Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Rahalahy, Mamafaza ho An’ny Fanahy ka Miezaha Hahazo Andraikitra!

Ry Rahalahy, Mamafaza ho An’ny Fanahy ka Miezaha Hahazo Andraikitra!

Ry Rahalahy, Mamafaza ho An’ny Fanahy ka Miezaha Hahazo Andraikitra!

‘Izay mamafy ho an’ny fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.’—GAL. 6:8.

1, 2. Inona no porofo fa tanteraka ny Matio 9:37, 38, ary inona no ilaina vokatr’izany?

MISY zava-mitranga manan-tantara ankehitriny! Tanterahina amin’ny fomba miavaka izao ilay asa nambaran’i Jesosy Kristy mialoha. Hoy izy: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Mat. 9:37, 38) Hita fa mamaly an’io vavaka io tokoa i Jehovah Andriamanitra ankehitriny. Nitombo 2 031 ny isan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, nandritra ny taom-panompoana 2009, ka lasa 105 298. Tokotokony ho 757 ny salanisan’ny atao batisa isan’andro!

2 Tena ilaina àry ny rahalahy mahafeno fepetra mba hanao ny asan’ny mpiandry sy mpampianatra eo anivon’ny fiangonana. (Efes. 4:11) Nanome rahalahy matotra i Jehovah, nandritra ny taona maro, mba hikarakara ny ondriny, ary matoky isika fa hanao izany foana izy. Milaza ny Mika 5:5 fa hanana “mpiandry fito” sy “andriana valo” ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro farany. Manome toky antsika izany fa hisy lehilahy matotra maro hiandraikitra ny fiangonana.

3. Inona no dikan’ny hoe “mamafy ho an’ny fanahy”?

3 Raha lehilahy vita batisa ianao, inona no hanampy anao haniry hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana? Tena ilaina ny “mamafy ho an’ny fanahy.” (Gal. 6:8) Tokony hanaiky hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ianao, eo amin’ny fiainanao. Aoka ianao ho tapa-kevitra tsy ‘hamafy ho an’ny nofo’ mihitsy. Aza avela hampihena ny fanirianao hikely aina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fialam-boly sy ny fitia te hampiadan-tena. Tokony ‘hamafy ho an’ny fanahy’ ny Kristianina rehetra. Mety hahafeno fepetra hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny lehilahy manao toy izany. Natao indrindra ho an’ny lehilahy kristianina ity lahatsoratra ity, satria tena mila anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana maro isika ankehitriny. Mampirisika anareo àry izahay, ry rahalahy, mba handinika azy ity amim-bavaka.

Miezaha hahazo andraikitra

4, 5. a) Inona no andraikitra tokony hataon’ny rahalahy tanjona? b) Inona no ezaka tokony hataony mba hahazoany izany?

4 Tsy lasa mpiandraikitra ho azy ny lehilahy Kristianina. Tsy maintsy miezaka izy mba hahazo an’io “asa tsara” io. (1 Tim. 3:1) Ilainy, ohatra, ny manampy ny mpiray finoana aminy ka mikarakara izay ilain’izy ireo. (Vakio ny Isaia 32:1, 2.) Tsy hoe te hisongadina ny lehilahy iray, raha antony tsara no mahatonga azy hiezaka hahazo andraikitra. Hita kosa fa tena mitady izay hahasoa ny hafa izy.

5 Mila miezaka hahafeno ireo fepetra takin’ny Soratra Masina ianao, raha te ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. (1 Tim. 3:1-10, 12, 13; Tit. 1:5-9) Raha lehilahy efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra ianao, dia saintsaino hoe: ‘Mazoto mitory ve aho, ary manampy ny hafa mba ho toy izany koa? Mampahery an’ireo mpiray finoana ve aho, ka tena miahy izay hahasoa azy ireo? Fantatra ho mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra ve aho? Manatsara ny valin-teniko any am-pivoriana ve aho? Ataoko tsara ve ny asa ankinin’ny anti-panahy amiko?’ (2 Tim. 4:5) Mendrika ny hodinihina ireo fanontaniana ireo.

