Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Vehivavy, Ekeo ny Fahefan’ny Vadinareo

Ry Vehivavy, Ekeo ny Fahefan’ny Vadinareo

Ry Vehivavy, Ekeo ny Fahefan’ny Vadinareo

“Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.”—1 KOR. 11:3.

1, 2. a) Inona no lamina napetrak’i Jehovah, araka ny tenin’ny apostoly Paoly? b) Inona avy no fanontaniana hovaliana ato?

NILAZA ny apostoly Paoly fa i ‘Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.’ (1 Kor. 11:3) I Jehovah no nametraka izany lamina izany. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa nahafaly an’i Jesosy sy noraisiny ho voninahitra ny nanaiky ny fahefan’i Jehovah. Noresahintsika koa fa i Kristy no lohan’ny lehilahy kristianina. Tsara fanahy, nangoraka, nalemy fanahy, ary tsy tia tena izy. Tokony hanahaka azy ny lehilahy, indrindra rehefa mifandray amin’ny vadiny.

2 Ahoana kosa ny amin’ny vehivavy? Hoy i Paoly: “Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Ahoana no tokony hiheveran’ny vehivavy an’izany? Mbola mihatra ve io toro lalana io raha tsy Vavolombelona ny vadiny? Tsy mahazo milaza ny heviny mihitsy ve ny vehivavy, rehefa misy fanapahan-kevitra raisina? Ary vehivavy manao ahoana no mahazo dera?

“Hanao mpanampy ho azy aho”

3, 4. Nahoana ny mpivady no tokony hanaraka ny lamina napetrak’i Jehovah?

3 I Jehovah Andriamanitra no namaritra hoe iza no lohan’ny fianakaviana. Hoy izy rehefa avy namorona an’i Adama: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.” Namorona an’i Eva àry i Jehovah. Tena faly i Adama fa nahazo namana sy mpanampy, ka hoy izy: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” (Gen. 2:18-24) Nisy zavatra faran’izay tsara niandry azy mivady. Izy ireo no ho razamben’ny olombelona rehetra. Ho lavorary sy ho sambatra ny taranany, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.

4 Nikomy anefa i Adama sy Eva, ka lasa tsy voahaja tsara intsony ilay lamina napetrak’i Jehovah. (Vakio ny Romanina 5:12.) Mbola tsy niova anefa izy io hatramin’izao. Tena handray soa sy ho sambatra ny mpivady raha manaraka tsara azy io, toa an’i Jesosy. Nanaiky ny fahefan’i Jehovah izy talohan’ny nahatongavany teto an-tany, ka ‘falifaly foana teo anatrehany.’ (Ohab. 8:30) Samy tsy lavorary ny lehilahy sy ny vehivavy, ka tsy afaka ny ho vady tonga lafatra. Ho sambatra anefa izy ireo, na dia mbola eto amin’ity tontolo ity aza, raha miezaka foana manaraka ny lamina napetrak’i Jehovah.

5. Nahoana ny mpivady no tokony hampihatra ny Romanina 12:10?

5 Manoro hevitra antsika rehetra ny Soratra Masina hoe: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Rom. 12:10) Ho sambatra ny mpivady raha mampihatra izany. Mila miezaka koa izy ireo mba ‘ho tsara fanahy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’—Efes. 4:32.

Ahoana raha tsy Vavolombelona ilay lehilahy?

6, 7. Inona no mety ho vokany, raha manaiky ny vadiny tsy Vavolombelona ny anabavy?

6 Ny lehilahy mazàna no tsy Vavolombelona. Ahoana àry raha tsy mpanompon’i Jehovah ny vadinao? Inona no tokony hataonao? Hoy ny Baiboly: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.”—1 Pet. 3:1, 2.

7 Mila manaiky ny vadiny tsy Vavolombelona ny vehivavy, araka ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsara fitondran-tena izy, dia mety hanitikitika ny sain’ny vadiny ny antony mahatonga izany. Mety hamantatra ny zavatra inoany àry ilay lehilahy, ka hanaiky ny fahamarinana amin’ny farany.

