Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamelombelona Antsika ny Fandaharana Ara-panahy

Mamelombelona Antsika ny Fandaharana Ara-panahy

Mamelombelona Antsika ny Fandaharana Ara-panahy

“Ento ny ziogako ... dia ho velombelona ianareo.” —MAT. 11:29.

1. Inona no fandaharana nataon’Andriamanitra nolazainy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ary nahoana izy no nanao izany?

ANISAN’NY fifaneken’ny Lalàna natao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Lalàna momba ny Sabata isan-kerinandro. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ny firenen’Israely, tamin’ny alalan’i Mosesy, mpitondra teniny: “Enina andro no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito kosa dia hitsahatra ianao, mba hiala sasatra ny ombinao sy ny ampondranao, ary mba haka aina ny zanaky ny mpanompovavinao mbamin’ny vahiny monina eo aminao.” (Eks. 23:12) Tena tia sy niahy ny vahoakany i Jehovah, ka nasiany andro iray hahafahan’izy ireo hiala sasatra sy “haka aina.”

2. Inona no soa noraisin’ny Israelita tamin’ny fitandremana ny Sabata?

2 Tsy fotoana hialana sasatra fotsiny anefa ny Sabata. Anisan’ny tapany lehibe tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy io. Afaka nampianatra ny ankohonany ny loham-pianakaviana tamin’io andro io, mba hahatonga azy ireo ‘hanaraka ny lalan’i Jehovah’ ka ‘hanao ny marina.’ (Gen. 18:19) Afaka niara-nisaintsaina ny zavatra nataon’i Jehovah koa ny fianakaviana sy ny mpinamana, sady afaka niara-nifaly. (Isaia 58:13, 14) Ary ny tena zava-dehibe, dia hoe hita amin’izy io fa hitondra tena famelombelomana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Rom. 8:21) Ahoana kosa ny amin’ny Kristianina ankehitriny, izay tia ny lalan’i Jehovah? Aiza no ahazoan’izy ireo famelombelomana, ary amin’ny fomba ahoana?

Mamelombelona ny fiarahana amin’ny Kristianina

3. Inona no nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary inona no vokatr’izany?

3 Nilaza ny apostoly Paoly fa “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” ny fiangonana kristianina. (1 Tim. 3:15) Nifampahery sy nifaneho fitiavana ny Kristianina voalohany. (Efes. 4:11, 12, 16) Nitsidika an’i Paoly sy nampahery azy, ohatra, ny olona sasany tao amin’ny fiangonan’i Korinto, tamin’izy tany Efesosy. Hoy izy tamin’izay: ‘Faly aho fa eto amiko i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko. Mamelombelona ahy izy ireo.’ (1 Kor. 16:17, 18) Nahazo famelombelomana koa i Titosy, rehefa avy nanampy ny rahalahy tao Korinto. Hoy i Paoly nanoratra ho an’io fiangonana io: “Namelombelona azy ianareo rehetra.” (2 Kor. 7:13) Toy izany koa ankehitriny. Mamelombelona ny Vavolombelon’i Jehovah ny fiarahana amin’ny Kristianina hafa.

4. Nahoana no mamelombelona antsika ny fivoriana?

4 Azo inoana fa tsapanao hoe tena mahafaly ny fivoriana. ‘Mifampahery’ isika any. Mampahery ny hafa ny finoantsika ary mampahery antsika ny finoan’izy ireo. (Rom. 1:12) Tsy olom-pantatsika fotsiny akory ireo rahalahy sy anabavy, fa tena namantsika, ary tiantsika sy hajaintsika. Tena mahita fifaliana sy mahazo fampaherezana isika, rehefa miaraka amin’izy ireo tsy tapaka any am-pivoriana.—Filem. 7.

