Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Anjara Asan’ny Fanahy Masina eo Amin’ny Fikasan’i Jehovah

Ny Anjara Asan’ny Fanahy Masina eo Amin’ny Fikasan’i Jehovah

Ny Anjara Asan’ny Fanahy Masina eo Amin’ny Fikasan’i Jehovah

‘Hahomby amin’izay andefasako azy ny teny aloaky ny vavako.’ —ISAIA 55:11.

1. Inona no tsy mampitovy an’ireo lehilahy roa ao amin’io ohatra io?

SAMY hanao dia lavitra ny lehilahy roa. Manapa-kevitra ilay voalohany fa hanaraka lalana iray hatramin’ny farany. Ilay faharoa kosa mahafantatra lalana maromaro mankany amin’izay halehany, ka efa miomana ny hiova lalana raha sendra misy olana. Inona no tsy mampitovy azy ireo? Fomba tokana no entin’ilay voalohany manatratra ny tanjony. Ilay faharoa kosa tsy toy izany. Mikasa hanao zavatra izy, nefa tsy mianina amin’ny fomba iray voafaritra tsara mba hanatanterahana izany.

2, 3. a) Inona no fikasan’i Jehovah, ary inona no nataony rehefa nanota i Adama sy Eva? b) Nahoana no tokony ho azontsika tsara ny fomba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany?

2 Toa an’io olona faharoa io i Jehovah. Tsy hoe fomba tokana sy tsy azo ovana no entiny manatanteraka ny fikasany. Tsy maintsy tanteraka foana anefa ilay izy. (Efes. 3:11) Mahakasika ny olombelona sy ny tany io fikasany io. Efa hatrany am-boalohany izy no nikasa hanova ny tany manontolo ho paradisa. Olombelona lavorary no honina ao, ary hiadana sy ho sambatra mandrakizay. (Gen. 1:28) Voatarik’i Satana hanota anefa i Adama sy Eva. Nanao izay handaminana izany i Jehovah, mba hahatanteraka ny fikasany. (Vakio ny Genesisy 3:15.) Nataony izay hahatonga an’ilay vadiny an’ohatra hanana ‘taranaka’, na Zanaka. Handringana an’i Satana izy io, ary hanaisotra ny voka-dratsin’ny fikomiany.—Heb. 2:14; 1 Jaona 3:8.

3 Tsy misy na iza na iza mahasakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fikasany, na any an-danitra na eto an-tany. (Isaia 46:9-11) Mampiasa ny fanahiny masina mantsy izy. Tsy maintsy “hahomby” ny fikasan’Andriamanitra, noho io hery tsy hay tohaina io. (Isaia 55:10, 11) Tokony ho azontsika tsara ny fomba hanatanterahany ny fikasany, satria miankina amin’izany ny hoavintsika. Mampahery koa ny mahalala ny fomba ampiasan’i Jehovah ny fanahy masina. Andeha àry hojerentsika ny anjara asan’izy io taloha sy ankehitriny ary amin’ny hoavy, mba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany.

Anjara asan’ny fanahy masina taloha

4. Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah tsikelikely an’ilay fikasany?

4 Nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely ilay fikasany. Mbola “zava-miafina masina” ny momba an’ilay Taranaka, tamin’ny voalohany. (1 Kor. 2:7) Efa 2 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana vao niresaka azy io indray i Jehovah. (Vakio ny Genesisy 12:7; 22:15-18.) Nanome fampanantenana niavaka an’i Abrahama izy. Hita avy amin’ilay teny hoe “amin’ny alalan’ny taranakao” fa olombelona izy io, ary taranak’i Abrahama. Tsy isalasalana fa tena nahaliana an’i Satana hoe iza izany taranaka izany. Azo inoana fa tiany ny hamono azy io na hahatonga azy io tsy hipoitra avy amin’i Abrahama, mba tsy hahatanteraka an’ilay fikasana. Tsy nahomby anefa izy, satria niasa ny fanahin’Andriamanitra. Ahoana izany?

5, 6. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny fanahiny, mba hiarovana ny razamben’ilay Taranaka?

5 Nampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hiarovana ny razamben’ilay Taranaka. Hoy izy tamin’i Abrama (Abrahama): “Izaho no ampinganao.” (Gen. 15:1) Tsy fampanantenana poakaty izany. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’ny 1919 T.K. tany ho any, rehefa nivahiny tany Gerara i Abrahama sy Saraha. Tsy fantatr’i Abimeleka, mpanjakan’i Gerara, hoe mpivady izy ireo, ka saika halainy ho vady i Saraha. Tetika avy amin’i Satana ve ilay izy, mba tsy hahatonga an’i Saraha hanome taranaka an’i Abrahama? Tsy milaza izany ny Baiboly. Resahiny kosa hoe nanao zavatra i Jehovah. Nampitandrina an’i Abimeleka tao amin’ny nofy izy, mba tsy hikasika an’i Saraha.—Gen. 20:1-18.

