Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mandrara ny fanompoan-tsampy i Jehovah. Nahoana anefa no tsy nosaziny i Arona rehefa nanao zanak’omby volamena?

Nandika ny lalàn’Andriamanitra momba ny fanompoan-tsampy i Arona rehefa nanao zanak’omby volamena, araka ny voatantara ao amin’ny Eksodosy toko faha-32. (Eks. 20:3-5) ‘Tena tezitra mafy tamin’i Arona i Jehovah, ka efa saika handringana azy. Fa nitalaho ho an’i Arona [i Mosesy] tamin’izay.’ (Deot. 9:19, 20) Nisy “heriny lehibe” ve ny fitalahoan’i Mosesy olo-marina? (Jak. 5:16) Eny, satria toa namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Tsy nosaziny i Arona noho io fitalahoana io, sy noho ny antony roa hafa, fara fahakeliny.

Toa efa nanaporofo izy fa olona tsy mivadika. Rehefa nasain’i Jehovah niseho teo anoloan’i Farao sy hanafaka ny Israelita avy tany Ejipta i Mosesy, dia i Arona no notendreny hiaraka tamin’i Mosesy sy ho mpitondra teniny. (Eks. 4:10-16) Nankatò izy mirahalahy ka niseho imbetsaka teo anatrehan’ilay mpanjakan’i Ejipta, sady niaritra ny hasiahan’izy io. Efa hatrany Ejipta àry i Arona no nampiseho fa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika.—Eks. 4:21.

Diniho koa ny nahatonga an’i Arona hanao an’ilay zanak’omby volamena. Efa 40 andro i Mosesy no tany an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay. “Hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra ihany.” Nandresy lahatra an’i Arona àry izy ireo mba hanamboatra sampy ho azy. Nanaiky izy ka nanamboatra sarivongana zanak’omby volamena. (Eks. 32:1-6) Toa tsy nahaleo dohika ny vahoaka i Arona. Hita tamin’ny zavatra nataony taorian’izay anefa, fa tsy tena nankasitrahany ilay fanompoan-tsampy. Rehefa nanafoana an’ilay fanompoan-tsampy, ohatra, i Mosesy, dia niandany tanteraka tamin’i Jehovah ny taranak’i Levy rehetra, anisan’izany i Arona. Novonoina ireo olona 3 000 nitarika an’ilay fanompoan-tsampy.—Eks. 32:25-29.

Hoy i Mosesy avy eo tamin’ilay vahoaka: “Efa nanao fahotana lehibe ianareo.” (Eks. 32:30) Tsy i Arona irery àry no diso tamin’iny fotoana iny. Samy namindran’i Jehovah fo anefa izy sy ny vahoaka.

Nasain’i Jehovah notendrena ho mpisoronabe i Arona, tatỳ aoriana. Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Ampanaovy an’i Arona ny fitafiana masina, ka hosory izy ary hamasino. Dia hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako izy.” (Eks. 40:12, 13) Hita àry fa namela an’i Arona i Jehovah. Mpanohana ny fivavahana marina i Arona tao am-pony tao, fa tsy mpanompo sampy sy mpikomy.