Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mampalahelo ny Fanahy Masin’i Jehovah

Aza Mampalahelo ny Fanahy Masin’i Jehovah

Aza Mampalahelo ny Fanahy Masin’i Jehovah

“Aza manao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra, izay nanisiana tombo-kase anareo.”—EFES. 4:30.

1. Inona no ataon’i Jehovah ho an’ny olona an-tapitrisany, ary inona no tokony hataon’izy ireo?

MANAO zavatra miavaka ho an’ny olona an-tapitrisany miaina eto amin’ity tontolo mikorontana ity i Jehovah. Ataony izay ahafahan’izy ireo manatona azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana. (Jaona 6:44) Anisan’ireo olona ireo ianao, raha efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra ary miaina mifanaraka amin’izany. Vita batisa tamin’ny anaran’ny fanahy masina ianao, ka tokony hitondra tena araka ny fanahy.—Mat. 28:19.

2. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Mitafy ny toetra vaovao ireo “mamafy ho an’ny fanahy.” (Gal. 6:8; Efes. 4:17-24) Mampitandrina antsika anefa ny apostoly Paoly, mba tsy hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra. (Vakio ny Efesianina 4:25-32.) Andeha hodinihintsika tsara io andinin-teny io. Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe mampalahelo ny fanahin’Andriamanitra? Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina iray hampalahelo ny fanahy? Inona no hanampy antsika tsy hanao izany?

Inona no tian’i Paoly holazaina?

3. Inona no dikan’ireo teny ao amin’ny Efesianina 4:30?

3 Voalohany, mariho ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 4:30. Hoy izy: “Aza manao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra, izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ilay andro hanafahana anareo amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” Tian’i Paoly ny mpiray finoana taminy ka tsy tiany ho rava ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jehovah. Tamin’ny fanahin’i Jehovah mantsy no “nanisiana tombo-kase [azy ireo] ho amin’ilay andro hanafahana [azy ireo] amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” Mbola tombo-kase na “antoka ny amin’izay ho avy” ny fanahy masina, ho an’ireo voahosotra tsy mivadika. (2 Kor. 1:22) Midika ilay tombo-kase fa fananan’Andriamanitra izy ireo ary hiaina any an-danitra. Miisa 144 000 amin’ny farany ireo voaisy tombo-kase.—Apok. 7:2-4.

4. Nahoana no tena ilaina ny mitandrina mba tsy hanao izay hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra?

4 Mety tsy hahazo ny hery ampiasain’Andriamanitra, na ny fanahy masina, intsony ny Kristianina iray, raha manao izay hampalahelo azy io. Mety hitranga tokoa izany rehefa jerena ny tenin’i Davida taorian’ny nijangajangany tamin’i Batseba. Nibebaka izy ary nitalaho tamin’i Jehovah hoe: “Aza manary ahy tsy ho eo anatrehanao. Ary aza esorina amiko ny fanahinao masina.” (Sal. 51:11) Ireo voahosotra tsy ‘mivadika mandra-pahafatiny’ ihany no hahazo ny “satroboninahitry” ny fiainana mandrakizay any an-danitra. (Apok. 2:10; 1 Kor. 15:53) Mila fanahy masina koa ireo Kristianina manantena hiaina eto an-tany, raha tsy te hivadika amin’Andriamanitra mihitsy sy te hahazo fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy. (Jaona 3:36; Rom. 5:8; 6:23) Tokony hitandrina àry isika rehetra, mba tsy hanao izay hampalahelo ny fanahy masin’i Jehovah.

Mety hanao izay hampalahelo ny fanahy ve ny Kristianina iray?

5, 6. Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina iray hanao izay hampalahelo ny fanahy?