6 Tsy tamin’io ihany anefa i Jehovah no niaro azy ireo. Imbetsaka izy no namonjy an’i Abrahama sy ny fianakaviany. (Gen. 12:14-20; 14:13-20; 26:26-29) Nilaza toy izao momba an’i Abrahama sy ny taranany àry ny mpanao salamo: “Tsy nisy navelan’Andriamanitra hanambaka an’ireo. Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’ireo, ka nanao hoe: ‘Aza mikasika ny voahosotro, ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.’ ”—Sal. 105:14, 15.

7. Ahoana no niarovan’i Jehovah ny firenen’ny Israely?

7 Nampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hiarovana ny firenen’ny Israely, satria ho teraka eo anivon’izy io ilay Taranaka. Tamin’ny alalan’ny fanahiny, ohatra, no nanomezany ny Lalàna. Tiany hadio foana mantsy ny fivavahan’ny Jiosy sy ny fitondran-tenany ary ny vatany. (Eks. 31:18; 2 Kor. 3:3) Ny fanahiny koa no nanatanjaka ny olona sasany tamin’ny andron’ny Mpitsara, mba hanafaka ny Israely tamin’ny fahavalony. (Mpits. 3:9, 10) Azo antoka fa niaro an’i Jerosalema sy Betlehema ary ny tempoly koa io fanahy io, nandritra ireo taonjato talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, ilay voalohany amin’ny taranak’i Abrahama. Ao amin’ireo toerana ireo mantsy no ho tanteraka ny faminaniana sasany momba azy.

8. Inona no porofo fa nanampy an’i Jesosy ny fanahy masina nandritra ny fiainany sy ny fanompoany?

8 Nanampy an’i Jesosy nandritra ny fiainany sy ny fanompoany ny fanahy masina. Bevohoka i Maria virjiny, noho io hery io. Tsy lavorary izy nefa afaka niteraka Zanaka lavorary, izay tsy nandova ota. Mbola tsy nisy toy izany mihitsy na taloha na ankehitriny. (Lioka 1:26-31, 34, 35) Niaro an’i Jesosy tsy ho faty alohan’ny fotoana koa ny fanahy masina, tatỳ aoriana. (Mat. 2:7, 8, 12, 13) Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahiny i Jesosy, tamin’izy 30 taona teo ho eo, mba hanendrena azy hitory sy ho mpandova ny seza fiandrianan’i Davida. (Lioka 1:32, 33; 4:16-21) Nanome hery an’i Jesosy koa ny fanahy masina, ka afaka nanasitrana ny marary izy, namahana olona maro be, nanangana ny maty, ary nanao fahagagana hafa koa. Santionany fotsiny amin’ireo fitahiana ho azontsika ireo, rehefa hitondra i Jesosy.

9, 10. a) Inona no porofo fa niasa tamin’ny mpianatr’i Jesosy voalohany ny fanahy masina? b) Inona ilay fomba vaovao nentin’i Jehovah hanatanterahana ny fikasany?

9 Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nohosorana tamin’ny fanahy masina ireo olon-kafa anisan’ilay taranaka. Tsy taranak’i Abrahama ny maro tamin’izy ireo. (Rom. 8:15-17; Gal. 3:29) Niasa tamin’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany ny fanahy masina, ka nahatonga azy ireo hazoto hitory sy hanao fahagagana. (Asa. 1:8; 2:1-4; 1 Kor. 12:7-11) Voaporofo tamin’izany fa nisy fomba vaovao nentin’i Jehovah hanatanterahana ny fikasany. Niforona ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ary io indray no nankasitrahan’i Jehovah sy nampiasainy hanatanterahana ny fikasany. Tsy nilaina intsony àry nanomboka teo ilay fandaharana natao nandritra ny taonjato maro, mba hivavahana taminy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema.

10 Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah àry ny fanahy masina, fahiny. Niaro sy nanome hery ny mpanompony, ohatra, izy io. Nisy koa nohosorana tamin’ny fanahy masina. Ahoana kosa no ampiasan’i Jehovah ny fanahiny ankehitriny, mba hanatanterahany ny fikasany? Tiantsika ho fantatra izany, satria te hanaiky ny fitarihan’izy io isika. Andeha isika handinika lafin-javatra efatra.

