Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Jesosy no afaka nilaza fa voavela ny helok’ilay vehivavy nalaza ho mpanota?—Lioka 7:37, 48.

“Nankeo ivohon’i Jesosy teo an-tongony” ny vehivavy iray, tamin’i Jesosy nandry ilika nisakafo tao an-tranon’i Simona Fariseo. Nataon’ilay vehivavy kotsan’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy, ary nohamaininy tamin’ny volon-dohany. Nanorokoroka sy nanisy menaka manitra ny tongotr’i Jesosy izy, avy eo. Milaza ny Filazantsara fa “nalaza ho mpanota tao amin’ilay tanàna” io vehivavy io. Marina fa mpanota daholo ny olona tsy lavorary. Matetika anefa ny Soratra Masina no mampiasa ny hoe mpanota mba hilazana olona malaza ho mpanota. Mpivaro-tena angamba ilay vehivavy. Olona toy izany no nilazan’i Jesosy hoe: “Voavela ny helokao.” (Lioka 7:36-38, 48) Inona no tiany holazaina? Ahoana no nahafahana namela heloka, nefa mbola tsy nomena ny sorom-panavotana?

Nanao fanoharana i Jesosy mba hanazavana hevi-dehibe tamin’i Simona. Efa avy nanasa sy nanosotra menaka ny tongotr’i Jesosy ilay vehivavy tamin’izay, saingy mbola tsy navela ny helony. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny trosa tsy ho voaloa ny ota, ka hoy izy: “Nisy roa lahy nananan’olona trosa. Ny an’ny anankiray denaria dimanjato fa ny an’ny anankiray kosa dimampolo. Rehefa tsy nanan-kaloa ireo, dia namela tanteraka ny trosan’izy roa lahy izy. Koa iza amin’izy roa lahy àry no ho tia azy bebe kokoa?” Hoy i Simona: “Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.” Dia hoy i Jesosy: “Marina ny anao.” (Lioka 7:41-43) Tokony hankatò an’Andriamanitra isika, ka toy ny hoe tsy mahaloa trosa isaky ny tsy mankatò azy sy manota. Mitombo foana àry ny trosantsika. Toy ny mpampisambotra vonona hamela trosa anefa i Jehovah. Io trosa io no tian’i Jesosy holazaina rehefa nampirisihiny hivavaka sy hangataka toy izao ny mpanara-dia azy: “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.”—Mat. 6:12.

Fahiny, inona no notakin’Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka? Manao ny rariny tonga lafatra i Jehovah, ka mitaky ny hahafatesan’izay manota. Maty àry i Adama satria nanota. Teo ambanin’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny firenen’Israely anefa, dia afaka nahazo famelan-keloka izay nanota raha nanao sorona biby ho an’i Jehovah. Hoy ny apostoly Paoly: “Saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra, araka ny Lalàna. Ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.” (Heb. 9:22) Fantatry ny Jiosy fa izany ihany no fomba hahazoana famelan-keloka. Tsy nahagaga àry raha tsy nanaiky ny tenin’i Jesosy tamin’ilay vehivavy ireo olona nandry ilika niara-nisakafo tamin’i Jesosy, ka niteny anakampo hoe: “Fa iza àry io no mamela heloka?” (Lioka 7:49) Nahoana ilay vehivavy mpanota no afaka nahazo famelan-keloka?

Voalazan’ilay faminaniana voalohany nolazaina taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva fa nikasa ny hampipoitra ‘taranaka’ iray i Jehovah. Hanorotoro ny voditongotr’izy io i Satana sy ny ‘taranany.’ (Gen. 3:15) Nitranga izany rehefa novonoin’ny fahavalon’Andriamanitra i Jesosy. (Gal. 3:13, 16) Ny ran’i Kristy no vidim-panavotana manafaka ny olombelona amin’ny ota sy fahafatesana. Raha vao avy nilaza ny teny ao amin’ny Genesisy 3:15 i Jehovah, dia nihevitra ny vidim-panavotana ho toy ny efa voaloa sahady, satria tsy misy mahasakana azy tsy hanatanteraka ny fikasany. Afaka namela ny helok’ireo mino ny fampanantenany izy nanomboka teo.

Nantsoin’i Jehovah hoe olo-marina ny olona maro talohan’ny andro kristianina, toa an-dry Enoka, Noa, Abrahama, Rahaba, ary Joba. Nino izy ireo ka niandry an’izay nampanantenain’Andriamanitra. Hoy i Jakoba mpianatra: ‘I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka nekeny ho isan’ny olo-marina izy.’ Hoy koa izy: “Toy izany koa i Rahaba mpivaro-tena: Tsy nambara ho marina ve izy noho izay nataony?”—Jak. 2:21-25.

Imbetsaka i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, no nanao fahotana lehibe. Nino mafy an’ilay tena Andriamanitra anefa izy ary tena nibebaka foana. Hoy koa ny Soratra Masina: “Fa natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana [i Jesosy], ka ny finoana ny rany no ahazoana izany fampihavanana izany. Nanao izany Andriamanitra mba hanehoana ny fahamarinany, noho izy namela ny fahotana fahiny tamin’izy naneho fandeferana, sy mba hanehoana ny fahamarinany amin’izao fotoana izao, mba ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona mino an’i Jesosy.” (Rom. 3:25, 26) Afaka namela ny fahadisoan’i Davida àry i Jehovah sady tsy nampandefitra ny fitsipika napetrany momba ny rariny, noho ilay sorom-panavotana mbola homen’i Jesosy.

Toy izany koa ny toeran’ilay vehivavy nanosotra menaka ny tongotr’i Jesosy. Naloto fitondran-tena izy nefa nibebaka. Niaiky izy fa nila navotana tamin’ny ota, ary nasehony fa tena nankasitrahany ilay olona nampiasain’i Jehovah mba hanavotra. Afaka nandray soa avy tamin’ilay sorona sahady ny olona toa azy, satria azo antoka fa ho vita ilay sorona, na dia mbola tsy natolotra aza. Hoy àry i Jesosy taminy: “Voavela ny helokao.”

Ahariharin’io fitantarana io fa tsy nihatakatahan’i Jesosy ny mpanota. Nanao soa tamin’izy ireny izy. Vonona hamela ny heloky ny mpanota mibebaka koa i Jehovah. Fanomezan-toky tena tsara izany sady mampahery, satria tsy lavorary isika.

[Sary, pejy 7]

Nekena ho isan’ny olo-marina izy ireo