Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Miala Amin’ny Fiangonana dia ho Voaro Ianao

Aza Miala Amin’ny Fiangonana dia ho Voaro Ianao

Aza Miala Amin’ny Fiangonana dia ho Voaro Ianao

“Hankalaza anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho.”—SAL. 35:18.

1-3. a) Inona no mety hahatonga ny Kristianina sasany hiala amin’ny fiangonana? b) Aiza ihany ny vahoakan’Andriamanitra no voaro?

NANAO vakansy i Joe sy ny vadiny, ary nilomano tany amin’ny toerana be haran-dranomasina. Feno trondro miloko isan-karazany nanodidina azy ireo. Ao ny kely, ao ny lehibe. Mbola nitohy teny ambanimbany ilay haran-dranomasina, ka nankeny ry zareo. Lasa lalina be tampoka anefa ny rano, ka niteny ny vadin’i Joe hoe: “Sao dia lasa lavitra loatra isika?” Hoy anefa i Joe: “Aza taitra ianao e! Tsisy atahorana izany eo!” Lasa saina izy avy eo hoe: ‘Ary toa tsy misy trondro intsony eto?’ Hay nisy antsantsa tao ambany tao! Natahotra be i Joe. Iny ilay izy fa nanitsy teny aminy! Tsy afa-niala intsony izy. Rehefa tonga teo akaikiny anefa ilay antsantsa, dia nivily ary lasa.

2 Maro ny zavatra manintona eto amin’ity tontolo ity, toy ny fialam-boly sy asa ary harena. Mety ho variana amin’ireny ny Kristianina, ka tsy tsapany akory fa toy ny hoe efa mankany amin’ny rano lalina sy mampidi-doza izy. Hoy i Joe, izay anti-panahy: “Lasa nieritreritra momba ny olona tokony hifaneraserantsika aho, taorian’iny zava-nitranga iny. Aza misaraka amin’ny fiangonana, fa io no rano tsy mampidi-doza sy mahafinaritra!” Aza variana amin’ity tontolo ity àry, satria mety hiala amin’ny fiangonana ianao, ka hidiran-doza. Raha sendra tafasaraka amin’izy io ianao, dia miverena haingana. Raha tsy izany, dia mety ho simba ny fifandraisanao amin’i Jehovah.

3 Mampidi-doza ity tontolo ity ho an’ny Kristianina. (2 Tim. 3:1-5) Fantatr’i Satana fa kely sisa ny androny, ka arapany izay tsy mailo. (1 Pet. 5:8; Apok. 12:12, 17) Soa ihany fa omen’i Jehovah antsika ny fiangonana, mba hiarovana ny fifandraisantsika aminy.

4, 5. Nahoana no tsy te hieritreritra momba ny hoavy ny olona maro?

4 Tsy tena mahavita miaro antsika ity tontolo ity. Maro, ohatra, ny olona manahy satria manjaka ny heloka bevava sy ny herisetra, lafo ny fiainana, ary simba ny tontolo iainana. Miteraka olana koa ny fahanterana sy ny aretina. Ary na salama sy manana asa, trano, ary vola ampy aza ny olona iray, dia mbola manahy ihany raha haharitra izany na tsia.

5 Maro koa no mahatsapa ho tsy ampy fitiavana. Mampalahelo, ohatra, fa be dia be no manantena hoe ho sambatra rehefa manambady sy manana ankohonana, kanjo tsy izay no mitranga. Very hevitra ny mpivavaka maro. Misalasala izy ireo raha tokony hanaraka ny tari-dalan’ny fivavahany na tsia, indrindra rehefa hitany hoe ratsy fitondran-tena ny mpitondra fivavahana, sady mampianatra zavatra tsy ao amin’ny Baiboly. Ny mpahay siansa sy ny olona tsara sitrapo sisa no antenainy hitondra fiovana. Tsy mahagaga raha tsy milamin-tsaina mihitsy ny olona, na aleony tsy mieritreritra loatra momba ny hoavy.

6, 7. a) Nahoana no samy hafa ny olona manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy? b) Inona no hodinihintsika izao?

