Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitoky Kokoa Tamin’i Jehovah Izahay Noho ny Fitsapana

Nitoky Kokoa Tamin’i Jehovah Izahay Noho ny Fitsapana

Nitoky Kokoa Tamin’i Jehovah Izahay Noho ny Fitsapana

Notantarain’i Ada Stritto

Vao avy nandika ny andinin-teny ho an’ny andro tao amin’ny kahieko aho. Efa 36 taona aho, nefa adiny roa ilay izy vao voadikako, na dia fohy kely aza. Fa nahoana? Aleo i Neny no hanazava.—Joel

VITA batisa tamin’ny 1968 izaho sy Luigi vadiko. Salama tsara i David sy Marc, zanakay roa voalohany. Tsy tonga volana kosa i Joel, zanakay fahatelo. Teraka tamin’ny 1973 izy, tao amin’ny hopitalin’i Binche, 60 kilaometatra atsimon’i Bruxelles, atỳ Belzika. Iray kilao sy sasany mahery kely monja izy tamin’izay. Tsy maintsy najanona tany amin’ny hopitaly i Joel, mandra-pitombon’ny lanjany.

Tsy nitombo mihitsy izy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nentinay tany amin’ny dokoteran-jaza. Hoy ilay dokotera, rehefa avy nizaha azy: “Malahelo aho milaza aminareo fa toa lasa ato amin’ity zaza ity daholo ny aretina tsy nahazo ny zokiny.” Tsy nisy nahateny izahay. Fantatro tamin’izay fa tena mafy ny mahazo an-janako. Nentin’ilay dokotera nihataka kely ny vadiko avy eo, ary nilazany fa sembana ny zanakay. *

Nampalahelo anay ny tenin’ilay dokotera. Nitady dokotera hafa àry izahay. Efa ho adiny iray izy no nizaha an’i Joel teo, ary tsy niteny mihitsy. Hoatran’ny adiny zato izany taminay. Nitraka ihany izy nony farany, ary nilaza hoe: “Tsy hahavita tena ity zaza ity, fa hila anareo foana.” Hoy izy avy eo: “Soa ihany fa tia azy ianareo, ka tsy hijaly be izy!” Tsara fanahy erỳ izy niteny an’izany, ka feno be ny foko. Nataoko teo an-tratrako ny zanako ary nody izahay. Roa volana izy tamin’izay.

Nampahery anay ny fivoriana sy ny fanompoana

Hita koa tatỳ aoriana fa voan’ny alofisaka i Joel, ary ngeza loatra ny fony ka nanery ny havokavony. Lasa mora andairan’aretina àry izy. Voan’ny pnemonia izy rehefa feno efa-bolana, ka voatery nampidirina hopitaly indray, ary natokan-toerana. Torotoro ny fonay nahita azy niady mafy tamin’ilay aretina. Mba te hitrotro azy sy hanafosafo azy izahay, saingy tsy navela hikasika azy nandritra ny roa volana sy tapany. Tsy nisy azonay natao afa-tsy ny nitazana sy nifamihina ary nivavaka.

Nivory foana izahay tao anatin’izany fahoriana mafy izany. Nentinay koa i David sy Marc, izay enin-taona sy telo taona tamin’izay. Nahatsiaro ho nokarakarain’i Jehovah izahay tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanampy anay hanankina ny fiainanay tamin’i Jehovah ny fiarahana tamin’ireo mpiara-manompo. Lasa nilamin-tsaina kokoa àry izahay. (Sal. 55:22) Na ireo mpitsabo mpanampy nikarakara an’i Joel aza nahamarika fa nanampy anay ho tony ny fivoriana.

Nitalaho tamin’i Jehovah koa aho mba homeny hery hanompoana. Naleoko nitory toy izay hitomany ao an-trano. Te hanazava tamin’ny olona aho fa nampahery ahy ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy hisy intsony ny aretina indray andro any. Tsapako fa namaly ny vavaka nataoko izy, isaky ny afaka nanompo aho.

“Fahagagana ity!”

Faly erỳ izahay satria navela hitondra an’i Joel hody ihany tamin’ny farany! Ny ampitson’iny ihany anefa dia tonga indray ny fahoriana. Narary be indray i Joel, ka tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Hoy ny dokotera rehefa avy nizaha azy: “Tsy maharitra mihoatra ny enim-bolana io zaza io.” Toa nitombina ny teniny, roa volana taorian’izay, satria vao mainka narary be ny zanako. Valo volana teo ho eo izy, tamin’izay. Nipetraka teo anilanay ny dokotera iray, ary hoy izy: “Afa-nenina tanteraka izahay. I Jehovah ihany sisa no azontsika antenaina.”

