Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanararaotra Nitory Izy Ireo!

Nanararaotra Nitory Izy Ireo!

Nanararaotra Nitory Izy Ireo!

MAILAKA hitory ve ianao, rehefa misy toe-javatra azo hararaotina? Izany no nataon’ireo rahalahintsika any Turku, tanàna manan-tantara any Failandy, izay misy seranan-tsambo lehibe. Nahay nanararaotra izy ireo ka nahomby.

Vao tsy ela izay, dia voamarik’ireo rahalahy tao Turku hoe nisy lehilahy be dia be tonga tao an-tanànany. Avy any Azia izy ireo, ary tonga hamita ny fanamboarana sambo lehibe iray mpitondra mpitsangantsangana. Hitan’ny rahalahy iray ny hotely nipetrahan’izy ireo, ary fantany fa misy bisy mitatitra azy ireo mankeny amin’ny seranana isa-maraina. Nampandre avy hatrany an’ilay fiangonana miteny anglisy ao Turku àry ilay rahalahy.

Hitan’ireo anti-panahy tao amin’io fiangonana io fa tokony hanararaotra hitory amin’ireo mpiasa maro be ireo izy ireo. Avy hatrany àry izy ireo dia nanao fandaharana manokana, ka ny alahadin’io ihany, dia nankeny amin’ilay toerana fakana bisy ny mpitory folo, tamin’ny fito maraina. Tsy nisy mpiasa hitan’izy ireo anefa tamin’ny voalohany, ka nifanontany ry zareo hoe: ‘Tara àry ve isika?’ ‘Efa tsy eto Turku intsony ve ry zareo?’ Nisy mpiasa iray tonga anefa avy eo, nanao akanjo fitondra miasa. Nisy iray koa tonga, ary tonga tsikelikely ny hafa. Tsy ela dia feno mpiasa nitangorona teo amin’ilay toerana. Tsy nitaredretra ireo mpitory, fa nanatona avy hatrany azy ireo ary nanomboka nizara boky sy gazety tamin’ny teny anglisy. Soa ihany fa adiny iray teo ho eo vao nandeha ilay bisy, ka nanam-potoana tsara ireo mpitory mba hiresahana tamin’ny ankamaroan’ireo mpiasa. Bokikely 126 sy gazety 329 no voazara!

Nahomby ilay fitoriana, ka notohizina indray ilay ezaka manokana ny herinandro nanaraka, izay fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Avy ny orana tamin’izay nefa mpitory 24 no tonga. Nitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana ny mpiandraikitra tamin’ny enina maraina, ary avy eo nankeny amin’ilay fakana bisy izy ireo. Nitondra boky sy gazety tamin’ny teny tagalog koa izy ireo, satria hitany hoe maro tamin’ireo mpiasa no avy any Philippines. Boky 7 sy bokikely 69 ary gazety 479 indray no voazara! Faly erỳ ireo rahalahy sy anabavy nanao an’io ezaka manokana io!

Afaka nitsidika mpiasa maromaro, tany amin’ilay hotely, ireo rahalahy, talohan’ny hodian’ireo mpiasa ireo tany amin’ny taniny. Afaka nanazava bebe kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireo tamin’izany. Nisy tamin’ireo mpiasa nilaza hoe efa nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory taminy tany an-tany hafa. Nisaotra an’ireo rahalahy koa ireo mpiasa, noho ny ezaka nataon’izy ireo nandritra ny fandalovany tao Failandy.

Mailaka hitory ve ianao, rehefa misy toe-javatra azo hararaotina? Miezaka mitory amin’ny vahiny na olona hafa firazanana aminao ve ianao? Mety hahita vokatra tsara toa an’ireo rahalahy tany Turku ianao, raha manao izany.

[Sarintany/Sary, pejy 32]

(Jereo ny gazety)

FAILANDY

HELSINKI

Turku