Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hatao Raha Namitaka Anao ny Vadinao?

Ahoana no Hatao Raha Namitaka Anao ny Vadinao?

Ahoana no Hatao Raha Namitaka Anao ny Vadinao?

NANOMPO an’i Jehovah manontolo andro nandritra ny taona maro i Margarita sy Raúl vadiny. * Nanomboka niala tsikelikely tamin’i Jehovah anefa i Raúl, taorian’ny niterahan’izy ireo ny zanany voalohany. Nijangajanga i Raúl tatỳ aoriana, ary noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana. Hoy i Margarita: “Toy ny nilatsaham-baratra aho, rehefa nitranga izany rehetra izany. Nalahelo mafy aho, ary tsy hitako izay natao.”

Vao vita mariazy kelikely i Lala, dia nivadika taminy ny vadiny. Nanomboka namono azy izy io. Hoy i Lala: “Taitra be sy menatra ary nahatsiaro ho naetry aho, tamin’izy namely totohondry ahy voalohany. Lasa fahazarany ny namono ahy, ary nifona foana izy isaky ny avy nanao izany. Nihevitra aho fa mila mamela heloka sy manadino foana ny Kristianina. Nieritreritra koa aho hoe tsy mety raha resahina amin’ny hafa ilay izy, eny fa na dia amin’ny anti-panahy aza. Naharitra an-taonany maro izany. Nihevitra aho fa tsy maintsy misy azoko atao mba hahatonga ny vadiko ho tia ahy. Nilaozany anefa izaho sy ny zanakay vavy tamin’ny farany. Tsapako tamin’izay hoe tsy nahomby aho. Tokony ho nisy zavatra hafa nataoko na noteneniko mba hitazonana azy.”

Mety ho ory sy ho sahirana ara-bola ary halemy finoana ianao satria nivadihan’ny vadinao, toa an’i Margarita sy Lala. Mety halahelo mafy sy ho sahirana koa ny lehilahy, rehefa manitsakitsaka azy ny vadiny. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, araka ny faminanian’ny Baiboly. Mihasarotra ny fiainam-pianakaviana satria milaza io faminaniana io fa tsy ho tia ny mpianakaviny ny ankamaroan’ny olona amin’ny “andro farany.” Milaza ho mpivavaka be ny olona sasany nefa tsy hita amin’ny fiainany izany. (2 Tim. 3:1-5) Tsy voaro amin’ireny olana ireny ny Kristianina. Ahoana àry no hatao raha namitaka anao ny vadinao?

Manàna ny fomba fijerin’i Jehovah

Mety tsy hampino anao amin’ny voalohany hoe mahavita zavatra tena ratsy aminao ny olona tianao. Mety hanomboka hanamelo-tena mihitsy aza ianao noho ny nataony.

Tadidio anefa fa nivadihan’ny olona natokisany sy tiany koa i Jesosy, lehilahy lavorary. Nieritreritra sy nivavaka mafy izy talohan’ny nifidianany an’ireo apostoly, izay namany akaiky indrindra. Mendri-pitokisana àry izy 12 lahy, tamin’ny voalohany. Azo antoka fa nalahelo mafy i Jesosy rehefa “nanjary mpamadika” i Jodasy. (Lioka 6:12-16) Tsy nanome tsiny an’i Jesosy noho ny fahadisoan’i Jodasy anefa i Jehovah.

Tsy misy mpivady lavorary. Manao fahadisoana ny tsirairay. Niaiky ny mpanao salamo hoe: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô?” (Sal. 130:3) Tokony hanahaka an’i Jehovah àry ny mpivady ka hamela ny fahadisoan’ny vadiny.—1 Pet. 4:8.

“Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka” anefa isika “tsirairay avy.” (Rom. 14:12) Tsy maintsy ampamoahin’i Jehovah ny olona iray, raha zatra manevateva na mamono vady. Halan’i Jehovah ny herisetra sy ny fanevatevana, ka tsy mahazo rariny eo anatrehany ny olona manao toy izany, satria tena tsy tia sy tsy manaja ny vadiny. (Sal. 11:5; Efes. 5:33; Kol. 3:6-8) Tsy maintsy roahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny Kristianina iray, raha tsy mahafehy fahatezerana matetika, sy tsy mibebaka. (Gal. 5:19-21; 2 Jaona 9, 10) Tsy tokony hieritreritra ny olona iray hoe diso raha mitantara amin’ny anti-panahy ny zava-dratsy ataon’ny vadiny. Mangoraka ny olona iharan’ny herisetra mantsy i Jehovah.

