Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ho Tia Mamaky Teny sy Hazoto Hianatra ny Zanakao

Ampianaro ho Tia Mamaky Teny sy Hazoto Hianatra ny Zanakao

Ampianaro ho Tia Mamaky Teny sy Hazoto Hianatra ny Zanakao

TIANAO ve ny hanomana ny zanakao hanana hoavy tsara? Miezaha àry hampianatra azy hamaky teny sy hazoto hianatra. Tian’ny ankizy erỳ izany! Fahatsiarovana mamy indrindra ho an’ny olona sasany ny namakian’ny ray aman-dreniny boky ho azy, fony izy mbola kely. Mahafinaritra sady mahasoa ny mamaky teny, indrindra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra. Lasa mandroso ara-panahy mantsy izy ireo rehefa mianatra Baiboly. Hoy ny Kristianina iray manan-janaka: “Zava-dehibe ny mamaky teny sy mianatra, satria mifandray amin’izany ireo zavatra tena sarobidy eo amin’ny fiainana.”

Afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra ny zanakao raha mazoto mianatra. (Sal. 1:1-3, 6) Marina fa tsy voatery hoe mahay mamaky teny ny olona vao ho voavonjy. Milaza anefa ny Baiboly fa ahazoana fitahiana maro izany. Hoy, ohatra, ny Apokalypsy 1:3: “Sambatra izay mamaky mafy sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity.” Tena ilaina ny mifantoka rehefa mianatra. Mitondra soa koa izany satria nanoro hevitra an’i Timoty ny apostoly Paoly hoe: “Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany.” Nahoana? “Mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.”—1 Tim. 4:15.

Mazava ho azy fa na mahay mamaky teny aza ny olona iray dia tsy hahasoa azy izany raha tsy ampiasainy. Aleon’ny maro, ohatra, manao zavatra tsy tena ilaina, toy izay hamaky teny sy hianatra. Ahoana àry no hanampian’ny ray aman-dreny ny zanany mba ho tia mianatra zavatra mahasoa?

Manehoa fitiavana, manomeza ohatra

Mahafinaritra ny ankizy erỳ ny mianatra rehefa mahatsapa izy hoe tiana. Hoy i Owen sy Claudia, mpivady kristianina, momba ny zanany roa: “Tsy andrin’izy ireo mihitsy ilay fianarana satria mba fotoana manokana io ho azy. Mahazo aina erỳ ry zareo sady mahatsapa hoe misy miahy. Fotoana mahafinaritra no ao an-tsainy raha vao hoe hianatra.” Mandalo zava-tsarotra ny ankizy rehefa lasa zatovo, nefa hazoto hianatra foana izy raha mahatsapa fitiavana mandritra ny fianaran’ny fianakaviana. Mpisava lalana izao ny zanak’i Owen sy Claudia. Mbola mandray soa izy ireo satria nampianarina ho tia mamaky teny sy hazoto hianatra.

Porofon’ny fitiavana ny ohatra omen’ny ray aman-dreny. Raha hitan’ny zanakao fa mazoto mamaky teny sy mianatra ianao, dia ho zatra hanao an’izany koa izy. Ahoana anefa raha tsy zatra mamaky boky ianao? Mila miezaka ho tia mamaky teny na hihevitra izany ho zava-dehibe angamba ianao. (Rom. 2:21) Raha zatra mamaky teny isan’andro ianao, dia hisy vokany lalina eo amin’ny zanakao izany. Mazotoa àry mamaky Baiboly, sy manomana fivoriana, ary manao fianaram-pianakaviana. Amin’izay dia hazava amin’ny zanakao fa zava-dehibe ireo.

Tena ilaina àry ny maneho fitiavana sy manome ohatra. Ahoana anefa no hampirisihanao ny zanakao mba ho tia mamaky teny?

