Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Nahoana no tsy maintsy maty ny Mesia?

Ny fahafatesany no nanaporofo fa mahavita mahafoy tena ho an’Andriamanitra ny olombelona lavorary, na dia mijaly toy inona aza. Nanafaka ny olona tamin’ny ota nolovana tamin’i Adama izy, mba hiainan’izy ireo mandrakizay.—15/12, pejy 22-23.

• Inona no hanampy anao hahay handanjalanja amin’ny fisotroana toaka?

Manampy ny vavaka sy ny fianarana Baiboly. Tena ilaina koa ny mifehy tena sy tsy miovaova hevitra ary miaraka amin’ny namana tsara. Raha te hisotro ianao, dia fero ny habetsahany. Mahaiza koa mandà raha ampirisihin’ny olona hisotro foana ianao.—1/1, pejy 7-9.

• Ahoana no hifampiresahanao tsara amin’ny zanakao?

Tsy ampy ny miresaka aminy, fa ilaina koa ny manontany azy sy mihaino tsara izay lazainy. Fianakaviana maro no manararaotra mifampiresaka mandritra ny sakafo.—15/1, pejy 18-19.

• Nahoana i Jehovah no lazaina fa manenina, nefa izy lavorary?

Niova hevitra Andriamanitra indraindray. Imbetsaka, ohatra, ny Israelita no nahafoy azy ka nanaraka andriamani-kafa. Tsy niaro azy ireo intsony àry izy. Rehefa nanenina noho ny ratsy nataony anefa izy ireo, ary nitady vonjy taminy, dia niova hevitra izy na “nanenina.” (Mpits. 2:18)—1/2, pejy 21.

• Inona no toe-javatra mety hahatonga ny olona iray hatao batisa indray?

Nanao zavatra mety hahavoaroaka ny olona vita batisa, ohatra, izy tamin’izy natao batisa, nefa nanafina.—15/2, pejy 22.

• Inona no antony telo ataon’ny olona fialan-tsiny hangalarana?

Mety hihevitra ny olona mahantra fa tsy diso izy raha mangalatra. Maro koa no manao izany satria hoe “manao izany ny rehetra.” Ny hafa indray tsy mamerina ny zava-tsarobidy hitany, satria nahita, hono, izy fa tsy nangalatra. Manameloka ny halatra ny Baiboly, na inona na inona antony.—1/3, pejy 12-14.

• Inona ilay famafazana ny voa tsara, ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary?

Niasa an’ilay tanimbary ny Zanak’olona na i Jesosy, tamin’izy nanompo teto an-tany. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 no nafafy ny voa tsara, rehefa nohosorana ho zanak’Andriamanitra ny Kristianina, ka lasa zanak’ilay Fanjakana.—15/3, pejy 20.

• Ahoana no anangonana ny vary ho ao amin’ny trano fitehirizam-bokatr’i Jehovah? (Mat. 13:30)

Angonina ny vary na ireo voahosotra zanak’ilay Fanjakana, izany hoe lasa anisan’ny fiangonan’ny tena Kristianina. Nisy koa nahazo ny valisoany any an-danitra. Haharitra elaela ilay fanangonana, ary hitohy mandritra ny andro farany.—15/3, pejy 22.

• Iza no nifidy an’ireo boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina?

Tsy ny filan-kevitry ny Eglizy na ny mpitondra fivavahana no namaritra izany. Ny tena Kristianina kosa no nahay nanavaka izay boky avy amin’ny fanahy masina, noho izy ireo nampian’ny fanahin’Andriamanitra. Nomena fahaizana mahagaga mantsy izy ireo, dia ny “fahaiza-mamantatra ny fanambarana avy amin’ny fanahy.” (1 Kor. 12:4, 10)—1/4, pejy 28.