8, 9. Inona no azon’ny Kristianina atao, raha tsy misy vokany eo amin’ny vadiny ny ezaka ataony?

8 Ahoana anefa raha tsy misy vokany ny ezaka ataonao? Ampirisihin’ny Soratra Masina ny vehivavy kristianina mba ho tsara toetra foana, na sarotra toy inona aza izany. Izao, ohatra, no resahin’ny 1 Korintianina 13:4: “Ny fitiavana mahari-po.” Tsara àry raha ‘manetry tena sy malemy fanahy tanteraka, ary mahari-po’ ny vehivavy, ka hizaka amim-pitiavana an’ilay toe-javatra. (Efes. 4:2) Hanampy azy amin’izany ny fanahy masina, ilay hery ampiasain’Andriamanitra. Ho afaka haneho toetra tsara foana izy, na dia mafy aza ny mahazo azy.

9 Hanampy an’ilay anabavy hanao zavatra tsy ho vitany irery ny fanahy masina. Hoy i Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Fil. 4:13) Marina fa mety haniry hamaly faty izy rehefa mampijaly azy ny vadiny. Izao anefa no lazain’ny Baiboly: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. ... Fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Rom. 12:17-19) Hoy koa ny 1 Tesalonianina 5:15: “Tandremo sao misy mamaly ratsy ny ratsy, fa aoka kosa hifanao soa hatrany sy hanao soa amin’ny olona rehetra.” Na ny zavatra faran’izay sarotra aza, dia ho vitantsika noho ny herin’Andriamanitra. Tena tokony hangataka ny fanahy masina àry isika!

10. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nilaza na nanao zavatra nampalahelo azy ny olona?

10 Namela modely ho an’ny mpivady i Jesosy. Jereo izay nataony rehefa nilaza na nanao zavatra nampalahelo azy ny olona. Hoy ny 1 Petera 2:23: “Tsy mba nanevateva izy rehefa nisy nanevateva, ary tsy mba nandrahona rehefa nijaly, fa nanankina foana ny fiainany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.” Asaina hanahaka azy isika. Aza tezitra rehefa ratsy fanahy aminao ny hafa. Ampirisihina ny Kristianina rehetra mba ‘hangoraka, hanetry tena, tsy hamaly ratsy ny ratsy na hanevateva rehefa misy manevateva.’—1 Pet. 3:8, 9.

Tsy mahazo milaza ny heviny mihitsy ve?

11. Inona no anjara asa lehibe ananan’ny vehivavy kristianina sasany?

11 Ny hoe manaiky fahefana ve midika fa tsy mahazo milaza ny heviny mihitsy ny vehivavy, na momba ny ankohonany izany na zavatra hafa? Tsia. Nomen’i Jehovah anjara asa maro na ny vehivavy na ny lehilahy. Vehivavy, ohatra, ny sasany amin’ireo 144 000 notendreny ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra. Hiaraka amin’i Kristy izy ireo rehefa hitondra ny tany izy. Tena voninahitra lehibe izany! (Gal. 3:26-29) Nomen’i Jehovah anjara asa lehibe àry ny vehivavy.

12, 13. Manomeza ohatra ahitana fa naminany ny vehivavy fahiny.

12 Naminany, ohatra, ny vehivavy fahiny. Hoy ny Joela 2:28, 29: ‘Handatsahako ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany. Na ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy amin’izany andro izany aza dia handatsahako ny fanahiko.’

13 Vehivavy ny sasany tamin’ireo mpianatra 120 nivory tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra daholo ireo mpianatra ireo. Nampiharin’i Petera tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy àry ny faminanian’i Joela. Hoy izy: ‘Izao no voalaza tamin’ny alalan’i Joela mpaminany: “Ary amin’ny andro farany”, hoy Andriamanitra, “dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany. Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza, dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany.”’—Asa. 2:16-18.

