Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tian’i Jehovah ho Voaro Amin’ny Loza Ianao

Tian’i Jehovah ho Voaro Amin’ny Loza Ianao

Tian’i Jehovah ho Voaro Amin’ny Loza Ianao

HANAO izay ‘hahatafavoaka soa aman-tsara’ ny olona ankasitrahany ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, rehefa ho tonga ny Hara-magedona. (Joela 2:32) Tian’i Jehovah foana anefa ny miaro ny olona amin’ny loza. Izy mantsy no “loharanon’aina” ka sarobidy aminy ny olona rehetra, ary mendrika ny harovana.—Sal. 36:9.

Nihevitra ny aina ho sarobidy koa ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Mitantara ny Genesisy 33:18 fa tonga “soa aman-tsara” i Jakoba sy ny fianakaviany, taorian’ny dia nampidi-doza iray. Niantehitra tamin’ny fiarovan’i Jehovah i Jakoba. Nanao zavatra koa anefa izy mba hiarovana an’ireo niara-dia taminy. (Gen. 32:7, 8; 33:14, 15) Raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao, dia hiaro anao sy ny olon-kafa amin’ny loza izany. Andeha hojerentsika fa marina koa izany ho an’ireo manorina Efitrano Fanjakana sy manatanteraka tetikasa hafa mitovitovy amin’izany ary ireo manampy tra-boina.

Aro loza tao amin’ny Lalàn’i Mosesy

Nisy fepetra momba ny fiarovana amin’ny loza tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Nasaina nanisy arofanina nanodidina ny tampon-tranony, ohatra, ny Israelita, rehefa nanorina trano. Fisaka ny tampon-tranony, ary matetika izy ireo no niakatra teny. Niaro azy tsy hianjera àry ilay arofanina. (1 Sam. 9:26; Mat. 24:17) Raha tsy narahina io didy io ka nisy olona nianjera avy teny, dia ilay tompon-trano no meloka teo anatrehan’i Jehovah.—Deot. 22:8.

Nisy lalàna momba ny biby fiompy mampidi-doza koa tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy maintsy novonoina, ohatra, ny omby iray raha nanoto olona ka nahafaty azy. Natao izany mba hiarovana ny hafa. Tsy azo nohanina na namidy ny henan’ilay omby. Fatiantoka be àry izany. Ahoana anefa raha efa nandratra olona ilay omby, nefa tsy nambenan’ny tompony? Ahoana raha mahafaty olona ilay izy atỳ aoriana? Tsy maintsy vonoina ilay omby sy ny tompony. Nandray lesona avy tamin’izany ny olona tsy niambina tsara ny biby fiompiny.—Eks. 21:28, 29.

Voalazan’ny Lalàna koa fa tokony hitandrina ny olona rehefa mampiasa fitaovana. Nampiasa famaky ny Israelita maro rehefa nikapa kitay. Raha nipitika ny lelan’ilay famaky ka nahafaty olona, dia tsy maintsy nitsoaka tany amin’ny tanàna fandosirana ilay nampiasa azy io. Hijanona any izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe. Nety ho nidika izany fa nandao ny tranony sy ny vady aman-janany nandritra ny taona maro ilay nahafaty olona tsy nahy. Nanjary takatr’ilay firenena fa masina amin’i Jehovah ny aina. Nikojakoja tsara ny fitaovany àry ny olona nihevitra ny aina ho masina, sady nitandrina tsara rehefa nampiasa izany.—Nom. 35:25; Deot. 19:4-6.

Hita tamin’ireny lalàna ireny fa tian’i Jehovah hitandrina foana ny vahoakany na tao an-trano na tany an-toeran-kafa. Tsy maintsy nataony ampamoaka izay nandratra na nahafaty olona, na dia tsy fanahy iniana aza. Tsy miova ny hevitr’i Jehovah momba ny aro loza. (Mal. 3:6) Tiany foana ianao hitandrina mba tsy handratra ny tenanao sy ny hafa, indrindra rehefa manorina na mikojakoja ireo trano fivavahana aminy.

