Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mikaroka ao Anatin’ny Zava-dalin’Andriamanitra ny Fanahy’

‘Mikaroka ao Anatin’ny Zava-dalin’Andriamanitra ny Fanahy’

‘Mikaroka ao Anatin’ny Zava-dalin’Andriamanitra ny Fanahy’

‘Ny fanahy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, eny fa na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.’—1 KOR. 2:10.

1. Inona no anjara asan’ny fanahy masina nasongadin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 2:10, ary inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

TENA ankasitrahantsika ny fomba fiasan’ny fanahy masin’i Jehovah! Milaza ny Soratra Masina fa ny fanahy dia mpanampy, fanomezana, miangavy ho antsika, ary vavolombelona. (Jaona 14:16; Asa. 2:38; Rom. 8:26, 27; 1 Jaona 5:7, 8) Nanasongadina anjara asa lehibe iray koa ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Ny fanahy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, eny fa na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.’ (1 Kor. 2:10) Mampiasa ny fanahiny tokoa i Jehovah, mba hampiharihariana fahamarinana lalina. Tsy hahalala ny fikasany mihitsy isika raha tsy izany. (Vakio ny 1 Korintianina 2:9-12.) Ahoana anefa no ‘ikarohan’ny fanahy ao anatin’ny zava-dalin’Andriamanitra’? Iza no nampihariharian’i Jehovah an’izany, tamin’ny taonjato voalohany? Ahoana no ampiharihariana izany ankehitriny, ary iza no ampiasain’ny fanahy?

2. Inona ireo lafiny roa amin’ny fomba fiasan’ny fanahy masina?

2 Nanazava lafiny roa amin’ny fomba fiasan’ny fanahy i Jesosy. Hoy izy tamin’ny apostoly, taloha kelin’ny nahafatesany: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:26) Sady mpampianatra àry ny fanahy no mpampahatsiaro. Mpampianatra izy io rehefa manampy ny Kristianina hahatakatra fahamarinana mbola tsy nazava taloha. Mpampahatsiaro kosa izy io rehefa manampy azy ireo hitadidy an’izay nianarany, ary hahita ny fomba marina hampiharana azy ireny.

Tamin’ny taonjato voalohany

3. Inona no tenin’i Jesosy ahitana fa haharihary tsikelikely ireo “zava-dalin’Andriamanitra”?

3 Nampianatra fahamarinana vaovao maro an’ireo mpianany i Jesosy. Mbola nisy zavatra betsaka tokony hianaran’izy ireo anefa. Hoy i Jesosy: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny. Fa rehefa tonga izy, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana, dia hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra.” (Jaona 16:12, 13) Nasongadiny àry fa haharihary tsikelikely, amin’ny alalan’ny fanahy masina, ireo fahamarinana lalina.

4. Hazavao fa mpampianatra sy mpampahatsiaro ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33.

4 Tonga “ny fanahin’ny fahamarinana” tamin’ny Pentekosta taona 33, ka nilatsaka tamin’ny Kristianina 120 teo ho eo nivory tao Jerosalema. Nahita sy nandre porofo momba izany ny olona. (Asa. 1:4, 5, 15; 2:1-4) Lasa nahay fiteny samy hafa ireo mpianatra, ka nitory “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” (Asa. 2:5-11) Efa naminany an’io filatsahan’ny fanahy io i Joela. (Joela 2:28-32) Tsy nampoizin’ireo olona nanatrika teo mihitsy ilay zava-nitranga, ka nanazava an’ilay izy ny apostoly Petera. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:14-18.) Mpampianatra àry ny fanahy tamin’izay, satria nampiharihary fanazavana vaovao tamin’i Petera. Lasa takany fa fahatanterahan’ny faminanian’i Joela ilay filatsahan’ny fanahy masina. Mpampahatsiaro koa ny fanahy teo, satria nanonona salamo roa nataon’i Davida i Petera, ankoatra ny tenin’i Joela. (Sal. 16:8-11; 110:1; Asa. 2:25-28, 34, 35) Zava-dalin’Andriamanitra tokoa no hita sy ren’ireo rehetra tafavory teo.

5, 6. a) Inona avy no fanontaniana lehibe nipoitra momba ny fifanekena vaovao? b) Iza no nanao tatitra momba ilay adihevitra, ary ahoana no namahana izany?