14. Inona no nataon’ny vehivavy fahiny, mba hampielezana ny Fivavahana Kristianina?

14 Anisan’ny nifofotra mafy mba hampielezana ny Fivavahana Kristianina ny vehivavy, tamin’ny taonjato voalohany. Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, ary nanao zavatra nifandray tamin’ny asa fitoriana. (Lioka 8:1-3) Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “mpanompo ao amin’ny fiangonana any Kenkrea”, ohatra, i Foiby. Rehefa nanao veloma ny mpiara-manompo koa i Paoly tao amin’ny taratasiny, dia tsy hadinony ireo anabavy tsy nivadika toa an-dry “Tryfena sy Tryfosa, vehivavy miasa mafy ao amin’ny Tompo.” Nosinganiny koa i “Persy anabavy malalantsika”, izay “nanao asa mafy maro tao amin’ny Tompo.”—Rom. 16:1, 12.

15. Inona no ataon’ny vehivavy, mba hampielezana ny Fivavahana Kristianina ankehitriny?

15 Vehivavy ny ankamaroan’ireo olona fito tapitrisa mahery mitory ny vaovao tsara eran-tany. (Mat. 24:14) Ao ny tanora, ary ao koa ny antitra. Maro aminy no mpitory manontolo andro, na misionera, na fianakavian’ny Betela. Hoy i Davida mpanao salamo: “Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina, ary tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.” (Sal. 68:11) Tena marina izany! Sarobidy amin’i Jehovah ny vehivavy mitory ny vaovao tsara sy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasany. Mahazo milaza ny heviny àry ny vehivavy kristianina, na dia asaina manaiky fahefana aza.

Vehivavy roa nilaza ny heviny

16, 17. Porofoy avy amin’ny ohatr’i Saraha fa afaka milaza ny heviny ny vehivavy manambady.

16 Raha i Jehovah aza nanome anjara asa maro ho an’ny vehivavy, tsy tokony hila hevitra amin’ny vadiny ve ny lehilahy rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe? Hendry izy raha manao izany. Tantarain’ny Soratra Masina fa nisy vehivavy nilaza ny heviny na nanao zavatra tsara, na dia tsy nasain’ny vadiny hanao izany aza. Ireto misy ohatra roa.

17 Nilaza foana, ohatra, i Saraha fa tokony horoahin’i Abrahama ny vadikeliny sy ny zanany, noho izy ireo tsy naneho fanajana. “Tena nahasosotra an’i Abrahama” izany. Niteny taminy anefa i Jehovah hoe: “Aza atao mahasosotra anao izay lazain’i Saraha aminao momba ny zaza sy ny mpanompovavinao. Henoy ny teniny.” (Gen. 21:8-12) Nankatò an’i Jehovah i Abrahama. Nihaino an’i Saraha izy, ary nanao izay nangatahiny.

18. Inona no nataon’i Abigaila?

18 Diniho koa izay nataon’i Abigaila, vadin’i Nabala. Rehefa nandositra an’i Saoly, mpanjaka be fialonana, i Davida, dia nitoby teo akaikin’ny andian’ondrin’i Nabala. Tsy nangalatra ny fananan’io lehilahy mpanankarena io i Davida sy ny olony, fa niaro izany kosa. “Masiaka sady ratsy toetra” anefa i Nabala, ary “vazavaza sy teny henjana no nataony” tamin’ny olon’i Davida. Olona “tsy manjary” izy, ary “hadalana no ao aminy.” Mba nangataka sakafo taminy ry Davida, nefa tsy nomeny. Inona no nataon’i Abigaila, rehefa reny izay nitranga? Tsy niera tamin’i Nabala izy, fa “lasa haingana naka mofo roanjato, sy siny lehibe roa feno divay, sy ondry dimy efa voakarakara, sy voam-bary natono indimin’ny seha, sy mofo zato vita tamin’ny voaloboka maina, ary mofo roanjato vita tamin’ny aviavy noporetina.” Nomeny an’i Davida sy ny olony izany. Nety ve ny nataony? Eny. Milaza ny Baiboly fa “nasian’i Jehovah” i Nabala ka “maty.” Nalain’i Davida ho vady i Abigaila taorian’izay.—1 Sam. 25:3, 14-19, 23-25, 38-42.

‘Vehivavy mahazo dera’

19, 20. Vehivavy manao ahoana no tena mendri-piderana?

