Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Tiavo Hatrany ny Fanompoana An’i Jehovah

Ry Tanora, Tiavo Hatrany ny Fanompoana An’i Jehovah

Ry Tanora, Tiavo Hatrany ny Fanompoana An’i Jehovah

‘Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao, amin’ny andro fahatanoranao.’—MPITO. 12:1.

1. Nasaina nanao inona ny ankizy teo amin’ny Israely?

HOY i Mosesy mpaminanin’i Jehovah tamin’ireo mpisorona sy anti-panahy teo amin’ny Israely, 3 500 taona teo ho eo izay: “Vorio ny vahoaka, dia ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy madinika, ... mba hihainoany sy hianarany, satria tokony hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo izy, ary tokony hitandrina mba hanaraka an’izay rehetra voalazan’ity lalàna ity.” (Deot. 31:12) Nasaina nivory teo daholo, na lehilahy na vehivavy na ankizy. Nasaina nihaino sy nianatra ary nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah koa àry ny ankizy.

2. Inona no porofo fa niahy an’ireo ankizy sy tanora teo anivon’ny fiangonana voalohany i Jehovah?

2 Niahy an’ireo ankizy sy tanora teo anivon’ny vahoakany koa i Jehovah, tamin’ny taonjato voalohany. Nasainy nanome toromarika azy ireo, ohatra, ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasy nalefany ho an’ny fiangonana. (Vakio ny Efesianina 6:1; Kolosianina 3:20.) Lasa nankasitraka kokoa an’ilay Rainy be fitiavana any an-danitra ny ankizy sy tanora nampihatra izany, ary nandray fitahiana.

3. Ahoana no ampisehoan’ny tanora fa te hanompo an’Andriamanitra izy ireo?

3 Asaina hivory koa ve ny ankizy sy ny tanora ankehitriny? Eny! Hoy i Paoly: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Heb. 10:24, 25) Faly ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, satria tanora maro no mankatò izany. Betsaka koa ny ankizy entin’ny ray aman-dreniny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mat. 24:14) Tanora an’arivony isan-taona no atao batisa, mba hanaporofoany fa tena tia an’i Jehovah izy. Lasa mpianatr’i Kristy izy ireo ka mandray fitahiana.—Mat. 16:24; Mar. 10:29, 30.

Aza mangataka andro

4. Firy taona ny ankizy vao afaka manompo an’Andriamanitra?

4 Hoy ny Mpitoriteny 12:1: ‘Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao, amin’ny andro fahatanoranao.’ Manasa anao hivavaka aminy sy hanompo azy àry i Jehovah. Firy taona ianao vao afaka manao izany? Tsy miresaka taona ny Soratra Masina. Aza mieritreritra àry hoe mbola kely loatra ianao, ka tsy afaka mihaino sy manompo an’i Jehovah. Tsy tokony hangataka andro ianao, na firy taona na firy taona.

5. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hanao fandrosoana?

5 Ankizy maro no ampian’ny rainy na ny reniny na izy mivady hanao fandrosoana. Tsy nisy hafa tamin’izany i Timoty. Mbola zazakely izy, dia efa nianatra ny Soratra Masina tamin’i Eonika reniny sy Loisa renibeny. (2 Tim. 3:14, 15) Manampy anao koa angamba ny ray aman-dreninao, ka miara-mianatra Baiboly aminao, miara-mivavaka aminao, mitondra anao any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe ary eny amin’ny fanompoana. Andraikitra lehibe nomen’i Jehovah azy ireo izany. Tena tia sy miahy anao izy ireo. Mankasitraka izany ve ianao?—Ohab. 23:22.

6. a) Fanompoana manao ahoana no mahafaly an’i Jehovah, araka ny Salamo 110:3? b) Inona izao no hodinihintsika?

