Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mora Tezitra fa ‘Reseo Foana ny Ratsy’

Aza Mora Tezitra fa ‘Reseo Foana ny Ratsy’

Aza Mora Tezitra fa ‘Reseo Foana ny Ratsy’

“Aza mamaly faty, ry malala, ... fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.”​—ROM. 12:19, 21.

1, 2. Inona no ohatra tsara nasehon’ireo Vavolombelona nandeha fiaramanidina?

HAMONJY fitokanana biraon’ny sampana iray ny Vavolombelon’i Jehovah 34. Nisy simba anefa ny fiaramanidina nandehanan’izy ireo, ka voatery namboarina rehefa nijanona naka solika. Tokony ho adiny iray izany, nefa naharitra efa ho roa andro. Tsy ampy ny sakafo sy ny rano ary tsy nisy toerana fidiovana, sady mitokana be ilay seranana. Mpandeha maro àry no tezitra ka nila ady tamin’ny mpiasan’ny seranana. Ireo Vavolombelona kosa tony foana.

2 Efa ho vita ilay fitokanana vao tonga izy ireo. Vizana ry zareo nefa nijanona taorian’ilay fandaharana, mba hifampahery tamin’ireo rahalahy. Fantany tatỳ aoriana hoe nisy nahamarika fa nanam-paharetana sy tony izy ireo, tao amin’ilay seranana. Hoy mantsy ny mpandeha iray tamin’ilay kompaniam-pitaterana: “Soa ihany fa nahita ny fihetsik’ireo Kristianina 34 ny olona, fa raha tsy izany dia efa nisy rotaka.”

Nahoana ny olona no mora tezitra?

3, 4. a) Inona avy no vokatry ny hatezerana, ary oviana no nisy herisetra voalohany? b) Azon’i Kaina natao ve ny nifehy ny hatezerany? Hazavao.

3 Mafy ny fiainana eto amin’ity tontolo ratsy ity, ka lasa mora tezitra ny olona. (Mpito. 7:7) Matetika no masiaka sy mahery setra izy ireo rehefa tezitra. Lasa miady ireo firenena. Mikorontana sy miady lava koa ny fianakaviana maro. Tsy vao izao no nisy olona tezitra sy nahery setra. Nialona an’i Abela rahalahiny i Kaina, lahimatoan’i Adama sy Eva, ka tezitra taminy. Efa nananatra azy i Jehovah, sady nampanantena fa hotahiny izy raha mifehy ny hatezerany. Namono ny zandriny ihany anefa izy.—Vakio ny Genesisy 4:6-8.

4 Tsy lavorary i Kaina, nefa afaka nifidy ny hifehy ny hatezerany. Tompon’andraikitra tamin’ny herisetra nataony àry izy. Tsy lavorary koa isika, ka sarotra amintsika ny mifehy ny hatezerana. Manampy trotraka izany ireo olana maro amin’izao “fotoan-tsarotra” izao. (2 Tim. 3:1) Lasa mora sosotra, ohatra, isika rehefa sahirana ara-bola. Milaza ny polisy sy ny fikambanana miaro ny fianakaviana fa noho ny olana ara-toe-karena, dia lasa betsaka ny olona misafoaka sy mahery setra, na ao an-trano izany na any an-toeran-kafa.

5, 6. Inona no fomba fihevitr’ity tontolo ity, izay mety hifindra amintsika?

5 “Tia tena” sy “masiaka be” ary ‘manambony tena’ ny ankamaroan’ny olona manodidina antsika. Mety hifindra amintsika ny toetra ratsy toy ireny, ka ho lasa mora tezitra isika. (2 Tim. 3:2-5) Asehon’ny filma sy ny fandaharana ao amin’ny tele fa mety ny mamaly faty, ary azo atao ny mampiasa hery mba handaminana olana. Matetika ny mpijery no manantena fa tsy maintsy maty ilay ratsy fanahy ao amin’ny filma. Mamaly faty mantsy ilay olona mahery fo, ka mamono azy amin-kabibiana.

6 Tsy ny fihevitr’Andriamanitra no asongadin’ireny filma sy fandaharana ireny, fa ny “fanahin’izao tontolo izao” sy ny toe-tsain’i Satana, ilay mpitondra an’ity tontolo ity, izay tezitra mafy. (1 Kor. 2:12; Efes. 2:2; Apok. 12:12) Mahatonga ny olona hanaram-po amin’ny filan’ny nofo mpanota izany toe-tsaina izany, ary tena mifanohitra amin’ny fanahy masin’Andriamanitra sy ny vokatr’izy io. Nampianatra tokoa i Kristy hoe tsy tokony hamaly faty isika rehefa misy mila ady. (Vakio ny Matio 5:39, 44, 45.) Ahoana àry no hampiharantsika an’io torohevitr’i Jesosy io.