Anjara asan’ny fanahy masina ankehitriny

11. Inona no porofo fa mahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hadio ny fanahy masina? Ahoana no ahitana fa avelanao hanan-kery eo aminao io fanahy io?

11 Voalohany, ny fanahy masina no mahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hadio. Tsy maintsy madio fitondran-tena ny mpanompon’i Jehovah. (Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11.) Mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady, na lehilahy niray tamin’ny lehilahy, ohatra, ny sasany taloha. Mety ho lalim-paka ny faniriana hanao zava-dratsy toy izany. (Jak. 1:14, 15) “Efa voasasa madio tsara” anefa izy ireo, izany hoe efa nanao fiovana mba hampifaliana an’Andriamanitra. Inona no manampy ny olona iray hanohitra ny fanirian-dratsy? “Ny fanahin’Andriamanitsika”, hoy ny 1 Korintianina 6:11. Tokony hadio fitondran-tena foana àry ianao, mba hiharihary fa avelanao hanan-kery eo amin’ny fiainanao io fanahy io.

12. a) Ahoana no itarihan’i Jehovah ny fandaminany, araka ilay fahitan’i Ezekiela? b) Ahoana no hampisehoanao fa manaiky hotarihin’ny fanahy masina ianao?

12 Faharoa, mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hitarihana ny fandaminany. Oharina amin’ny kalesy ny fandaminany any an-danitra, ao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Mandeha foana izy io, mba hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah, ary tsy misy mahatohitra azy io. Inona no mitarika an’ilay kalesy hizotra amin’ny lalany? Ny fanahy masina. (Ezek. 1:20, 21) Tadidio fa mizara roa ny fandaminan’i Jehovah, dia ny any an-danitra sy ny eto an-tany. Samy tarihin’ny fanahy masina izy ireo. Miara-mandeha amin’ilay kalesin’i Jehovah any an-danitra ianao, sady manaiky hotarihin’ny fanahy masina, raha mankatò tanteraka ny tari-dalan’ny fandaminana eto an-tany.—Heb. 13:17.

13, 14. a) Iza ilay “taranaka” noresahin’i Jesosy? b) Manomeza ohatra manaporofo fa manampy antsika hahatakatra ny fahamarinana ny fanahy masina. (Jereo ilay efajoro etsy ambony.)

13 Fahatelo, manampy antsika hahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny fanahy masina. (Ohab. 4:18) Ity gazety ity no tena ampiasain’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, mba hampiharihariana tsikelikely an’izany fahamarinana izany. (Mat. 24:45) Inona, ohatra, no fanazavana farany momba an’ilay hoe “ity taranaka ity”? (Vakio ny Matio 24:32-34.) Inona no tian’i Jesosy holazaina? Tsy ny ratsy fanahy ilay taranaka noresahiny, fa ny mpianany izay efa ho voahosotry ny fanahy masina, araka ilay lahatsoratra hoe “Midika ho Inona ho Anao ny Fanatrehan’i Kristy?” * Ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny no hahita ilay famantarana sady hahafantatra ny dikany. Ho takany fa “efa akaiky” i Jesosy, ary “efa eo am-baravarana.”

14 Tsy fantatsika ny tena halavan’ny fotoana iainan’io “taranaka” io. Ireto anefa misy lafin-javatra tsara hotadidina momba an’ilay teny hoe “taranaka”: Mazàna izy io no manondro olona samy hafa taona miara-belona mandritra ny fe-potoana iray. Tsy maintsy hifarana ilay fe-potoana ary tsy ho lava loatra. (Eks. 1:6) Inona àry no dikan’ny tenin’i Jesosy momba ilay “taranaka”? Te hilaza izy fa mbola tsy ho faty ny voahosotra sasany, izay nahita ny famantarana ny fanatrehany tamin’ny 1914, rehefa teraka ireo voahosotra hahita ny fanombohan’ny fahoriana lehibe. Nanam-piandohana io taranaka io, ary tsy maintsy ho lany. Inona no tokony ho vokatr’io fanazavana io eo amintsika? Efa tanteraka izao ny lafiny samihafa amin’ilay famantarana. Midika izany fa efa tena akaiky ny fahoriana lehibe. Aoka àry ianao hiambina hatrany sy hitadidy foana fa efa akaiky ny farany. Asehonao amin’izany fa maharaka an’ireo fanazavana farany ianao, ary manaraka ny fitarihan’ny fanahy masina.—Mar. 13:37.

