Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafaray Noho ny Fitiavana: Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

Tafaray Noho ny Fitiavana: Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

Tafaray Noho ny Fitiavana: Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

SOMEBISEBY ny rehetra tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao New Jersey, Etazonia, ny marainan’ny 3 Oktobra 2009. Olona 5 000 mahery no tonga hanatrika ny fivoriana faha-125, izay fanaon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania isan-taona. An’arivony koa no nijery azy io nivantana tamin’ny alalan’ny video, tany amin’ny Betelan’i Etazonia, izay misy sampana telo, sy tany amin’ny Betelan’i Kanada. Olona 13 235 àry no faly nanatrika an’io fivoriana naharitra adiny telo io. Tafaray noho fitiavany an’i Jehovah izy ireo.

I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanolotra ny fandaharana. Ho fanombohana, dia nisy Betelita maromaro nanao hira avy ao amin’ny fihiranantsika vaovao. I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nitarika an’ilay antoko-mpihira, ary nohazavainy kely fa tena ilaina ny mozika eo amin’ny fivavahana madio. Nasaina nanao hira vaovao telo ny mpanatrika. Ilay antoko-mpihira aloha no nanao izany, ary avy eo niara-nihira ny rehetra. Tamin’io fivoriana manokana io ihany no nasiana antoko-mpihira, fa tsy tokony hisy toy izany mandritra ny fivoriana na fivoriambe.

Tatitra avy any amin’ireo sampana

Nisy komitin’ny sampana avy any amin’ny tany dimy nanatrika an’ilay fivoriana. Nanao tatitra momba ny asa any amin’ny taniny avy izy ireo. Nilaza i Kenneth Little fa tsy ho ela ny sampan’i Kanada, dia hanao pirinty ny ankamaroan’ireo gazety ho an’i Etazonia sy Kanada. Hitombo avo folo heny ny famokarana gazety ao amin’io sampana io. Mila miasa adiny 16 isan’andro àry ilay milina fanontam-pirinty vaovao.

Niresaka momba ny asa fitoriana any amin’ny Repoblika Dominikanina i Reiner Thompson. I Albert Olih indray nanazava momba ny asa any Nizeria. Nitantara i Emile Kritzinger fa nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Mozambika, tamin’ny 1992, taorian’ny fanenjehana nandritra ny am-polony taona. Vao haingana, dia nitombo be ny isan’ny mpitory any amin’ireo tany telo ireo. Niresaka momba ny fandrosoan’ny asa any Timaoro Atsinanana i Viv Mouritz, avy ao amin’ny sampan’i Aostralia, izay miandraikitra ny asa any Timaoro.

Ireo komity eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana

Komity enina eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1976. Nisy ondry hafa notendrena ho mpanampy azy ireo, tatỳ aoriana. Misy 23 izao izy ireo, ary nadinadinina tamin’ilay fivoriana ny enina taminy. Raha atambatra ny taona nanompoan’izy ireo manontolo andro, dia 341 taona, izany hoe 57 taona avy amin’ny antsalany.

Niresaka momba ny Komitin’ny Mpandrindra i Don Adams, Betelita hatramin’ny 1943. Ny mpandrindra tsirairay ao amin’ireo komity dimy hafa no ao anatin’izy io. Izany no mampandeha tsara ny asan’ny komity rehetra. Mandray andraikitra izy io rehefa misy olana lehibe tampoka, fanenjehana, raharaha eny amin’ ny fitsarana, loza, ary raharaha maika hafa mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.

Nohazavain’i Dan Molchan, fa mikarakara izay ilain’ireo Betelita 19 851 eran-tany, eo amin’ny lafiny ara-panahy sy lafiny hafa, ny Komitin’ny Mpiasa. Niresaka i David Sinclair fa mividy ny zavatra ilain’ireo sampana ny Komitin’ny Fampanontana. Nilaza i Robert Wallen, izay nanompo tao amin’ny Betela efa ho 60 taona, fa ny Komitin’ny Fanompoana dia miandraikitra ny asa fitoriana sy ny raharaha mahakasika ny fiangonana. I William Malenfant indray niresaka momba ny asa mafy ataon’ny Komitin’ny Fampianarana mba hanomanana ireo fandaharan’ny fivoriambe. Farany, dia nohazavain’i John Wischuk fa miandraikitra ny fanomanana sy ny fanaovana an-tsoratra an’ireo boky sy gazety ny Komitin’ny Fanoratana. *

Mifantoka amin’ny fitiavana ny andinin-teny ho an’ny taona 2010

Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ireo nanao ny lahateny telo nanaraka. I Gerrit Lösch no nanomboka azy tamin’ny fanontaniana hoe: “Te ho tian’ny hafa ve ianao?” Nilaza izy fa tena ilaina ny fitiavana, ary faly isika rehefa anehoana azy io. Noforonin’i Jehovah noho ny fitiavany isika. Tiantsika àry i Jehovah ka izany no mandrisika antsika hitory.

Tsy ny namantsika ihany no tiantsika fa ny fahavalontsika koa, raha maneho fitiavana araka ny toro lalan’ny Baiboly isika. (Matio 5:43-45) Nasaina nandinika ny zavatra niaretan’i Jesosy ireo mpanatrika. Nokapohina izy, nesoina, nororana, ary notrobarana. Nivavaka ho an’ireo miaramila namono azy anefa izy. Tsy mandrisika antsika ho tia azy bebe kokoa ve izany? Nolazain’ny Rahalahy Lösch avy eo, ny andinin-teny ho an’ny taona 2010 hoe: ‘Ny fitiavana miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.’ (1 Korintianina 13:7, 8) Tsy manantena ny hiaina mandrakizay fotsiny isika, fa manantena ny hitia sy hotiavina mandrakizay koa.