Niverina tao amin’ilay efitra nisy an’i Joel aho. Tena kivy sy reraka aho, nefa tsy te hiala teo akaikiny. Nifandimby niaraka tamiko tany amin’ny hopitaly ny rahavavy maromaro, fa i Luigi kosa nikarakara ny zanakay roa hafa. Lasa ny herinandro. Nihetsika tampoka ny aretim-pon’i Joel. Nikoropaka namonjy azy ny mpitsabo mpanampy, nefa tsy nisy vokany. Niteny moramora ny iray, rehefa afaka minitra vitsivitsy, hoe: “Mahaiza mionona...” Tonga dia nigogogogo nitomany aho, ary nandeha nivoaka. Niezaka nivavaka tamin’i Jehovah aho, saingy tsy hitako izay holazaina. Nony afaka fahefatr’adiny anefa dia niantso ahy ny mpitsabo mpanampy iray, ary niteny hoe: “E! Nitepo indray ny fon’i Joel!” Nosakambininy aho ary hoy izy: “Andao hijery azy.” Tena nitepo tokoa ny fony! Vetivety dia niely ilay vaovao. Nirohotra nijery azy ny mpitsabo, ary maro no nilaza hoe: “Fahagagana ity!”

Nahay nandeha ihany

Matetika ilay dokoteran’i Joel no niteny hoe: “Mila fitiavana be io zaza io.” Tsapanay sy Luigi fa nikarakara anay i Jehovah hatramin’ny nahaterahan’i Joel. Nokarakarainay sy nomenay fitiavana koa àry ilay sombin’ny ainay. Afaka nanao izany imbetsaka izahay, satria nila anay foana izy.

Nitovy foana ny olana natrehinay, nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Joel ka hatramin’izy fito taona. Marary foana izy ny volana Oktobra ka hatramin’ny Martsa, ary tsy maintsy nivezivezy teny amin’ny hopitaly izahay. Niezaka nanokana fotoana betsaka ho an’i David sy Marc koa anefa aho. Nanampy an’i Joel koa àry izy ireo, ary tsy nampoizina ny vokany. Dokotera maro, ohatra, no nilaza fa tsy hahay handeha mihitsy i Joel. Hoy anefa i Marc, indray andro, tamin’i Joel efa-taona: “Eo Joel a, asehoy an’i Neny hoe mahay mandeha ialahy!” Gaga be aho fa nahay nandeha izy! Faly be izahay, ka niara-nisaotra an’i Jehovah tamin’ny fonay manontolo. Nidera an’i Joel foana izahay, isaky ny nisy zavatra tsara vitany, na dia kely aza.

Misy vokany tsara ny fampianarana azy

Entinay mivory foana i Joel, raha mbola azo atao. Nataonay tao anaty posiposin-jaza misy sarony plastika manify izy, mba hiarovana azy tamin’ny mikraoba. Na izany aza, dia tiany ny niaraka tamin’ny fiangonana.

Tena nampahery anay ny mpiara-manompo. Tia be anay izy ireo sady nanampy anay. Matetika ny anadahy iray no nampahatsiahy anay an’ireo teny ao amin’ny Isaia 59:1 hoe: “Tsy hoe nanjary fohy loatra ny tanan’i Jehovah ka tsy mahavonjy, na hoe donto loatra ny sofiny ka tsy mahare.” Nanjary nitoky tamin’i Jehovah izahay, noho ireo teny mampahery ireo.

Nataonay izay hifantohan’i Joel tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, rehefa nihalehibe izy. Niresaka taminy momba an’i Jehovah foana izahay, mba hahatonga azy ho tia an’io Rainy any an-danitra io. Nivavaka mafy izahay mba hisy vokany tsara ny ezaka nataonay.

Tena faly izahay fa lasa tia nitory ny fahamarinana i Joel. Taoriana kelin’ny nandidiana azy, ohatra, tamin’izy 14 taona, dia nanontany ahy izy hoe: “Neny a, azoko omena boky Hiaina Mandrakizay ve ilay dokotera?” Taona vitsivitsy taorian’izay, dia tsy maintsy mbola nodidiana indray izy. Efa fantatray fa mety tsy hahatanty azy io intsony izy. Talohan’ilay fandidiana anefa, dia nanome taratasy an’ireo dokotera izy. Nolazainy tao fa tsy manaiky hampidiran-dra izy. Nanampy azy hanoratra an’io taratasy io izahay. Nanontany azy ny dokotera iray hoe: “Tena izay ve ny hevitrao?” Hentitra ny valin-teniny. Hoy izy: “Eny, Dokotera.” Nirehareha erỳ izahay fa nitoky tamin’ny Mpamorona ilay zanakay, sady tapa-kevitra ny hampifaly azy. Faly be koa izahay, fa nanaiky an’ilay fanapahan-keviny ny mpitsabo.

