Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandraisa Anjara Feno Amin’ilay Asa Fijinjana Lehibe

Mandraisa Anjara Feno Amin’ilay Asa Fijinjana Lehibe

Mandraisa Anjara Feno Amin’ilay Asa Fijinjana Lehibe

‘Aoka ianareo ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.’—1 KOR. 15:58.

1. Inona no fanasana nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany?

NANDALO tany Samaria i Jesosy tamin’ny faramparan’ny taona 30, ary niala sasatra kely teo amin’ny fantsakana iray, akaikin’ny tanànan’i Sykara. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Jaona 4:35) Tsy fijinjana ara-bakiteny no tiany holazaina, fa fanangonana an’ireo olona tso-po mba ho mpanara-dia azy. Fanasana io tenin’i Jesosy io, raha ny marina. Be dia be mantsy ny asa nefa kely ny fotoana!

2, 3. a) Inona no porofo fa tena fotoam-pijinjana izao androntsika izao? b) Inona no hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity?

2 Amin’izao andro izao indrindra no mihatra ilay tenin’i Jesosy momba ny fijinjana. “Masaka hojinjaina” mantsy ny vokatra eo amin’ny saha itoriantsika maneran-tany. An-tapitrisany no mandray an’ilay hafatra manome fiainana, ary an’arivony no atao batisa isan-taona. Tombontsoa ho antsika ny mandray anjara amin’io asa fijinjana mbola tsy nisy toa azy io, eo ambany fitarihan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompon’ny vokatra. “Be atao” amin’io asa lehibe io ve ianao?—1 Kor. 15:58.

3 Nampiofana ny mpianany hanao ilay asa fijinjana i Jesosy, nandritra ny telo taona sy tapany nanompoany teto an-tany. Nampianatra lafin-javatra maro izy, fa telo no hodinihintsika. Tsy inona izany fa toetra telo, izay tena ilaina rehefa manao mpianatra. Hojerentsika tsirairay izy ireo.

Tena ilaina ny fanetren-tena

4. Inona no nataon’i Jesosy mba hampianarana fa zava-dehibe ny fanetren-tena?

4 Indray mandeha dia nifanditra ireo mpianatra hoe iza amin’izy ireo no lehibe indrindra. Hita hoe samy sosotra sy tsy nifampatoky izy ireo. Niantso zaza iray àry i Jesosy ka nataony teo afovoany, ary hoy izy: “Izay manetry tena tahaka ity zaza ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Vakio ny Matio 18:1-4.) Ny olona manankarena sy manana fahefana ary malaza no heverina ho ambony, eto amin’ity tontolo ity. Tian’i Jesosy hianatra anefa ny mpianany hoe izay manetry tena no lehibe. Ny olona toy izany ihany mantsy no tahin’i Jehovah sy ampiasainy.

5, 6. Nahoana ianao no mila manetry tena raha te handray anjara feno amin’ilay asa fijinjana? Milazà ohatra.

5 Variana mikatsaka harena sy fahefana ary laza ny olona maro ankehitriny, ka tsy manam-potoana hanompoana an’Andriamanitra. (Mat. 13:22) Tsy manao toy izany kosa ny mpanompon’i Jehovah fa manetry tena. Faly izy ireo satria tahin’ilay Tompon’ny vokatra sy ankasitrahany.—Mat. 6:24; 2 Kor. 11:7; Fil. 3:8.

6 Ohatra amin’izany i Francisco, anti-panahy any Amerika Atsimo. Tamin’izy mbola tanora, dia niala tamin’ny oniversite izy mba hanao mpisava lalana. Hoy izy: “Afaka nahazo asa tsara karama aho, raha tiako. Rehefa nanambady anefa aho dia naleonay mivady nanana fiainana tsotra, ary nanompo manontolo andro. Nanan-janaka izahay tatỳ aoriana, ka sarotra kokoa ny fiainanay. Nanampy anay foana anefa i Jehovah.” Efa 30 taona izay i Francisco no anti-panahy, sady nahazo fanendrena manokana maro. “Tsy nanenenanay mihitsy”, hoy izy, “ny nanana fiainana tsotra.”