Ampio izy ho tia mamaky boky

Inona avy no azonao atao? Omeo boky izy dieny mbola kely. Hoy ny anti-panahy iray, izay nampian’ny ray aman-dreniny ho tia mamaky teny: “Asaivo mitazona sy mamadika boky matetika ny zanakao. Ho tia mampiasa boky izy raha zatra manao izany.” Ankizy maro no mbola tsy mahay mamaky teny akory, nefa tiany erỳ ny mitondra ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Amakio boky toy ireny àry ny zanakao. Tsy fiteny ihany no ianarany amin’izany, fa zavatra ara-panahy koa.—1 Kor. 2:13.

Amakio teny foana izy. Zaro amakiana boky isan’andro ny zanakao. Hampianatra azy hahay hanonona teny tsara sy ho zatra mamaky teny izany. Zava-dehibe koa ny fomba famakianao. Ataovy velombelona ilay izy dia hafana fo koa ny zanakao. Mety hasainy averimberinao vakina mihitsy ny tantara iray. Tsy maninona fa ataovy foana! Ho liana amin’ny zavatra hafa indray izy any aoriana. Aza terena anefa izy. Modely amin’izany i Jesosy satria ‘araka izay hain’ny olona nohenoina’ ihany no nampianariny. (Mar. 4:33) Lasa tian’ny zanakao ny vakiteny rehefa tsy terenao izy. Tsy andriny indray aza ny hanaovana izany!

Hazavao izay vakinao ary mametraha fanontaniana. Ho gaga ianao fa betsaka ny teny lasa mahazatra ny zanakao, sady hainy tononina, ary fantany ny dikany. Resaho aminy àry izay vakinao. Mampitombo ny fahaizany izany. Hoy ny boky iray manazava ny fomba hanampiana ny ankizy hahay hamaky teny tsara: ‘Resaho izay vakinao. Manampy azy hahafantatra sy hahazo ny hevitr’ilay teny izany amin’ny hoavy. Mandray zavatra be dia be ny sain’ny ankizy. Tena manampy azy hahay hamaky teny sy hanoratra àry ianao raha miresaka aminy, indrindra moa raha resaka misy heviny ilay izy.’

Asaivo mamaky sy mametraka fanontaniana koa izy. Afaka manontany aloha ianao, ary manome valiny azo isafidianana. Ho fantany fa ianaran-javatra ny boky ary misy heviny ny teny vakiny. Vao mainka hahasoa azy izany raha boky ara-baiboly no vakina. Ny Tenin’Andriamanitra mantsy no boky misy hevitra mahasoa indrindra.—Heb. 4:12.

Tadidio anefa fa sarotra ny mamaky teny, ka mila fotoana sy fahazarana. * Derao foana àry izy. Tena handrisika azy ho tia mamaky teny izany.

Mahasoa sady mahafinaritra

Mahasoa ny vakiteny rehefa ianaran-javatra. Ampianaro hamakafaka hevitra àry ny zanakao rehefa mamaky teny. Tafiditra amin’izany ny hoe mandinika ireo hevitra sy ny fifandraisan’izy ireo, mandrindra sy mitadidy ary mampihatra izany. Izay no atao hoe fomba fianatra tsara. Ampianaro ny zanakao àry izany, ka asehoy ny fomba hampiharana azy, dia hahasoa sady hahafinaritra ny fianarana ataony.—Mpito. 10:10.

Zaro tsikelikely ny zanakao. Misy lafin-javatra maromaro tena ilaina rehefa mianatra. Ampianaro azy izany, isaky ny manao teny vakina isan’andro, na Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, sy ny toy izany. Asaivo mipetraka sy tsy mikofokofoka, ohatra, izy, sady mandinika an’ilay hevitra. Mety ho fotoana fohy ilay izy, saingy ataovy tsy tapaka. Mampianatra azy hifantoka izany, ary tena ilainy rehefa mianatra. Azonao anontaniana ny zanakao lahy hoe inona no ifandraisan’ilay zavatra ianarana amin’izay efa fantany. Mampianatra azy hanao fampitahana izany. Azonao asaina mamintina an’izay novakiny koa ny zanakao vavy. Manampy azy hahazo sy hahatadidy hevitra izany. Ampianaro koa izy hanao famerenana, izany hoe hamerina amin’ny fomba fiteniny an’ireo hevi-dehibe. Na ny ankizy kely aza dia azo ampianarina handray an-tsoratra kely, rehefa mianatra na mivory. Hifantoka tsara izy ireo amin’izay! Fomba tsotra ireo, nefa tena azo ampiharina mba hahatonga ny fianarana hahaliana sy hahasoa anao sy ny zanakao.

