Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aza Matahotra fa Hanampy Anao Aho”

“Aza Matahotra fa Hanampy Anao Aho”

“Aza Matahotra fa Hanampy Anao Aho”

“TSY hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja ny Devoly. Amin’izay dia hozahan-toetra tanteraka ianareo.” Izany no nampitandreman’i Jesosy ny mpianany. Hoy anefa izy aloha: ‘Aza matahotra an’izay fijaliana efa hiaretanareo.’ Mbola ataon’ i Satana izay hampidirana am-ponja ny tena Kristianina mba hitsaharan’ny fitoriana ilay Fanjakana, ka azo antoka fa hanenjika azy ireo ny fitondram-panjakana sasany. (Apok. 2:10; 12:17) Inona àry no hanampy antsika ho vonona hanohitra ny teti-dratsin’i Satana sady tsy “hatahotra”, araka ny nampirisihin’i Jesosy?

Samy efa natahotra ny ankamaroantsika. Manome toky anefa ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ho resin’ny tahotra isika, noho ny fanampian’i Jehovah. Fomba iray hanampiany antsika hiatrika fanoherana ny fampahafantarany antsika ny paikady ampiasain’i Satana sy ny olony. (2 Kor. 2:11) Andao isika handinika zava-nitranga fahiny, mba hanazavana izany. Hojerentsika koa ny tantaran’ireo mpiray finoana amintsika ankehitriny, izay tsy nivadika. “Mafy orina” izy ireo ‘ka nahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.’—Efes. 6:11-13.

Niady ny mpanjaka matahotra an’Andriamanitra sy ny mpitondra ratsy fanahy

Nandresy firenena maro nisesisesy i Sankeriba ratsy fanahy, mpanjakan’i Asyria, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Natoky tena be izy ka nitodi-doha hanafika an’i Jerosalema sy ny vahoakan’i Jehovah. I Hezekia, mpanjaka natahotra an’Andriamanitra, no nanjaka tao tamin’izay. (2 Mpanj. 18:1-3, 13) Azo inoana fa nohararaotin’i Satana izay nitranga, ka nandrisika an’i Sankeriba hanatanteraka ny tetiny izy, mba hamongorana ny fivavahana marina eto an-tany.—Gen. 3:15.

Nasain’i Sankeriba nitolo-batana i Jerosalema, ka nirahiny tany ny solontenany, anisan’izany i Rabsake, mpitondra teniny. * (2 Mpanj. 18:17) Tian’i Rabsake ho kivy sy hanaiky ho resy tsy miady ny Jiosy. Inona no nataony mba hanakiviana ny fon’izy ireo?

Tsy mivadika na hatoka-monina aza

Hoy i Rabsake tamin’ny solontenan’i Hezekia: “Izao no nolazain’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asyria: ‘Fa inona koa izao itokisanao izao? I Ejipta no mba itokisanao hanampy anao. Bararata torotoro anefa izy, ka raha itehenana dia hanindrona sy handoaka tanana.’ ” (2 Mpanj. 18:19, 21) Diso izany fiampangana izany, satria tsy nanao fifanarahana tamin’i Ejipta i Hezekia. Na izany aza, dia izao no tena tian’i Rabsake hotadidin’ny Jiosy: ‘Miady irery ianareo, fa tsy hisy hanampy anareo eo.’

Manakivy ny fon’ny tena Kristianina koa ny fahavalon’ny fivavahana marina, tato ho tato, ka ataony mitoka-monina izy ireo. Nigadra noho ny finoany ny anabavy iray, ary nosarahina tamin’ny mpiray finoana taminy, nandritra ny taona maro. Notantarainy izay nanampy azy tsy ho resin’ny tahotra. Hoy izy: “Nanampy ahy ho akaiky an’i Jehovah ny vavaka. ... Tadidiko ilay fanomezan-toky ao amin’ny Isaia 66:2 hoe mitsinjo ‘ny ory sy ny torotoro fo’ Andriamanitra. Tena nampahery sy nampionona ahy foana izany.” Hoy koa ny rahalahy iray natoka-monina an-taonany maro: “Nifandray akaiky tamin’Andriamanitra aho ka toy ny hoe toerana midadasika ilay efitra kely nigadrako.” Nahavita niaritra ireo Kristianina roa ireo na dia natoka-monina aza, satria nifandray akaiky tamin’i Jehovah. (Sal. 9:9, 10) Vitan’ny mpanenjika ny nampisaraka azy ireo tamin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpiray finoana taminy. Fantatr’ireo Vavolombelona ireo anefa fa tsy afaka mampisaraka azy ireo amin’i Jehovah mihitsy ny mpanohitra.—Rom. 8:35-39.

Tena ilaina àry ny manararaotra an’izay rehetra mety hanatanjaka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Jak. 4:8) Tokony hanontany tena foana isika hoe: ‘Heveriko ho tena misy ve i Jehovah? Tena manaraka ny teniny ve aho isaky ny mandray fanapahan-kevitra, na lehibe izany na kely?’ (Lioka 16:10) Tsy misy tokony hatahorantsika, raha miezaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra foana isika. Nisolo tena ny Jiosy nampahorina i Jeremia mpaminany, ka nilaza hoe: “Jehovah ô, niantso ny anaranao avy tao amin’ny lavaka lalina dia lalina aho. ... Nanatona ianao tamin’ilay andro niantsoako anao, ka niteny hoe: ‘Aza matahotra.’ ”—Fitom. 3:55-57.

Nampisy fisalasalana nefa tsy nahomby

Tian’i Rabsake hisalasala ny Jiosy ka nofitahiny. Hoy izy: “Fa angaha moa tsy [i Jehovah] no tompon’ireo toerana avo sy alitara nesorin’i Hezekia? ... I Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe: ‘Miakara hanafika an’io tany io, ary ravao izy.’ ” (2 Mpanj. 18:22, 25) Te hilaza àry i Rabsake fa tsy hiady ho an’ny vahoakany i Jehovah satria tezitra amin’izy ireo. Tsy marina anefa izany. Nampifaly an’i Jehovah mantsy i Hezekia sy ireo Jiosy niverina nanompo azy.—2 Mpanj. 18:3-7.

Fetsy koa ireo mpanenjika ankehitriny. Mety hitady marimaritra iraisana izy ireo ka mody milaza zava-marina kely, nefa ampiany lainga izany avy eo mba hampisalasalana antsika. Indraindray, ohatra, dia nilazana ireo rahalahy sy anabavy nigadra fa nisy mpiandraikitra nanaiky lembenana, ka afaka mandà ny finoany koa izy ireo. Tsy mampisy fisalasalana eo amin’ireo Kristianina misaina tsara anefa ny toy izany.

Diniho izay nitranga tamin’ny anabavy iray, tamin’ny Ady Lehibe II. Nisy taratasy naseho azy tamin’izy nigadra. Voalaza tao fa nanda ny finoany ny mpiandraikitra iray. Nanontaniana izy raha natoky an’ilay rahalahy. Hoy ilay anabavy: ‘Tsy lavorary ange [izy] e!’ Nilaza ilay anabavy fa raha mbola manaraka ny toro lalan’ny Baiboly ilay anadahy, dia ampiasain’Andriamanitra. Hoy ihany izy: ‘Tsy anadahiko intsony anefa izy, satria tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny teniny.’ Hendry io anabavy tsy nivadika io, ka nanaraka an’ity voalazan’ny Baiboly ity: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”—Sal. 146:3.

Mety tsy ho tapa-kevitra ny hiaritra intsony isika, raha voafitaky ny hevi-diso. Tsy ho voafitaka anefa isika raha mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra ny torohevitra ao. (Efes. 4:13, 14; Heb. 6:19) Tokony hataontsika loha laharana àry ny famakiana Baiboly isan’andro sy ny fianarana samirery, mba hahafahantsika hisaina tsara rehefa tojo fitsapana. (Heb. 4:12) Izao tokoa no fotoana hampitomboana ny fahalalana sy hanatanjahana finoana. Hoy ny rahalahy iray natoka-monina nandritra ny taona maro: “Ampirisihiko ny tsirairay mba hankasitraka ny sakafo ara-panahy rehetra omena antsika, satria tsy fantatra izay soa mety horaisina avy amin’izy ireny, indray andro any.” Raha ianarantsika tsara ny Tenin’Andriamanitra sy ny boky aman-gazety avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana, dia ‘hampahatsiaro antsika’ an’izay nianarantsika ny fanahy masina rehefa ao anatin’ny sarotra isika.—Jaona 14:26.

Voaro amin’ny fandrahonana

Nandrahona ny Jiosy i Rabsake. Hoy izy: “Aoka ianao hifanamby amin’ny tompoko, dia ny mpanjakan’i Asyria: Homeko soavaly roa arivo ianao, dia ho hita eo raha manana olona afaka hitaingina azy. Hataonao ahoana no hampandositra governora anankiray, na dia izay anisan’ny kely indrindra amin’ny mpanompon’ny tompoko aza.” (2 Mpanj. 18:23, 24) Toa tsy haharesy ny tafika maherin’ny Asyrianina mihitsy ry Hezekia, raha araka ny fijerin’olombelona.

Mety ho toa mahery be koa ny mpanenjika ankehitriny, indrindra rehefa manohana azy ireo ny fanjakana. Toy izany mihitsy ireo mpanenjika tamin’ny andron’ny Nazia, tamin’ny Ady Lehibe II. Maro ny mpanompon’Andriamanitra norahonana. Nitantara ny fomba nampitahorana azy ny rahalahy iray nigadra an-taonany maro. Nilaza taminy ny manam-pahefana, indray mandeha, hoe: “Hitanao ve ny nitifirana ny zandrinao lahy? Dia inona izao no tokony hataonao?” Namaly izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah aho, ary tsy hiova mihitsy.” Nampitahorina izy hoe: “Dia ianao izany no hotifirina manaraka.” Tsy nivadika mihitsy anefa izy, ary tsy nandrahona azy intsony ny fahavalo. Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Nitoky tamin’ny anaran’i Jehovah aho.”—Ohab. 18:10.