15. Inona no porofo fa manome antsika hery hitoriana ny fanahy masina?

15 Fahefatra, ny fanahy masina no manome antsika hery hitoriana ny vaovao tsara. (Asa. 1:8) Tsy ho niely eran-tany mihitsy ny vaovao tsara raha tsy izany. Saintsaino ange e! Angamba ianao saro-kenatra na natahotahotra taloha, ka nieritreritra hoe: ‘Tsy ho vitako mihitsy izany hitory isan-trano izany!’ Mazoto mitory anefa ianao izao. * Vavolombelona maro koa no nahavita nitory foana, na teo aza ny fanoherana na fanenjehana. Ny fanahy masin’Andriamanitra ihany no afaka manampy antsika handresy vato misakana lehibe toy ireny, sy hahatontosa zavatra tsy ho vitantsika amin’ny herintsika samirery. (Mika 3:8; Mat. 17:20) Manaiky hotarihin’io fanahy io isika, raha mazoto mandray anjara amin’ny fitoriana.

Anjara asan’ny fanahy masina amin’ny hoavy

16. Nahoana isika no matoky fa hiaro ny vahoakany i Jehovah amin’ny fahoriana lehibe?

16 Hampiasa ny fanahiny amin’ny fomba miavaka i Jehovah amin’ny hoavy, mba hanatanterahana ny fikasany. Hiaro ny vahoakany, ohatra, izy. Hitantsika teo fa nampiasa ny fanahiny i Jehovah fahiny, mba hiarovana ny mpanompony sasany sy ny firenen’ny Israely. Matoky àry isika fa hampiasa an’io fanahy mahery io koa izy, mba hiarovana ny vahoakany amin’ny fahoriana lehibe. Tsy tokony haminavina isika hoe ahoana marina no hiarovany antsika amin’izay. Tsy tokony hanahy koa isika, satria fantatsika fa hitan’i Jehovah ireo olona tia azy na aiza na aiza, ary afaka manampy azy ireo foana ny fanahiny.—2 Tan. 16:9; Sal. 139:7-12.

17. Ahoana no hampiasan’i Jehovah ny fanahiny, ao amin’ny tontolo vaovao?

17 Hampiasa ny fanahiny koa i Jehovah, mba hanoratana an’ireo horonam-boky hovelarina ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 20:12) Azo inoana fa izay zavatra takiny amintsika mandritra ny arivo taona no ho raketin’izy ireo. Efa tsy andrinao ve ny hianatra izany? Tena irintsika àry ny hahatongavan’ny tontolo vaovao. Hampiasa ny fanahiny i Jehovah amin’izay, mba hanatanterahana ny fikasany ho an’ny tany sy ny olombelona. Mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika ny fiainana miandry antsika any.

18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

18 Aza hadinoina mihitsy fa tsy maintsy tanteraka ny fikasan’i Jehovah, satria ampiasainy ny fanahiny masina, ilay hery lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Mahakasika anao koa ny fikasany. Aoka àry ianao hitalaho amin’i Jehovah mba homeny ny fanahiny, ary hanaiky hotarihin’izy io. (Lioka 11:13) Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ianao amin’izay, araka ny fikasan’i Jehovah ho an’ny olombelona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Nisy olona saro-kenatra be nefa lasa nazoto nitory. Jereo, ohatra, ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2009, pejy 43-44.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny fanahiny masina fahiny?

• Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fanahiny ankehitriny?

• Ahoana no hampiasan’i Jehovah ny fanahiny amin’ny hoavy, mba hanatanterahany ny fikasany?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 10]

Maharaka An’ireo Fanazavana Farany ve Ianao?

Tsy mitsahatra manazava kokoa ny fahamarinana amin’ny vahoakany i Jehovah. Inona, ohatra, ny fanitsiana efa navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana?

▪ Inona no zavatra tsara nampianarin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny lalivay? (Mat. 13:33)—15 Jolay 2008, pejy 19-20.

▪ Rahoviana no hifarana ny fiantsoana ny Kristianina manantena ny ho any an-danitra?—1 Mey 2007, pejy 30-31.

▪ Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah “araka ny fanahy”? (Jaona 4:24)—15 Jolay 2002, pejy 15.

▪ Aiza ho aiza ao amin’ny tempolin’i Jehovah ny vahoaka be no manompo? (Apok. 7:15)—1 Mey 2002, pejy 30-31.

▪ Oviana no hanomboka ny fanavahana ny ondry amin’ny osy? (Mat. 25:31-33)—15 Oktobra 1995, pejy 18-28.