Tsy ampy lasantsy ve ianao?

Fanoharana no nanombohan’i Samuel Herd ny lahateniny. Aoka hatao hoe maka anao amin’ny fiara ny namanao, mba hanao dia 50 kilaometatra. Voamarikao fa efa ho lany ny lasantsiny, ka miteny aminy ianao. Milaza izy hoe: ‘Aza matahotra fa mbola misy efatra litatra eo ho eo ao.’ Tsy ela anefa dia lany lasantsy ianareo. Tokony ho mbola nandeha ihany ve ianareo nefa efa fantatrareo fa ho lany eny an-dalana ny lasantsy? Tsy aleo ve nameno ny fitoeran-dasantsy aloha? Tokony hameno ny fitoeran-dasantsintsika an’ohatra koa isika, izany hoe ho feno fahalalana an’i Jehovah.

Mila maka lasantsy ampy tsara àry isika, ary manao izany tsy tapaka. Misy fomba efatra hanaovana izany. Voalohany, mianatra samirery. Mila mamaky ny Baiboly isan’andro isika, mba hahalalana tsara azy io. Tokony ho azontsika izay vakintsika. Faharoa, ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Mijanona ve isika isan-kerinandro mba hameno lasantsy? Sa lasantsy kely fotsiny no alaintsika? Fahatelo, manatrika fivoriana. Fahefatra, misaintsaina ny lalan’i Jehovah amin’ny toerana mangina. Hoy ny Salamo 143:5: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho. Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho.”

‘Hamirapiratra ny olo-marina’

I John Barr no nanao ny lahateny fahatelo farany, izay nanazava ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary. (Matio 13:24-30, 38, 43) Miresaka momba ny ‘fijinjana’ izy io. Hangonina “ny zanak’ilay fanjakana” amin’io, ary atokana ny tsimparifary mba hodorana.

Nohazavain’ny Rahalahy Barr fa tsy hitohy mandrakizay ilay fanangonana. Nanonona ny Matio 24:34 izy, izay milaza hoe: “Tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” Novakiny indroa ity fanazavana ity: “Te hilaza [i Jesosy] fa mbola tsy ho faty ny voahosotra sasany, izay nahita ny famantarana ny fanatrehany tamin’ny 1914, rehefa ho teraka ireo voahosotra hahita ny fanombohan’ny fahoriana lehibe.” Tsy fantatsika ny halavan’ny fotoana ahaveloman’ilay “taranaka”, saingy anisan’izy io ireo antokon’olona roa ireo. Hisy fotoana hiarahan’izy ireo miaina mandritra ny andro farany, na dia tsy mitovy taona aza izy ireo. Mampahery ny mahalala fa tsy ho faty alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe ireo voahosotra tanora kokoa, izay miara-miaina amin’ireo voahosotra be taona nahita ny fahatanterahan’ny famantarana nanomboka tamin’ny 1914.

Tsy andrin’ny “zanak’ilay fanjakana” ny hahazoany ny valisoany any an-danitra. Tsy tokony hivadika mihitsy anefa isika rehetra, fa hamirapiratra hatramin’ny farany. Voninahitra ho antsika tokoa ny mahita ny fanangonana ny “vary” ankehitriny.

Taorian’ny hira farany, dia nanao vavaka i Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Tena nampahery iny fivoriana fanao isan-taona iny!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Raha mila fanazavana momba ny asan’ireo komity enina ireo, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2008, pejy 29.

[Efajoro, pejy 5]

SEKOLIN’NY ANTI-PANAHY

Nolazain’i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, nandritra ilay fivoriana fa hitohy ny fampiofanana ireo anti-panahy. Nisy Sekolin’ny Anti-panahy natomboka tany Etazonia, teo am-piandohan’ny taona 2008. Natao tao amin’ny Foibem-pampianarana any Patterson, New York, izy io. Vao vita talohan’ilay fivoriana fanao isan-taona ny kilasy faha-72 amin’izy io, ary anti-panahy 6 720 no efa nampiofanina. Maro anefa no mbola mila fampiofanana. Misy anti-panahy 86 000 mahery mantsy any Etazonia fotsiny. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana hasiana sekoly hafa koa àry any Brooklyn, New York, nanomboka tamin’ny 7 Desambra 2009.

Ampiofanina mandritra ny roa volana any Patterson ny mpiandraikitra mpitety faritany efatra, mba ho mpampianatra, ary afindra any Brooklyn avy eo. Hisy efatra indray hampiofanina, ary hampianatra any Brooklyn aorian’izay. Ireo efatra nampiofanina voalohany kosa hampianatra any amin’ny Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana. Toy izany hatrany no hatao, ka ho 12 ny isan’ny mpampianatra amin’ny farany. Hitarika sekoly enina isan-kerinandro amin’ny teny anglisy, any Etazonia, izy ireo. Hisy mpampianatra efatra koa hampiofanina mba hampianatra amin’ny teny espaniola avy eo. Tsy hisolo ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana akory izy io, fa natao hanampiana ny anti-panahy handroso foana. Hanomboka azy io ireo sampana eran-tany amin’ny taom-panompoana 2011. Hataon’izy ireo any amin’ny Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana izany.

[Sary, pejy 4]

Natomboka tamin’ny hira tao amin’ny fihiranantsika vaovao hoe “Mihirà ho An’i Jehovah” ilay fivoriana fanao isan-taona