Aro loza rehefa manao fanorenana

Voninahitra lehibe ny manorina sy mikojakoja Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, ary tranon’ny sampana. Toy izany koa ny manampy tra-boina. Tiantsika ny hanao tsara foana ny asantsika, na dia amin’ny asa tsotra aza. Mety haratra mantsy isika, na handratra ny hafa, raha tsy mahay. (Mpito. 10:9) Tokony ho zatra hitandrina àry isika rehefa miasa, mba tsy hisian’ny loza.

Hoy ny Baiboly: “Ravaky ny tanora ny tanjany, ary voninahitry ny zokiolona ny volofotsiny.” (Ohab. 20:29) Ilaina ny tanjaky ny tanora, mba hahavitana asa mafy. Ireo zokiolona manana traikefa amin’ny asa fanorenana kosa, mampiasa ny tanany sy ny fitaovany mba hamitana ny pitsipitsiny amin’ny asa. Efa nanao asa mafy koa izy ireny tamin’ny fahatanorany. Raha mpiasa an-tsitrapo vaovao àry ianao, dia jereo ny fomba fiasan’ireo be traikefa, ary araho ny toromariny. Hampianatra anao zavatra maro izy ireo, raha vonon-kianatra ianao. Anisan’izany ny fampiasana fitaovana mampidi-doza sy ny fibatana zavatra mavesatra. Hahavita asa tsara ianao amin’izay sady ho faly, ary tsy hiharan-doza.

Mila mailo hatrany ny mpanao fanorenana. Misy fiovana foana mantsy eo amin’ny toeram-panorenana. Mety ho efa misy lavaka, ohatra, eo amin’ny faritra iray, raha tany mafy tsara ilay izy teo aloha. Mety ho namindra tohatra, na hazo fisaka, na boatin-doko koa ny mpiasa hafa. Azo inoana fa haratra ianao, raha varimbariana. Voalazan’ny fitsipika momba ny aro loza fa tokony hanao fitaovana fiarovana ny mpanao fanorenana. Afaka miaro anao amin’ny loza maro ny solomaso fiarovana sy satroka aro loha ary baoty fitondra miasa. Tokony hanaovanao ireo, ary kojakojao mba ho tsara foana.

Toa tsotra ny fampiasana fitaovana maro, nefa ilana fampiofanana sy fahazarana, mba tsy hahitan-doza. Miresaha amin’ny rahalahy tompon’andraikitra, raha mbola tsy mahay mampiasa fitaovana iray ianao. Hanao izay hahazoanao fampiofanana izy. Toetra tsara ny fanetren-tena. Tena ilaina izany raha tsy te handratra ny tenanao sy ny hafa ianao, any amin’ny toeram-panorenana.—Ohab. 11:2.

Ny fianjerana no voina mateti-pitranga amin’ny asa fanorenana. Alohan’ny hiakaranao tohatra na esafôdazy àry, dia hamarino raha mbola mafy tsara ilay izy, ary jereo raha mipetraka daholo ireo aro loza aminy. Tokony hampiasa tady fiarovana na hanisy arofanina ianao, raha hiasa eny ambony tafo na esafôdazy. Anontanio ny tompon’andraikitra raha misy tianao ho fantatra momba ny fiasana amin’ny toerana avo. *

Mihamaro ny vahoakan’i Jehovah eran-tany, ka betsaka koa ny Efitrano Fanjakana sy trano hafa ilaina aorina, mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Ny mpiandraikitra ny toeram-panorenana no tompon’andraikitra amin’ny fiarovana an’ireo miasa eo ambany fitarihany. Ondry sarobidin’i Jehovah mantsy izy ireny. (Isaia 32:1, 2) Tsy tokony hohadinoin’ny mpiandraikitra àry fa tsy maintsy arahina ny fepetra momba ny aro loza. Ataovy madio foana ilay toerana ary esory ny zavatra tsy ilaina. Ampahatsiahivo momba ny aro loza ireo mila an’izany. Tokony halemy fanahy sy ho hentitra ianao rehefa manao izany. Aza avela hiasa amin’ny toerana mampidi-doza ny tanora na ny tsy ampy traikefa. Fantaro mialoha ny loza mety hitranga amin’ireo mpiasa, ary ampio izy ireo mba ho voaro amin’izany. Tadidio fa ny hamita an’ilay tetikasa nefa tsy hisy haratra no tanjontsika.