Toy ny hoe manana ampinga lehibe isika raha tena mino an’i Jehovah. Miaro antsika amin’ny zava-drehetra alefan’i Satana mba hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izy io. (Efes. 6:16) Tsara àry ny mivavaka amin’i Jehovah mba hanatanjahany ny finoantsika. (Lioka 17:5) Ilaina koa ny manararaotra ny fandaharana avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana, izay natao hanatanjahana ny finoantsika. Nanome toky an’i Ezekiela mpaminany i Jehovah, ary mampahery antsika izany rehefa misy mandrahona isika. Tsy maintsy nampita hafatra tamin’ny vahoaka mafy loha izy. Hoy i Jehovah taminy: “Ataoko mafy hoatran’ny tarehin’izy ireo ny tarehinao, ary ny handrinao ataoko mafy hoatran’ny handriny. Ataoko mafy hoatran’ny diamondra, eny, mafy noho ny vatoafo, ny handrinao.” (Ezek. 3:8, 9) Azon’i Jehovah atao mafy toy ny diamondra isika, toy ny nataony tamin’i Ezekiela, raha ilaina izany.

Mahatohitra fakam-panahy

Hitan’ny mpanohitra fa mety hampivadika ny olona ny fakam-panahy, rehefa tsy misy mahomby ny tetika hafa. Izany no nataon’i Rabsake. Hoy izy tamin’ny mponin’i Jerosalema: “Izao no nolazain’ny mpanjakan’i Asyria: ‘Meteza hitolo-batana amiko, ka mivoaha hankatỳ amiko ... mandra-pahatongako hitondra anareo ho any amin’ny tany izay tahaka ny taninareo, dia tany misy varimbazaha sy divay vaovao, tany misy mofo sy tanimboaloboka, tany misy hazo oliva fakana menaka ary tany misy tantely. Dia ho velona ianareo fa tsy ho faty.’ ” (2 Mpanj. 18:31, 32) Tsy maintsy ho nampilendalenda be an’ireo mponina natao fahirano ny hoe hihinana mofo vaovao sy hisotro divay vaovao.

Nampanantenaina zavatra toy izany ny misionera iray mba hivadihany. Nilazana izy fa halefa any amin’ny “trano mahafinaritra” misy “zaridaina tsara tarehy” mandritra ny enim-bolana, mba hieritreretany. Tapa-kevitra ny tsy hivadika anefa ilay rahalahy, ary nankatò ny toro lalan’ny Baiboly foana. Inona no nanampy azy? Hoy izy tatỳ aoriana: ‘Nosaintsainiko foana hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanatanjaka ahy ny fahalalana momba azy io. Tsy nisalasala mihitsy aho. Ninoako kosa fa tena misy izy io, ka tsy nivadika aho.’

Mihevitra koa ve isika fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra? Nahavita niaritra fitsapana i Abrahama sy ny apostoly Paoly ary Jesosy, satria nihevitra fa tena misy ilay Fanjakana. (Fil. 3:13, 14; Heb. 11:8-10; 12:2) Mety halaim-panahy hitady fanamaivanana mihelina isika, rehefa iharam-pitsapana. Hahatohitra an’izany anefa isika, raha ataontsika loha laharana foana ilay Fanjakana ary saintsainintsika ireo fitahiana mandrakizay hoentin’izy io.—2 Kor. 4:16-18.

Tsy hahafoy antsika i Jehovah

Natoky tanteraka an’i Jehovah i Hezekia sy ny olony, na dia niezaka nampahatahotra azy ireo aza i Rabsake. (2 Mpanj. 19:15, 19; Isaia 37:5-7) Namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah, ka nandefa anjely iray. Nandripaka miaramila 185 000 tao an-tobin’ny Asyrianina izy io, tao anatin’ny iray alina. Afa-baraka i Sankeriba ka niverina haingana tany Ninive renivohiny, niaraka tamin’ireo olom-bitsy sisa tsy maty.—2 Mpanj. 19:35, 36.

Tsy nahafoy an’ireo nitoky tanteraka taminy tokoa i Jehovah! Tsy niova izy, araka ny asehon’ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavintsika tsy mivadika na dia niharam-pitsapana aza. Ara-dalàna àry raha manome toky antsika toy izao ilay Raintsika any an-danitra: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”—Isaia 41:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Anaram-boninahitra asyrianina ny hoe “Rabsake.” Tsy voalaza ny tena anaran’io manam-pahefana ambony io.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Ao amin’ny Teniny, dia in-30 mahery i Jehovah no manome toky ny mpanompony hoe: “Aza matahotra”

[Sary, pejy 12]

Nahoana no mitovy ny paikady nampiasain’i Rabsake sy ny an’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

[Sary, pejy 15]

Tsy hivadika ao anatin’ny fitsapana isika raha mifandray akaiky amin’i Jehovah