7. Inona no ezaka efa nataonao mba hampiharana ny Romanina 12:16?

7 Mety hahazo tombontsoam-panompoana sy fitahiana maro koa ianao, raha tsy mitady zavatra ambony be eo amin’ny fiainana fa ‘mikatsaka zavatra tsotra.’—Rom. 12:16; Mat. 4:19, 20; Lioka 18:28-30.

Mahazo fitahiana izay mazoto

8, 9. a) Fintino ilay fanoharana momba ny talenta. b) Iza no tena hahazo fampaherezana avy amin’io fanoharana io?

8 Toetra tena ilaina koa ny fahazotoana, mba handraisana anjara feno amin’ny asa fijinjana. Nanasongadina izany i Jesosy tamin’ilay fanoharana momba ny talenta. * Handeha any an-tany hafa ny lehilahy iray, ka nanankina ny fananany tamin’ny mpanompony telo. Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray nomeny roa, ary ilay farany nomeny iray. Nazoto niasa ireo mpanompo roa ka “nampiasa” ireo talenta avy hatrany. “Kamo” kosa anefa ilay mpanompo fahatelo, ka nandevina ny talenta azony. Namaly soa an’ireo mpanompo nazoto ilay lehilahy rehefa tafaverina, ka nanendry azy ireo “hiandraikitra zavatra maro.” Nalainy kosa ny talenta tany amin’ilay fahatelo, ary noroahiny izy io.—Mat. 25:14-30.

9 Azo inoana fa te hanahaka an’ireo mpanompo mazoto tao amin’ilay fanoharana ianao, ka te handray anjara feno amin’ny asa fanaovana mpianatra. Ahoana anefa raha tsy mahavita be ianao, noho ny toe-javatra misy anao? Sahirana ara-bola ve, ohatra, ianao ka tsy maintsy miasa be foana mba hamelomana ny ankohonanao? Sa tsy salama ianao, na efa be taona? Raha izany dia misy lafiny tena hampahery anao amin’ilay fanoharana.

10. Ahoana no ahitana fa tsy mitaky be loatra amin’ny mpanompony ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana? Nahoana izany no mampahery anao?

10 Mariho fa fantatr’ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana hoe tsy mitovy ny zavatra mety ho vitan’ireo mpanompony. “Araka ny fahaizany avy” mantsy no nanomezany talenta azy ireo. (Mat. 25:15) Betsaka kokoa ny tombony azon’ilay mpanompo voalohany noho ny an’ilay faharoa. Samy nankasitrahan’ilay tompony anefa izy ireo satria nazoto. Samy nantsoiny hoe mpanompo “tsara sady mendri-pitokisana” izy ireo, ary nitovy ny valisoa nomeny azy. (Mat. 25:21, 23) Fantatr’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompon’ny vokatra, koa fa miankina amin’ny toe-javatra misy anao ny fanompoana vitanao. Tena hankasitraka sy hamaly soa anao izy, rehefa manompo amin’ny fo manontolo ianao.—Mar. 14:3-9; vakio ny Lioka 21:1-4.

11. Milazà ohatra ahitana fa mahazo fitahiana tondraka izay mazoto foana, na dia miatrika olana aza.

11 Afaka ny hazoto foana isika, ary tsy miankina amin’izay olana misy eo amin’ny fiainantsika izany. Ohatra amin’izany i Selmira, anabavy iray any Brezila. Maty voatifitry ny mpandroba ny vadiny, 20 taona lasa izay. Lasa mpiasa an-trano àry izy mba hamelomana ny zanany telo. Reraka be foana izy satria nandeha lavitra tao anaty fitateram-bahoaka feno hipoka, ary niasa nandritra ny ora maro. Nalaminy anefa ny fiainany ka nanao mpisava lalana maharitra izy. Lasa mpisava lalana koa ny zanany roa tatỳ aoriana. Hoy izy: “Olona 20 mahery no efa nampianariko Baiboly, ary lasa toy ny fianakaviako mihitsy. Faly aho satria tena mpinamana be izahay. Tsy voavidim-bola mihitsy izany!” Tena nazoto i Selmira ka namaly soa azy ilay Tompon’ny vokatra.