5 Zavatra maro no nila nohazavaina tamin’ny taonjato voalohany. Nisy fanontaniana nipoitra, ohatra, mahakasika ny fifanekena vaovao, izay nanan-kery nanomboka tamin’ny Pentekosta. Natao ho an’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ihany ve izy io? Afaka ny ho tafiditra amin’izy io koa ve ireo hafa firenena, ka ho lasa voahosotry ny fanahy? (Asa. 10:45) Tokony hitandrina ny Lalàn’i Mosesy sy hoforana ve ny lehilahy hafa firenena? (Asa. 15:1, 5) Fanontaniana lehibe ireo. Nilaina àry ny fanahin’i Jehovah mba hikaroka an’ireo zava-dalina ireo. Iza anefa no hampiasain’ny fanahy amin’izany?

6 Rahalahy nanana andraikitra no nanao tatitra momba ireo fanontaniana ireo. Nivory ny filan-kevi-pitantanana ary teo koa i Petera sy Paoly ary Barnabasy, ka nitantara izay nataon’i Jehovah tamin’ny hafa firenena tsy voafora. (Asa. 15:7-12) Nanapa-kevitra avy eo ny filan-kevi-pitantanana, rehefa avy nandinika ny Soratra Hebreo sy nahazo ny fanampian’ny fanahy masina. Natao an-tsoratra ilay fanapahan-kevitra ary nalefa tany amin’ireo fiangonana.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:25-30; 16:4, 5; Efes. 3:5, 6.

7. Ahoana koa no nampiharihariana an’ireo fahamarinana lalina?

7 Nisy fanazavana hafa koa nalefa tamin’ny alalan’ny taratasy nosoratan’i Jaona, Petera, Jakoba, ary i Paoly. Nitsahatra anefa ny fahaiza-maminany sy ny fahalalana azo tamin’ny fomba mahagaga, taorian’ny nanoratana ny Soratra Grika Kristianina. (1 Kor. 13:8) Mbola ho mpampianatra sy mpampahatsiaro foana ve ny fanahy? Mbola hanampy ny Kristianina hikaroka ao anatin’ny zava-dalin’Andriamanitra ve izy io? Izany tokoa raha ny faminaniana no jerena.

Amin’ny fotoanan’ny farany

8, 9. Iza no “hamirapiratra” sy hahatakatra zava-dalina amin’ny fotoanan’ny farany?

8 Hoy ny anjely iray momba ny fotoanan’ny farany: “Hamirapiratra toy ny famirapiratry ny habakabaka ireo lalin-tsaina. Ary izay mitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana dia hamirapiratra toy ny kintana, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay ... ka hitombo be ny tena fahalalana.” (Dan. 12:3, 4) Iza ireo lalin-tsaina hamirapiratra? Ahafantarantsika izany ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary. Niresaka ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy, ka nilaza hoe: ‘Amin’izany fotoana izany ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.’ (Mat. 13:39, 43) Nohazavainy fa ireo “olo-marina”, dia ny “zanak’ilay fanjakana” na ireo Kristianina voahosotra.—Mat. 13:38.

9 Ny voahosotra rehetra ve no “hamirapiratra”? Azo lazaina hoe izany no izy. Ny Kristianina rehetra mantsy no mitory sy mampianatra ary mifampahery rehefa mivory, ka manome modely amin’izany ny voahosotra. (Zak. 8:23) Ahoana anefa no hampiharihariana an’ireo zava-dalina, ary iza no tena hampiasain’ny fanahy? Hisy zava-dalina haharihary mantsy amin’ny fotoanan’ny farany. Na ny faminanian’i Daniela aza nasiana “tombo-kase” mandra-pahatongan’io fotoana io.—Dan. 12:9.

10. a) Iza no ampihariharian’ny fanahy an’ireo fahamarinana lalina amin’ny andro farany? b) Ahoana no nanazavana tsikelikely ny hevitr’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah?

10 Ny Filan-kevi-pitantanana any amin’ny foibe no solontenan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Rehefa misy hevitra tokony hohazavaina amin’ny androntsika, dia manampy an’ireo rahalahy anisan’izy io ny fanahy masina, mba hahatakatra fahamarinana lalina tsy nazava teo aloha. (Mat. 24:45; 1 Kor. 2:13) Miara-midinika ny Filan-kevi-pitantanana rehefa misy fanazavana mila ahitsy. (Asa. 15:6) Havoakany mba hahasoa ny rehetra izany avy eo. (Mat. 10:27) Mety hisy koa fanazavana vaovao na fanampim-panazavana, rehefa mandeha ny fotoana.—Jereo ny efajoro hoe  “Nahariharin’ny Fanahy ny Hevitr’ilay Tempoly Ara-panahy.”