6 Rehefa mihalehibe anefa ianao, dia tian’i Jehovah ny hanahafanao an’i Timoty. Tiany ny ‘handinihanao tsara ka hamantaranao ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ (Rom. 12:2) Hazoto hivory sy hitory ianao amin’izay, nefa tsy hoe teren’ny ray aman-dreninao, fa noho ianao te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ho faly i Jehovah raha manompo azy an-tsitrapo ianao. (Sal. 110:3) Ahoana àry no hampisehoanao fa tianao foana ny hihaino azy sy hanaraka ny tari-dalany? Hodinihintsika tsirairay ireto lafin-javatra lehibe telo ireto: Fianarana, vavaka, ary fitondran-tena.

Fantaro i Jehovah

7. Inona no modely nomen’i Jesosy, ary inona no nahatonga izany?

7 Mamakia Baiboly isan’andro. Izany no fomba voalohany ampisehoanao fa tianao foana ny manompo an’i Jehovah. Hahafantatra kokoa azy ianao sady hahazo fahalalana sarobidy, raha mamaky tsy tapaka ny Teniny. (Mat. 5:3) Nanome modely ho anao i Jesosy. Indray andro, tamin’izy 12 taona, dia hitan’ny ray aman-dreniny tao amin’ny tempoly izy, “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ary nihaino sady nanontany.” (Lioka 2:44-46) Mbola kely izy dia efa nazoto nianatra ny Soratra Masina, sady nahatakatra ny hevitr’izy io. Inona no nahatonga izany? Mpanompon’Andriamanitra i Maria reniny sy Josefa rainy nitaiza azy, ka mbola kely i Jesosy dia efa nampianarin’izy ireo momba an’i Jehovah.—Mat. 1:18-20; Lioka 2:41, 51.

8. a) Rahoviana ny ray aman-dreny no tokony hanomboka hanampy ny zanany ho tia ny Tenin’Andriamanitra? b) Milazà fitantarana manamarina fa misy vokany tsara ny fampianarana ny ankizy.

8 Hitan’ny ray aman-dreny kristianina koa ankehitriny, fa tena mila ampianarina tsikelikely ho tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny ankizy, dieny mbola zazakely. (Deot. 6:6-9) Izany no nataon’ny anabavy iray atao hoe Rubi raha vao teraka kelikely i Joseph zanany lahimatoa. Novakiny taminy isan’andro Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nampiany hitadidy andinin-teny koa izy rehefa lehibebe. Inona no vokany? Vao nahay niteny i Joseph, dia efa nahavita namerina tantara maro ao amin’ny Baiboly tamin’ny fomba fiteniny. Nandray anjara voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy, tamin’izy dimy taona.

9. Nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay vakina?

9 Tokony ho zatra mamaky Baiboly isan’andro ny tanora raha te hanao fandrosoana. Tokony hotohiziny foana izany na dia efa lehibe aza izy. (Sal. 71:17) Nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly? Hoy i Jesosy tao amin’ny vavaka iray nataony: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra.” (Jaona 17:3) Vao mainka ho tsapanao fa tena misy i Jehovah, rehefa mitombo ny fahalalanao azy, ary ho tia azy kokoa ianao. (Heb. 11:27) Ataovy àry izay hianarana momba azy isaky ny mamaky Baiboly. Mieritrereta hoe: ‘Inona no ianarako momba an’i Jehovah avy amin’izany? Hita avy amin’io andinin-teny io ve fa miahy sy tia ahy izy?’ Hahalala ny fisainan’i Jehovah sy ny fihetseham-pony ary ny zavatra takiny ianao, raha maka fotoana hisaintsainana fanontaniana toy izany. (Vakio ny Ohabolana 2:1-5.) Ho ‘resy lahatra’ toa an’i Timoty ianao, ka hino izay ianaranao ao amin’ny Soratra Masina, ary hanompo an’i Jehovah an-tsitrapo.—2 Tim. 3:14.

Mampitombo ny fitiavana an’i Jehovah ny vavaka

10, 11. Nahoana no zava-dehibe ny vavaka?