12. Ahoana no ahitana fa mazoto mitory isika?

12 Ahoana raha tsy manam-potoana betsaka hanompoana ianao, noho ny toe-javatra misy anao? Mbola afaka mandray anjara feno amin’ilay asa fijinjana ihany ianao raha manatsara ny fanompoanao ka miezaka hahita vokatra. Ampiharo tsara ny torohevitra omena amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, dia hahay hitory kokoa ianao sady ho afaka hanao karazana fitoriana hafa. (2 Tim. 2:15) Mety ho azonao ajanona na atao amin’ny fotoana hafa koa izay tsy zava-dehibe loatra, mba ho afaka hitory tsy tapaka miaraka amin’ny fiangonana ianao.—Kol. 4:5.

13. Inona no tena mahatonga ny olona iray hazoto hanompo?

13 Tadidio fa hazoto hanompo isika raha tia sy mankasitraka an’i Jehovah. (Sal. 40:8) Natahotra ilay mpanompo fahatelo tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, satria noheveriny fa hentitra loatra sy sarotsarotiny ilay tompony. Naleviny àry ilay talenta fa tsy mba nampiasainy hahazoana tombony ho an’ny tompony. Mila mifandray tsara foana amin’i Jehovah, ilay Tompon’ny vokatra, isika, mba tsy ho toa an’ilay mpanompo kamo. Manokàna àry fotoana hianarana sy hisaintsainana ny toetra tsarany, toy ny fitiavana, faharetana, ary famindram-po. Ho vonona hanao izay farany vitanao amin’ny fanompoana ianao amin’izay.—Lioka 6:45; Fil. 1:9-11.

“Aoka ho masina ianareo”

14. Inona no takina amin’ireo te handray anjara amin’ilay asa fijinjana?

14 Naverin’ny apostoly Petera ny zavatra iray takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony, tao amin’ny Soratra Hebreo. Hoy izy: “Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, fa voasoratra hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.’ ” (1 Pet. 1:15, 16; Lev. 19:2; Deot. 18:13) Midika izany fa tsy maintsy tsara fitondran-tena sy madio ara-panahy ireo mandray anjara amin’ilay fijinjana. Inona àry no hanampy antsika hadio sy tsy hisy tsiny? Ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra.

15. Afaka manao inona ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra?

15 Toy ny rano manadio ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly fa madio eo imason’Andriamanitra ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. Toy ny ampakarin’i Kristy izy io, ary nodioviny ‘tamin’ny rano fandroana, tamin’ny alalan’ny teny, mba ho masina sy tsy misy tsiny.’ (Efes. 5:25-27) Nitory ny tenin’Andriamanitra i Jesosy, ary nilaza fa afaka manadio izy io. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo.” (Jaona 15:3) Afaka manadio antsika àry ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra, ka mahatonga antsika ho tsara fitondran-tena sy hadio ara-panahy. Tsy hankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahantsika raha tsy manaiky hodiovina isika.

16. Ahoana no hahatonga antsika ho madio sy masina foana?

16 Tsy maintsy miala amin’ny fomba fiaina rehetra heverin’Andriamanitra ho tsy madio àry aloha isika, vao afaka mandray anjara amin’ilay asa fijinjana. Raha tsy te hamoy an’io tombontsoa io isika avy eo, dia mila manaraka ny fitsipik’i Jehovah, mba hadio fitondran-tena sy tsy hisy tsiny. (Vakio ny 1 Petera 1:14-16.) Mitandrina foana, ohatra, isika mba hadio ara-batana. Mitandrina foana koa isika mba hadio ara-panahy, ka manaiky hodiovin’ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra. Ilaintsika àry ny mamaky Baiboly sy manatrika fivoriana, ary miezaka mafy mampihatra izay nolazain’i Jehovah. Tsy ho resin’ny fanirian’ny nofo isika amin’izay, sady hahatohitra ny fitaoman-dratsin’ity tontolo ity. (Sal. 119:9; Jak. 1:21-25) Tena mampahery ny mahafantatra fa afaka ny ho “voasasa madio” isika, na dia nanao fahotana lehibe aza, noho ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra!—1 Kor. 6:9-11.