5 Afaka mitandrina isika Kristianina nanokan-tena mba tsy hanao izay hampalahelo ny fanahy. Ho vitantsika izany raha “araka ny fanahy ny fomba fiainantsika”, sy ‘mandeha hatrany’ araka ny fitarihan’izy io isika. Tsy ho resin’ny fanirian’ny nofo isika amin’izay, ary tsy hampiseho toetra ratsy. (Gal. 5:16, 25, 26) Mety hiova anefa izany. Tsy voamaritsika akory indraindray fa efa manomboka manaraka tsikelikely an’ireo fanao raran’ny Tenin’Andriamanitra isika. Mety hanao izay hampalahelo ny fanahy isika amin’izay.

6 Raha manao zavatra mifanohitra amin’ny fitarihan’ny fanahy masina foana isika, dia hampalahelo azy io sy hampalahelo an’i Jehovah, ilay loharanon’izy io. Hanampy antsika tsy hanao izay hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra sy hahita izay tokony hatao, ny Efesianina 4:25-32. Andeha hodinihintsika izy io.

Ahoana no hatao mba tsy hampalahelo ny fanahy?

7, 8. Nahoana isika no tokony hanao ny marina?

7 Tokony hanao ny marina isika. Hoy i Paoly ao amin’ny Efesianina 4:25: ‘Koa satria efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay, fa rantsambatana mifampiankina isika.’ Miray saina isika satria toy ny “rantsambatana mifampiankina.” Tsy tokony hisy ho fetsifetsy àry isika na hinia hanambaka ny mpiara-manompo, satria toy ny mandainga ihany izany. Ho tapaka tanteraka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha izany foana no ataontsika.—Vakio ny Ohabolana 3:32.

8 Mety handrava ny firaisan-tsain’ny fiangonana ny famitahana. Tokony hanahaka an’i Daniela mpaminany, izay mendri-pitokisana, àry isika. Tsy afaka niampanga azy ho nanao ny tsy marina ny hafa. (Dan. 6:4) Tokony hitadidy ny torohevitr’i Paoly ho an’ireo Kristianina manantena ny ho any an-danitra isika. Nilaza tamin’izy ireo mantsy izy fa mifampiankina daholo ireo rantsambatana anisan’ny “vatan’i Kristy”, ary mila miray saina foana. (Efes. 4:11, 12) Tsy maintsy milaza ny marina koa ireo manantena hiaina eto an-tany, satria mampiray saina ny mpirahalahy maneran-tany izany.

9. Nahoana isika no tena mila mankatò ny Efesianina 4:26, 27?

9 Tokony hanohitra ny Devoly isika, ka tsy hamela azy hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Jak. 4:7) Manampy antsika hanao izany ny fanahy masina. Mila mitandrina, ohatra, isika mba tsy ho tezitra tafahoatra. Hoy i Paoly: “Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efes. 4:26, 27) Ara-drariny indraindray ny antony mahatezitra antsika. Hanampy antsika ho “tony” anefa ny vavaka mangina. Hahavita hifehy tena isika amin’izay, fa tsy hanao zavatra mety hampalahelo ny fanahy. (Ohab. 17:27) Tsy tokony ho tezitra ela loatra àry isika, ka hamela an’i Satana hampirisika antsika hanao zava-dratsy. (Sal. 37:8, 9) Fomba iray hanoherantsika azy ny fandaminana haingana ny tsy fifanarahana, araka ny torohevitr’i Jesosy.—Mat. 5:23, 24; 18:15-17.

10, 11. Nahoana isika no tsy tokony hangalatra na hanao ny tsy marina?

10 Tsy tokony ho resin’ny fakam-panahy hangalatra na hanao ny tsy marina isika. Hoy i Paoly momba ny halatra: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efes. 4:28) ‘Manala baraka ny anaran’Andriamanitra’ ny Kristianina iray, raha mangalatra. (Ohab. 30:7-9) Tsy fialan-tsiny hangalarana ny fahantrana. Takatr’ireo tia an’Andriamanitra sy ireo tia ny namany fa ratsy foana rehefa halatra.—Mar. 12:28-31.