Nanao fandrosoana i Joel

Nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa i Joel, tamin’izy 17 taona. Tsy hainay hadinoina izay andro izay! Tena nahafaly anay ny nahita ny fandrosoany. Mbola tia an’i Jehovah sy mazoto manompo izy hatramin’izao. Izao no resahiny amin’ny olona matetika: “Ny fahamarinana no zava-dehibe indrindra amiko.”

Nianatra namaky teny sy nanoratra izy, tamin’izany fotoana izany. Tsy mora taminy ilay izy. Efa tena zava-dehibe taminy, na dia teny kely iray monja aza no voasorany. Vao mifoha izy isa-maraina, dia manao teny vakina. Rehefa vitany ilay izy, dia miezaka mafy izy mandika ny andinin-teny ho an’ny andro ao amin’ny kahieny. Kahie be dia be izao no efa fenony.

Tsy manaiky mihitsy i Joel raha tsy tonga aloha any am-pivoriana izahay. Te hiarahaba an’ireo olona tonga ao amin’ny efitrano mantsy izy. Tiany koa ny manome valin-teny sy manao fampisehoana, mandritra ny fivoriana. Anisan’ireo mikarakara mikrô izy, ary manana andraikitra hafa. Miara-manompo aminay izy isan-kerinandro, raha tsy marary. Nampandrenesina tamin’ny 2007, fa voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana izy. Tsy tananay ny ranomasonay. Tena fitahiana avy amin’i Jehovah ilay izy!

Tsapanay fa tsy fohy ny tanan’i Jehovah

Niatrika fitsapana hafa izahay tamin’ny 1999. Tsy nitandrina ny mpamilin’ny fiara iray, ka nandona ny fiaranay. Naratra be i Luigi, ka voatery notapahina ny tongony ilany. Nodidiana imbetsaka koa ny hazondamosiny. Mbola nitoky tamin’i Jehovah indray izahay, ka tsapanay fa nanome hery anay izy. (Fil. 4:13) Miezaka mijery lafy tsaran-javatra izahay, na dia lasa kilemaina aza i Luigi. Tsy afa-miasa intsony izy, ka afaka mikarakara bebe kokoa an’i Joel. Lasa manam-potoana kokoa hanaovana zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho, noho izany. Mitombo koa ny fotoana atokan’i Luigi hanampiana anay sy ny fiangonana, mba hanana finoana matanjaka. Mbola anti-panahy mpandrindra izy hatramin’izao.

Tafaraka matetika izahay mianakavy, noho ilay toe-javatra maningana iainanay. Nianatra ny hahay handanjalanja sy tsy ho sarotiny loatra izahay, rehefa nandeha ny fotoana. Mamboraka ny ao am-ponay amin’i Jehovah izahay rehefa kivy. Mampalahelo fa tsy nanompo an’i Jehovah intsony i David sy Marc, rehefa lehibe sy nitokan-trano. Manantena izahay fa mbola hiverina amin’i Jehovah izy ireo, indray andro any.—Lioka 15:17-24.

Nanampy anay foana i Jehovah, ary nianatra niantehitra taminy izahay isaky ny nisy fitsapana. Tena maminay ilay teny ao amin’ny Isaia 41:13 hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ” Mampahery anay ny mahalala fa mitantana anay i Jehovah. Afaka milaza izahay fa nanampy anay hitoky kokoa tamin’i Jehovah, ilay Rainay any an-danitra, ny fitsapana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Trisomie 21 no mahazo azy. Sembana hatrany am-bohoka ny olona voan’izy io ary lasa votsa saina. Inona no mahatonga ny trisomie 21? Misy zavatra atao hoe krômôzôma ao anaty sela. Mandeha tsiroaroa izy ireo, ary 46 no isany. Mihoatra iray anefa izany ao amin’ny olona voan’izy io.

[Sary, pejy 16, 17]

Joel sy Ada reniny

[Sary, pejy 18]

Ada sy Joel ary Luigi

[Sary, pejy 19]

Tian’i Joel ny miarahaba an’ireo rahalahy sy anabavy tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana