Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampaherezo Hatrany ny Mpiray Finoana Aminao

Ampaherezo Hatrany ny Mpiray Finoana Aminao

Ampaherezo Hatrany ny Mpiray Finoana Aminao

“Mifampionòna sy mifampahereza hatrany.”—1 TES. 5:11.

1. Inona ireo fitahiana azontsika eo anivon’ny fiangonana? Inona anefa no olana mbola atrehintsika?

MAHAZO fitahiana maro isika, satria anisan’ny fiangonana kristianina. Mifandray tsara amin’i Jehovah isika. Manaraka ny tari-dalana ao amin’ny Teniny koa isika, ka tsy voa mafy toy ny olona tsy miraharaha azy. Manana namana maro isika, ary mitady izay hahasambatra antsika izy ireny. Maro tokoa ny fitahiana azontsika. Manana olana anefa ny ankamaroantsika. Ao ireo tsy mahatakatra ny zava-dalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny hafa indray marary, na kivy be, na tsy nahay nisafidy ka mizaka ny vokany. Tsy maintsy miaina eto amin’ity tontolo ratsy ity koa isika rehetra.

2. Inona no tokony hataontsika rehefa manana olana ny mpiara-manompo amintsika? Nahoana?

2 Tsy tiantsika ny mahita mpiray finoana mijaly na manana olana. Nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny vatana ny fiangonana. Hoy izy: “Raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra.” (1 Kor. 12:12, 26) Tokony hampaherezintsika izay mpiara-manompo manana olana. Resahin’ny Baiboly fa nisy Kristianina nanampy ny hafa handresy zava-tsarotra. Hodinihina ato izany, ka eritrereto izay azonao atao mba hanahafana azy ireo. Jereo izay fomba azonao anampiana ny hafa hanompo an’i Jehovah foana. Hampahery ny fiangonana ianao amin’izay.

“Nitondra azy niaraka taminy” izy ireo

3, 4. Ahoana no nanampian’i Akoila sy Prisila an’i Apolosy?

3 Efa mpitory nazoto i Apolosy tamin’izy nifindra tany Efesosy. Hazavain’ny Asan’ny Apostoly fa ‘narehitry ny fanahy izy ka marina ny fitoriany sy ny fampianarany momba an’i Jesosy, saingy ny batisan’i Jaona ihany no fantany.’ Tsy hainy ny batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.” Mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa angamba no nitory taminy, na mpanara-dia an’i Jesosy talohan’ny Pentekosta taona 33. Nazoto nitory i Apolosy, nefa nisy zava-dehibe tsy fantany. Nahasoa azy ve ny nifanerasera tamin’ny mpiara-manompo?—Asa. 1:4, 5; 18:25; Mat. 28:19.

4 Hitan’i Akoila sy Prisila hoe sahy nitory i Apolosy tao amin’ny synagoga. Nentiny niaraka taminy àry izy ka nampianariny an’izay zavatra mbola tsy fantany. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:24-26.) Tena nety ny nataon’izy ireo. Azo inoana fa tsy nanakiana azy i Akoila sy Prisila rehefa nanatona azy, fa tsara fanahy sy nahay nandanjalanja. Ny niandohan’ny fiangonana kristianina ihany mantsy no tsy tena fantany. Azo antoka fa tena faly i Apolosy, rehefa nampian’ireo namany vaovao hahalala an’io fampianarana tena lehibe io. Inona no vokany? “Nanampy be” an’ireo rahalahy tany Akaia i Apolosy, ary nafana fo rehefa nitory.—Asa. 18:27, 28.

5. Inona no ezaka ataon’ny mpitory ilay Fanjakana, ary inona no vokany?

5 Maro koa no faly ankehitriny, satria nisy nanampy azy hahatakatra tsara ny Baiboly. Lasa mpinamana be izy sy ilay olona nampianatra azy. Tsy maintsy nanokana fotoana hampianarana azy nandritra ny volana maromaro ilay mpampianatra. Vonona hanao izany ezaka izany ny mpitory ilay Fanjakana, satria fantany fa iankinan’ny aina ilay izy. (Jaona 17:3) Faly erỳ izy ireo rehefa mahatakatra ny fahamarinana ilay olona, miaina mifanaraka amin’izany, ary manao ny sitrapon’i Jehovah!

‘Tsara laza izy’

6, 7. a) Nahoana i Paoly no nifidy an’i Timoty hiaraka taminy? b) Inona no fandrosoana nataon’i Timoty?

6 Nahita an’i Timoty, tovolahy 20 taona teo ho eo, i Paoly sy Silasy tany Lystra, tamin’ny dia misionera faharoa nataony. “Tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma” i Timoty. Efa Kristianina i Eonika reniny sy Loisa renibeny, fa tsy toy izany kosa ny rainy. (2 Tim. 1:5) Mety ho tamin’i Paoly nitsidika an’i Lystra voalohany, taona vitsivitsy talohan’izay, no nahalalany an’io fianakaviana io. Hitany hoe niavaka i Timoty. Niera tamin’ny anti-panahy teo an-toerana àry i Paoly, ka nitondra azy hanao dia misionera niaraka taminy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:1-3.

