Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Miezaha Mafy Amin’ny Fampianarana’

‘Miezaha Mafy Amin’ny Fampianarana’

‘Miezaha Mafy Amin’ny Fampianarana’

HOY i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina ny anareo satria izany tokoa aho.” (Jaona 13:13) Nasongadiny teo fa mpampianatra izy. Nandidy ny mpanara-dia azy toy izao izy, taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Mat. 28:19, 20) Nohamafisin’ny apostoly Paoly koa tatỳ aoriana fa zava-dehibe ny ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Timoty, anti-panahy kristianina: ‘Miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana. Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.’—1 Tim. 4:13-15.

Lafiny lehibe amin’ny fanompoana sy ny fivoriana kristianina koa ankehitriny ny fampianarana. Ahoana no hiezahantsika mafy amin’ny fampianarana? Nahoana izany no manampy antsika handroso ka ho lasa mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra mahay kokoa?

Tahafo ilay Mpampianatra Lehibe

Nahafinaritra ny olona maro nihaino azy ny fomba fampianatr’i Jesosy. Mariho ny fihetsiky ny olona nihaino azy tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Hoy i Lioka mpanoratra Filazantsara: “Nidera azy daholo ny rehetra, ary gaga noho ny teny mahafinaritra naloaky ny vavany.” (Lioka 4:22) Nanahaka ny fomba fitorin’ilay Mpampianatra ny mpianany. Nampirisika ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Kor. 11:1) Nanahaka ny fomba fampianatr’i Jesosy i Paoly, ka tena nahay ‘nampianatra ampahibemaso sy isan-trano.’—Asa. 20:20.

Nampianatra “teny an-tsena”

Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-17 fa tena nahay nampianatra ampahibemaso i Paoly. Voalaza ao fa tonga tao Atena, any Gresy, izy, ary hitany fa feno sampy ilay tanàna, na teny an-dalana na teny amin’ny toerana be olona. Tsy nahagaga raha sorena be izy. Nifehy tena anefa izy, ary ‘niezaka nandresy lahatra ny olona tany amin’ny synagoga. Nanao toy izany koa izy tamin’izay sendra hitany teny an-tsena isan’andro.’ (Asa. 17:16, 17) Ohatra tsara ho antsika tokoa izany! Aoka isika hitory amin’ny olona tsy an-kanavaka ary tsy hitsaratsara fa hanaja. Hihaino antsika ny olona sasany, amin’izay, ary ho afaka amin’ny fanandevozan’ny fivavahan-diso izy ireo, amin’ny farany.—Asa. 10:34, 35; Apok. 18:4.

Tsy mora ny nitory tamin’ny olona hitan’i Paoly teny an-tsena. Filozofa ny sasany taminy, ary tsy nifanaraka tamin’ny fahamarinana notorin’i Paoly ny foto-pisainany. Azo antoka fa nanisy fiheverana an’izay nolazain’ny mpanohitra azy i Paoly. Nisy niantso azy hoe “be resaka” (“mpitsindroka voa”, raha ara-bakiteny). Ny hafa kosa niteny hoe: “Toa mpitory momba ny andriamanitra vaovao, hono, izy io.”—Asa. 17:18.

Tsy nahakivy an’i Paoly anefa ny fanaratsian’ireo nihaino azy. Nanararaotra nanao lahateny nety tsara tamin’izy ireo kosa izy, rehefa nasaina nanazava ny fampianarany. Hita tamin’izay fa tena nahay nampianatra izy. (Asa. 17:19-22; 1 Pet. 3:15) Andao isika handinika ny tsipirian’io lahateniny io, ary handray fianarana avy amin’izany. Hanampy antsika hahay hampianatra kokoa izany.

Mitadiava marimaritra iraisana

Hoy i Paoly: ‘Ry Atenianina, hitako fa amin’ny zava-drehetra dia matahotra kokoa an’ireo andriamanitra ianareo raha oharina amin’ny olon-kafa. Raha nandinika tsara ny zavatra ivavahanareo aho, ohatra, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra.” Koa izay tsy fantatrareo nefa ivavahanareo, dia izy no toriko aminareo.’—Asa. 17:22, 23.

Nandinika tsara ny manodidina i Paoly, ka nahalala zavatra betsaka momba ny olona niresahany. Hahalala zavatra momba ny olona iresahantsika koa isika, raha mahay mandinika. Mety hisy kilalao eny an-tokotany, na hisy soratra na sary eo am-baravarana. Ho afaka hifidy tsara izay lazaintsika sy ny fomba ilazantsika izany isika, raha fantapantatsika ny toe-javatra misy an’ilay olona.—Kol. 4:6.

Tsy nitsaratsara i Paoly rehefa nitory. Hitany anefa fa diso ny fivavahan’ireo Atenianina. Nolazain’i Paoly mazava tsara izay azon’izy ireo atao mba hivavahana amin’ilay tena Andriamanitra. (1 Kor. 14:8) Tena ilaintsika koa ny miteny mazava tsara sy tsy mitsaratsara olona, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana!

Mahaiza mandanjalanja ary aza manavakavaka

Hoy ihany i Paoly: “Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy, eny, Izy izay Tompon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana. Ary tsy mila karakarain’ny tanan’olona izy, toy ny hoe mila zavatra, satria izy no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.”—Asa. 17:24, 25.

Nisarika ny sain’ny mpihaino azy ho amin’i Jehovah, ilay Mpanome Aina, i Paoly. Nifidy tsara ny teny nolazainy anefa izy, ka niantso an’i Jehovah hoe “Tompon’ny lanitra sy ny tany.” Faly tokoa isika manampy an’ireo olona tso-po avy amin’ny fivavahana sy kolontsaina samihafa, mba hahalalan’izy ireo fa i Jehovah Andriamanitra no loharanon’aina.—Sal. 36:9.

Hoy i Paoly avy eo: ‘Ary avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny olona any amin’ny firenena rehetra, ary efa nisy fotoana voatondrony sy faritra noferany honenan’ny olona, mba hitadiavan’ireo azy raha mitsapatsapa mitady azy izy ireo ka tena hahita azy tokoa. Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy.’—Asa. 17:26, 27.

Afaka mampiseho amin’ny fomba fampianatsika isika hoe Andriamanitra manao ahoana no ivavahantsika. Tsy manavakavaka i Jehovah ka avelany ‘hitsapatsapa hitady azy’ ny olona any amin’ny firenena rehetra, ary “tena hahita azy tokoa.” Tsy manavakavaka koa isika ka iresahantsika ny olon-drehetra. Miezaka manampy an’ireo mino ny Mpamorona isika, mba hifandraisan’izy ireo aminy ka hahazoany fitahiana mandrakizay. (Jak. 4:8) Ahoana kosa no hanampiantsika an’ireo tsy tena mino an’Andriamanitra? Mila manahaka an’i Paoly isika. Mariho izay nolazainy.

“Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika, araka ny voalazan’ny poety sasany eo aminareo hoe: ‘Fa naterany koa isika.’ Koa satria naterak’Andriamanitra isika, dia tsy tokony hihevitra an’Andriamanitra ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato.”—Asa. 17:28, 29.

Tian’i Paoly hihaino azy ny Atenianina ka naka tenina poety fantatr’izy ireo sy ekeny izy. Mitady marimaritra iraisana koa isika, ka zavatra eken’ny mpihaino antsika no ampisaintsainantsika azy. Mbola mampiaiky hatramin’izao, ohatra, ilay fanoharana nampiasain’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Hoy izy: “Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Heb. 3:4) Hiaiky ny olona hoe marina izay lazaintsika, raha mampisaintsaina azy amin’ny alalan’io ohatra tsotra io isika. Nahatonga an’i Paoly hahay hampianatra koa ny fitadidiany hoe inona no nandrisika azy hitory.

Antitrantero fa kely sisa ny fotoana

Hoy i Paoly: “Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany tokoa Andriamanitra, fa ankehitriny kosa izy milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza, satria izy efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny.”—Asa. 17:30, 31.

Mbola tsy namarana ny faharatsiana aloha Andriamanitra, ka azontsika rehetra atao ny mampiseho aminy izay tena ao am-pontsika. Tena ilaina ny manantitrantitra fa kely sisa ny fotoana tavela. Ilaina koa ny mandresy lahatra ny olona fa efa tena akaiky ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana.—2 Tim. 3:1-5.

Fihetsika samihafa

“Nony nandre ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ireo dia naneso, fa ny sasany kosa nanao hoe: ‘Amin’ny manaraka izahay mbola hihaino anao ny amin’izany.’ Dia niala avy teo afovoan’izy ireo i Paoly. Fa nisy sasany kosa lasa nanaraka azy ka tonga mpino.”—Asa. 17:32-34.

Tonga dia mandray tsara ny fampianarantsika ny olona sasany. Ny hafa kosa elaela vao resy lahatra. Ataontsika mazava sy tsotra anefa ny fanazavantsika ny fahamarinana, ka na olona iray aza no lasa mahalala tsara an’i Jehovah, dia tena velom-pisaorana isika satria ampiasainy hitaona ny olona ho amin’ny Zanany.—Jaona 6:44.

Fianarana raisintsika

Manampy antsika hahay hanazava ny fahamarinana ara-baiboly ny lahatenin’i Paoly. Afaka miezaka manahaka azy isika, rehefa manao lahateny ho an’ny besinimaro eo anivon’ny fiangonana. Hampiasa teny voafidy tsara isika mba hanampiana ny tsy Vavolombelona hahazo sy hanaiky ny fahamarinana. Tiantsika hazava ny fahamarinana, nefa hitandrina isika mba tsy hanakiana ny zavatra inoan’izy ireo. Hiezaka koa isika mba hahay handresy lahatra sy hifidy tsara ny tenintsika, rehefa mitory. Manaraka ny torohevitr’i Paoly isika raha manao izany, satria tena ‘miezaka mafy amin’ny fampianarana.’

[Sary, pejy 30]

Nazava sy tsotra ny fampianaran’i Paoly, ary nahay nandanjalanja izy

[Sary, pejy 31]

Manahaka an’i Paoly isika rehefa mihevitra ny olona itoriantsika