6. Inona no tena ilaina raha te hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana?

6 Ilaina koa, raha te hahazo andraikitra, ny ‘hohatanjahina raha ny amin’ny toetra maha izy antsika, amin’ny alalan’ny hery’ avy amin’ny fanahin’Andriamanitra. (Efes. 3:16) Tsy tendrena amin’ny alalan’ny fifidianana mantsy ny mpanampy amin’ny fanompoana sy anti-panahy. Ny olona manatsara ny fifandraisany amin’i Jehovah ihany no hahazo izany andraikitra izany. Ahoana àry no hatao? “Mandehana hatrany araka ny fanahy”, ary manehoa ny vokatr’izy io. (Gal. 5:16, 22, 23) “Hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao” rehefa maneho ireo toetra ilaina hiantsorohana andraikitra fanampiny ianao, sady mampihatra ny torohevitra hahafahanao mihatsara.—1 Tim. 4:15.

Ilaina ny fahafoizan-tena

7. Inona no ilaina rehefa manompo ny hafa?

7 Mila miasa mafy sy mahafoy tena isika rehefa manompo ny hafa. Toy ny mpiandry ondry ny mpiandraikitra kristianina, ka tena miasa saina amin’ny olana mahazo ny andian’ondry. Nanao ny asan’ny mpiandry ny apostoly Paoly, ary tena nisy vokany teo aminy izany. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Korinto: “Tamin’ny fahoriana be sy tamin’alahelom-po mafy no nanoratako taminareo tamin-dranomaso be, tsy ny hampalahelo anareo anefa, fa mba hahafantaranareo fa miavaka kokoa ny fitiavako anareo.” (2 Kor. 2:4) Nanao ny andraikiny tamin’ny fony àry i Paoly.

8, 9. Iza ireo lehilahy ao amin’ny Baiboly nikarakara izay nilain’ny hafa?

8 Tena nahafoy tena ireo lehilahy niasa mafy ho an’ny mpanompon’i Jehovah. Azo inoana fa tsy niteny tamin’ny fianakaviany i Noa hoe: ‘Ilazao aho rehefa vita ilay sambofiara fa ho avy aho.’ Tsy nilaza tamin’ny Israelita koa i Mosesy hoe: ‘Any amin’ny Ranomasina Mena isika mihaona. Ataovy fotsiny izay hahatongavana any.’ Tsy niteny mihitsy i Josoa hoe: ‘Ilazao aho rehefa mirodana ny mandan’i Jeriko.’ Tsy nanondro olon-kafa i Isaia sady nilaza hoe: ‘Io izy iraho.’—Isaia 6:8.

9 I Jesosy Kristy no modelintsika lehibe indrindra, satria nanaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra. Nanaiky an-tsitrapo hamonjy ny olombelona izy. (Jaona 3:16) Tsy tokony handrisika antsika hahafoy tena koa ve ny fitiavany sy ny fahafoizan-tenany? Hoy ny anti-panahy iray efa ela, rehefa niresaka ny fihetseham-pony momba ny andian’ondry: “Tena manohina ny foko ny tenin’i Jesosy tamin’i Petera hoe: ‘Andraso ny ondrikeliko.’ Hitako nandritra ny taona maro, fa tena mampahery ny hafa ny teny vitsivitsy feno fitiavana na ny fihetsika tsotra mampiseho hatsaram-panahy. Tena tiako ny asan’ny mpiandry.”—Jaona 21:16.

10. Inona no handrisika ny lehilahy kristianina hanompo ny hafa toa an’i Jesosy?

10 Azo antoka fa maniry hanahaka ny toe-tsain’i Jesosy ireo rahalahy eo anivon’ny fiangonana. Hoy izy tamin’ny andian’ondrin’Andriamanitra: “Hamelombelona anareo aho.” (Mat. 11:28) Ny finoana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny fiangonana no mandrisika ny lehilahy kristianina hiezaka hahazo asa tsara. Tsy hihevitra izy hoe mavesatra loatra ilay andraikitra na hitaky be loatra aminy. Ahoana anefa raha tsy maniry hahazo andraikitra mihitsy ny rahalahy iray? Afaka miezaka ny haniry hanompo eo anivon’ny fiangonana ve izy?