Ohatra tsara sy ratsy

7. Inona no nataon’i Simeona sy Levy rehefa tsy nahafehy ny hatezerany?

7 Imbetsaka ny Baiboly no manoro hevitra antsika mba hifehy ny hatezerana. Misy ohatra maro koa ao, ahitana hoe inona no vokany rehefa voafehy na tsy voafehy ny hatezerana. Diniho izay nataon’i Simeona sy Levy, zanak’i Jakoba. “Nalahelo sady tezitra be” izy ireo, satria nanolana an’i Dina anabaviny i Sekema. (Gen. 34:7) Namaly faty àry izy roa lahy. Nanafika sy nandroba ny tanànan’i Sekema koa ny zanak’i Jakoba hafa, ary nentiny ho babo ny vehivavy sy ny ankizy. Tsy noho i Dina ihany no nanaovany izany, fa satria voadona ny hambom-pony ary nahatsiaro ho afa-baraka izy ireo. Nihevitra izy ireo fa nanao tsinontsinona azy sy i Jakoba rainy i Sekema. Ahoana anefa no fahitan’i Jakoba an’izany?

8. Inona no vokatry ny famaliana faty, raha jerena ny tantaran’i Simeona sy Levy?

8 Marina fa tena nalahelo i Jakoba tamin’izay nitranga tamin’i Dina. Nanameloka ny nataon’ny zanany anefa izy. Mbola nanamarin-tena ihany i Simeona sy Levy hoe: “Ny anabavinay ve dia avelanay hataon’ny olona toy ny mpivaro-tena?” (Gen. 34:31) Tsy navelan’i Jehovah tamin’izao anefa ilay raharaha. Nilaza mantsy i Jakoba, taona maro tatỳ aoriana, fa hiparitaka any amin’ny fokon’ny Israely ny taranak’i Simeona sy Levy. Izany no vokatry ny hatezerany sy ny herisetra nataony. (Vakio ny Genesisy 49:5-7.) Tsy nankasitrahan’Andriamanitra sy ny rainy izy ireo, satria tsy nahafehy ny hatezerany.

9. Oviana i Davida no saika tsy nahafehy ny hatezerany?

9 Tsy mba toy izany i Davida Mpanjaka. Imbetsaka izy no afaka namaly faty saingy tsy nanao izany. (1 Sam. 24:3-7) Saika tsy nahafehy ny hatezerany kosa izy indray mandeha. Niaro ny ondrin’i Nabala, lehilahy nanan-karena, izy sy ny namany. Namingavinga an’ireo naman’i Davida anefa i Nabala. Tezitra i Davida ka niomana hamaly faty, ary hanafika azy sy ny ankohonany. Nisy tovolahy iray nitantara tamin’i Abigaila vadin’i Nabala momba izay nitranga, ary nampirisika azy hanao zavatra. Hendry i Abigaila ka lasa haingana nitsena an-dry Davida, sady nitondra fanomezana be dia be. Nanetry tena izy ka niala tsiny noho ny toetra ratsin’ny vadiny. Niangaviany koa i Davida mba tsy hamaly faty satria olona matahotra an’i Jehovah. Tonga saina i Davida ary nilaza hoe: “Hotahina anie ianao, izay nisakana ahy androany tsy ho meloka ho nandatsa-dra.”—1 Sam. 25:2-35.

Inona no tokony hatao rehefa misy olana?

10. Inona no tokony hataon’ny Kristianina rehefa misy manao ratsy aminy?

10 Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Simeona sy Levy, ary Davida sy Abigaila? Tsy ankasitrahan’i Jehovah ny olona tsy mahafehy hatezerana sy mahery setra, fa tahiny kosa ireo miezaka hitandro fihavanana. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ Fa ‘raha noana ny fahavalonao dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, omeo zavatra hosotroiny, satria ny fanaovanao izany dia hanalefaka ny hamafin’ny fony, toy ny hoe mampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao.’ Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.”—Rom. 12:18-21. *

11. Ahoana no nianaran’ny anabavy iray nifehy ny hatezerany?

11 Azontsika ampiharina io torohevitra io. Intỳ misy ohatra: Tezitra tamin’ny lehibeny ny anabavy iray ka nitaraina tamin’ny anti-panahy. Miangatra sy ratsy fanahy aminy, hono, io vehivavy io, ka te hiala amin’ny asany izy. Nanoro hevitra azy ilay anti-panahy mba tsy hanao zavatra maimaika. Hitany mantsy fa vao mainka manasaro-javatra ny hatezerana. (Tit. 3:1-3) Nilaza koa ilay anti-panahy fa na hiova asa aza izy, dia mila mifehy ny hatezerany foana rehefa misy manao ratsy aminy. Nampirisika azy ilay anti-panahy hoe izay tiany hatao aminy no tokony hataony amin’ilay lehibeny, araka ny nampianarin’i Jesosy. (Vakio ny Lioka 6:31.) Niezaka nanao izany àry ilay anabavy. Inona no vokany? Niova ny fihetsik’ilay lehibeny, ary nisaotra an’ilay anabavy mihitsy aza izy tamin’ny asany.

