Aza Manaraka Fotsiny ny Hevitry ny Besinimaro
Aza Manaraka Fotsiny ny Hevitry ny Besinimaro
MIOVAOVA ny zavatra heverin’ny olona hoe mety sy tsy mety, na mendrika sy tsy mendrika, arakaraka ny faritra sy ny vanim-potoana. Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly àry isika, dia ny fihevitry ny olona tamin’izany no tokony handinihantsika an’ilay izy. Hafa mantsy ny zava-dehibe tamin’izy ireo.
Andeha, ohatra, isika handinika hevitra roa voaresaka matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia ny voninahitra sy henatra. Tokony ho fantatsika ny fiheveran’ny olona an’ireo tamin’izany, mba ho azontsika tsara ny andininy momba an’ireo.
Ny fihevitry ny besinimaro
Hoy ny manam-pahaizana iray, momba ny zava-nisy tamin’ny taonjato voalohany: ‘Tena zava-dehibe tamin’ny Grika sy Romanina ary Jodianina ny voninahitra. Nisy niezaka mafy ka nanao vivery ny ainy mihitsy, mba hahazo voninahitra sy laza ary hankasitrahan’ny olona sy hohajainy.’ Tena nisy vokany teo amin’izy ireo àry ny fiheveran’ny hafa.
Ny toerana tanana sy ny voninahitra no tena zava-dehibe. Samy nanana ny sarangany mantsy ny tsirairay, dia ny andevo hatramin’ny olona ambony. Tsy ny fiheveran’ny olona iray ny tenany ihany no zava-dehibe tamin’izany, fa ny fiheveran’ny manodidina azy koa. Nahazo voninahitra izy rehefa neken’ny fiaraha-monina hoe nahavita izay nantenaina taminy. Nohajaina koa izy raha nanan-karena, na nanana andraikitra na toerana ambony. Nomem-boninahitra ny olona nahavita zavatra tsara na niavaka. Ahoana kosa no niheverana ny henatra na fahafaham-baraka? Tsy ilay olona fotsiny no nahatsapa ho menatra na hoe nenjehin’ny eritreriny. Ny fiaraha-monina mihitsy kosa no nanameloka sy nanao tsinontsinona ary naneso azy.
Nilaza i Jesosy fa nisy olona nomena “ny toerana mihaja indrindra” tany amin’ny fanasana, ka nahazo voninahitra. Nisy kosa nomena ny “toerana ambany indrindra”, ka menatra. Mifandray amin’ny kolontsaina tamin’ny taonjato voalohany izany. (Lioka 14:8-10) Indroa, fara fahakeliny, ny mpianatr’i Jesosy no nifanditra momba ny hoe “iza no noheverina ho lehibe indrindra teo aminy.” (Lioka 9:46; 22:24) Izany no tena nifantohan’ny olona nanodidina azy ireo, ka nisy vokany taminy. Tsara homarihina fa nanambony tena sy tia nifaninana ireo mpitondra fivavahana jiosy, ka natahotra sao hampihena ny fahefany sy ny voninahiny ny fitorian’i Jesosy. Niady hevitra tamin’i Jesosy teny imasom-bahoaka izy ireo, mba hisehoana ho mahay noho izy, kanjo resy foana.—Lioka 13:11-17.
Tamin’ny Jiosy sy Grika ary Romanina tamin’ny taonjato voalohany, dia tena nahamenatra ny hoe “nosamborina sy nampangaina teo imason’olona ho nanao ratsy.” Tena afa-baraka izay olona nofatorana na nogadraina. Nampietry azy teo anatrehan’ny namany sy ny fianakaviany ary ny fiaraha-monina izany, na tena meloka izy na tsia. Lasa ratsy laza izy ka nihevi-tena ho tsy nisy vidiny, ary sarotra taminy ny nifandray tamin’ny hafa. Mbola nahamenatra noho ny nofatorana ny hoe nalana akanjo sy nokapohina. Nanambany sy nampietry an’ilay olona izany, ka afa-baraka tanteraka izy.
1 Kor. 1:23) Ahoana no niatrehan’ny Kristianina fahiny an’izany?
Ny olona nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana no tena afa-baraka indrindra. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Martin Hengel: “Sazy nomena ny andevo izy io. Izany no fampijaliana sy fampietrena ary fanalam-baraka ratsy indrindra.” Noteren’ny fiaraha-monina koa ny fianakaviana sy ny naman’ilay olona mba hanary azy. Izany rehetra izany no nihatra tamin’i Jesosy. Tsy maintsy niaritra ny fanesoan’ny olona àry izay rehetra te ho Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Noheverin’ny maro ho adala izay nilaza hoe mpanara-dia olona iray maty nofantsihana. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Isika mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana. Amin’ny Jiosy izany dia zavatra mahatafintohina, ary amin’ny hafa firenena dia hadalana.’ (Ny fihevitry ny Kristianina
Nankatò lalàna foana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, mba tsy ho afa-baraka satria hoe nanao ratsy. Hoy ny apostoly Petera: ‘Aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona.’ (1 Pet. 4:15) Efa nilaza anefa i Jesosy fa tsy maintsy henjehina noho ny anarany ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:20) Hoy i Petera: “Raha misy mijaly satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:16) Tsy nanaiky ny fiheveran’ny fiaraha-monina tamin’izany ny olona iray, matoa tsy menatra nefa nampijalina noho izy nanara-dia an’i Kristy.
