Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Foibem-barotra Fahiny i Harana

Foibem-barotra Fahiny i Harana

Foibem-barotra Fahiny i Harana

I ABRAHAMA, lehilahy tsy mivadika, no tonga ao an-tsain’ny olona mahay Baiboly raha vao mandre hoe Harana. Rehefa niala tao Ora mba ho any amin’ny tany Kanana izy sy Saraha vadiny ary Tera rainy sy Lota zana-drahalahiny, dia nijanona tao Harana. Lasa nanan-karem-be i Abrahama tao. Nanohy ny diany ho any amin’ny tany nampanantenain’ilay tena Andriamanitra izy, rehefa maty ny rainy. (Gen. 11:31, 32; 12:4, 5; Asa. 7:2-4) Naniraka ny zokiny indrindra tamin’ny mpanompony izy, tatỳ aoriana, mba hitady vady ho an’i Isaka tany Harana na teny amin’ny faritra manodidina azy. Nipetraka an-taonany maro tany koa i Jakoba, zafikelin’i Abrahama.—Gen. 24:1-4, 10; 27:42-45; 28:1, 2, 10.

Anisan’ny “firenena” resin’i Asyria i Harana, araka ny nolazain’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, tamin’izy nandrahona an’i Hezekia mpanjakan’i Joda. Tsy ilay tanàna ihany no tiany holazaina tamin’ny hoe “Harana” tamin’izay, fa ny faritra nanodidina azy koa. (2 Mpanj. 19:11, 12) Tena foibem-barotra lehibe i Harana, matoa resahin’ny faminanian’i Ezekiela hoe anisan’ireo mpiombom-barotra tamin’i Tyro.—Ezek. 27:1, 2, 23.

Tanàna kely any akaikin’i Şanlıurfa, any amin’ny faritra atsinanan’i Torkia, sisa i Harana izao. Naresaka be anefa tao fahiny. Anisan’ireo tanàna vitsivitsy mbola antsoina amin’ny anarany ao amin’ny Baiboly i Harana. Midika hoe “Lalana” na “Lalan’ny Mpandeha Rodobe” ilay anarany amin’ny teny asyrianina hoe Harranu. Mampiseho izany fa nandalo tao ny lalambe falehan’ny mpivarotra, izay nampitohy tanàn-dehibe maromaro. Asehon’ireo soratra tamin’ny zavatra nofongarina tao Harana, fa ny renin’i Nabonida mpanjakan’i Babylona no mpisoronabe tao amin’ny tempolin’i Sîn, andriamanitra volana nivavahana tao Harana. Voalaza fa i Nabonida no namerina nanangana an’io tempoly io. Maro ny fanjakana nifandimby nitondra, fa i Harana kosa mbola teo foana.

Efa niova be mihitsy i Harana izao. Tanàna lehibe sy niroborobo be izy fahiny, indrindra fa tamin’ny fotoana sasany. Ankehitriny anefa dia trano vitsivitsy misy tafo boribory sisa no hita any. Hita eny amin’ny manodidina eny ny sisa tavela amin’ireo tanàna fahiny. Hatsangana amin’ny maty ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra ny olona maro nipetraka tao Harana, anisan’izany i Abrahama sy Saraha ary Lota. Azo inoana fa hanan-javatra maro hotantaraina izy ireo momba an’i Harana, ilay foibem-barotra fahiny.

[Sary, pejy 20]

Sisan-javatra ao Harana

[Sary, pejy 20]

Trano misy tafo boribory

[Sary, pejy 20]

Harana ankehitriny