5. Inona no azontsika atao eny amin’ny fivoriambe, mba hahafahantsika hahazo famelombelomana sy hamelombelona ny hafa?

5 Mamelombelona antsika koa ireo fivoriambe. Mahazo ny ranon’ny fahamarinana manome fiainana isika any, sady afaka ‘manalalaka ny fontsika’, ka mifankahalala amin’ny olona betsaka kokoa. (2 Kor. 6:12, 13) Ahoana anefa raha saro-kenatra isika, ka sarotra amintsika ny mifandray amin’olona? Afaka mifankahalala amin’ireo rahalahy sy anabavy isika, raha mandray anjara amin’izay asa atao eny. Nandray anjara tamin’ny fanadiovana, ohatra, ny anabavy iray, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena iray. Hoy izy: “Ny fianakaviako sy ny namako vitsivitsy ihany no fantatro tany. Rehefa nanampy tamin’ny fanadiovana anefa aho, dia lasa nifankahalala tamin’ny ranadahy sy rahavavy maro. Tena nahafinaritra ilay izy!”

6. Inona no azontsika atao rehefa vakansy, mba hahazoana famelombelomana?

6 Namonjy fety intelo isan-taona tany Jerosalema ny Israelita, mba hanompoana an’i Jehovah. (Eks. 34:23) Tsy maintsy nandao ny sahany na ny fivarotany izy ireo, ary nandeha an-tongotra nandritra ny andro maro tamin’ny lalana feno vovoka. ‘Faly be’ anefa izy ireo rehefa tonga tany amin’ny tempoly sy nahita an’ireo olona “nidera an’i Jehovah” tao. (2 Tan. 30:21) Maro amin’ny mpanompon’i Jehovah koa ankehitriny no mahita fa tena mahafaly ny mitsidika Betela miaraka amin’ny fianakaviana. Misy aza manao dia lavitra mihitsy. Afaka manao toy izany koa ve ianao sy ny fianakavianao amin’ny vakansy manaraka?

7. a) Inona no soa azo avy amin’ny fiaraha-mikorana? b) Inona no tokony hatao mba hahatonga ny fiaraha-mikorana hampahery sy hamela fahatsiarovana mahafinaritra?

7 Mampahery koa ny fiaraha-mikorana amin’ny fianakaviana sy ny namana. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.” (Mpito. 2:24) Tsy hoe mamelombelona fotsiny ny fiaraha-mikorana, fa mampitombo ny fitiavana koa satria lasa fantatsika tsara kokoa ny Kristianina hafa. Mba hahatonga azy io hampahery sy hamela fahatsiarovana mahafinaritra anefa, dia tena tsara raha vitsivitsy ny olona asaina. Tokony hatao azo antoka koa hoe ho voara-maso tsara ny rehetra, indrindra raha hisy zava-pisotro misy alkaola.

Mamelombelona ny fanompoana

8, 9. a) Inona no tsy nitovizan’i Jesosy tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo? b) Inona no soa raisintsika rehefa mitory ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?

8 Nazoto nanompo i Jesosy, ary nampirisika ny mpianany hanao toy izany koa. Hita izany rehefa nanasa ny mpianany hitory izy ka niteny hoe: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Mat. 9:37, 38) Tena namelombelona ny hafatra nampitain’i Jesosy, satria ‘vaovao tsara’ ilay izy. (Mat. 4:23; 24:14) Nifanohitra tanteraka tamin’izany ny fitsipika mavesatra noteren’ny Fariseo harahin’ny olona.—Vakio ny Matio 23:4, 23, 24.

9 Manampy ny olona hahazo famelombelomana isika, rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mandray soa koa anefa isika, satria lasa mahatakatra sy mankasitraka kokoa ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly. Mety tsara àry ny nilazan’ny mpanao salamo hoe: “Miderà an’i Jah, fa tsara ny mihira fiderana ho an’Andriamanitsika, eny, mahafinaritra izany.” (Sal. 147:1) Afaka mampitombo ny fanompoanao ve ianao, mba hiderana an’i Jehovah? Ho faly kokoa ianao amin’izay.

10. Nahoana no lazaina fa tsy miankina amin’ny fandraisan’ny olona ny hafatra torintsika no hilazana hoe mahomby isika?

10 Mandray kokoa ny vaovao tsara ny olona any amin’ny faritany sasany noho ny any amin’ny faritra hafa. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 18:1, 5-8.) Raha anisan’ilay tsy dia mandray tsara ny faritra misy anao, dia miezaha hifantoka amin’ny zavatra tsara vitanao eny amin’ny fanompoana. Tadidio fa tsy very maina ny ezaka ataonao mba hitoriana foana ny anaran’i Jehovah. (1 Kor. 15:58) Tsy miankina amin’ny fandraisan’ny olona ny vaovao tsara koa no hilazana hoe mahomby ianao. Afaka matoky isika fa tsy maintsy hataon’i Jehovah izay handrenesan’ny olona tso-po ny hafatra momba ilay Fanjakana.—Jaona 6:44.