7 Maro ny zavatra tsy maintsy nianaran’i Timoty avy tamin’ilay namany efa zokinjokiny. Niezaka mafy anefa izy, ka azon’i Paoly nalefa hisolo tena azy hitsidika fiangonana. Toa saro-kenatra sy tsy ampy traikefa i Timoty tamin’ny voalohany, kanefa nanampy azy ho mpiandraikitra tena nahay ireo 15 taona teo ho eo niarahany tamin’i Paoly.—Fil. 2:19-22; 1 Tim. 1:3.

8, 9. Azo ampirisihina hanao inona ireo tanora eo anivon’ny fiangonana? Mitantarà zava-nitranga iray.

8 Mety hahavita zavatra tsara eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah ny tanora kristianina maro. Mety hiezaka hanatratra tanjona ara-panahy na hanaiky hitana andraikitra lehibe kokoa izy ireo, raha misy olon-dehibe matotra mampirisika azy. Misy tanora afaka manompo bebe kokoa toa an’i Timoty ve eo anivon’ny fiangonanareo? Mety ho lasa mpisava lalana, Betelita, misionera, na mpiandraikitra mpitety faritany izy, raha ampianao na ampaherezinao. Ahoana àry no azonao anampiana azy?

9 Efa 20 taona izao i Martin no manompo ao amin’ny Betela. Tadidiny fa nampahery azy ny mpiandraikitra ny faritra iray, 30 taona lasa izay, tamin’izy ireo niara-nanompo. Nafana fo erỳ ilay mpiandraikitra nitantara ny fanompoany tao amin’ny Betela tamin’izy tovolahy. Nampirisika an’i Martin izy, mba handinika sao azony atao koa ny manompo ao amin’ny Betela. Tsy hadinon’i Martin mihitsy iny resaka iny. Milaza izy fa iny no tena nandrisika azy hampitombo ny fanompoany. Iza no mahalala raha mety ho lasa mpanompo manontolo andro ny tanora iray, satria nampirisihinao hanao izany?

‘Manaova teny mampahery ny kivy’

10. Inona no tsapan’i Epafrodito, ary nahoana?

10 Nirahin’ny Filipianina i Epafrodito hitsidika ny apostoly Paoly tany am-ponja. Nanao dia ela be sy nandreraka izy, avy tany Filipy hatrany Roma. Nitondra fanomezana ho an’ilay apostoly izy, sady nikasa hijanonjanona tany mba hanampy azy amin’ilay fahoriana nahazo azy. “Narary saika maty” anefa i Epafrodito tany Roma. Kivy be izy satria nihevitra hoe tsy nahavita ny iraka nampanaovina azy.—Fil. 2:25-27.

11. a) Nahoana ianao no tsy tokony ho gaga raha misy Kristianina ketraka? b) Inona no nasain’i Paoly natao tamin’i Epafrodito?

11 Maro no kivy be ankehitriny noho ny olana isan-karazany. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa olona 1 ao anatin’ny 5 no mety handalo fahakiviana eo amin’ny fiainany. Mety ho ketraka koa ny vahoakan’i Jehovah satria tsy salama, na sahirana ara-pivelomana, na tsy mahomby amin’izay ataony. Inona no nasain’i Paoly nataon’ny Filipianina mba hanampiana an’i Epafrodito? Hoy izy: “Raiso tsara toy ny efa fanao ao amin’ny Tompo izy, eny, amim-pifaliana lehibe, ary hajao hatrany ny olona tahaka azy, satria ny asan’ny Tompo no saika nahafaty azy, ka nanaovany vivery ny ainy, mba hanonitra ny tsy maha eto anareo mba hikarakara ahy.”—Fil. 2:29, 30.

12. Inona no mety hampahery ny ketraka?

12 Tokony hampaherezintsika koa ny Kristianina kivy na ireo ketraka lava. Jereo izay zavatra tsara vitany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary derao izy. Angamba izy nanao fiovana be taloha, mba hahatongavana ho Kristianina, na mba hanompoana manontolo andro. Azonao lazaina aminy fa mankasitraka ny ezaka nataony ianao, ary tsy ianao irery fa i Jehovah koa. Misy koa tsy mahavita manompo be intsony, satria efa be taona na marary. Mbola mendrika ny hohajaintsika anefa izy, noho ireo taona maro laniny tamin’ny fanompoana. Na inona na inona mahakivy ny namantsika, dia mampirisika antsika rehetra i Jehovah mba “hanao teny mampahery ny kivy, hanohana ny malemy, ary hahari-po amin’ny olona rehetra.”—1 Tes. 5:14.

‘Avelao ny helony ary ampionòny izy’

13, 14. a) Inona no famaizana tsy maintsy natao tamin’ilay lehilahy teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, ary nahoana? b) Inona no vokany?

13 Nisy lehilahy nijangajanga teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, tamin’ny taonjato voalohany. Fady ny zavatra nataony, na ho an’ny olona eto amin’ity tontolo ity aza. Tsy hadio intsony ny fiangonana raha mbola mitohy izany. Tsy nety nibebaka ilay lehilahy, ka nasain’i Paoly noroahina.—1 Kor. 5:1, 7, 11-13.

