Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Manasa Anao Izahay!

Faly Manasa Anao Izahay!

Faly Manasa Anao Izahay!

ASAINA hanao inona? Hitsidika ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah 118 eran-tany, izay antsoina hoe Betela. Matetika ny mpitsidika no tena mankasitraka ny zavatra atao ao amin’ny Betela.

Niaiky volana ny tovolahy iray mpianatra Baiboly, nahita olona maro niasa mafy sy faly nanompo an’i Jehovah tao amin’ny biraon’ny sampan’i Meksika. Hoy izy: “Inona no tokony hataoko mba hipetrahana ato?” Nilazana izy hoe: “Tokony hatao batisa ianao, ary tsara raha manao mpisava lalana avy eo, izany hoe mpitory manontolo andro.” Nataony izany ary nasaina nanompo tao amin’ny Betelan’i Meksika izy, roa taona tatỳ aoriana. Efa 20 taona izao izy no tao.

Inona no atao hoe Betela?

Milaza Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, fa midika hoe “Tranon’Andriamanitra” ny hoe “Betela”, amin’ny teny hebreo. (Gen. 28:19, f.a.p.) Manao pirinty, mizara Baiboly sy boky ara-baiboly, ary manampy an’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray hetsy mahery eran-tany ireny sampana ireny. Efa ho 20 000 ny lehilahy sy vehivavy miasa manontolo andro any amin’ireny Betela ireny. Tsy mitovy saranga sy kolontsaina izy ireo, ary mahafoy tena manompo an’i Jehovah sy ny mpiray finoana aminy. Miara-miasa amin’ny tanora mavitrika ireo efa niasa an-taonany maro. Faly miaraka mivory sy manompo amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eny amin’ny manodidina ireo fianakavian’ny Betela, amin’ny takariva sy faran’ny herinandro. Mianatra Baiboly sy miala voly ary mikarakara izay ilainy koa izy ireo, rehefa tsy miasa.

Mahazo vola fanonerana kely isam-bolana ny fianakavian’ny Betela. Mankafy sakafo matsiro sy mahavelona izy ireo. Tsy mirenty be ny fonenany, nefa madio sy misy izay tena ilaina. Gaga ny mpitsidika mahita fa tena voakarakara ilay toerana na ny anatiny na ny ivelany, milamina tsara ny asa, tsara fanahy sy miara-miasa ny olona, ary miasa mafy ny rehetra nefa sariaka. Tsy misy mihevi-tena ho ambony noho ny hafa, ary tsy misy mieritreritra hoe ambony kokoa izy noho ny asa ataony. Ilaina avokoa ny asan’ny olona ao, na manadio izy na mikarakara zaridaina na mahandro na miasa ao amin’ny fanaovana pirinty na miasa birao. Miara-miasa mba hanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Betelita, izany hoe ireo miasa ao amin’ny Betela.—Kol. 3:23.

Ny hevitry ny Betelita sasany

Andao isika hamantatra bebe kokoa an’io fianakaviana iraisam-pirenena io. Inona no nandrisika azy ireo hanompo ao amin’ny Betela? Diniho, ohatra, i Mario. Tamin’izy lasa Vavolombelon’i Jehovah, dia niasa tao amin’ny orinasa malaza mpivarotra fiara any Alemaina, ary be karama sady afaka nahazo fisondrotana. Niasa an-tsitrapo herinandro tao amin’ny Betela izy, tsy ela taorian’ny batisany. Nasaina nanampy tao amin’ny fanaovana pirinty izy. Hitany hoe tena tsy nitovy tamin’ireo tany am-piasany ireo Betelita niara-niasa taminy. Nangataka hiasa manontolo andro tao amin’ny Betela àry izy. Tsy azon’ny havany sy ny mpiara-miasa taminy ny nahatonga azy hanao izany, nefa faly izy izao manompo ao amin’ny Betelan’i Alemaina.

Maro no tsy nanana fahaizana manokana talohan’ny nidirany tao amin’ny Betela. Toy izany i Abel, izay manompo ao amin’ny Betelan’i Meksika, efa 15 taona izay. Hoy izy: “Betsaka ny zavatra nianarako tato. Nianatra nampiasa milina fanaovana pirinty be pitsiny aho. Mety ho nahazoako vola be ny fahaizana azoko tato raha nampiasaiko tany ivelan’ny Betela. Tsy misy fanahiana sy fifaninanana toy ny any amin’ireo toeram-piasana maro anefa ato, ka milamin-tsaina sy afa-po aho. Tsy misy fianarana tsara noho ny ato, satria sady nampitombo ny fahaizako izany no nanatsara ny fanompoako an’Andriamanitra. Tsy ho nahazo an’izany aho, na dia tany amin’ny oniversite tsara indrindra aza.”