11 Tsy izay tsy tokony hatao ihany no nolazain’i Paoly, fa izay tokony hatao koa. Raha miaina sy mandeha araka fanahy isika, dia hiasa mafy mba hikarakarana ny fianakaviantsika, ary “hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (1 Tim. 5:8) Nanokana vola homena ny mahantra i Jesosy sy ny apostoliny, saingy nangalarin’i Jodasy Iskariota ny sasany tamin’ilay izy. (Jaona 12:4-6) Tena tsy notarihin’ny fanahy masina izy. ‘Manao ny marina amin’ny zava-drehetra’ toa an’i Paoly kosa isika, satria tarihin’ny fanahy. (Heb. 13:18) Tsy manao izay hampalahelo ny fanahy masin’i Jehovah àry isika.

Fomba hafa tsy hanaovana izay hampalahelo ny fanahy

12, 13. a) Araka ny Efesianina 4:29, inona no teny tokony hohalavirintsika? b) Tokony hanao ahoana ny tenintsika?

12 Tokony hitandrina izay lazaintsika isika. Hoy i Paoly: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.” (Efes. 4:29) Lazain’i Paoly indray eto hoe inona no tsy tokony sy tokony hataontsika. Hilaza ‘teny tsara ho fampaherezana mba hahasoa an’izay mihaino’ isika, rehefa tarihin’ny fanahin’Andriamanitra. Tsy tokony hisy “teny ratsy” hivoaka amin’ny vavantsika. Ilay teny grika nadika hoe “ratsy” dia nampiasaina hilazana voankazo lo na trondro na hena maimbo. Maharikoriko antsika ny sakafo toy izany. Halantsika koa àry ny fiteny heverin’i Jehovah fa ratsy.

13 Tokony ho mendrika sy mahafinaritra ary “mamy sira” ny tenintsika. (Kol. 3:8-10; 4:6) Tokony ho tsapan’ny olona avy amin’izay lazaintsika fa miavaka isika. Aoka àry isika hanampy azy ireo, ka hanao “teny tsara ho fampaherezana.” Aoka koa ny faniriantsika ho toy ny an’ny mpanao salamo izay nihira hoe: “Enga anie ny tenin’ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko ka hankasitrahanao Jehovah ô, ry Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!”—Sal. 19:14.

14. Inona no tokony hohalavirintsika, araka ny Efesianina 4:30, 31?

14 Tokony hohalavirintsika ny lolompo, fahavinirana, fanevatevana, ary ny faharatsiana rehetra. Hoy i Paoly rehefa avy nampitandrina mba tsy hampalahelo ny fanahy: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.” (Efes. 4:30, 31) Tsy lavorary isika, ka mila miezaka mafy mba hifehy ny eritreritsika sy ny ataontsika. Hampalahelo ny fanahy isika, raha omentsika laka ny ‘lolompo sy ny fahatezerana ary ny fahavinirana.’ Toy izany koa no izy raha mitadidy ny fahadisoana natao tamintsika isika, ary tsy manaiky hihavana amin’ilay diso. Mety hahavita hanota amin’ny fanahy mihitsy isika, raha manomboka tsy miraharaha ny torohevitry ny Baiboly, ka ho loza ny vokany.

15. Inona no tokony hataontsika raha nisy ratsy natao tamintsika?

15 Tokony ho tsara fanahy sy hangoraka ary hamela heloka isika. Hoy i Paoly: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.’ (Efes. 4:32) Enga anie isika hamela heloka toa an’Andriamanitra, eny fa na dia nalahelo mafy aza isika noho ny ratsy natao tamintsika. (Lioka 11:4) Aoka hatao hoe nilaza zavatra ratsy momba antsika ny mpiray finoana iray. Manatona azy isika mba handaminana an’ilay olana. Miala tsiny amintsika izy ka mangataka famelan-keloka, ary mamela azy isika. Tsy ampy anefa izany. Hoy ny Levitikosy 19:18: “Aza mamaly faty na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Jehovah.”