Mamelombelona ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

11. Inona no andraikitra nomen’i Jehovah ny ray aman-dreny, ary ahoana no ahafahan’izy ireo manatontosa izany?

11 Andraikitry ny ray aman-dreny manompo an’Andriamanitra ny mampianatra ny zanany momba an’i Jehovah. (Deot. 11:18, 19) Raha manan-janaka àry ianao, moa ve ianao manokana fotoana hampianarana azy ireo momba an’ilay Raintsika be fitiavana? Betsaka ny sakafo ara-panahy mamelombelona omen’i Jehovah, mba hanampiana anao hanatontosa izany andraikitra lehibe izany sy hikarakara izay ilain’ny fianakavianao. Omeny amin’ny alalan’ny boky, gazety, CD, DVD, ary video izany.

12, 13. a) Inona no soa azo avy amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hahatonga ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana hamelombelona?

12 Misy fandaharana hafa koa nataon’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, dia ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana atao isan-kerinandro. Miara-mianatra Baiboly ny fianakaviana amin’io fotoana io. Maro no nahita fa nahatonga azy ireo hifankatia sy hifandray akaiky kokoa izy io, sady nanatsara ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jehovah. Inona anefa no azon’ny ray aman-dreny atao mba hahatonga an’io fotoana io hamelombelona?

13 Tsy tokony hahamonamonaina ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Manompo an’ilay “Andriamanitra falifaly” mantsy isika, ary tiany ho faly koa isika eo am-panompoana azy. (1 Tim. 1:11; Fil. 4:4) Nahazo fotoana fanampiny isika izao hiaraha-midinika momba ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly, ary tena tombontsoa izany. Tokony hiezaka hampifanara-javatra àry ny ray aman-dreny, ka hitady fomba isan-karazany hitarihana an’ilay fianarana. Tia bibilava, ohatra, i Brandon, ankizilahy folo taona, ka nalahelo izy hoe nahoana no antsoin’ny Baiboly hoe bibilava i Satana. Nasain’ny ray aman-dreniny namelabelatra momba izany àry izy, nandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Ataon’ny fianakaviana sasany toy ny tantara an-tsehatra kosa ny fitantarana ao amin’ny Baiboly indraindray, na mamaky Baiboly izy ireo ka samy mamaky anjaran’olona samihafa. Tsy hoe mahafinaritra fotsiny izany fomba fianarana izany, fa hahatonga ny zanakao handray anjara foana koa. Hanohina ny fony ny toro lalan’ny Baiboly amin’izay. *

Halaviro izay mety hanavesatra anao

14, 15. a) Nahoana no mitombo ny adin-tsaina sy ny fanahiana amin’izao andro farany izao? b) Inona no olana fanampiny mety hatrehintsika?

14 Mihamitombo ny adin-tsaina sy ny fanahiana amin’izao andro faran’ny tontolon’i Satana izao. Olona an-tapitrisany no tsy an’asa sy manana olana ara-bola. Na ireo manana asa aza dia mahatsapa matetika hoe tsy ampy ho an’ny fianakaviany ny vola entiny mody, ka toy ny hoe natao anaty paosy feno loaka. (Ampitahao amin’ny Hagay 1:4-6.) Toa tsy hitan’ny mpanao politika sy ny mpitondra koa izay hatao mba hanafoanana ny heloka bevava na ny zava-dratsy hafa. Maro koa no kivy noho ny fahalemeny.—Sal. 38:4.

15 Tsy voaro amin’ny olana sy ny fanerena avy amin’ny tontolon’i Satana ny tena Kristianina. (1 Jaona 5:19) Mbola miampy aza indraindray ny olana mahazo ny mpanara-dia an’i Kristy, noho izy ireo miezaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Hoy mantsy i Jesosy: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Na dia “enjehina” aza anefa isika, dia “tsy afoy.” (2 Kor. 4:9) Nahoana?