Tsy vitan’ny hoe manota amin’ny vadiny ny olona manitsakitsa-bady, fa manota amin’i Jehovah koa. (Mat. 19:4-9; Heb. 13:4) Raha niezaka nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly ilay vady tsy manan-tsiny, dia tsy tokony hahatsiaro tena ho meloka tamin’ny fahadisoan’ny vadiny.

Tadidio fa takatr’i Jehovah ny mahazo anao. Efa mba nijaly sy nalahelo koa mantsy izy rehefa nivadika taminy ny firenen’Israely, izay nolazainy fa vadiny sy fananany. Misy andinin-teny maro miresaka momba izany ao amin’ny Teniny, ary manohina ny fo izy ireny. (Isaia 54:5, 6; Jer. 3:1, 6-10) Matokia fa hitan’i Jehovah tsara ny ranomasonao, raha namitaka anao ny vadinao. (Mal. 2:13, 14) Fantany fa mila fampiononana sy fampaherezana ianao.

Fomba ampiononan’i Jehovah

Anisan’ny ampiasain’i Jehovah hampiononana antsika ny fiangonana. Nandray soa tamin’izany i Lala. Hoy izy: “Fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra izahay, tamin’izaho kivy be iny. Fantatr’ilay ranadahy fa tena ketraka aho satria nangataka fisarahana ny vadiko. Nanokana fotoana ho ahy izy, ary nampiasa andinin-teny toy ny 1 Korintianina 7:15 mba hampisaintsainana ahy. Nanampy ahy tsy hanamelo-tena intsony sy nampilamina kokoa ny saiko ireny andinin-teny ireny sy ny teny feno hatsaram-panahy nolazain’ilay mpiandraikitra.” *

Nahatsapa koa i Margarita, ilay voaresaka tetsy aloha, fa ampiasain’i Jehovah hanampiana antsika ny fiangonana. Hoy izy: “Rehefa hitako fa tsy nibebaka ny vadiko, dia nentiko ny zanako ary nifindra tany amin’ny tanàna hafa izahay. Nahita efitra roa hofana aho tany. Trotraky ny alahelo aho ny ampitson’iny. Teo am-pamoahana ny entanay avy tao anaty kitapo aho, no nisy nandondona tao am-baravarana. Noheveriko fa ilay vehivavy tompon-tranonay nipetraka tao ambadika. Gaga aho, fa hay ilay rahavavy nampianatra Baiboly ny reniko sy nanampy anay hahafantatra ny fahamarinana no tao. Tsy nanampo ny hahita ahy izy, satria ilay tompon-trano no notadiaviny. Nianatra Baiboly taminy mantsy izy io. Faly aho ka tsy tanako ny fihetseham-poko. Notantaraiko taminy ny nahazo ahy, ary niara-nitomany izahay. Nisy fivoriana tamin’io andro io, ka nasainy nivory izahay. Nandray tsara anay ny fiangonana, ary nanao fandaharana ny anti-panahy mba hanampiana anay teo amin’ny lafiny ara-panahy.”

Inona no azon’ny hafa atao?

Maro tokoa no azon’ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana atao mba hanampiana. Tsy maintsy nitady asa, ohatra, i Margarita. Rehefa avy nianatra ny zanany, dia nanolo-tena hitaiza azy ireo indraindray ny fianakaviana iray.

Hoy i Margarita: “Nanasa ahy sy ny zanako hiara-manompo aminy ireo anadahy sy rahavavy. Tena nankasitrahako izany.” ‘Mifampitondra izay mavesatra’ ny olona eo anivon’ny fiangonana, rehefa mifanampy toy izany, ary amin’izany fomba izany no anatanterahan’izy ireo “ny lalàn’i Kristy.”—Gal. 6:2.

Tena mankasitraka ny fanampiana azy ny Kristianina mijaly noho ny ratsy ataon’ny hafa. Nilaozan’ny vadiny i Monique. Tsy vitan’izay fa tsy maintsy nandoa trosa 27 tapitrisa ariary tsy voaloan’ny vadiny izy, sady namelona ny zanany efatra. Hoy i Monique: “Be fitiavana ireo anadahy sy rahavavy. Tsy haiko izay ho nahazo ahy raha tsy nanampy izy ireo. Nomen’i Jehovah mpiara-manompo tena mahafinaritra aho. Nahafoy tena hanampy ny zanako ireo anadahy. Vokatr’izany, dia nandroso ny zanako ary nahafaly ahy ny nahita izany. Nanampy ahy ny anti-panahy, rehefa nila torohevitra aho. Nihaino koa izy ireo, rehefa nila olona iresahana aho.”—Mar. 10:29, 30.