Ilaina ny mitandrina

16. Milazà ohatra ahitana fa mety hila hanao fanitsiana isika mba tsy hampalahelo ny fanahy.

16 Mety halaim-panahy hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra isika, na dia rehefa irery aza. Aoka hatao hoe nihaino mozika tsy mety amin’ny Kristianina ny rahalahy iray. Nanenjika azy ny feon’ny fieritreretany, tatỳ aoriana, satria tsy niraharaha ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny boky sy gazety navoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy. (Mat. 24:45) Mivavaka izy ary mety ho tsaroany ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 4:30. Tsy te hanao izay hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra izy, ka tapa-kevitra ny tsy hihaino an’ilay karazana mozika intsony. Hotahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra toy izany. Aoka àry isika hitandrina mba tsy hanao izay hampalahelo ny fanahy.

17. Inona no mety hitranga raha tsy mitandrina sy tsy mivavaka isika?

17 Mety hanao zava-dratsy hampalahelo ny fanahy isika, raha tsy mitandrina sy tsy mivavaka. Ny fanahy masina no hery ampiasain’ilay Raintsika any an-danitra hanatanterahana ny sitrapony, ka mifanaraka amin’ny toetrany foana ny fiasan’izy io. Rehefa manao izay hampalahelo azy io àry isika, dia malahelo koa i Jehovah. Tsy tiantsika mihitsy ny hanao izany. (Efes. 4:30) Nilaza ny mpanora-dalàna jiosy tamin’ny taonjato voalohany fa avy amin’i Satana ny hery nanaovan’i Jesosy fahagagana. (Vakio ny Marka 3:22-30.) ‘Nanevateva ny fanahy masina’ ireo fahavalon’i Kristy ireo, ka nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka. Enga anie isika mba tsy ho toy izany mihitsy!

18. Ahoana no hamantarana fa tsy nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka isika?

18 Tsy tiantsika mihitsy ny hoe hanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka. Tokony hitandrina foana àry isika mba tsy hampalahelo ny fanahy masina, araka ny nolazain’i Paoly. Ahoana anefa raha nanao fahotana lehibe isika? Raha efa nibebaka sy nampian’ny anti-panahy isika, dia azo lazaina fa efa namela antsika Andriamanitra. Tsy nanota tamin’ny fanahy masina àry isika. Hanampy antsika Andriamanitra, ka tsy hanao zavatra mampalahelo ny fanahy intsony isika.

19, 20. a) Inona ireo zavatra mila halavirintsika? b) Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

19 Mampiasa ny fanahiny masina Andriamanitra mba hisian’ny fitiavana sy fifaliana ary firaisan-tsaina eo anivon’ny vahoakany. (Sal. 133:1-3) Tokony hitandrina àry isika mba tsy hifosa na hiteny zavatra mety hahatonga ny hafa tsy hanaja an’ireo mpiandry voatendrin’ny fanahy. Hampalahelo ny fanahy isika raha manao izany. (Asa. 20:28; Joda 8) Hiezaka hampisy firaisan-tsaina sy fifanajana eo anivon’ny fiangonana kosa isika. Tsy tokony hisy fisaratsarahana eo anivon’ny fiangonana, ka hoe ireo mpinamana ihany no hiaraka. Hoy i Paoly: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo, ary mba tsy hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.”—1 Kor. 1:10.

20 Afaka manampy antsika tsy hampalahelo ny fanahy i Jehovah, ary iriny ny hanao izany. Aoka isika hivavaka foana mba hahazoana ny fanahy masina ary tsy hanao izay hampalahelo azy io. Enga anie isika ka ‘hamafy ho an’ny fanahy’ foana, ka hiezaka hitady ny fitarihan’izy io, dieny izao sy ho mandrakizay.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ny hoe mampalahelo ny fanahin’Andriamanitra?

• Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina iray hampalahelo ny fanahy?

• Ahoana avy no hatao mba tsy hampalahelo ny fanahy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 30]

Alamino haingana ny tsy fifanarahana

[Sary, pejy 31]

Toy ny voankazo manao ahoana ny teninao?