Tsy ny fihevitry ny besinimaro no tokony hibaiko ny Kristianina. Tamin’ny taonjato voalohany, dia noheverina hoe adala izay nanara-dia Mar. 8:38.
Mesia iray nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana. Sarotra tamin’ny Kristianina ny nanohitra an’izany fomba fihevitra izany. Raha tena nino an’i Jesosy anefa izy ireo, dia tsy maintsy nanara-dia azy foana na nesoina aza. Hoy i Jesosy: “Na iza na iza menatra noho ny amiko sy ny teniko, eto amin’ity taranaka mpanitsakitsa-bady sy mpanota ity, dia ho menatra noho ny aminy koa ny Zanak’olona rehefa tonga amin’ny voninahitry ny Rainy izy, miaraka amin’ny anjely masina.”—Maro koa ankehitriny ny olona mety hitaona na hanery antsika tsy hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Mety hisy mpiara-mianatra na mpiray tanàna na mpiara-miasa, ohatra, hitarika antsika haloto fitondran-tena, hanao ny tsy marina, na hanao zavatra hafa tsy mety amin’ny Kristianina. Tian’izy ireo hahamenatra antsika ny manaraka ny fahamarinana. Inona àry no tokony hataontsika?
Tahafo ireo tsy nitandro henatra
Niaritra ny famonoana nanala baraka indrindra i Jesosy, mba tsy hivadihana tamin’i Jehovah. ‘Niaritra hazo fijaliana izy, ka tsy nitandro henatra.’ (Heb. 12:2) Nofelahana ny tehamaina izy, nororana, nalana akanjo sy nokapohina, nofantsihana, ary notevatevaina. (Mar. 14:65; 15:29-32) Tsy menatra anefa izy, na dia nanao izay hahamenatra azy aza ny fahavalony. Tsy nivadika mihitsy izy. Fantany fa mendrika foana izy teo imason’i Jehovah. Izy rahateo tsy nitady voninahitra tamin’ny olona. Na dia novonoina toy ny andevo aza i Jesosy, dia nomen’i Jehovah voninahitra, ka natsangany tamin’ny maty ary nomeny ny toerana ambony indrindra teo anilany. Hoy ny Filipianina 2:8-11: “Nanetry tena [i Kristy Jesosy] ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”
Tsy hoe tsy nisy vokany tamin’i Jesosy akory ny fampietrena azy. Nanahy izy sao hanala baraka ny Rainy ny fiampangana azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra. Nangataka tamin’i Jehovah izy mba tsy hiharan’izany fampietrena izany, ka nivavaka hoe: “Esory amiko ity kaopy ity.” Nekeny anefa ny sitrapon’Andriamanitra. (Mar. 14:36) Niaritra fitsapana izy ary tsy nitandro henatra. Raha ny marina koa, dia izay nanaraka ny fiheveran’ny besinimaro tamin’izany ihany no nihevitra hoe nahamenatra ny zavatra nanjo an’i Jesosy. Tsy nahamenatra azy anefa izany.
Nosamborina sy nokapohina koa ny mpianatr’i Jesosy, ka nalam-baraka teny imason’olona. Noheverina ho ambany sy natao tsinontsinona izy ireo, nefa tsy kivy. Tsy nanaraka ny fihevitry ny besinimaro ireo mpianatra tsy nivadika, ka tsy nitandro henatra. (Mat. 10:17; Asa. 5:40; 2 Kor. 11:23-25) Fantany fa tokony “hitondra ny hazo fijaliany isan’andro” izy ireo, “ary hanaraka [an’i Jesosy] mandrakariva.”—Lioka 9:23, 26.
Ary ahoana ny amintsika? Ny zavatra heverin’izao tontolo izao ho adala sy malemy ary ambany no heverin’Andriamanitra ho hendry sy mahery ary mendri-kaja. (1 Kor. 1:25-28) Tsy hadalana àry ve ny manaraka fotsiny ny fiheveran’ny besinimaro?
Raha te hahazo voninahitra eto amin’ity tontolo ity ny olona iray, dia zava-dehibe aminy izay heverin’ny besinimaro momba azy. Isika kosa te ho naman’i Jehovah, toa an’i Jesosy sy ireo mpianany voalohany. Izay zava-dehibe amin’i Jehovah àry no zava-dehibe amintsika, ary izay heveriny ho mahamenatra no mahamenatra antsika.
[Sary, pejy 4]
Tsy nahamenatra an’i Jesosy izay noheverin’ity tontolo ity ho mahamenatra