Aoka ianao haniry hanompo ny hafa

11. Inona no hanampy ny olona iray haniry hanompo ny hafa?

11 Misy rahalahy mihevitra fa tsy ampy fahaizana, ka tsy miezaka hahazo andraikitra. Mivavaha mba hahazo ny fanahy masina, raha izany no mitranga. (Lioka 11:13) Hanampy anao hanaisotra izany fanahiana izany ny fanahin’i Jehovah. Avy amin’Andriamanitra ny faniriana hanompo, satria ny fanahiny no mandrisika ny rahalahy iray hahazo andraikitra sy manome hery azy hanaovany fanompoana masina. (Fil. 2:13; 4:13) Mety àry ny mangataka amin’i Jehovah mba hanampy anao haniry hahazo andraikitra.—Vakio ny Salamo 25:4, 5.

12. Inona no azo atao mba hahazoana fahendrena hiantsorohana andraikitra?

12 Mety tsy hiezaka hahazo andraikitra koa ny Kristianina iray, satria hitany hoe sarotra sy ilana fikirizana ny mikarakara ny zavatra ilain’ny ondry. Na mety hihevitra izy fa tsy ampy fahendrena hiantsorohana andraikitra. Raha izany no mitranga, dia azony atao angamba ny miezaka hazoto kokoa hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky aman-gazety ara-baiboly. Afaka misaintsaina izy hoe: ‘Manokana fotoana hianarana ny Tenin’Andriamanitra ve aho, ary mivavaka mba hahazo fahendrena?’ Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.” (Jak. 1:5) Mino izany ve ianao? Namaly ny vavak’i Solomona Andriamanitra, ka nanome azy “fo hendry sy mahiratra.” Nahatonga azy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy izany, rehefa nitsara izy. (1 Mpanj. 3:7-14) Marina fa tsy mitovy amin’i Solomona isika. Afaka matoky anefa isika fa hanome fahendrena an’ireo lehilahy manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana Andriamanitra, mba hahaizan’izy ireo mikarakara ny ondry.—Ohab. 2:6.

13, 14. a) Inona no vokatry “ny fitiavan’i Kristy” teo amin’i Paoly? b) Inona no tokony ho vokatry “ny fitiavan’i Kristy” eo amintsika?

13 Haniry hanompo ny hafa koa isika raha misaintsaina lalina ny zava-drehetra nataon’i Jehovah sy ny Zanany ho antsika. Diniho, ohatra, ny 2 Korintianina 5:14, 15. (Vakio.) Nahoana no lazaina fa ‘manery antsika ny fitiavan’i Kristy’? Tena tia antsika i Kristy ka nanome ny ainy ho antsika, araka ny sitrapon’Andriamanitra. Arakaraka ny hitomboan’ny fankasitrahantsika izany, no handrisika antsika hanao zavatra. Nanan-kery teo amin’ny fiainan’i Paoly ny fitiavan’i Kristy. Nisakana azy tsy ho tia tena izany, sady nanampy azy hifantoka tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ary hikarakara ny olona teo anivon’ny fiangonana sy ny olon-kafa.

14 Velom-pankasitrahana an’i Kristy isika, rehefa misaintsaina ny fitiavany ny olona. Takatsika àry fa tsy mety raha mbola ‘mamafy ho an’ny nofo’ isika, ka mitady izay mahasoa sy mahafinaritra antsika fotsiny. Alamintsika kosa ny fiainantsika mba ho loha laharana ny asa nasain’Andriamanitra nataontsika. Maniry ‘hanompo’ amim-pitiavana ny rahalahintsika isika. (Vakio ny Galatianina 5:13.) Hanaja an’ireo mpanompon’i Jehovah hafa isika, raha mihevitra fa mpanompo miasa ho azy ireo amim-panetren-tena. Azo antoka fa tsy ho tia manakiana na ho maika hitsara toa an’i Satana isika.—Apok. 12:10.

Ezaky ny mpianakavy

15, 16. Inona no tokony hataon’ny fianakavian’ny rahalahy iray miezaka ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy?