6 Tena samy hafa tokoa ny olona manompo an’i Jehovah sy ny tsy manompo azy! Tsy kivy be toy ny olon-kafa isika vahoakan’i Jehovah, na dia mitovy amin’ny azy ireo aza ny olana atrehintsika. (Vakio ny Isaia 65:13, 14; Malakia 3:18.) Hitantsika ao amin’ny Baiboly mantsy ny antony mahatonga ny fijaliana. Mahazo torohevitra tsara koa isika mba hiatrehana olana, ka tsy dia manahy momba ny hoavy. Tsy voafitaky ny hevitra tsy araka ny Soratra Masina koa isika, ary tsy voataona hanao ratsy. Tsy iharan’ny vokatr’izany àry isika, ka milamin-tsaina. Tsy mba toy izany ny olon-kafa.—Isaia 48:17, 18; Fil. 4:6, 7.

7 Andeha isika hijery zava-nitranga vitsivitsy manaporofo hoe ireo manompo an’i Jehovah ihany no tena voaro. Handrisika antsika handinika ny fomba fisainantsika sy ny fahazarantsika izany. Ho hitantsika koa raha tokony hanaraka kokoa ny torohevitr’Andriamanitra isika. Natao hiarovana antsika mantsy izy ireny.—Isaia 30:21.

‘Saika nivily lalana aho’

8. Miezaka manao inona foana ny mpanompon’i Jehovah?

8 Efa hatry ny ela ireo olona mifidy ny hanompo sy hankatò an’i Jehovah no miezaka tsy hiaraka be amin’ny olona tsy manompo azy. Efa nilaza i Jehovah fa hifandrafy ny mpivavaka aminy sy ny mpanara-dia an’i Satana. (Gen. 3:15) Tsy mitovy amin’ny olon-kafa ny Kristianina, satria mankatò hatrany ny toro lalan’i Jehovah. (Jaona 17:15, 16; 1 Jaona 2:15-17) Tsy mora foana anefa izany. Misy mihitsy aza misalasala indraindray raha zava-dehibe ny hoe mahafoy tena ho an’i Jehovah.

9. Inona no nampiady saina ny mpanoratra ny Salamo faha-73?

9 Nisalasala, ohatra, ny mpanoratra ny Salamo faha-73 raha nety na tsia ny safidiny hanompo an’i Jehovah. Zanak’i Asafa angamba io nanoratra io. Niady saina izy hoe nahoana ny ratsy fanahy no toa mahomby sy manan-karena ary sambatra, fa izay miezaka manompo an’Andriamanitra kosa mijaly.—Vakio ny Salamo 73:1-13.

10. Nahoana ianao no mila misaintsaina raha ny manompo an’i Jehovah tokoa no tsara indrindra?

10 Efa nieritreritra toa an’io mpanao salamo io ve ianao? Tsy tokony hanamelo-tena ianao raha izany, na hihevitra hoe lasa malemy finoana. Maro ny mpanompon’i Jehovah efa very hevitra toa anao, anisan’izany ireo nanoratra Baiboly. (Joba 21:7-13; Sal. 37:1; Jer. 12:1; Hab. 1:1-4, 13) Ny olona tia manompo an’i Jehovah indrindra aza no tsy maintsy misaintsaina hoe: ‘Ny manompo sy mankatò azy tokoa ve no tsara indrindra?’ Mazava ho azy fa eny no valin’io, saingy tena mila mino izany isika. Mifandray amin’io fanontaniana io mantsy ilay adihevitra napoitran’i Satana tany Edena, dia ny momba ny zon’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao. (Gen. 3:4, 5) Mila misaintsaina toa an’ilay mpanao salamo isika rehetra hoe: ‘Tokony hitsiriritra ny mpanao ratsy ve aho, satria toa mandeha tsara ny fiainany? Tokony “hivily lalana” ve aho ka tsy hanompo an’i Jehovah intsony, fa hanahaka azy ireny?’ Izany mantsy no tadiavin’i Satana hataontsika.

11, 12. a) Inona no nanampy an’ilay mpanao salamo tsy hisalasala intsony, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? b) Inona no nanampy anao hahita fa ny manompo an’i Jehovah no tsara indrindra?

11 Inona no nanampy an’ilay mpanao salamo tsy hisalasala intsony? Marina fa niaiky izy hoe saika niala tamin’i Jehovah. Niova hevitra anefa izy rehefa niditra tao amin’ny “toerana masin’Andriamanitra”, izany hoe nifanerasera tamin’ny olona matotra tao amin’ny tranolay masina na ny tempoly. Nisaintsaina ny fikasan’Andriamanitra koa izy tao. Takany àry fa ho ratsy fiafara ny ratsy fanahy, ka tsy te hitovy amin’izy ireo izy. Hitany fa toy ny hoe eo amin’ny “toerana malama” izy ireo, satria ratsy ny fomba fiainany sy ny safidiny. Takany koa fa ho fatin’ny “loza tampoka” izay mivadika amin’i Jehovah, fa hampiany kosa ireo manompo azy. (Vakio ny Salamo 73:16-19, 27, 28.) Azo inoana fa efa nahita porofo ianao hoe marina izany. Aleon’ny olona maro manao izay tiany fotsiny fa tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra. Tsy maintsy hizaka ny vokany anefa izy.—Gal. 6:7-9.

12 Inona koa no ianarantsika avy amin’io mpanao salamo io? Lasa nilamin-tsaina sy nahazo fahendrena izy, rehefa niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny toerana masina. Afaka nandinika tsara an’ilay zavatra nanahiran-tsaina azy izy tao. Mahita olona matotra afaka manoro hevitra antsika koa isika any am-pivoriana, sady mahazo sakafo ara-panahy mahasoa. Tsy mahagaga àry raha asain’i Jehovah mivory ny mpanompony, satria hampahery sy handrisika azy ireo hanao ny tsara izany.—Isaia 32:1, 2; Heb. 10:24, 25.

Fidio tsara ny namanao

13-15. a) Inona no nanjo an’i Dina, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? b) Nahoana no ho voaro ianao raha minamana amin’ny mpiray finoana?

13 Ninamana tamin’ny olona tsy nanompo an’i Jehovah i Dina zanak’i Jakoba, ka nahita faisana. Tantarain’ny Genesisy fa zatra nifanerasera tamin’ny zazavavy kananita iray tanàna tamin-dry zareo izy. Tsy toy ny mpanompon’i Jehovah ny Kananita, satria tsy nanana fitsipika tsara nifehy azy. Hitan’ny mpikaroka mantsy, tatỳ aoriana, fa nanompo sampy, ratsy fitondran-tena, nahery setra izy ireo, ary nanao zavatra vetaveta rehefa nivavaka. (Eks. 23:23; Lev. 18:2-25; Deot. 18:9-12) Inona no vokany rehefa ninamana tamin’izy ireo i Dina?

14 Nahita an’i Dina i Sekema, zazalahy kananita “mendri-kaja indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy manontolo”, ary “naka azy ka nametaveta azy.” (Gen. 34:1, 2, 19) Tena loza ilay izy! Azo inoana fa tsy nampoizin’i Dina mihitsy izany. Nihevitra angamba izy fa tsy haninona azy ny tanora kananita, ka mba te hinamana tamin’izy ireo izy. Diso hevitra tanteraka anefa i Dina.

15 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy hizaka ny voka-dratsiny foana izay minamana amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah. Hoy ny Soratra Masina: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Kor. 15:33) Ho voaro sy ho hendry kosa ianao raha minamana amin’ny mpiray finoana aminao, izay tia an’i Jehovah toa anao sady manaraka ny fitsipiky ny Baiboly.—Ohab. 13:20.

“Efa voasasa madio tsara ianareo”

16. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly momba ny Kristianina sasany tao Korinto?

16 Nanampy olona maro hiala tamin’ny fanao ratsy ny fiangonana kristianina. Niova, ohatra, ny Korintianina sasany mba hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra. Niresaka izany ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho azy ireo. Mpijangajanga izy ireo taloha, na mpanompo sampy, mpanitsakitsa-bady, lehilahy niray tamin’ny lehilahy, mpangalatra, na mpimamo. Nilaza anefa i Paoly fa “efa voasasa madio tsara” izy ireo.—Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11.

