Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hanaja ny Zokiolona?

Nahoana Isika no Tokony Hanaja ny Zokiolona?

Nahoana Isika no Tokony Hanaja ny Zokiolona?

ANY amin’ny morontsirak’i Kalifornia, any Etazonia, no misy ny iray amin’ireo hazo be mpaka sary indrindra. Siprey Tokana no anaran’izy io. Voalaza fa efa 250 taona mahery izy io. Miavaka io hazo tsara tarehy io satria efa niaritra zavatra maro. Omen’ny olona fikarakarana manokana àry izy io. Tazoniny amin’ny tady vy, ohatra, ilay izy mba hijoro tsara, ary asiany fefy vato ny fotony.

Mampahatsiahy antsika an’ireo Kristianina zokiolona eo anivontsika io hazo io. Tena miavaka ny fiaretan’izy ireo. Mitory ny vaovao tsara foana, ohatra, izy ireo hatramin’izao. Naminany i Joela fa hanambara ny hafatra ao amin’ny Baiboly ireo “lahiantitra.” (Joela 2:28-32; Asa. 2:16-21) Eritrereto ange ny ora maro laniny hampianarana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” e! (Mat. 24:14) Niaritra fanenjehana sy olana hafa an-taonany maro ny sasany. Raha ny hazo siprey aza arovan’ny olona amin’ny fefy vato sy tady vy noho ny fiaretany, mainka moa fa ireo zokiolona eo anivontsika! Tena mendrika ny hankasitrahana sy hohajaina izy ireo!

Nandidy ny vahoakany fahiny i Jehovah Andriamanitra hoe: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo ianao, ary asio fiheverana ny zokiolona.” (Lev. 19:32) Misy Kristianina efa ‘niara-nandeha tamin’Andriamanitra’ am-polony taona maro eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Tena ohatra tsara izy ireo. (Mika 6:8) Mampihatra ny toro lalan’ny Soratra Masina foana izy ireo, ka tena “satroboninahitra tsara tarehy” ny volo fotsiny.—Ohab. 16:31.

Nila ‘nitsangana’ teo anatrehan’ny fotsy volo i Timoty tanora. Hoy ny apostoly Paoly taminy: “Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona.” Nampirisihiny izy mba ‘hiangavy azy ireny toy ny ray’ ary “ny vehivavy zokiolona toy ny reny.” (1 Tim. 5:1, 2) Tokony hasehontsika amin’ny fomba fitenintsika àry fa manaja an’ireo zokiolona isika.

Hoy ny Romanina 12:10: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” Azo antoka fa manome voninahitra na manaja an’ireo Kristianina zokiolona ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Isika rehetra mihitsy anefa no tokony ho loha laharana amin’ny fifanomezam-boninahitra.

Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny ray aman-dreniny sy ny raibeny ary ny renibeny ny fianakaviany. Tokony hitady fomba hitandrovana ny hajan’ireo ray aman-dreny zokiolona isika, toy ireo olona tsy mitsahatra mitady fomba iarovana an’ilay Siprey Tokana. Tokony hihaino tsara azy ireo isika, ka hihevitra ny fihetseham-pony fa tsy hanizingizina ny hevitsika.—Ohab. 23:22; 1 Tim. 5:4.

Tena sarobidy amin’i Jehovah ireo zokiolona eo anivontsika. Tsy mahafoy azy ireo izy. (Sal. 71:18) Manatanjaka azy ireo Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo hanompo azy foana. Enga anie isika hanohana sy hanaja azy ireo hatrany.

[Sary, pejy 7]

Tokony hohajaina ireo zokiolona, toy ilay Siprey Tokana mila arovana

[Sary nahazoan-dalana]

American Spirit Images/age fotostock