19 Derain’ny Soratra Masina ny vehivavy manaraka ny toro lalan’i Jehovah. Miresaka momba ny “vady tsara”, ohatra, ny bokin’ny Ohabolana. Hoy izy io: “Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina ny vehivavy toy izany. Matoky azy ny fon’ny lahy, ary be ny tombony azo. Soa no avalin-dravehivavy azy, fa tsy ratsy, mandritra ny androm-piainany.” Tsy vitan’izay fa “maneho fahendrena izy rehefa miteny, ary ny lalàn’ny hatsaram-panahy feno fitiavana no ambarany. Manara-maso izay mitranga ao an-tokantranony izy, ary tsy mihinana ny mofon’ny hakamoana. Mitsangana ny zanany lahy, ka milaza azy hoe sambatra. Mitsangana koa ny vadiny, ka midera azy.”—Ohab. 31:10-12, 26-28.

20 Vehivavy manao ahoana no tena mendri-piderana? Hoy ny Ohabolana 31:30: “Mamitaka ny hatsaram-bika, ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hahazo dera.” Vonona hanaiky ny fahefana napetrak’i Jehovah ny vehivavy matahotra azy. “Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy”, tsy misy hafa amin’ny hoe i ‘Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.’—1 Kor. 11:3.

Ankasitraho ny fanomezan’Andriamanitra

21, 22. a) Nahoana ny mpivady kristianina no tokony hisaotra an’Andriamanitra? b) Nahoana isika no tokony hanaja ny lamina napetrak’i Jehovah? (Jereo ny efajoro, pejy 17.)

21 Manana antony maro hisaorana an’Andriamanitra ny mpivady kristianina, indrindra tamin’ny namoronany ny fanambadiana, izay fanomezana tena tsara. (Rota 1:9) Afaka ny ho sambatra mantsy ny mpivady. Tsy vitan’izay fa afaka miara-dalana eo amin’ny fiainana sy miara-manompo an’i Jehovah izy ireo. (Mika 6:8) Mahalala tsara izay hahasambatra ny mpivady i Jehovah. Araho foana àry ny tari-dalany, dia ho ‘fiarovana mafy ho anareo ny fifaliana avy aminy’, na dia eto amin’ity tontolo mikorontana ity aza.—Neh. 8:10.

22 Raha tena tia ny vadiny toy ny tenany ny lehilahy kristianina, dia halemy fanahy sy hikarakara azy tsara. Hanaja sy hanohana tsara azy koa ny vadiny, ka ho lasa mahatehotia. Ambonin’ny zava-drehetra anefa, dia hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra ny tokantranon’izy ireo.

Tadidinao Ve?

• Inona no lamina napetrak’i Jehovah?

• Nahoana ny mpivady no tokony hifanome voninahitra?

• Inona no tokony hataon’ny anabavy, raha tsy Vavolombelona ny vadiny?

• Nahoana ny lehilahy no tokony hila hevitra amin’ny vadiny, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 17]

Nahoana Isika no Manaja Fahefana?

Nisy lamina napetrak’i Jehovah eo amin’ny zavaboariny manan-tsaina. Natao hahasoa ny olombelona sy ny anjely izany. Rehefa manaraka an’io lamina io izy ireo, dia mampiseho fa nifidy ny hankatò an’i Jehovah. Afaka manompo azy amim-piraisan-tsaina koa izy ireo, ka hanome voninahitra azy.—Sal. 133:1.

Manaiky ny fahefan’i Jesosy Kristy ny voahosotra. (Efes. 1:22, 23) Na “ny Zanaka mihitsy” koa aza dia “hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.” (1 Kor. 15:27, 28) Tena tokony hanaiky ny fahefana eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana koa àry ny olona nanokan-tena ho an’Andriamanitra! (1 Kor. 11:3; Heb. 13:17) Hankasitrahan’i Jehovah sy hotahiny isika raha manao izany.—Isaia 48:17.

[Sary, pejy 13]

Manampy ny vehivavy kristianina ho tsara toetra ny vavaka

[Sary, pejy 15]

Sarobidy amin’i Jehovah ny vehivavy mampandroso ny asan’ilay Fanjakana