12. Nahoana no mafy amintsika rehefa ny mpiray finoana no manao zavatra tsy mety?

12 Mety tsy hampaninona antsika loatra raha olona tsy Vavolombelona no manao ratsy antsika. Efa ampoizintsika mantsy fa feno tsy rariny eto amin’ity tontolon’i Satana ity, ka mila miezaka isika mba tsy ho mora tezitra amin’izay manisy ratsy antsika. (Sal. 37:1-11; Mpito. 8:12, 13; 12:13, 14) Mafy amintsika anefa rehefa mpiray finoana no manao izany. Hoy ny anabavy iray: “Ny sarotra indrindra tamiko, tamin’izaho vao nanaiky ny fahamarinana, dia ny niaiky hoe tsy lavorary ny vahoakan’i Jehovah.” Tsy manam-pitiavana sy tsy miraharaha ny hafa ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka manantena isika hoe tokony mba ho tsara fanahy ny Kristianina rehetra eo anivon’ny fiangonana. Mety halahelo mafy na ho tezitra àry isika, raha mpiray finoana, indrindra fa ireo manana andraikitra, no manao teny na fihetsika tsy voahevitra na zavatra tsy tokony hataon’ny Kristianina. Hoy angamba isika: ‘Mpanompon’i Jehovah ve dia manao an’izao!’ Nisy an’izany anefa na dia teo anivon’ireo Kristianina voahosotra tamin’ny andron’ny apostoly aza. (Gal. 2:11-14; 5:15; Jak. 3:14, 15) Ahoana àry no tokony hatao raha iharan’izany isika?

13. Inona no tokony hataontsika rehefa misy tsy fifanarahana, ary nahoana?

13 Hoy ihany ilay anabavy tetsy ambony: “Niezaka aho nivavaka ho an’izay nanao zavatra nampalahelo ahy, ka tsara foana ny vokany.” Efa hitantsika fa nampianatra antsika i Jesosy mba hivavaka ho an’izay manenjika antsika. (Mat. 5:44) Tsy vao mainka ve isika tokony hivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy? Toy ny ray maniry ny zanany hifankatia i Jehovah, ka tiany hifandray tsara ny mpanompony eto an-tany. Mbola hiara-miaina mandrakizay isika ka hihavana tsara sy ho sambatra, ary mampianatra antsika hanao izany dieny izao i Jehovah. Tiany hiara-miasa tsara isika eo amin’ny fanompoana azy. Aoka àry isika hifandamina rehefa misy olana. Azo atao koa ny manadino an’ilay izy fotsiny, ka mifandray tsara foana. (Vakio ny Ohabolana 19:11.) Tsy tokony hihataka amin’ireo rahalahy isika rehefa misy tsy fifanarahana, fa hifanampy kosa mba ho tafaray foana amin’ny vahoakan’i Jehovah sy ho voaron’ny ‘sandriny mandrakizay.’—Deot. 33:27, Fandikan-teny Protestanta.

Aoka isika halemy fanahy amin’ny rehetra

14. Inona no tokony hataontsika satria mitady hampisaratsaraka antsika i Satana?

14 Miezaka mafy mampisaratsaraka antsika i Satana sy ny demoniany, mba tsy hahavitantsika hitory ny vaovao tsara. Fantany mantsy fa ho ratsy ny vokany raha avy eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana ihany no ipoiran’ny olana. (Mat. 12:25) Mila manaraka an’ity torohevitr’i Paoly ity àry isika: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.” (2 Tim. 2:24) Tadidio fa tsy amin’ny “nofo aman-dra” isika no tokony hiady fa “amin’ireo fanahy ratsy.” Tsy handresy isika raha tsy mitafy an’ireo fiadiana ara-panahy, anisan’izany ny “fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana.” Zava-dehibe mantsy io “fihavanana” io.—Efes. 6:12-18.

