Soratra Masina. Fantatsika koa ny tetik’i Satana. Oviana moa i Jesosy no nalainy fanahy hanova ny vato ho mofo? Rehefa avy nifady hanina nandritra ny 40 andro sy 40 alina ka “noana.” (Mat. 4:1-4) Fantatr’i Satana hoe rahoviana isika no malemy ka mora resin’ny fakam-panahy. Dieny izao àry isika dia mila manapa-kevitra ny amin’izay hatao rehefa tojo an’izany. Aza mangataka andro! Tokony hotadidintsika isan’andro fa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika. Ho tapa-kevitra ny tsy hijery zavatra tsy misy ilana azy isika amin’izay!—Ohab. 1:5; 19:20.

18, 19. a) Inona no tsy mampitovy ny maso “tsotra” sy ny maso ‘ratsy’? b) Nahoana no mila mieritreritra zavatra tsara foana isika, ary inona no torohevitra ao amin’ny Filipianina 4:8 momba izany?

18 Tsy mitsaha-mitombo ny zavatra manaitra ny maso. Vao mainka àry isika tokony hanaraka ny fampirisihan’i Jesosy mba hanana maso “tsotra” foana. (Mat. 6:22, 23) Ny maso “tsotra” dia mifantoka tanteraka amin’ny tanjona iray ihany, izany hoe ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny maso ‘ratsy’ kosa mamitaka sy mitsiriritra ary voasariky ny zavatra tsy misy ilana azy.

19 Tadidio fa mankany an-tsaina ny zavatra hitan’ny maso, ary misy vokany eo amin’ny fo. Zavatra tsara foana àry no tokony hoeritreretintsika. (Vakio ny Filipianina 4:8.) Aoka isika hivavaka hatrany toy ny nataon’ny mpanao salamo hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.” Mila manao zavatra mifanaraka amin’izany koa isika. Afaka matoky isika amin’izay fa ‘hampandeha antsika amin’ny lalany [i Jehovah] mba ho voatsimbina ny aintsika.’—Sal. 119:37; Heb. 10:36.

Inona no Tokony Hotadidintsika Momba...

• ny fifandraisan’ny maso sy ny saina ary ny fo?

• ny voka-dratsin’ny fijerena sary vetaveta?

• ny maha zava-dehibe ny hananana maso “tsotra” foana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Inona ireo zavatra tsy misy ilana azy, izay tsy tokony hojeren’ny Kristianina?