Mampahery ny fitsidihana

Mety hisy vokany eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, na dia ny fitsidihana Betela fotsiny aza. Diniho i Omar, any Meksika. Nampianatra Baiboly azy ny reniny, nefa tsy nivory sy nitory intsony izy rehefa 17 taona. Lasa nanana fahazaran-dratsy sy tia vola loatra izy. Niasa tao amin’ny orinasa iray izy tatỳ aoriana, ka anisan’ireo nankao amin’ny Betelan’i Meksika mba hampiseho fitaovana sasany. Hoy izy: “Nentina nitsidika izahay, taorian’izay. Tafasaraka tamin’i Jehovah aho, nefa nahatonga saina ahy ny zavatra hitako sy ny hatsaram-panahy naseho tamiko. Niverina nivory sy nianatra Baiboly avy hatrany aho. Natao batisa aho, enim-bolana taorian’izay. Misaotra an’i Jehovah aho fa nampahery ahy ilay fitsidihana Betela.”

Notezaina tao amin’ny fianakaviana Vavolombelona i Masahiko, any Japon. Lasa nieritreritra anefa izy fa voafehifehy loatra ny fiainan’ny Kristianina. Variana be tamin’ny zavatra maro nataony tany am-pianarana izy, ka tsy nivory sy nitory intsony. Hoy i Masahiko: “Nikasa hitsidika Betela ny fianakaviako sy ny namana kristianina vitsivitsy. Tsy namelan’ny fianakaviako aho raha tsy nandeha. Velombelona erỳ aho rehefa avy nitsidika. Nahafinaritra be ny fiarahana teny an-dalana, ary mbola tsy faly toy izany aho rehefa niaraka tamin’ny namako tsy Vavolombelona. Nihatiako ny fiainan’ny Kristianina, ka nanapa-kevitra ny hampianarina Baiboly aho.” Manompo manontolo andro eo anivon’ny fiangonany izao i Masahiko.

Nifindra tany Moscou ny anabavy iray avy any Frantsa, noho ny asany. Tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah izy tany ary nihanalemy finoana. Nanao ratsy izy ary nanambady tsy Vavolombelona. Nitsidika azy avy eo ny anabavy avy any Frantsa ary nankany Saint-Pétersbourg, any Rosia, izy ireo mba hitsidika Betela. Hoy ilay anabavy nalemy finoana: “Noraisina tsara izahay tao amin’ny Betela, ary nanohina ahy izany. Nilamina be tao, ary tsapako hoe tao ny fanahin’i Jehovah. Fa naninona àry aho no niala tamin’ny fandaminana? Nangataka ny fanampian’i Jehovah aho rehefa avy nitsidika Betela, ary nampianariko Baiboly ny zanako, nanomboka teo. Nahazo hery vao aho!” Nahazo fanampiana ara-panahy io anabavy io. Tena nampahery azy koa anefa ny fitsidihana Betela, ka nandroso tsara izy.

Ahoana kosa hoy ireo mpitsidika mbola tsy mahalala tsara ny Vavolombelon’i Jehovah? Mpanao politika nafana fo i Alberto. Nitsidika ny Betelan’i Brezila izy tamin’ny 1988. Tena gaga izy nahita hoe nadio sy nilamina tao, ary indrindra fa hoe tsy nafenimpenina ny zavatra natao tao. Nitsidika sekoly fiofanana ho pretra izy taloha kelin’izay, ary pretra tao ny zaodahiny. Voamarik’i Alberto ny tsy fitoviana. Hoy izy: “Nafenimpenina daholo izay natao tao amin’ilay sekoly.” Nanaiky hianatra Baiboly izy taoriana kelin’ny nitsidihany Betela ary tsy nanao politika intsony. Anti-panahy izy izao.

Tongava mitsidika Betela!

Maro no manao ezaka goavana mba hitsidihana ny biraon’ny sampana ao amin’ny taniny. Efa efa-taona, ohatra, i Paulo sy Eugenia any Brezila no nanangom-bola mba hitsidihana ny Betela any. Roa andro izy ireo no nandeha bisy mba hanaovana an’ilay dia 3 000 kilaometatra. Hoy izy ireo: “Tsy nanenenanay ilay izy. Fantatray kokoa izao ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa hazavainay amin’ny olona ampianarinay Baiboly ny asa atao ao amin’ny Betela, dia manontany izy ireo indraindray hoe: ‘Efa tany ve ianareo?’ Afaka mamaly izahay izao hoe eny.”

Misy biraon’ny sampana sy Betela ve ao amin’ny taninao, na tsy lavitra ny taninao? Asainay àry ianao hitsidika an’izany. Horaisina an-tanan-droa ianao, ary azo antoka fa hahazo hery hanompoana an’i Jehovah.

[Sary, pejy 18]

Mario

[Sary, pejy 18]

Abel

[Sary, pejy 18]

Alemaina

[Sary, pejy 18]

Japon

[Sary, pejy 18]

Brezila