Mazava ho azy fa fantatry ny namana be fitiavana hoe rahoviana izy no tsy tokony hiresaka momba ny olana mahazo ny hafa. (Mpito. 3:7) Hoy i Margarita: ‘Mahafinaritra ahy ny miresaka amin’ireo rahavavy momba ny asa fitoriana, ny fampianarana Baiboly, ary ny zanakay. Ny olana mahazo ahy ihany no tsy tiako horesahina. Ankasitrahako ny fanampian’izy ireo ahy hanadino ny lasa sy hitraka indray.’

Aza mamaly faty

Mety tsy hanamelo-tena noho ny fahotan’ny vadinao ianao indraindray, fa ho tezitra satria mijaly loatra noho ny fahadisoany. Raha tsy fehezinao izany, dia mety hahatonga anao hivadika amin’i Jehovah. Mety hitady fomba hamaliana faty, ohatra, ianao.

Tadidio ny ohatr’i Josoa sy Kaleba, raha mitady tsy hahafehy ny faniriana hamaly faty ianao. Nanao vivery ny ainy izy mirahalahy, rehefa nitsikilo ny Tany Nampanantenaina. Tsy nanam-pinoana ireo mpitsikilo hafa ka nitarika ny olona tsy hankatò an’i Jehovah. I Josoa sy Kaleba kosa nampirisika an’ilay firenena tsy hivadika, nefa naniry hitora-bato azy ny Israelita sasany. (Nom. 13:25–14:10) Voasazy niaraka tamin’ilay firenena i Josoa sy Kaleba, ka voatery nirenireny tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona, na dia tsy nanan-tsiny aza.

Azo inoana fa diso fanantenana i Josoa sy Kaleba, nefa tsy nitady hamaly faty. Nifantoka tamin’ny fanompoany an’i Jehovah izy ireo. Nahazo valisoa izy mirahalahy sy ny Levita, rehefa tapitra ny 40 taona. Tsy maty izy ireo, ary navela hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Nom. 14:28-30; Jos. 14:6-12.

Mety hampijaly anao elaela ny zava-dratsy nataon’ny vadinao. Mety hisaraka ianareo, ka halahelo sy ho sahirana ara-bola ianao aorian’izay. Aza kivy. Tadidio fa fantatr’i Jehovah izay hatao amin’ireo minia mandika ny fitsipiny, toy izay nataony tamin’ireo Israelita nivadika tany an-tany efitra.—Heb. 10:30, 31; 13:4.

Ho vitanao ny hiatrika izany!

Aza mieritreritra zavatra mahakivy, fa miezaha hanana ny fomba fisainan’i Jehovah. Hoy i Lala: “Hitako fa nanampy ahy hiatrika an’ilay izy ny fihainoana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! noraisim-peo. Tena nampahery koa ireo fivoriana. Mazoto mandray anjara amin’ny fivoriana aho, ka nanampy ahy tsy hifantoka tamin’ny olana mahazo ahy izany. Toy izany koa ny fitoriana. Nanatanjaka ny finoako ny fanampiana ny hafa haneho finoana an’i Jehovah. Lasa nifantoka tamin’izay zava-dehibe kokoa aho rehefa nikarakara an’ireo mpianatra Baiboly.”

Hoy i Monique, voaresaka tetsy aloha: “Mivory tsy tapaka sy manompo matetika aho, ka izany no nanampy ahy hiaritra. Lasa nifankatia kokoa izahay mianakavy, ary lasa nifandray tsara tamin’ny fiangonana. Nanampy ahy hahita ny lafiny mila hihatsarako ny olana nahazo ahy. Niharam-pitsapana aho, nefa afaka niatrika an’izany noho ny fanampian’i Jehovah.”

Afaka miatrika olana toy izany koa ianao. Aza manaiky ho kivy raha namitaka anao ny vadinao, fa miezaha hanaraka an’ity torohevitr’i Paoly ity: “Aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.”—Gal. 6:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 13 Mba hahazoana fanazavana fanampiny momba ny fisarahan-toerana sy ny fisaraham-panambadiana, dia jereo ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 125-130, 219-221.

[Sary, pejy 31]

Ankasitrahan’ireo nilaozan’ny vadiny ny fanampiana azy eny amin’ny fanompoana