Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nivavaka Tamin’iza ny Romanina?

Nivavaka Tamin’iza ny Romanina?

Nivavaka Tamin’iza ny Romanina?

NANORATRA toy izao ho an’i Trajan, mpanjaka romanina, i Pline Zandriny, governora tao Bitynia: “Izao no nataoko rehefa nisy olona nampangaina ho Kristianina: Nanontaniako izy hoe Kristianina ve izy. Raha nanaiky izy, dia naveriko fanindroany na fanintelony ilay fanontaniana sady norahonako izy. Raha tsy niova hevitra izy, dia nasaiko novonoina.” Nisy anefa nilaza hoe tsy Kristianina, ka nanozona an’i Kristy sy nivavaka tamin’ny sarivongan’ny mpanjaka sy ny sarin’ireo andriamanitra nentin’i Pline tao amin’ny fitsarana. Nafahan’i Pline izy ireny.

Nenjehina ny Kristianina voalohany satria tsy nety nivavaka tamin’ny mpanjaka sy tamin’ny sarin’ireo andriamanitra. Natao toy izany koa ve ny fivavahana hafa nanerana ny Fanjakana Romanina? Nivavaka tamin’iza izy ireo, ary ahoana no fiheveran’ny Romanina izany? Nahoana ny Kristianina no nenjehina rehefa tsy nety nanao sorona ho an’ny andriamanitry ny Romanina? Ilaintsika ny valin’ireo satria hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah rehefa tojo zava-tsarotra toy ireo.

Ny fivavahana nanerana ny Fanjakana Romanina

Maro be ny fiteny sy kolontsaina tao amin’ny Fanjakana Romanina. Maro koa ny andriamanitra nivavahan’izy ireo. Neken’ny Romanina ho ara-dalàna sy narovany ny Jodaisma na dia hafahafa taminy aza. Nisy sorona ho an’i Kaisara sy ny firenena romanina natao tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Zanak’ondry roa sy omby iray no nomena, ary natao indroa isan’andro izany. Tsy nampaninona an’ireo Romanina na nampitony andriamanitra iray izany, na nampitony andriamanitra maro. Ny zava-dehibe tamin’izy ireo dia ny hoe nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’i Roma ny Jiosy rehefa nanao sorona toy izany.

Niely be ny fanompoan-tsampy, ary niseho tamin’ny endriny isan-karazany. Maro no nanaiky ny angano grika sy nanao sikidy. Niely koa ireo fivavahana mifono zava-miafina, avy any Azia. Nampanantena izy ireny hoe izay manao an’ireo fombafomba mifono zava-miafina, dia tsy ho faty, sy hahazo fahitana, ary hifandray akaiky amin’ireo andriamanitra. Be mpitia koa, tamin’ny taonjato voalohany tany ho any, ny fivavahana tamin’i Sérapis sy ny andriamanibavy Isis, izay andriamanitra ejipsianina. Teo koa ny andriamanibavy hazandrano (Atargatis) an’ny Syrianina, sy ny andriamanitra masoandro (Mithra) an’ny Persianina.

Hita ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa nanompo sampy ny olona nanodidina ny Kristianina voalohany. Voaresaka ao, ohatra, ireto: Nifandray tamin’ny mpilalao ody jiosy ny governoram-paritra romanina tao Sipra. (Asa. 13:6, 7) Noheverin’ny olona tao Lystra fa i Hermesy sy Zeosy, andriamanitra grika, i Paoly sy Barnabasy. (Asa. 14:11-13) Nifanena tamin’ny mpanompovavy iray mpilaza ny hoavy i Paoly tany Filipy. (Asa. 16:16-18) Nilaza koa izy fa “matahotra kokoa an’ireo andriamanitra” ny olona tao Atena “raha oharina amin’ny olon-kafa.” Nahita alitara nisy soratra hoe “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” izy tao. (Asa. 17:22, 23) Nivavaka tamin’ny andriamanibavy Artemisy ny mponina tao Efesosy. (Asa. 19:1, 23, 24, 34) Nolazain’ny olona tao amin’ny nosy Malta fa andriamanitra i Paoly, satria tsy naninona izy rehefa avy nokaikerin’ny bibilava. (Asa. 28:3-6) Tsy maintsy nitandrina àry ny Kristianina mba tsy ho voaloto ny fivavahan’izy ireo.

Ny fivavahana romanina

Rehefa nitatra ny Fanjakana Romanina, dia nekeny ny andriamanitr’ireo firenena resiny. Nino izy ireo fa ireo andriamanitr’izy ireo ihany izy ireny, saingy hafa fotsiny ny endriny. Tsy nofoanan’izy ireo àry ny fivavahana hafa fa nekeny sy narahiny. Lasa nisy karazany maro, toy ny kolontsainy ihany, ny fivavahana romanina. Tsy nitaky ny hanompoana andriamanitra iray ny fivavahany, ka afaka nivavaka tamin’ny andriamanitra maro ny olona.