14 Nisy vokany tsara izany famaizana izany. Tsy nanahaka ny zava-dratsy nataony ny fiangonana. Tonga saina koa izy ka nibebaka tatỳ aoriana. Hita fa tena niova ilay lehilahy, ka nilaza i Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa fa tokony horaisina indray izy. Tsy izay ihany anefa. Nampirisika ny fiangonana koa i Paoly mba ‘hamela ny helony amin-katsaram-panahy, ka hampionona azy sao ho difotry ny alahelo be loatra izy.’—Vakio ny 2 Korintianina 2:5-8.

15. Ahoana no tokony hitondrantsika ny mpanota nibebaka ka voaray indray?

15 Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? Mampalahelo rehefa misy olona voaroaka. Mety ho nanala baraka ny anaran’Andriamanitra sy ny fiangonana izy. Mety ho nanota tamintsika mihitsy aza izy. Ahoana anefa raha nibebaka izy? Mety ho hitan’ny anti-panahy amin’izay fa azo raisina indray izy, rehefa nojeren’izy ireo ny tari-dalan’ny Baiboly. Midika izany fa efa namela azy i Jehovah. (Mat. 18:17-20) Tsy mba tokony hanahaka an’i Jehovah ve isika? Mikomy aminy isika, raha tsy mangoraka na tsy mamela an’ilay olona. Raha tena nibebaka àry ny mpiray finoana aminao ka voaray indray, nahoana raha miezaka ‘manaporofo ny fitiavanao’ azy? Hahafaly an’i Jehovah izany, ary hampilamina sy hampiray saina ny fiangonana.—Mat. 6:14, 15; Lioka 15:7.

‘Mahasoa ahy izy’

16. Nahoana i Paoly no diso fanantenana tamin’i Marka?

16 Misy tantara hafa koa manaporofo fa tsy tokony hitana lolompo amin’izay nandiso fanantenana antsika isika. Sosotra be tamin’i Jaona Marka, ohatra, i Paoly. Nahoana? Niaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy izy, nandritra ny dia misionera voalohany nataon’izy roa lahy, mba hanampy azy ireo. Nody anefa izy nony afaka elaela ary tsy fantatra ny antony. Tezitra be i Paoly, ka tsy te hitondra azy intsony tamin’ny dia misionera faharoa nataony. Lasa nifanditra àry i Paoly sy Barnabasy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:1-5, 13; 15:37, 38.

17, 18. Nahoana no voalamina ilay disadisa teo amin’i Paoly sy Marka, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

17 Tsy kivy anefa i Marka na dia tsy nentin’i Paoly aza. Mbola nanohy ny asa misionera niaraka tamin’i Barnabasy tany an-tany hafa izy. (Asa. 15:39) Tena hita fa tsy nivadika sy mendri-pitokisana izy, rehefa jerena ny tenin’i Paoly momba azy, tatỳ aoriana. Efa nigadra tany Roma i Paoly tamin’io, ary nampiantso an’i Timoty. Hoy izy: “Ento miaraka aminao i Marka fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.” (2 Tim. 4:11) Hitan’i Paoly àry fa nihamatotra i Marka.

18 Misy lesona azo raisina avy amin’io tantara io. Lasa nanana toetra tsara ilaina amin’ny asa misionera i Marka. Tsy tafintohina izy, na dia tsy nety niaraka taminy aza i Paoly. Samy matotra ara-panahy izy mirahalahy, ka samy tsy nitana lolompo. Niaiky kosa aza i Paoly, tatỳ aoriana, fa tena nahasoa azy teo amin’ny fanompoana i Marka. Nisy olana àry ve teo aminao sy ny mpiray finoana aminao, ary efa nilamina ilay izy? Hadinoy hatreo ny momba an’iny, fa miezaha hanampy ny hafa handroso ara-panahy. Hampahery ny fiangonana ianao, raha mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiray finoana.

Ampio ny mpiray finoana

19. Inona no azontsika rehetra atao mba hifanampiana?

19 Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. Mila ny fanampian’ny mpiray finoana aminao àry ianao, ary mila anao koa izy ireo. (2 Tim. 3:1) Very hevitra ny Kristianina sasany rehefa sendra zava-tsarotra. I Jehovah anefa mahalala ny vahaolana tsara indrindra amin’ilay izy. Mety ho olona eo anivon’ny fiangonana no ampiasainy, ka anisan’izany ianao. (Isaia 30:20, 21; 32:1, 2) Araho foana àry ilay fampirisihan’ny apostoly Paoly hoe: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany, toy izao efa ataonareo izao.”—1 Tes. 5:11.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no mila mampahery ny hafa eo anivon’ny fiangonana?

• Inona no olana hitanao hoe manjo ny Kristianina hafa, ka azonao anampiana azy?

• Nahoana isika no mila ny fanampian’ny mpiray finoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

Ampio ny Kristianina manana olana

[Sary, pejy 12]

Mety hahavita zavatra tsara eo anivon’ny fandaminana ny tanora kristianina maro