17. Inona no nanatsara ny fiainan’ny olona maro?

17 Tsy mba manana fitsipika tsara hitari-dalana azy ny olona tsy manam-pinoana. Manao izay tiany fotsiny izy ireo, na manaraka befahatany izay ataon’ny olona ratsy fitondran-tena, toy ny Korintianina fahiny ihany. (Efes. 4:14) Mihatsara anefa ny fiainan’ny olona, rehefa mahalala tsara ny fikasan’Andriamanitra sy ny Teniny izy, ary manaraka ny tari-dalany. (Kol. 3:5-10; Heb. 4:12) Olona maro no nanao izay saim-pantany, talohan’ny nianarany sy nampiharany ny fitsipik’i Jehovah. Tsy sambatra anefa izy tamin’izany. Rehefa nifanerasera tamin’ny vahoakan’Andriamanitra sy nankatò ny fitsipiky ny Baiboly izy, vao niadan-tsaina.

18. Inona no niainan’ny tanora iray, ary manaporofo inona izany?

18 Nisy kosa nifidy ny hiala tamin’ny fiangonana, na dia toy ny “rano tsy mampidi-doza” aza izy io. Manenina mafy izy ireo izao. Nitantara, ohatra, ny anabavy iray fa ‘efa nifanerasera tamin’ny fiangonana izy hatramin’ny mbola kely.’ Tsy nivory intsony anefa izy, tamin’izy 16 taona, satria “variana tamin’ny rendrarendran’ity tontolo ity.” Bevohoka tsy nanambady àry izy, ka nanala zaza. Santionany fotsiny tamin’izay nanjo azy izany. Hoy izy tatỳ aoriana: “Telo taona aho no tsy niaraka tamin’ny fiangonana. Nanenina be aho, ary fantatro fa tsy ho afaka mihitsy izany. Ny tena tsy maty ato an-tsaiko anefa dia ilay izaho namono ny zanako. ... Angamba misy aminareo tanora te hanandrana kely hoe hoatran’ny ahoana izany any amin’izao tontolo izao izany. Izao no teniko aminareo: ‘Aza mitady loza!’ Hoatran’ny mahafinaritra ilay izy amin’ny voalohany, nefa mahatsiravina ny vokany. Fijaliana! Izay ihany no hitanao any amin’ity tontolo ity. Efa niainako izany. Aza miala amin’ny fandaminan’i Jehovah, fa ao ihany no mahasambatra!”

19, 20. Miaro antsika amin’inona ny fiangonana? Inona no tokony hataontsika mba ho voaro?

19 Tena voaro àry isika eo anivon’ny fiangonana. Eritrereto izay hanjo anao raha miala amin’izy io ianao. Maro no tsy te hiherika an’izany, satria efa nahita fa tsy nisy dikany ny fiainany talohan’ny nahalalany ny fahamarinana. (Jaona 6:68, 69) Ho voaro amin’ny loza sy ny fahoriana fahita eto amin’ity tontolon’i Satana ity ianao, raha mifanerasera foana amin’ny mpiray finoana. Miaraha àry amin’izy ireo, ary mivoria tsy tapaka. Ho tadidinao foana amin’izay fa tena tsara ny fitsipik’i Jehovah, ary hazoto hampihatra azy ireny ianao. Maro tokoa ny antony tokony ‘hankalazanao’ an’i Jehovah “eo anivon’ny fiangonana lehibe”, toy ny nataon’ilay mpanao salamo.—Sal. 35:18.

20 Marina fa sarotra amin’ny Kristianina indraindray ny tsy mivadika, ary tsy voatery hitovy ny antony. Angamba mila olona hanoro azy an’izay tokony hataony fotsiny izy. Afaka manampy azy ve ianao na ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no azonao atao mba ‘hampiononana sy hampaherezana hatrany’ ny mpiray finoana aminao.—1 Tes. 5:11.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no ianarantsika avy amin’ilay mpanoratra ny Salamo faha-73?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Dina?

• Nahoana ianao no voaro eo anivon’ny fiangonana kristianina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 7]

Miaraha foana amin’ny fiangonana fa io ihany no “rano tsy mampidi-doza”!