I Jopitera, izay nantsoina koa hoe Tsara Indrindra sady Lehibe Indrindra, no andriamanitra ambony indrindra tamin’ny Romanina. Lazaina fa miseho eny amin’ny rivotra, sy ny orana, sy ny tselatra ary ny kotroka izy io. Lazaina koa fa miambina ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainan’ny vehivavy i Junon andriamanitra volana, izay anabavin’i Jopitera sady vadiny. Andriamanitry ny asa tanana, ny asa, ny zavakanto ary ny ady i Minerva zanany vavy.

Be dia be ny andriamanitry ny Romanina. Andriamanitry ny fianakaviana i Lares sy Pénates. Andriamanibavin’ny afo i Vesta. Andriamanitry ny fiandohana i Janus, izay manana tarehy roa. Samy nanana ny andriamaniny ny asa tsirairay. Nanana andriamanitra na ny zavatra tsy azo tsapain-tanana aza. I Pax no miaro ny fandriampahalemana, i Salus no miaro ny fahasalamana, i Pudicitia no miandraikitra ny fanetren-tena sy ny fahadiovam-pitondran-tena, an’i Fides ny tsy fivadihana, an’i Virtus ny herim-po, ary an’i Voluptas ny fahafinaretana. Noheverin’ny Romanina fa miankina amin’ny sitrapon’andriamanitra ny zava-drehetra nataon’izy ireo, na ny teny imason’olona, na ny tamin’ny fiainany manokana. Raha te hahomby amin’ny zavatra iray àry izy ireo, dia tsy maintsy nampitony an’ilay andriamanitra mikarakara an’ilay izy, ka nanao vavaka misy fombafomba ary nanao sorona sy fety.

Nitady fambara izy ireo mba hahafantarana ny sitrapon’ireo andriamanitra. Ny fandinihana ny taovan’ny biby atao sorona no tena fomba nitadiavana fambara. Jereny ny paozin’ilay izy, sy ny hoe mbola tsara ve ilay izy sa efa simba, ka miankina amin’izay no hahalalany raha ankasitrahan’andriamanitra ilay zavatra tiany hatao.

Nino ny Romanina, tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K., fa nitovy ny andriamanitr’izy ireo sy ny andriamanitra grika sasany. Nino izy ireo fa i Jopitera ihany no Zeosy, ary i Junon no Héra. Nanjary nino ny angano momba an’ireo andriamanitra grika koa izy ireo. Tsy nilaza zavatra tsara momba azy ireny anefa ny angano. Nanao fahadisoana toy ny olombelona izy ireny. Lazaina, ohatra, fa mpametaveta olon-dehibe sy ankizy i Zeosy, ary nanao firaisana tamin’ny vehivavy tetỳ an-tany sy tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Tsy nahamenatra azy ireo, hono, izany, ary betsaka no nankafy izany rehefa naseho tany amin’ny teatra. Nihevitra àry ireo mpivavaka fa afaka nanome fahafaham-po ny fanirian-dratsiny izy ireo.

Nino ny ankamaroan’ireo olona nahita fianarana fa tsy ara-bakiteny ireny angano ireny. Nihevitra izy ireo fa tsy misy afaka mahita ny tena marina. Mety ho toy izany koa i Pontio Pilato, ka izay no nahatonga azy hanontany an’i Jesosy hoe: “Inona ny marina?”—Jaona 18:38.

Fivavahana tamin’ny mpanjaka

Tamin’ny taona 27 T.K. ka hatramin’ny 14 A.K. no nanjaka i Aogosto. Tamin’izay no nanomboka ny fivavahana tamin’ny mpanjaka. Tena nankasitraka azy ny olona miteny grika tany amin’ny faritra atsinanan’i Roma. Nampiroborobo ny toe-karena izy ary nampisy fandriampahalemana taorian’ny fotoana lava be nisian’ny ady. Tian’ny vahoaka raha nisy mpitondra niaro azy ireo foana. Nantsoin’izy ireo hoe “mpamonjy” i Aogosto, ary tian’izy ireo hatambany ho iray ny fivavahana. Tian’izy ireo koa raha mampirisika ny olona ho tia tanindrazana izy, ary mampiray an’izao tontolo izao. Nataon’ny olona andriamanitra àry ny mpanjaka.