15. Ahoana no tokony ho fihetsitsika raha misy manenjika antsika?

15 Mety ho avy any ivelan’ny fiangonana koa anefa ny olana. Mamorona teti-dratsy hanenjehana antsika ireo fahavalon’i Jehovah. Mety ho fampijaliana ara-batana izany. Misy koa manely lainga amin’ny alalan’ny fampitam-baovao na mitory antsika any amin’ny fitsarana. Nilaza i Jesosy fa tokony hanampo izany ny mpanara-dia azy. (Mat. 5:11, 12) Ahoana raha mitranga amintsika izany? Tsy tokony ‘hamaly ratsy ny ratsy’ mihitsy isika, na amin’ny teny na amin’ny atao.—Rom. 12:17; vakio ny 1 Petera 3:16.

16, 17. Inona no olana nitranga tamin’ireo rahalahy tany amin’ny nosy iray?

16 Tokony ‘handresy ny ratsy amin’ny tsara’ isika, na inona na inona ataon’ny Devoly. Mety ho fitoriana vita ho azy mantsy izany. Nanofa trano hankalazana ny Fahatsiarovana, ohatra, ny Vavolombelona any amin’ny nosy iray any Pasifika. Nandre izany ireo tompon’andraikitra tao amin’ny fivavahana iray, ka nilaza tamin’ny mpiangona fa hanao fotoam-pivavahana ao amin’ilay trano, amin’ny fotoanan’ny Fahatsiarovana. Nandidy azy ireo ny lehiben’ny polisy, mba hiala amin’ny fotoana ilan’ny Vavolombelona an’ilay trano. Rehefa tonga anefa io fotoana io, dia mbola feno mpiangona tao, ary tamin’izay mihitsy aza vao natomboka ilay fotoam-pivavahana.

17 Efa niomana handrava azy ireo ny polisy no nanatona anti-panahy iray ny filohan’ilay fiangonana. Nanontany izy hoe: “Misy fandaharana manokana hataonareo angaha androany?” Niresaka taminy momba ny Fahatsiarovana ilay rahalahy, ka hoy ilay lehilahy: “Tena tsy nahalala an’izany aho!” Hoy anefa ny polisy iray: “Efa nilazanay àry ianao tamin’ny maraina ko!” Nitodika tany amin’ilay anti-panahy ilay lehilahy, sady nihomehy naneso no niteny hoe: “Dia haninona izao ianareo? Ny trano mbola feno olona. Sa hasainareo handroaka anay ny polisy?” Nataony fanahy iniana ilay izy mba ho toy ny hoe ny Vavolombelona indray no manenjika azy ireo! Ahoana no nataon’ireo rahalahy?

18. Ahoana no nataon’ireo rahalahy rehefa nisy nila ady taminy, ary inona no vokany?

18 Nilaza ireo Vavolombelona fa afaka mampiasa an’ilay trano mandritra ny antsasak’adiny ireo mpiangona, ary aorian’izay vao hatao ny Fahatsiarovana. Tsy voahaja koa izany fotoana izany, nefa natao ihany ilay fankalazana rehefa lasa ireo mpiangona. Nampanao fanadihadiana momba ilay zava-nitranga ny fanjakana, ny ampitson’io. Rehefa avy nandinika izy ireo, dia nasainy nanao fampandrenesana ilay fivavahana hoe tsy ny Vavolombelona no nahatonga an’ilay olana, fa ilay loham-piangonana. Nisaotra an’ireo Vavolombelona koa ny manam-pahefana, satria nanam-paharetana izy ireo tamin’iny toe-javatra sarotra iny. Nisy vokany tsara àry ny ezaka nataon’ireo rahalahy mba ‘hihavanana amin’ny olona rehetra.’

19. Inona koa no manampy antsika hihavana tsara amin’ny hafa?

19 Afaka mihavana tsara amin’ny hafa koa isika rehefa manao teny mahafinaritra. Hohazavain’ny lahatsoratra manaraka ny atao hoe teny mahafinaritra. Ho hita ao koa ny fomba ianarantsika sy ampiasantsika azy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Sarin-teny ilay hoe “mampivangongo vainafo.” Fahiny dia natao tao anaty lafaoro ny vato hakana metaly, ary nasiana vainafo teo amboniny sy teo ambaniny. Hihamalefaka koa ny fon’ny olona manisy ratsy antsika, raha tsara fanahy aminy isika. Hiseho ny toetra tsarany amin’izay.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no mora tezitra ny olona ankehitriny?

• Milazà ohatra ao amin’ny Baiboly ahitana hoe inona no vokany rehefa voafehy na tsy voafehy ny hatezerana.

• Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa misy mpiray finoana manao zavatra mampalahelo antsika?

• Ahoana no tokony hataontsika rehefa misy manenjika isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Efa avy namaly faty i Simeona sy Levy vao niverina nody

[Sary, pejy 18]

Hihamalefaka ny fon’ny olona raha tsara fanahy aminy isika