Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova Teny Mahafinaritra Foana

Manaova Teny Mahafinaritra Foana

Manaova Teny Mahafinaritra Foana

‘Aoka ho teny mahafinaritra foana no holazainareo.’—KOL. 4:6.

1, 2. Inona no vokany rehefa nanao teny mahafinaritra foana ny rahalahy iray?

“NITORY isan-trano aho indray mandeha”, hoy ny rahalahy iray, “ary tojo lehilahy tezitra be. Nihidy vazana mihitsy izy, ary nangovitra ny vatany manontolo. Tony anefa aho, ary niezaka nampitony azy koa tamin’ny alalan’ny Soratra Masina, fa vao mainka izy nisafoaka. Nandevilevy ahy koa ny vady aman-janany, ka hitako fa nila nandeha aho. ‘Tsy ny hiady no nahatongavako teto’, hoy aho, ‘ka tiako raha mba misaraka tsy misy raorao isika.’ Nasehoko azy ireo ny Galatianina 5:22 sy 23, izay miresaka momba ny fitiavana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena, ary fiadanana. Dia lasa aho.

2 “Hitako nipetraka teo ivelany izy mianakavy rehefa nitory teny ampitan’ny tranony aho, ary niantso ahy ry zareo. Efa natahotra aho hoe inona indray izao no hitranga. Hay nomeny rano mangatsiaka aho, ary niala tsiny ilay lehilahy satria nasiaka. Nidera ahy izy hoe tena manam-pinoana aho. Nisaraka tsy nisy raorao izahay tamin’izay.”

3. Nahoana isika no tsy tokony ho mora tezitra, na dia misy olona mahasosotra aza?

3 Mafy ny fiainana ankehitriny ka betsaka ny olona tezitra, ary mahita izany isika, na rehefa mitory aza. Mila ‘malemy fanahy sy manaja’ tsara isika, rehefa sendra olona toy izany. (1 Pet. 3:15) Raha tezitra koa, ohatra, ilay mpitory tetsy ambony rehefa nasiaka sy ratsy fanahy taminy ilay lehilahy, dia tsy ho tsara mihitsy ny vokany. Vao mainka aza ilay rangahy hisendaotra. Nifehy tena sy niezaka nanao teny mahafinaritra anefa ilay rahalahy, ka niova ny fihetsik’ilay fianakaviana.

Inona no atao hoe teny mahafinaritra?

4. Nahoana no zava-dehibe ny manao teny mahafinaritra?

4 Na mpiray finoana, na olona tsy Vavolombelona no iresahantsika, ary na ny fianakaviantsika aza, dia ilaina foana ny mampihatra ilay torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo.” (Kol. 4:6) Zava-dehibe izany mba hahatonga antsika hahay hiresaka tsara sy hihavana amin’ny hafa.

5. Tsy midika inona ny hoe miresaka tsara? Milazà ohatra.

5 Ahoana izany hoe mahay miresaka tsara? Tsy hoe tonga dia lazainao daholo akory izay ao an-tsainao sy ao am-ponao, indrindra rehefa tezitra ianao. Misy olona tsy mahafehy ny vavany rehefa tezitra. Fahalemena anefa izany, araka ny Soratra Masina. (Vakio ny Ohabolana 25:28; 29:11.) I Mosesy, ohatra, no “be fandeferana indrindra” tamin’ny androny. Tsy nahafehy ny hatezerany anefa izy indray mandeha rehefa nikomy ny Israely. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah izy noho izany. Navoakany daholo izay tao am-pony, nefa tsy hoe nahafaly an’i Jehovah izany. Tsy nahazo nitondra ny Israelita hiditra ny Tany Nampanantenaina àry izy, na dia efa nitarika azy ireo 40 taona aza.—Nom. 12:3; 20:10, 12; Sal. 106:32.

6. Inona no dikan’ny hoe malina rehefa miresaka?

6 Tsara ny tsy miteny be loatra sy mitandrina an’izay lazaina, satria hoy ny Soratra Masina: “Ny teny maro tsy ilaozan’ota, fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.” (Ohab. 10:19; 17:27) Tsy midika koa anefa izany hoe mangina fotsiny, fa manao “teny mahafinaritra”, ka miezaka manasitrana fa tsy mandratra.—Vakio ny Ohabolana 12:18; 18:21.

“Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana”

7. Teny manao ahoana no tsy tokony holazaintsika, ary nahoana?

7 Tsy amin’ny mpiara-miasa na ny olona itoriana ihany isika no mila manao teny mahafinaritra sy mitandrina izay lazaintsika, fa amin’ny mpiray finoana sy ny fianakaviantsika koa. Misy olona mamela ny hatezerany hipoaka, ka tsy mieritreritra izay ho vokany. Mety hisy vokany tena ratsy anefa izany, ho antsika sy ho an’ny hafa, eo amin’ny fahasalamana sy fihetseham-po ary ny lafiny ara-panahy. (Ohab. 18:6, 7) Tsy lavorary isika ka manana fihetseham-po ratsy, ary tsy tokony havoaka izany. Tsy mety ny manevateva, maneso, manivaiva, na koa manao teny feno fankahalana satria tezitra loatra. (Kol. 3:8; Jak. 1:20) Manimba ny fifandraisana amin’ny hafa sy amin’i Jehovah ireo, nefa tena sarobidy izany. Hoy i Jesosy: “Izay rehetra mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eo anatrehan’ny fitsarana. Ary izay manabanty ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eo anatrehan’ny Fitsarana Tampony. Fa izay milaza kosa hoe: ‘Ilay adala tsisy fotony ity!’, dia mendrika ho any amin’ny Gehena mirehitra.”—Mat. 5:22.

8. Rahoviana isika no tsy maintsy miresaka, nefa amin’ny fomba ahoana?

8 Tena ilaina kosa ny miteny, amin’ny toe-javatra sasany. Raha misy rahalahy nilaza na nanao zavatra tena nahatezitra anao, ka tsy vitanao ny mamela na manadino an’ilay izy fotsiny, dia aza avela hitombo ny fankahalanao azy. (Ohab. 19:11) Toneo ny fonao, ary manaova dingana mba handaminana ilay olana. Hoy i Paoly: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” Tsy maintsy manao zavatra ianao raha manelingelina ny sainao foana ilay olana. Mifidiana àry fotoana mety, ka alamino amin-katsaram-panahy ilay izy. (Vakio ny Efesianina 4:26, 27, 31, 32.) Miresaha amin’ilay rahalahinao ka lazao izay tsapanao, saingy manaova teny mahafinaritra ary ataovy izay hihavanana.—Lev. 19:17; Mat. 18:15.

9. Nahoana no ilaina ny mitony aloha vao mandamina olana?

9 Mazava ho azy fa mila mifidy fotoana mety isika, satria “misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” (Mpito. 3:1, 7) Ankoatra izany, “ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” (Ohab. 15:28) Midika izany fa mety ho tsara ny miandry kely aloha. Vao mainka ho ratsy mantsy ny vokany raha mbola tezitra isika no miresaka. Tsy fahendrena koa anefa ny miandry ela loatra.

Manaova zavatra mahafinaritra ho an’ny hafa

10. Nahoana no mifandray tsara amin’ny olona isika rehefa manao zavatra mahafinaritra ho azy?

10 Lasa mifandray tsara amin’ny hafa isika rehefa manao teny mahafinaritra sy miezaka miresaka aminy. Hiresaka tsara amin’ny olona koa isika, raha ataontsika izay hifandraisana aminy. Azo atao, ohatra, ny maneho hatsaram-panahy amin’ny hafa, toy ny hoe manao zavatra hanampiana azy, manolotra fanomezana kely, na manasa azy any an-trano. Mety ‘hampivangongo vainafo’ eo ambony lohany isika amin’izay ka hiseho ny toetra tsarany, ary ho mora kokoa ny mifandamina.—Rom. 12:20, 21.

11. Inona no nataon’i Jakoba mba hihavanana tamin’i Esao, ary inona no vokany?

11 Izany no nataon’i Jakoba. Tezitra be taminy mantsy i Esao kambana aminy. Nandositra àry izy sao hovonoiny. Rehefa niverina izy taona maro tatỳ aoriana, dia nivoaka hitsena azy i Esao, ary nitondra lehilahy 400. Nangataka ny fanampian’i Jehovah i Jakoba, ary nandefa biby fiompy be dia be mba ho fanomezana ho an’i Esao. Nandaitra tokoa izany. Nitony ny fon’i Esao, ka nihazakazaka nitsena an’i Jakoba izy ary namihina azy.—Gen. 27:41-44; 32:6, 11, 13-15; 33:4, 10.

Teny mahafinaritra sady mampahery

12. Nahoana isika no tokony hanao teny mampahery an’ireo rahalahy?

12 Andriamanitra no tompointsika fa tsy olona. Efa voajanahary amintsika anefa ny hoe maniry mba ho tian’ny hafa. Mety ho kivy àry ireo rahalahy sy anabavintsika raha manakiana azy isika, ka mety hieritreritra mihitsy izy hoe sao dia tsy tia azy intsony i Jehovah. Ho maivamaivana kosa izy ireo raha manao teny mahafinaritra aminy isika. Aoka àry isika hilaza zavatra mampahery foana, izany hoe ‘izay teny tsara ho fampaherezana rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.’—Efes. 4:29.