Tsy navelan’i Aogosto hiantso azy hoe andriamanitra ny olona tamin’izy mbola velona. Nandidy ny vahoaka anefa izy mba hivavaka tamin’ilay marika famantarana an’i Roma, izay nantsoina hoe andriamanibavy Roma Dea. Nataon’ny olona andriamanitra i Aogosto taorian’ny nahafatesany. Samy tsy nivadika tamin’i Roma sy ny mpanjaka àry na ny tia tanindrazana na ny tia fivavahana. Lasa nivavaka tamin’ny mpanjaka ny olona mba hampisehoany fa manaja sy tsy mivadika amin’ny Fanjakana izy. Tsy ela dia niely eran’ny faritany romanina izany fanao izany.

I Domitien, mpanjaka romanina tamin’ny taona 81 ka hatramin’ny 96, no mpanjaka voalohany nangataka hatao andriamanitra. Nanomboka hain’ny Romanina ny nanavaka ny Kristianina tamin’ny Jiosy tamin’izany. Notoherin’izy ireo ny Kristianina, izay noheverin’izy ireo hoe fivavahana vaovao. Mety ho tamin’izany no natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo ny apostoly Jaona, noho izy “vavolombelona nanambara an’i Jesosy.”—Apok. 1:9.

Tany Patmo i Jaona no nanoratra ny Apokalypsy. Resahiny ao ny momba an’i Antipasy, Kristianina iray novonoina tany Pergamosy, foiben’ny fivavahana tamin’ny mpanjaka. (Apok. 2:12, 13) Nanomboka tamin’izay angamba ny mpanjaka no nandidy ny Kristianina mba hanaraka ny fombafomba fanaon’ny fivavaham-panjakana. Na marina anefa izany na tsia, dia hita tamin’ilay taratasy ho an’i Trajan terỳ aloha, fa nandidy ny Kristianina tany Bitynia hanaraka an’izany fombafomba izany i Pline, tamin’ny taona 112.

Noderain’i Trajan i Pline noho ny fomba nandaminany ireo raharaha nasaina nalaminy. Nasainy novonoina koa izay Kristianina tsy nety nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Romanina. Izao koa no nosoratan’i Trajan: “Raha toa anefa ilay olona ka milaza hoe tsy Kristianina, ary manaporofo izany amin’ny fivavahana amin’ny andriamanitsika, dia avelao izy na dia somary nahiahina aza tamin’ny voalohany.”

Sarotra tamin’ny Romanina ny nieritreritra hoe nitaky ny hivavahana amin’ny andriamanitra tokana ny fivavahana iray. Tsy nitaky an’izany ny andriamanitr’izy ireo, koa nahoana ny Andriamanitry ny Kristianina no hitaky an’izany? Noheverina hoe manaiky ny fitondrana ny olona nivavaka tamin’ireo andriamanitry ny Fanjakana. Nolazaina ho mpamadika àry izay nanda tsy hanao izany. Araka ny hitan’i Pline anefa, dia tsy nanaiky lembenana mihitsy ny ankamaroan’ny Kristianina. Ho azy ireo mantsy dia toy ny hoe mivadika amin’i Jehovah izy ireo raha manao izany. Naleony maty toy izay hivavaka amin’ny mpanjaka ka hanompo sampy.

Nahoana no mahaliana antsika izany? Marina fa manaja ny fahefan’ny fitondram-panjakana isika noho isika Kristianina. (Rom. 13:1) Asaina manao fombafomba ho fanajana ny sainam-pirenena anefa ny olona indraindray. Ahoana no hataontsika amin’izay? Tokony hotadidintsika fa mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah Andriamanitra, ary manoro hevitra antsika hoe “andosiro ny fanompoan-tsampy” ary ‘mitandrema amin’ny sampy.’ (1 Kor. 10:14; 1 Jaona 5:21; Nah. 1:2) Hoy koa i Jesosy: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Lioka 4:8) Enga anie àry isika tsy hivadika mihitsy amin’ilay Andriamanitsika.

[Teny notsongaina, pejy 5]

I Jehovah irery ihany no ivavahan’ny tena Kristianina

[Sary, pejy 3]

Tsy nety nivavaka tamin’ny mpanjaka na tamin’ny sarin’ireo andriamanitra ny Kristianina voalohany

Domitien Mpanjaka

Zeosy

[Sary nahazoan-dalana]

Domitien Mpanjaka: Todd Bolen/Bible Places.com; Zeosy: Photograph by Todd Bolen/Bible Places.com, taken at Archaeological Museum of Istanbul

[Sary, pejy 4]

Tsy nety nivavaka tamin’ilay andriamanibavy malaza atao hoe Artemisy ny Kristianina tany Efesosy.—Asa. 19:23-41