10 Ny vavaka no fomba faharoa hanampy anao ho tia foana manompo an’i Jehovah. Hoy ny Salamo 65:2: “Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.” Afaka nivavaka tamin’i Jehovah ireo vahiny tonga tao amin’ny tempoly, tamin’ny andron’ny Israelita. (1 Mpanj. 8:41, 42) Tsy manavakavaka Andriamanitra. Afaka matoky ireo mankatò ny didiny fa hihaino azy ireo izy. (Ohab. 15:8) Anisan’ny “karazan’olona rehetra” afaka manatona azy koa ianareo tanora.

11 Mila mifampiresaka tsara ny olona raha te ho mpinamana foana. Azo inoana fa tianao ny miresaka an’izay ao an-tsainao sy ao am-ponao ary izay mampanahy anao amin’ny olona tena namanao. Miresaka amin’ilay Mpamorona Lehibe ianao, rehefa mivavaka amin’ny fonao manontolo. (Fil. 4:6, 7) Ataovy toy ny hoe mamboraka ny ao am-ponao amin’ny ray na reny be fitiavana ianao na amin’ny namanao akaiky. Hita amin’ny vavakao raha tena namanao i Jehovah na tsia. Ho tsapanao fa hihatsara ny vavaka ataonao, rehefa lasa mifandray kokoa aminy ianao.

12. a) Ahoana no ahitana raha avy amin’ny fo ny vavaka ataonao? b) Ahoana no hahalalanao fa akaiky anao i Jehovah?

12 Tadidio anefa fa tsy amin’ny teninao fotsiny no ahitana raha avy amin’ny fo ny vavaka ataonao. Tokony hiharihary koa izay tena any am-ponao. Asehoy amin’ny vavaka ataonao àry fa tena tia sy manaja an’i Jehovah ianao ary miantehitra aminy. Ho tsapanao kokoa fa “akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah”, rehefa hitanao fa mamaly ny vavakao izy. (Sal. 145:18) Hanatona anao izy, ary hanampy anao hanohitra ny Devoly sy hanao safidy tsara eo amin’ny fiainana.—Vakio ny Jakoba 4:7, 8.

13. a) Hazavao fa nanampy anabavy iray hanao safidy tsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. b) Efa nanampy anao handresy ny fitaoman’ny namana koa ve ny fifandraisanao amin’Andriamanitra? Hazavao.

13 Nifandray akaiky tamin’i Jehovah ny anabavy iray atao hoe Cherie, ka nampiany hanao safidy tsara. Nomena loka izy tany amin’ny lise, satria nahazo naoty ambony sady nahay be tamin’ny fanatanjahan-tena. Nomena vatsim-pianarana izy, rehefa vita ny fianarany teny amin’ny lise. Hoy i Cherie: “Te hanaiky an’ilay izy aho tamin’ny voalohany. Ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra koa moa nampirisika ahy.” Fantany anefa fa raha manao fianarana ambony izy, dia tsy hanam-potoana firy hanompoana an’i Jehovah, satria ho variana amin’ny fianarana sy ny fanazaran-tena. Inona no nataony? Hoy ihany izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ka tapa-kevitra fa tsy handray an’ilay vatsim-pianarana fa hirotsaka ho mpisava lalana.” Efa dimy taona izy izao no mpisava lalana. “Tsy manenina mihitsy aho”, hoy izy. “Faly aho satria fantatro fa tian’i Jehovah ny fanapahan-kevitro. Homena antsika tokoa ny zava-drehetra, rehefa mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha isika.”—Mat. 6:33.