13. Inona no tokony hotadidin’ny anti-panahy a) rehefa manoro hevitra? b) rehefa manoratra taratasy?

13 Ny anti-panahy indrindra no tokony ‘halemy fanahy’ amin’ny ondry. (1 Tes. 2:7, 8) Miezaka ny “halemy paika” izy ireo rehefa manoro hevitra, na dia amin’ireo “tsy mora manaiky” aza. (2 Tim. 2:24, 25) Mila manao teny mahafinaritra koa izy ireo rehefa manoratra taratasy ho an’ny anti-panahy any amin’ny fiangonana hafa, na ho an’ny sampana. Tokony ho tsara fanahy sy tsy hivantambantana izy ireo, ka hampihatra ny Matio 7:12.

Manaova teny mahafinaritra amin’ny fianakavianao

14. Inona no torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny lehilahy manambady, ary nahoana?

14 Tsy tsapantsika indraindray hoe tena misy vokany amin’ny hafa ny tenintsika sy ny paozin’ny tarehintsika ary ny fihetsitsika. Tsy tonga saina, ohatra, ny lehilahy sasany hoe mankarary ny fon’ny vehivavy ny teniny. Hoy ny anabavy iray: “Matahotra aho rehefa mitrerona ahy ny vadiko.” Misy vokany lalina kokoa amin’ny vehivavy ny teny mahery, noho ny amin’ny lehilahy, ary mety ho ela vao ho hadinony ilay izy. (Lioka 2:19) Vao mainka malahelo izy raha olona tiany sy hajainy no manao izany. Nanoro hevitra ny lehilahy manambady àry i Paoly hoe: “Tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.”—Kol. 3:19.

15. Milazà fanoharana manazava fa tokony halemy fanahy amin’ny vadiny ny lehilahy.

15 Tokony halemy fanahy amin’ny vadiny ny lehilahy, ka hitondra azy toy ny “fanaka malemy kokoa.” Nanao fanoharana momba izany ny rahalahy iray manambady efa hatramin’ny ela. Hoy izy: “Tsy maintsy kenakenaina ny vazy sarobidy sy mora vaky, fa raha tsy izany dia hitresaka. Na amboarinao aza mantsy ilay izy, dia mety hamela soritra ihany. Toy izany koa raha manao teny mahery ny lehilahy ka mampalahelo ny vadiny. Mety hamela takaitra izany, ary hanimba ny fifandraisan’izy roa.”—Vakio ny 1 Petera 3:7.

16. Inona no ataon’ny vehivavy raha te hanamafy orina ny ankohonany izy?

16 Misy vokany eo amin’ny lehilahy koa anefa ny tenin’ny hafa, anisan’izany ny an’ny vadiny. Mety hampahery na hanakivy azy izany. “Malina” àry ny vehivavy rehefa mitsinjo ny fihetseham-pon’ny vadiny, toy ny tiany hatao aminy ihany. ‘Hatoky’ azy ny vadiny amin’izay. (Ohab. 19:14; 31:11) Manan-kery lehibe eo amin’ny fianakaviany tokoa ny vehivavy, ka afaka mandrisika azy ireo hanao zavatra tsara na ratsy. “Manamafy orina ny ankohonany ny vehivavy tena hendry, fa manimba izany kosa ny vehivavy adala.”—Ohab. 14:1.

17. a) Ahoana no tokony hiresahan’ny ankizy amin’ny ray aman-dreniny? b) Ahoana no tokony ho fomba firesaka amin’ny tanora, ary nahoana?

17 Tokony hanao teny mahafinaritra ny ankizy rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreniny. (Mat. 15:4) Mila mitandrina tsara koa ny olon-dehibe rehefa miresaka amin’ny tanora, mba tsy ‘hampahatezitra’ azy. (Kol. 3:21; Efes. 6:4) Tokony hanaja ny ankizy foana ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy, na dia rehefa tsy maintsy manitsy azy ireo aza. Ho mora kokoa amin’ny tanora amin’izay ny hanaiky ilay fanitsiana, ka hifandray hatrany amin’Andriamanitra. Tsy tokony hataontsika mihitsy izay hahatsapany hoe tsy misy ilana azy intsony izy. Mety hahatonga azy hamoy fo tanteraka mantsy izany. Tsy voatery ho tadidin’ny ankizy daholo ny torohevitra nomena azy, fa ho tadidiny kosa izay fomba niresahana taminy.