Mahasoa antsika ny fiasan’ny fanahy

11. Nahoana no mandray soa ny Kristianina, rehefa mampiharihary ny zava-dalin’Andriamanitra ny fanahy?

11 Ny Kristianina tsy mivadika rehetra no mandray soa, rehefa mampiharihary ny zava-dalin’Andriamanitra ny fanahy. Toa an’ireo Kristianina voalohany, dia mampianatra antsika zavatra maro ny fanahy masina. Mampahatsiaro antsika koa izy io, ary manampy antsika hahita ny fomba hampiharana an’izay nianarantsika. (Lioka 12:11, 12) Tsy voatery hoe nahita fianarana be isika vao hahatakatra an’ireo fahamarinana lalina navoaka. (Asa. 4:13) Inona no tokony hataontsika mba hazava kokoa amintsika ireo zava-dalin’Andriamanitra? Ireto misy soso-kevitra.

12. Rahoviana isika no mila mangataka ny fanahy masina?

12 Angataho ny fanahy masina. Mila mivavaka amim-panetren-tena isika mba hahazo ny tari-dalan’ny fanahy, alohan’ny handinihana ny Soratra Masina. Ilaina foana izany na irery aza isika, ary na fotoana fohy ihany aza no ianarantsika. Azo antoka fa hampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra izany. Nilaza i Jesosy fa tena hanome ny fanahy masina i Jehovah, raha mangataka aminy isika.—Lioka 11:13.

13, 14. Nahoana no manampy antsika hahatakatra an’ireo zava-dalina ny fanomanana fivoriana?

13 Omano ireo fivoriana. Manome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ny mpanompo mendri-pitokisana. Io “mpanompo” io no mamaritra hoe inona no hevitra hodinihina amin’ireo fivoriana sy hoe rahoviana izany no hianarana. Efa nodinihina sy nofidina tsara ireny fanazavana ireny, matoa asaina ianaran’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (1 Pet. 2:17; Kol. 4:16; Joda 3) Miara-miasa amin’ny fanahy masina àry isika rehefa manaraka tsara an’ireny torohevitra ireny.—Apok. 2:29.

14 Tokony hamaky an’ireo andinin-teny voatonona isika rehefa manomana fivoriana, ary hiezaka hahatakatra izay ifandraisany amin’ny hevitra dinihina. Hitombo tsikelikely ny fahalalantsika raha zatra manao izany isika. (Asa. 17:11, 12) Ho tadidintsika ny hevitra ao amin’ilay andininy amin’izay, ary hampahatsiahy antsika izany ny fanahy masina any aoriana. Ho tadidintsika koa hoe aiza ho aiza no misy an’ilay andininy, ka ho mora amintsika ny hahita azy amin’ny manaraka.

15. Nahoana isika no tokony haharaka ny famakiana an’ireo boky sy gazety? Inona no ataonao mba hahavitana izany?

15 Aoka ianao haharaka ny famakiana an’ireo boky sy gazety. Tsy dinihina amin’ny fivoriana ny boky sy gazety sasany, nefa natao hahasoa antsika. Ilaintsika koa na ireo gazetintsika ho an’ny besinimaro aza. Matetika isika no mila miandry, amin’izao fiainana mirotoroto izao, ka maninona raha mitondra zavatra hovakina? Misy indray mihaino an’ireo boky sy gazety noraisim-peo rehefa manao raharaha, na mandeha fiara. Nanaovana fikarohana lalina ireny lahatsoratra ireny, ary natao ho an’ny rehetra, ka manampy antsika ho tia sy hahatakatra hevitra ara-panahy.—Hab. 2:2.

16. Inona no soa azo rehefa soratantsika sy karohintsika ireo fanontaniana manitikitika ny saintsika?

16 Manokàna fotoana hisaintsainana, rehefa mamaky Baiboly na boky aman-gazety. Mety hisy fanontaniana ho tonga ao an-tsainao, raha mandinika ny fifandraisan’ireo hevitra ianao. Soraty izy ireny ary karohy amin’ny manaraka. Vonona handalina kokoa isika rehefa misy zavatra manitikitika ny saintsika. Lasa toy ny harena voatahiry ao anatintsika ireny fahalalana ireny, ka azontsika ampiasaina rehefa ilaina.—Mat. 13:52.

17. Isaky ny inona ianareo no manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na mianatra samirery, ary inona no dinihinareo?