“Madio fo” izay tsara fitondran-tena

14. Inona no vokany raha tsara fitondran-tena ianao?

14 Inona no fomba fahatelo ampisehoanao fa manompo an’i Jehovah an-tsitrapo ianao? Miezaha ho tsara fitondran-tena. Hotahin’i Jehovah ianao amin’izay. (Vakio ny Salamo 24:3-5.) Ratsy fitondran-tena ny zanak’i Ely Mpisoronabe, nefa tsy nanaiky ho voataonan’izy ireo i Samoela. Hitan’ny rehetra fa tsara fitondran-tena izy. Hoy ny Baiboly: “Nihalehibe ihany i Samoela nandritra izany fotoana izany, sady vao mainka nahatehotia teo imason’i Jehovah sy teo imason’ny olona.”—1 Sam. 2:26.

15. Nahoana ianao no miezaka ny ho tsara fitondran-tena foana?

15 Tia tena ny mpiara-belona amintsika, tsy mankatò ray aman-dreny, tsy misaotra, manambony tena, tsy mena-mivadika, masiaka be, mpieboebo, ary tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra. Santionany fotsiny amin’ireo toetra ratsy notononin’i Paoly ireo. (2 Tim. 3:1-5) Mety ho sarotra aminao àry ny ho tsara fitondran-tena foana. Manohana ny zon’i Jehovah hitondra anefa ianao, isaky ny manao ny tsara fa tsy manaiky hanao ny ratsy. (Joba 2:3, 4) Faly koa ianao satria manaiky an’ilay fiangavian’i Jehovah hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (Ohab. 27:11) Vao mainka ianao te hanompo azy rehefa mahalala fa ankasitrahany.

16. Inona no nataon’ny anabavy iray mba hampifaliana ny fon’i Jehovah?

16 Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana ny anabavy iray atao hoe Carol, tany am-pianarana. Voamariky ny olona fa tsara fitondran-tena izy. Nesoin’ny ankizy izy, satria tsy neken’ny sainy ny hanao fety sy fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana. Afaka niresaka momba ny zavatra inoany izy indraindray. Naharay karta avy tamin’ny mpiara-mianatra taminy i Carol, taona maro tatỳ aoriana. Hoy izy io: “Efa ela aho no te hisaotra anao. Voamariky ny olona [tany am-pianarana] fa tsara fitondran-tena ianao sady tanora kristianina fakan-tahaka, ary sahy nanda tsy hanao fety. Ianao no Vavolombelon’i Jehovah voalohany hitako.” Tena nisy vokany tamin’ilay mpiara-mianatra tamin’i Carol ny modely nomeny, ka nianatra Baiboly izy io tatỳ aoriana. Nosoratany tao amin’ilay karta fa efa 40 taona mahery izy izao no Vavolombelona vita batisa! Mety hianatra momba an’i Jehovah àry ny olona tso-po rehefa mahita tanora sahy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.

Tanora midera an’i Jehovah

17, 18. a) Ahoana no fahitanao an’ireo tanora eo anivon’ny fiangonanareo? b) Inona no miandry an’ireo tanora matahotra an’Andriamanitra?

17 Faly ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, satria tanora an’arivony no mazoto manaraka ny fivavahana marina! Miezaka ny ho tia manompo an’i Jehovah foana izy ireo, ka mamaky Baiboly isan’andro, mivavaka, ary manana fitondran-tena tsara. Mahafaly ny ray aman-dreniny sy ny vahoakan’i Jehovah hafa rehetra ny tanora fakan-tahaka toy izany.—Ohab. 23:24, 25.

18 Ho anisan’ireo hiditra ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra ny tanora tsy mivadika. (Apok. 7:9, 14) Handray fitahiana maro izy ireo ao, sady ho afaka hidera an’i Jehovah mandrakizay, raha mankasitraka azy foana.—Sal. 148:12, 13.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no azon’ny tanora atao, mba hampisehoany fa manaraka ny fivavahana marina izy?

• Nahoana ianao no mila misaintsaina izay vakinao ao amin’ny Baiboly?

• Nahoana ny vavaka no manampy anao hanatona an’i Jehovah?

• Inona no vokany rehefa tsara fitondran-tena ny Kristianina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]

Zatra mamaky Baiboly isan’andro ve ianao?