Manehoa fitiavana

Maro ny asa mampidi-doza rehefa manorina Efitrano Fanjakana sy trano hafa ho an’ny fivavahana marina. Tsy maintsy mitandrina tsara àry ny mpiasa amin’ireny toerana ireny. Ahoana no hiarovanao ny tenanao sy ny namanao mba tsy hiharan-doza? Araho ny toro lalan’ny Baiboly sy ny toromarika momba ilay asa atao, ary aoka ianao hisaina tsara.

Ny fitiavana no tena mahatonga antsika hiaro tena amin’ny loza. Tia an’i Jehovah isika ka mihevitra ny aina ho sarobidy toy ny iheverany azy. Tia ny olon-kafa koa isika ka mitandrina mba tsy hanao zavatra mety hampidi-doza azy. (Mat. 22:37-39) Aoka àry isika hanao izay azontsika atao mba ho voaro amin’ny loza rehefa manao asa fanorenana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo ilay efajoro hoe “Ahoana no Fampiasa Tohatra?” eo amin’ny pejy 30.

[Efajoro/Sary, pejy 30]

Ahoana no Fampiasana Tohatra?

Tao anatin’ny herintaona, dia mpiasa 160 000 mahery tany Etazonia no nianjera tamin’ny tohatra ka naratra. Nisy 150 teo ho eo koa maty. Ireto misy toromarika vitsivitsy hanampy anao tsy hianjera amin’ny tohatra, na aiza na aiza ipetrahanao na iasanao.

◇ Aza mampiasa tohatra efa mangozohozo na simba. Poteho ilay izy, fa aza amboarina intsony.

◇ Voafetra ny lanja zakan’ny tohatra. Fantaro àry ny lanjanao sy ireo fitaovana entinao, mba tsy hihoatra ny fetran’ny zakan’ilay tohatra.

◇ Atsangano eo amin’ny toerana mafy sy marina tsara ny tohatra ampiasainao. Aza atsangana eo ambonin’ny zavatra mety hihetsika, toy ny esafôdazy na siô na kesika, ilay izy.

◇ Mijoroa manatrika an’ilay tohatra foana na miakatra ianao na midina.

◇ Aza mitsangana na mipetraka amin’ireo zana-tohatra roa ambony indrindra.

◇ Raha mampiasa tohatra ianao mba hiakarana any ambony tafo, dia ataovy mihoatra iray metatra amin’ny sisin’ilay tafo ilay izy, fara fahakeliny. Asio zavatra manohana azy na hazo fisaka mifantsika eo amin’ny tongony ilay tohatra, mba tsy hikorisa. Raha tsy afaka manao izany ianao, dia miantsoa olona hitazona an’ilay izy. Fatory ny lohan’ilay tohatra mba tsy hikisaka.

◇ Aza apetraka eo ambony zana-tohatra ny esafôdazy.

◇ Mety hihetsika ny tohatra raha manakatra zavatra amin’ny tananao na ny tongotrao ianao. Aleo ny tohatra no akisaka mba ho akaikin’ny asa atao, toy izay manao fihetsika mampidi-doza toy izany.

◇ Raha miasa eo anoloan’ny varavarana mikatona ianao, dia asio soratra fampitandremana ilay izy ary hidio lakile. Raha tsy mety hidina lakile ilay izy, dia asio olona miambina eo mba hampitandrina an’izay mandalo eo.

◇ Olona iray ihany no tokony hiakatra eo amin’ny tohatra iray, raha tsy hoe natao hahazaka olon-droa ilay izy. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 33 Misy fampahatsiahivana fanampiny momba ny fampiasana tohatra ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Aogositra 1999, pejy 22-24.

[Sary, pejy 29]

Nandidy ny Israelita ny Lalàn’i Mosesy mba hanisy arofanina ny tampon-tranony