Fidio tsara ny toerana ianarana. Tokony ho ampy tsara ny rivotra sy ny hazavana. Mifantoka kokoa ny ankizy raha mangina sy mampahazo aina ilay toerana. Tokony ho zava-dehibe amin’ny ray aman-dreny koa ilay fianarana. Hoy ny reny iray: “Mila atao tsy tapaka ilay vakiteny sy fianarana, ary tsy ovaovana ny fotoana anaovana azy. Manampy ny ankizy hahay handamina fotoana izany. Ho fantany hoe izao na izao no tsy maintsy atao amin’ny fotoana iray.” Ray aman-dreny maro no tsy mamela ny zanany hanao zavatra hafa mihitsy amin’ny fotoana fianarana. Milaza ny manam-pahaizana iray fa manampy ny ankizy ho zatra mianatra izany.

Asongadino ny soa ho azony. Ampio ny zanakao hahita ny antony ilany an’ilay zavatra ianarana. Lasa misy dikany mantsy ilay fianarana rehefa ampiharina. Hoy ny rahalahy tanora iray: “Rehefa tsy hitako hoe inona no ilako an’ilay zavatra ianarana, dia kamo be aho hianatra azy. Tiako hianarana kosa ilay izy rehefa fantatro hoe ilaiko.” Mazoto ny ankizy rehefa fantany tsara ny soa ho azony amin’ilay zavatra ianarany. Lasa tiany toy ny mamaky teny koa ny mianatra.

Ny valisoa lehibe indrindra

Tsy ho voatanisa ny soa ho azo rehefa mampianatra ny zanany ho tia mamaky teny ny ray aman-dreny. Ho tafita amin’ny fianarany, ohatra, izy sady hahay tsara izay asa hataony, ary hahay hifandray aman’olona. Hahalala ny zava-misy eran-tany koa izy, ary hifankatia kokoa amin’ny ray aman-dreniny. Ny mamaky teny sy mianatra mihitsy aza dia efa fahafinaretana!

Ny soa lehibe indrindra dia hoe hanjary hatahotra an’Andriamanitra ny zanakao rehefa mazoto mianatra. Hanokatra ny fony sy ny sainy izany mba hahatakarany tsara “izay sakany sy halavany sy haavony ary halaliny” amin’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina. (Efes. 3:18) Betsaka ny zavatra tokony hampianarin’ny ray aman-dreny kristianina ny zanany. Manao izay rehetra azony atao izy ireo, ka manokana fotoana sy miahy azy mba hananan’ny zanany hoavy tsara. Manantena izy ireo fa hifidy ny hanompo an’i Jehovah ny zanany. Ampianaro àry ny zanakao mba hazoto hianatra. Miaro ny finoany sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra izany. Mivavaha mba hitahian’i Jehovah ny ezaka mafy ataonao, hampianarana ny zanakao ho tia mamaky teny sy hazoto hianatra!—Ohab. 22:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Misy ankizy sahirana rehefa mianatra, ka sarotra be aminy ny mamaky teny. Misy torohevitra ho an’ny ray aman-dreny ao amin’ny Mifohaza! Janoary 2009, pejy 10-11.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Ho tia mamaky teny izy raha . . .

• Omenao boky

• Amakianao teny foana

• Ametrahanao fanontaniana

• Hazavainao izay vakinao

• Asainao mamaky koa

• Asainao manontany

Hazoto hianatra izy raha . . .

• Manome ohatra ianao

• Zarinao tsikelikely:

○ hifantoka

○ hanao fampitahana

○ hamintina hevitra

○ hanao famerenana

○ handray an-tsoratra

• Fidinao tsara ny toerana ianarana

• Asongadinao ny soa ho azony