17 Manaova fotoam-pivavahan’ny fianakaviana. Nampirisika antsika rehetra ny Filan-kevi-pitantanana mba hanokana takariva iray na fotoana hafa isan-kerinandro, hianarana samirery na hanaovana fianaram-pianakaviana. Azo atao tsara izany, satria efa novana ny fandaharam-pivoriana. Inona no ataonareo amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Misy mamaky Baiboly, ka manao fikarohana momba izay andinin-teny tsy azony, ary manisy fanamarihana kely ao amin’ny Baiboliny. Fianakaviana maro no mandinika ny fomba hampiharany ny zavatra nianarany. Ny loham-pianakaviana sasany mifidy lahatsoratra hitany fa ilain’izy mianakavy, na hevitra tian’izy ireo na fanontaniana napetrak’izy ireo. Azo antoka fa hahita hevitra hafa azo dinihina ianareo, rehefa mandeha ny fotoana. *

18. Nahoana isika no tokony hazoto handalina ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

18 Nilaza i Jesosy fa mpanampy ny fanahy masina. Tokony hazoto handalina an’ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra foana àry isika. Tena sarobidy izy ireny satria anisan’ny “fahalalana an’Andriamanitra”, ka asaina karohintsika. (Vakio ny Ohabolana 2:1-5.) Izy ireny koa no mampahafantatra an’ireo “zavatra nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia azy.” Hanampy antsika ny fanahy masina, rehefa miezaka hianatra ny Tenin’i Jehovah isika. “Ny fanahy mantsy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, eny fa na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.”—1 Kor. 2:9, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Jereo koa Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2008, pejy 8.

Ahoana no Havalinao?

• Inona ireo lafiny roa anampian’ny fanahy antsika hikaroka ao anatin’ny “zava-dalin’Andriamanitra”?

• Iza no nampihariharian’ny fanahy an’ireo fahamarinana lalina, tamin’ny taonjato voalohany?

• Ahoana no fomba fiasan’ny fanahy masina ankehitriny rehefa misy fahamarinana mila hazavaina?

• Inona no azonao atao mba handraisan-tsoa avy amin’ny fanahy?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 22]

 Nahariharin’ny Fanahy ny Hevitr’ilay Tempoly Ara-panahy

Manondro tempoly ara-panahy lehibe ny tranolay sy ny tempoly fahiny. Anisan’ireo “zava-dalin’Andriamanitra” naharihary tamin’ny taonjato voalohany izany. Niantso azy io hoe “tena tranolay, izay naorin’i Jehovah fa tsy naorin’olona” i Paoly. (Heb. 8:2) Fandaharana natao hanatonana an’Andriamanitra miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy Mpisoronabe, io tempoly ara-panahy io.

Nanomboka nisy io “tena tranolay” io, tamin’ny taona 29, rehefa natao batisa i Jesosy ary neken’i Jehovah mba hatao sorona lavorary. (Heb. 10:5-10) Niditra tao amin’ny Masina Indrindra amin’ilay tempoly ara-panahy i Jesosy, taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty, ka nanolotra ny vidin’ny sorona nataony teo “anatrehan’Andriamanitra.”—Heb. 9:11, 12, 24.

Nilaza i Paoly, ao amin’ny Efesianina, fa ‘misondrotra mba ho tonga tempoly masina ho an’i Jehovah’ ireo voahosotra. (Efes. 2:20-22) Io tempoly io ihany ve ilay “tena tranolay” resahin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo? Nino izany ny mpanompon’i Jehovah nandritra ny am-polony taona. Nihevitra izy ireo fa omanina etỳ an-tany ireo voahosotra, mba ho “vato” hanorenana ilay tempoly ara-panahy any an-danitra.—1 Pet. 2:5.

Talohan’ny 1971 anefa, dia takatr’ireo anisan’ny mpanompo mendri-pitokisana, fa tsy ilay tempoly ara-panahy lehibe no resahin’i Paoly ao amin’ny Efesianina. Raha anisan’ilay “tena tranolay” mantsy ireo voahosotra tafatsangana amin’ny maty, dia mandritra ny “fanatrehan’ny Tompo” vao ho nisy ilay tempoly, satria tamin’izay vao nanomboka ny fananganana azy ireo. (1 Tes. 4:15-17) Efa tamin’ny taonjato voalohany anefa no nisy izy io, satria hoy i Paoly momba ilay tranolay taloha: “Fanoharana enti-milaza an’izao fotoana voatondro izao io tranolay io.”—Heb. 9:9.

Nampitahaina tsara ireo andininy ireo sy ny andininy hafa, ka nazava fa tsy vao aorina akory ilay tempoly ara-panahy, ary tsy “vato” hanorenana azy io ireo voahosotra. Manompo eo an-tokotany sy ao amin’ny Masina amin’ilay tempoly ara-panahy kosa izy ireo, ka manao “sorona fiderana” ho an’Andriamanitra isan’andro.—Heb. 13:15.

[Sary, pejy 23]

Inona no tokony hataontsika mba hazava kokoa amintsika ireo “zava-dalin’Andriamanitra”?