Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Foana Hanazatra ny Fahaizanao Misaina

Miezaha Foana Hanazatra ny Fahaizanao Misaina

Miezaha Foana Hanazatra ny Fahaizanao Misaina

MAHAFINARITRA erỳ ny mijery mpanao fanatanjahan-tena mahay sy kinga! Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mba hanazatra ny fahaizany misaina, toy ny mpanao fanatanjahan-tena manao fanazaran-tena.

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina hebreo: “Ny ventin-kanina ... dia ho an’ny olona matotra, izay manana fahaiza-misaina [ara-bakiteny: vavahadin-tsaina] efa nozarina [toy ny an’ny mpanao fanatanjahan-tena] hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.” (Heb. 5:14) Nahoana i Paoly no nampirisika azy ireo mba hanazatra ny fahaizany misaina, toy ny mpanao fanatanjahan-tena manazatra ny hozany? Ahoana no hanazarana ny fahaizantsika misaina?

‘Tokony ho efa mpampianatra ianareo’

Nohazavain’i Paoly fa “mpisoronabe tahaka an’i Melkizedeka” i Jesosy. Hoy izy: “Betsaka ny zavatra azonay lazaina momba azy [Jesosy], ary sarotra hazavaina, satria tsy mazoto mihaino ianareo. Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo raha ny fahelan’ny fotoana no jerena, dia mbola mila olona hampianatra anareo hatramin’ny voalohany ny fampianarana fototra momba ny fanambarana masin’Andriamanitra, ka nanjary tahaka an’ireo mila ronono, fa tsy ventin-kanina.”—Heb. 5:10-12.

Niharihary fa tsy nampitombo ny fahalalany sady tsy nandroso ny Kristianina jiosy sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nihanazava, ohatra, ny fahamarinana momba ny Lalàna sy ny famorana, nefa sarotra tamin’izy ireo ny nanaiky izany. (Asa. 15:1, 2, 27-29; Gal. 2:11-14; 6:12, 13) Tsy mora tamin’ny sasany koa ny niala tamin’ireo fanao nentim-paharazana mifandray amin’ny Sabata isan-kerinandro sy ny Andro Fandrakofam-pahotana isan-taona. (Kol. 2:16, 17; Heb. 9:1-14) Nampirisihin’i Paoly hanazatra ny fahaizany misaina àry izy ireo, mba hahaizany hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Nasainy ‘nandroso haingana ho amin’ny fahamatorana’ koa izy ireo. (Heb. 6:1, 2) Tsy maintsy ho nahatonga ny sasany hisaintsaina ny amin’ny fomba ampiasany ny fahaizany misaina ny fananaran’i Paoly, ary azo inoana fa nanampy azy ireo handroso. Ahoana ny amintsika?

Miezaha hanazatra ny fahaizanao misaina

Ilaina ny manazatra ny fahaiza-misaina mba hahatongavana ho Kristianina matotra. Ahoana no hanaovana izany? Mila ‘ampiasaina’ izy io, hoy i Paoly. Mila manazatra ny hozany sy ny vatany ny mpanao fanatanjahan-tena mba hahavitany fihetsika sarotra nefa mirindra. Tokony hanazatra ny fahaizantsika misaina koa isika mba hahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy.

Hoy i John Ratey, mpampianatra momba ny fitsaboana aretin-tsaina, ao amin’ny Sekoly Fianarana ho Dokotera ao Harvard: “Ny fampiasana [saina] no tena ilain’ny atidohanao.” Nilaza koa i Gene Cohen, lehiben’ny foibe iray mikaroka momba ny vokatry ny fahanterana sy ny aretina eo amin’ny olombelona, ao amin’ny Oniversiten’i George Washington, fa ‘mihabetsaka ny fitohizan-tselam-pitatitra ao amin’ny atidoha, isaky ny mampiasa saina isika.’ Manampy antsika hitadidy sy hiana-javatra izany.

Hendry àry isika raha manazatra ny fahaizantsika misaina sy mampitombo ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra. Hanampy antsika ho ampy fahaizana mba hanao ny ‘sitrapon’Andriamanitra tonga lafatra’ izany.—Rom. 12:1, 2.

Ataovy izay hitiavana “ventin-kanina”

Raha te “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana” isika, dia mila manontany tena hoe: ‘Mampitombo ny fahalalako ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ve aho? Kristianina matotra ve no fahitan’ny olona ahy?’ Tian’ny reny ny manome ronono sy sakafon-jaza ho an’ny zanany mbola kely. Hanahy anefa izy raha mbola tsy mihinana ventin-kanina ihany ilay zanany rehefa lehibe. Faly koa isika rehefa mandroso ny olona ampianarintsika Baiboly ka manokan-tena sy atao batisa. Ahoana anefa raha tsy mandroso intsony ilay olona avy eo? Tsy hahakivy ve izany? (1 Kor. 3:1-4) Manantena tokoa isika fa mbola ho tonga mpampianatra ilay mpianatra.

Tsy maintsy misaintsaina isika rehefa mampiasa ny fahaizantsika misaina. Ilana ezaka izany. (Sal. 1:1-3) Tsy tokony havelantsika hanakana antsika tsy hifantoka amin’ny zavatra tena lehibe ny zavatra tsy dia mampiasa saina, toy ny fijerena tele na ny fialam-boly hafa. Tokony haniry hianatra ny Baiboly sy ny boky aman-gazety avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” isika ary tena hanao izany, raha te hanatsara ny fahaizantsika misaina. (Mat. 24:45-47) Ankoatra ny famakiana samirery ny Baiboly tsy tapaka, dia tena ilaina koa ny manokana fotoana hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana sy handalinana bebe kokoa an’ireo foto-kevitra ao amin’ny Baiboly.

Mianatra ny laharana tsirairay amin’ny Tilikambo Fiambenana i Jerónimo, mpiandraikitra mpitety faritany any Meksika, raha vao azony izany. Manokana fotoana hiaraha-mianatra amin’ny vadiny koa izy. Hoy i Jerónimo: “Zatra miara-mamaky Baiboly isan’andro izahay mivady, ary mampiasa fitaovana toy ny bokikely ‘Tany Soa.’ ” Nilaza koa ny Kristianina iray atao hoe Ronald fa maharaka ny famakiana Baiboly ataon’ny fiangonana izy. Rehefa mianatra samirery koa izy, dia mandalina foto-kevitra iray na roa, mandritra ny fe-potoana lavalava. Hoy izy: “Tsy andriko ny fotoana manaraka hianarako samirery, noho izany.”

Ahoana ny amintsika? Manokana fotoana ampy mba hianarana Baiboly sy hisaintsainana azy io ve isika? Mampiasa ny fahaizantsika misaina ve isika ka mihamahay manapa-kevitra mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina? (Ohab. 2:1-7) Enga anie isika hiezaka ho lasa Kristianina matotra! Hahazo fahalalana sy fahendrena isika amin’izay, satria manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.

[Sary, pejy 23]

Manazatra ny fahaiza-misaina ianao rehefa ‘mampiasa’ azy