Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hatanjaka Ara-panahy Foana Rehefa Mikarakara Havana Marary

Miezaha Hatanjaka Ara-panahy Foana Rehefa Mikarakara Havana Marary

Miezaha Hatanjaka Ara-panahy Foana Rehefa Mikarakara Havana Marary

NISY nivonto teo amin’ny hazondamosin’i Kim, izay Vavolombelona. * Fantatra avy eo fa voan’ny kansera izy. Hoy i Steve vadiny: “Nodidina ilay fivontosana ary nanaraka fitsaboana simika sy fitsaboana ampiasana taratra X i Kim. Lasa osa be izy vokatr’izany, ka zara raha afa-nihetsika.”

Azonao an-tsaina ve ny nanjo an’i Steve teo am-pijerena ny vady malalany niady tamin’ilay aretina mikiky? Angamba ianao manana havana akaiky mihaosa tsikelikely vokatry ny aretina na fahanterana. (Mpito. 12:1-7) Raha izany no izy, dia fantatrao hoe tsy maintsy mikarakara tena ianao mba hahafahanao mikarakara tsara an’ilay havanao. Mety ho lasa kivy sy reraka ianao raha mihamalemy finoana, ka tsy ho afaka hikarakara azy. Ahoana no hahafahanao hiantsoroka tsara ny andraikitrao ara-pivavahana sady hikarakara havana marary na be taona? Misy azon’ny fiangonana atao ve ho an’ireny marary ireny?

Mahaiza mandanjalanja foana

Mila mampifanaraka ny fiainanao amin’izay mitranga ianao ary mila mahay mampiasa tsara ny fotoananao sy ny herinao, raha te hatanjaka sy hamita tsara ny andraikitrao ara-pivavahana rehefa mikarakara havana marary. Hoy ny Ohabolana 11:2: ‘Izay manetry tena no hendry.’ Midika hoe mahalala ny fetran’ny mety ho vita ny hoe “manetry tena” eo. Diniho indray ny fandaharam-potoananao sy ny andraikitrao, mba hahazoana antoka fa tsy manao mihoatra noho izay vitanao ianao.

Naneho fahendrena sy nanetry tena i Steve, ka nandinika indray ny andraikiny. Ankoatra ny asany, dia anti-panahy mpandrindra izy sady mpiandraikitra ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana iray any Irlandy. Anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly koa izy. Hoy izy: “Tsy nitaraina mihitsy i Kim hoe tsy niraharaha azy aho satria variana loatra tamin’ny andraikitro. Fantatro anefa fa be loatra ny andraikitro.” Inona àry no nataon’i Steve? Hoy izy: “Nandinika tsara aho sady nivavaka, ka nanapa-kevitra ny hiala tsy ho mpandrindra. Mbola anti-panahy aho saingy nozaraiko tamin’ny hafa ny andraikitro sasany. Afaka nikarakara an’i Kim sy nanokana fotoana ho azy àry aho.”

Nihasalama i Kim tatỳ aoriana, ary nandinika ny toe-javatra nisy azy ireo izy mivady. Afaka niantsoroka ny andraikiny teo anivon’ny fiangonana indray i Steve, noho ny fanampian’i Kim. Hoy i Steve: “Voafetra ny zava-bitanay noho ilay aretina, ary nianatra niaina nifanaraka tamin’izany izahay. Misaotra be dia be an’i Jehovah aho noho ny fanampiany, ary misaotra ny vadiko satria tsy nitaraina izy na dia narary aza, fa nanohana ahy.”

Diniho koa ny fiainan’i Jerry, mpiandraikitra mpitety faritany, sy Maria vadiny. Nila nanova ny tanjony izy mivady mba hikarakarana ray aman-dreny be taona. Hoy i Maria: “Te ho misionera any an-tany hafa izahay. Lahitokana anefa i Jerry, ary nila fikarakarana ny ray aman-dreniny. Nanapa-kevitra ny hijanona eto Irlandy izahay, noho izany. Teo foana àry izahay rehefa teny amin’ny hopitaly ny dadan’i Jerry, talohan’ny nahafatesany. Mifandray foana amin’ny maman’i Jerry izahay isan’andro, ary eo foana izahay rehefa mila anay izy. Tena manampy sy manohana anay koa ny fiangonana misy azy, ka mbola afaka manohy ny asa fitetezam-paritany izahay.”

Izay azon’ny hafa atao

Hoy ny apostoly Paoly rehefa niresaka momba ny fanampiana tokony homena an’ireo mpitondratena be taona, teo anivon’ny fiangonana: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” Nampahatsiahiviny ireo Kristianina namany fa tsy maintsy manohana ara-bola ny ray aman-dreniny sy ny raibeny ary ny renibeny efa be taona izy ireo, raha tiany ‘hankasitrahana eo imason’Andriamanitra’ ny fanompoany. (1 Tim. 5:4, 8) Afaka manampy anefa ny fiangonana, ary tokony hanao izany.

Mariho izay nitranga tamin’i Hakan sy Inger, mpivady be taona any Soeda. Hoy i Hakan: “Kivy be izahay mivady rehefa nahafantatra fa voan’ny kansera i Inger. Salama sy natanjaka foana izy, nefa lasa nila nankeny amin’ny hopitaly isan’andro izahay. Nandreraka azy koa ny fanafodiny. Tsy nivoaka ny trano i Inger tamin’izany ary nila nijanona niaraka taminy aho mba hikarakara azy.” Ahoana no nanampian’ny fiangonana an’i Hakan sy Inger?

Nanao fandaharana ny anti-panahy mba hanarahan’izy mivady ny fandaharam-pivoriana amin’ny alalan’ny telefaonina. Nitsidika sy niantso an-telefaonina azy ireo foana koa ireo rahalahy sy anabavy ary nanoratra sy nandefa karta. Hoy i Hakan: “Tsapanay fa nanohana anay ny rahalahy rehetra ary nanampy anay i Jehovah. Tena nanampy anay hatanjaka ara-panahy foana izany. Soa ihany fa sitrana i Inger, ary afaka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana indray izahay.” Hita fa ‘tena namana tia amin’ny fotoana rehetra, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana’ ny fiangonana, rehefa manao izay vitany mba hanampiana ny marary sy ny be taona eo anivony.—Ohab. 17:17.

Ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka ataonao

Tena mety handreraka ny mikarakara havana marary. Hoy anefa i Davida Mpanjaka: “Sambatra izay miahy ny mahantra.” (Sal. 41:1) Anisan’ny mahantra ireo marary mila fanampiana.

Nahoana no sambatra ireo mikarakara marary? Hoy ny Ohabolana 19:17: “Izay miantra ny mahantra [na mila fanampiana] dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.” Tena miahy ny mpanompony tsy mivadika ilay tena Andriamanitra rehefa marary izy ireo, ka tahiny izay miantra ny marary. Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany. Hikarakara azy eo amin’ny farafarany ianao, mandritra ny fotoana aharariany.” (Sal. 41:3) Matoky isika fa hanampy an’ireo tia sy mikarakara ny marary i Jehovah, raha sendra zava-tsarotra na loza izy ireo.

Mahafinaritra erỳ ny mahalala fa voamarik’i Jehovah Andriamanitra sy ankasitrahany izay ataon’ireo mikarakara havana marary! Marina fa mety hitaky ezaka ny fanaovana izany, nefa manome toky antsika ny Baiboly fa “sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.”—Heb. 13:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ireo anarana.

[Sary, pejy 18]

Lanjalanjao ny andraikitrao ara-pivavahana ary ekeo ny fanampian’ny hafa