16. Inona no hanampy antsika ho faly foana?

16 Hoy i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.” (Mat. 11:28) Midika izany fa raha mino tanteraka ny soron’i Kristy isika, dia hikarakara antsika i Jehovah. Hahazo “hery fanampiny” isika amin’izay. (2 Kor. 4:7) Tena hanatanjaka ny finoantsika ny fanahy masina, izay antsoina koa hoe “mpanampy”, ka ho afaka hiaritra fitsapana sy fahoriana isika, sady ho faly foana.—Jaona 14:26; Jak. 1:2-4.

17, 18. a) Inona no tokony hotandremantsika? b) Inona no mety ho vokany raha revo mikatsaka fahafinaretana isika?

17 Mila mitandrina isika mba tsy ho lasa tia fahafinaretana tafahoatra, toa an’ity tontolo ity. (Vakio ny Efesianina 2:2-5.) Raha tsy izany mantsy, dia mety ho voafandriky ny “fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso” isika, ary mety ho voatarika ‘hampideradera fananana.’ (1 Jaona 2:16) Mety hanjary hieritreritra koa isika hoe hahazo famelombelomana na hahita fifaliana isika, raha manome fahafaham-po ny fanirian’ny nofo. (Rom. 8:6) Misy olona, ohatra, midoroka zava-mahadomelina, miboboka toaka, mijery boky sy sary vetaveta, manao fanatanjahan-tena mampidi-doza, na manao zavatra hafa tsy ara-dalàna, mba hahitana fahafinaretana. Hita amin’izany fa mampiasa ‘teti-dratsy’ i Satana mba hamitahana ny olona, ka hahatonga azy ireo ho diso hevitra raha ny amin’ny hoe ahoana no hahazoana famelombelomana.—Efes. 6:11.

18 Marina fa tsy misy maharatsy ny mihinana sy misotro ary manao fialam-boly mahasoa, raha atao araka ny antonony. Tsy izany anefa no tokony hifantohantsika eo amin’ny fiainana. Mila mahay mandanjalanja sy mifehy tena isika, indrindra amin’izao vanim-potoana izao. Tena mety hanavesatra antsika mantsy ny fanaovana izay mahafinaritra antsika. Mety hahatonga antsika “hipetra-potsiny” izany, na ‘tsy hahavokatra raha ny amin’ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.’—2 Pet. 1:8.

19, 20. Inona no tena mamelombelona antsika?

19 Raha mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ny fomba fisainantsika, dia hiaiky isika hoe tsy maharitra ny fahafinaretana atolotr’ity tontolo ity. Nahatsapa toy izany i Mosesy, ary toy izany koa isika. (Heb. 11:25) Ny fanaovantsika ny sitrapon’ilay Raintsika any an-danitra ihany no tena mamelombelona, ka hahatonga antsika ho tena faly sy ho afa-po foana.—Mat. 5:6.

20 Enga anie isika ka hiezaka foana hahazo famelombelomana amin’ny alalan’ireo fandaharana ara-panahy. Ho hita amin’izay hoe ‘nolavintsika’ tokoa izay rehetra “mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao.” Izany mantsy no tokony hataontsika “eo am-piandrasana an’ilay zavatra mahafaly antenaintsika sy ny fisehoana be voninahitr’ilay Andriamanitra lehibe sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.” (Tit. 2:12, 13) Aoka àry isika ho tapa-kevitra hitondra ny ziogan’i Jesosy foana, ka hanaiky ny fahefany sy ny fitarihany. Ho tena sambatra sy velombelona isika raha manao izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Misy soso-kevitra hafa mba hahatonga ny fianaram-pianakaviana hahaliana sy hahalalan-javatra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2009, pejy 29-31.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ahazoan’ny vahoakan’i Jehovah famelombelomana ankehitriny?

• Nahoana no mamelombelona antsika ny fanompoana sady mamelombelona ny olona itoriantsika?

• Inona no azon’ny loham-pianakaviana atao, mba hahatonga ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana hamelombelona?

• Inona avy no mety hanavesatra antsika, ka hanelingelina ny fanompoantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Maro ny zavatra mety hahazoantsika famelombelomana, raha manaiky hitondra ny ziogan’i Jesosy isika