17. Inona no torohevitry ny Baiboly tsy maintsy ampiharintsika, raha te hadio foana isika?

17 Tena manaiky hodiovin’ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra ve ianao? Manaiky ve, ohatra, ianao rehefa ampitandremana hoe mampidi-doza ny fialam-bolin’ity tontolo ity? (Sal. 101:3) Mitandrina ve ianao mba tsy hiaraka be amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra tsy mpanompon’i Jehovah? (1 Kor. 15:33) Tena miezaka ve ianao mba handresy ny fahalemenao, izay mety hahatonga anao tsy hadio eo imason’i Jehovah? (Kol. 3:5) Tsy miandany mihitsy ve ianao rehefa misy adilahy politika, na lalao ara-panatanjahan-tena manindrahindra firenena?—Jak. 4:4.

18. Inona no vokany rehefa madio sy masina isika?

18 Misy vokany tsara rehefa mankatò an’ireo torohevitra ireo ianao. Noharin’i Jesosy tamin’ny sampam-boaloboka, izay rantsanana na diovina, ny mpianany voahosotra. Hoy izy: “Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia [esorin’ny Raiko] daholo. Ary izay mamoa kosa rantsanany hadio mba hamoa bebe kokoa.” (Jaona 15:2) Hamoa bebe kokoa ianao raha manaiky hodiovin’ny ranon’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Fitahiana ankehitriny sy amin’ny hoavy

19. Inona avy no fitahiana azon’ireo mpianatra nanaiky ny fampiofanan’i Jesosy?

19 Tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra nanaiky ny fampiofanan’i Jesosy. Nahazo hery izy ireo mba ho vavolombelona “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asa. 1:8) Nisy tamin’izy ireo lasa anisan’ny filan-kevi-pitantanana sy misionera ary anti-panahy mpitety faritany. Notorina “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara, noho ny ezaka nataony. (Kol. 1:23) Nahazo fitahiana be dia be tokoa izy ireo! Nitondra fifaliana ho an’ny maro koa izany.

20. a) Inona no fitahiana azonao, noho ianao mandray anjara feno amin’ilay asa fijinjana? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

20 Eny tokoa, handray anjara feno amin’ilay asa fijinjana atao ankehitriny isika, raha manetry tena sy mazoto foana ary manaraka tsara ny fitsipiky ny Baiboly. Maro no kivy sy diso fanantenana eto amin’ity tontolo ity, satria harena sy fahafinaretana fotsiny no katsahiny. Isika kosa tena faly sy afa-po. (Sal. 126:6) Ambonin’izany, dia ‘tsy very maina ny asa mafy ataontsika ao amin’ny Tompo.’ (1 Kor. 15:58) Hamaly soa antsika mandrakizay i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompon’ny vokatra, noho ‘izay ataontsika sy ny fitiavana asehontsika ho an’ny anarany.’—Heb. 6:10-12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Momba an’i Jesosy sy ny mpianany voahosotra io fanoharana io, nefa misy toro lalana azon’ny Kristianina rehetra ampiharina.

Tadidinao Ve?

Mba handraisanao anjara feno amin’ilay asa fijinjana...

• nahoana ianao no mila manetry tena?

• ahoana no hahatonga anao hazoto foana?

• nahoana ianao no tsy maintsy madio sy masina foana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Afaka manana fiainana tsotra isika ka mifantoka amin’ny fanompoana, rehefa manetry tena