Esory ao am-po ny hatezerana

18. Ahoana no hanesorana ny hatezerana ao am-po?

18 Tsy hoe miseho ho tony fotsiny ny hoe mifehy ny hatezerana. Vao mainka ho sahirana mantsy isika raha mody tsy tezitra, nefa ao anaty ao tena romotra. Azo oharina amin’ny olona mitaingina bisikileta izany, ka sady mivoy mafy no mitsaky fihisatra (na freins). Ho simba ilay bisikileta raha izay. Tsy mety àry raha kobonina ny hatezerana ka apoaka rehefa tsy tanty intsony. Mivavaha kosa amin’i Jehovah mba hanaisotra ny hatezerana ao am-ponao. Avelao ny fanahiny hanavao ny sainao sy ny fonao, mba hifanaraka amin’ny sitrapony.—Vakio ny Romanina 12:2; Efesianina 4:23, 24.

19. Inona no azo atao mba hisorohana ny fifandirana, rehefa tezitra?

19 Mandraisa fepetra raha mitady ho tezitra be ianao. Tsara angamba ny miala kely, mandra-pitonin’ny fonao. (Ohab. 17:14) Raha ilay olona iresahanao indray no manomboka ho tezitra, dia miezaha mafy hanao teny mahafinaritra. Tadidio fa “mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.” (Ohab. 15:1) Vao mainka hampirehitra ny hatezerany ianao raha manao teny mandratra na manakiana, na dia teneninao moramora aza ilay izy. (Ohab. 26:21) Rehefa sarotra aminao àry ny mifehy tena, dia aoka ianao “tsy ho maika hiteny” sy “tsy ho mora tezitra.” Angataho ny fanahin’i Jehovah, mba hanampy anao tsy hahateny zava-dratsy.—Jak. 1:19.

Mamelà heloka tanteraka

20, 21. Inona no hanampy antsika hamela heloka, ary nahoana isika no tsy maintsy manao izany?

20 Tsy misy olona mahafehy tanteraka ny lelany. (Jak. 3:2) Mety hahateny zavatra mandratra antsika àry ny fianakaviantsika sy ny mpiray finoana amintsika, na dia efa mitandrina mafy aza. Aza tonga dia tezitra fa diniho aloha izay mety ho nahatonga azy hiteny izany. (Vakio ny Mpitoriteny 7:8, 9.) Sao dia mba tsy salama izy, na sahiran-tsaina, na mitaintaina, na koa manana olana tsy fantatsika?

21 Marina aloha fa tsy fialan-tsiny hanaovana teny masiaka ireo. Raha mitadidy an’ireo anefa isika, dia mety mba ho azontsika hoe nahoana ny olona indraindray no mahateny na manao zavatra tsy mety. Hanampy antsika hamela heloka izany. Samy efa nahateny na nanao zavatra nandratra ny hafa isika rehetra, ary tiantsika raha mamela antsika amin’ny fony izy ireo. (Mpito. 7:21, 22) Nilaza koa i Jesosy fa tsy maintsy mamela ny hafa isika, raha te hahazo ny famelan’Andriamanitra. (Mat. 6:14, 15; 18:21, 22, 35) Tokony ho vonona hiala tsiny sy ho vonona hamela heloka àry isika. Amin’izay dia hanjaka eo anivon’ny fianakaviantsika sy ny fiangonana ny fitiavana, ilay “fatorana mampiray tonga lafatra.”—Kol. 3:14.

22. Nahoana no mahasoa ny miezaka manao teny mahafinaritra foana?

22 Sarotra ny miray saina sy mahita fifaliana eto amin’ity tontolo feno olona tezitra ity, arakaraka ny anatonan’ny farany. Hanampy antsika hanao teny mahafinaritra foana anefa ny toro lalan’ny Baiboly. Hifandray tsara kokoa amin’ny mpiray finoana sy ny fianakaviantsika isika amin’izay. Ho hitan’ny olona koa ny fihetsitsika, ka ho lasa fitoriana momba an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.”—1 Tim. 1:11.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no zava-dehibe ny mifidy fotoana mety rehefa handamina olana?

• Nahoana ny mpianakavy no tokony hanao “teny mahafinaritra” foana?

• Inona no tokony hatao mba tsy hahateny zavatra mandratra isika?

• Inona no hanampy antsika hamela heloka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Toneo ny fonao, ary mitadiava fotoana mety hiresahana an’ilay olana

[Sary, pejy 23]

Tokony halemy fanahy foana ny lehilahy rehefa miresaka amin’ny vadiny