15 Raha manambady aman-janaka ny rahalahy iray, dia mila dinihina ny zava-misy eo anivon’ny fianakaviany mba hahitana raha mahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy izy. Jerena, ohatra, ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra sy ny lazan’izy ireo. Tena mila manohana an’ilay raim-pianakaviana àry ny vady aman-janany rehefa miezaka hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana izy.—Vakio ny 1 Timoty 3:4, 5, 12.

16 Faly i Jehovah rehefa mifanampy ny mpianakavy. (Efes. 3:14, 15) Mila mahay mandanjalanja ny loham-pianakaviana, mba hahafahany hiantsoroka ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana sady ‘hahaizany’ hitondra ny ankohonany. Mila miara-mianatra Baiboly amin’ny vady aman-janany àry ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro. Handray soa izy ireo amin’izay. Tokony hiara-manompo tsy tapaka amin’izy ireo koa izy. Midika izany fa zava-dehibe ny hanohanan’ny mpianakavy rehetra ny ezaky ny loham-pianakaviana.

Hiezaka indray ve ianao?

17, 18. a) Inona no tokony hataon’ny rahalahy iray raha natsahatra tamin’ny andraikiny izy? b) Inona no tokony hifantohany?

17 Efa anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana angamba ianao taloha. Tia an’i Jehovah ianao ary matoky fa mbola miahy anao izy. (1 Pet. 5:6, 7) Noresahina taminao ve ny zavatra tokony hiezahanao? Ekeo ny fahadisoanao, ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra mba hanitsiana izany. Aza tezitra. Hendre ary mifantoha amin’ny lafy tsaran-javatra. Hoy ny rahalahy iray efa anti-panahy nandritra ny taona maro, saingy natsahatra: “Niezaka nivory sy nitory ary namaky Baiboly tsy tapaka aho, toy ny tamin’izaho mbola anti-panahy. Nihevitra aho tamin’ny voalohany fa ho tafaverina anti-panahy rehefa afaka herintaona na roa taona. Efa ho fito taona tatỳ aoriana anefa aho vao voatendry indray. Lasa nanam-paharetana àry aho. Nampahery ahy ny hafa tamin’ireny fotoana ireny, mba tsy ho kivy fa hiezaka foana. Tena nanampy ahy izany.”

18 Aza kivy raha toy izany ny manjo anao. Saintsaino ny fitahian’i Jehovah ny fanompoanao sy ny fianakavianao. Hatanjaho ny finoan’ny ankohonanao, vangio ny marary, ary ampaherezo ny ketraka. Tadidio fa Vavolombelon’i Jehovah ianao, ka hevero ho sarobidy ny midera an’Andriamanitra sy ny mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. *Sal. 145:1, 2; Isaia 43:10-12.

Diniho ny toe-javatra misy anao

19, 20. a) Ampirisihina hanao inona ny rahalahy rehetra? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Betsaka noho ny hatramin’izay ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ilaina ankehitriny. Mampirisika ny rahalahy rehetra àry izahay handinika ny toe-javatra misy azy, ka hieritreritra hoe: ‘Nahoana aho no mbola tsy anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana?’ Avelao ny fanahin’Andriamanitra hanampy anao hahita izay mila iezahana.

20 Mandray soa daholo ny rehetra eo anivon’ny fiangonana rehefa misy mpiray finoana miezaka hahafoy tena. Faly isika rehefa tsara fanahy sy mahafoy tena, satria manompo ny hafa sy mamafy ho an’ny fanahy. Mila mitandrina koa anefa isika mba tsy hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no hanampy antsika tsy hanao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

Ahoana no Havalinao?

• Inona no toky omen’ny Mika 5:5 antsika?

• Inona no tafiditra amin’ny hoe mahafoy tena ho an’ny hafa?

• Inona no hanampy ny olona iray haniry hanompo ny hafa?

• Nahoana ny fianakavian’ny rahalahy maniry hahazo andraikitra no tena mila manohana azy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Inona no ezaka ilainao hatao mba hahazoana andraikitra?