Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaja Fotoana ve Ianao?

Manaja Fotoana ve Ianao?

Manaja Fotoana ve Ianao?

TSY mora foana ny manaja fotoana, indrindra rehefa lavitra ny lalana, na mitohana ny fifamoivoizana, na be loatra ny zavatra atao. Zava-dehibe anefa ny manaja fotoana. Mazàna, ohatra, no malaza ho azo itokisana sy mazoto miasa ny olona rehefa marim-potoana. Manimba ny asany kosa izy raha tara, sady manelingelina ny hafa. Mety tsy haharaka lesona ny mpianatra tara, ary misy vokany eo amin’ny fianarany izany. Tsy ho voakarakara tsara koa ny olona iray raha tara rehefa manao fotoana amin’ny dokotera.

Tsy zava-dehibe anefa ny hoe marim-potoana, any amin’ny toerana sasany. Mety ho zatra tonga tara isika noho izany. Tokony ho tsapantsika àry fa ilaina ny manaja fotoana. Hiezaka ho marim-potoana isika raha takatsika fa zava-dehibe izany. Nahoana isika no tokony ho marim-potoana? Ahoana no hahavitantsika izany na dia sarotra aza? Ary inona no soa ho azontsika raha manaja fotoana foana isika?

Manaja fotoana i Jehovah

Te hanahaka an’ilay Andriamanitra ivavahantsika isika, ka izany no antony lehibe indrindra tokony hanajantsika fotoana. (Efes. 5:1) Marim-potoana foana izy ka modely ho antsika. Tsy mba tara mihitsy izy. Arahiny foana ny fotoana noferany hanatanterahana ny fikasany. Nanapa-kevitra ny handringana ny tontolo ratsy tamin’ny safodrano, ohatra, izy ka nilaza tamin’i Noa hoe: ‘Manaova sambofiara ho anao amin’ny hazo misy ditiny.’ Rehefa akaiky ilay fotoana, dia nasain’i Jehovah niditra tao amin’ilay sambofiara i Noa, ary hoy izy: “Fito andro sisa dia hampilatsaka orana efapolo andro sy efapolo alina eny ambonin’ny tany aho. Ary hofoanako tsy ho eny ambonin’ny tany ny zava-drehetra nataoko.” Dia “tonga tambonin’ny tany [tokoa] ny safodrano, rehefa afaka fito andro.” (Gen. 6:14; 7:4, 10) Ho nanao ahoana moa i Noa sy ny fianakaviany raha tsy niditra ara-potoana tao anatin’ny sambofiara? Tsy maintsy nanaja fotoana àry izy ireo, toa an’ilay Andriamaniny.

Niteny tamin’i Abrahama i Jehovah, 450 taona teo ho eo taorian’ny Safodrano, fa hanan-janaka izy ary amin’ny alalan’izy io no hiavian’ilay Taranaka nampanantenaina. (Gen. 17:15-17) Nilaza Andriamanitra fa “amin’ny fotoana voatondro, dia amin’ny herintaona toy izao” i Isaka no ho teraka. Tena nitranga ve izany? Hoy ny Soratra Masina: “Bevohoka i Saraha ka nitera-dahy tamin’i Abrahama, izay efa antitra tamin’izay. Tamin’ilay fotoana voatondro nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama no nitrangan’izany.”—Gen. 17:21; 21:2.

Misy ohatra maro ao amin’ny Baiboly ahitana hoe manaja fotoana Andriamanitra. (Jer. 25:11-13; Dan. 4:20-25; 9:25) Mandidy antsika ny Baiboly mba hiandry ny andro fitsaran’i Jehovah. Afaka matoky isika fa “tsy ho tara izany”, na dia toa “ela fiavy” aza araka ny fiheveran’ny olona.—Hab. 2:3.

Marim-potoana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra

Tsy maintsy nanatrika an’ireo fety nandidian’i Jehovah ny lehilahy israelita rehetra, ary tonga ara-potoana tamin’izany. (Lev. 23:2, 4) Nofaritan’Andriamanitra koa ny fotoana hanolorana ny fanatitra sasany. (Eks. 29:38, 39; Lev. 23:37, 38) Tsy midika ve izany fa tian’i Jehovah ho marim-potoana ny vahoakany rehefa hanompo azy?

Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanome toromarika an’ireo Kristianina tany Korinto ny apostoly Paoly hoe ahoana no tokony hitarihana ny fivoriana. Hoy koa izy: “Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” (1 Kor. 14:40) Midika izany fa nisy fotoana voafaritra tsara hanombohan’ny fivoriana kristianina. Mbola zava-dehibe amin’i Jehovah foana ny fanajana fotoana. (Mal. 3:6) Inona àry no tokony hataontsika mba ho tonga ara-potoana any am-pivoriana?

Misy ezaka mila atao

Nisy nandray soa rehefa nandamina mialoha ny fotoanany. (Ohab. 21:5) Ahoana, ohatra, raha hamonjy fotoana any amin’ny toerana lavidavitra ianao? Mety ve raha efa antomotra kely vao miainga? Tsy aleo ve miainga aloha kokoa, amin’izay ianao tsy tara na sanatria aza misy “sampona”? (Mpito. 9:11) Hoy i José, * izay zatra manaja fotoana: “Tsara ny mieritreritra hoe adiny firy eo ho eo ilay lalana haleha.”

Mila miala aloha kokoa any am-piasana angamba ny sasany, mba ho tonga ara-potoana any am-pivoriana. Izany no nataon’ny rahalahy iray any Etiopia. Fantany fa ho tara 45 minitra izy, raha miandry an’ilay mpiasa hisolo azy. Niangaviany àry izy io ho tonga aloha rehefa misy fivoriana. Ho setrin’izany dia nanaiky hisolo an’ilay mpiasa adiny fito isan-kerinandro izy.

Sarotra kokoa ho an’ireo manan-janaka kely ny ho tonga ara-potoana any am-pivoriana. Ny reny foana mazàna no manomana an’ireo ankizy. Afaka manampy anefa ny mpianakavy hafa, sady tokony hanao izany. Mitaiza irery ny zanany valo i Esperanza any Meksika: 5 taona ny zandriny indrindra ary 23 taona ny zokiny indrindra. Mifanampy izy ireo mba tsy ho tara. Hoy izy: “Ireo zanako lehibe no manomana ny zandriny. Amin’izay vitako ny raharaha sy ny fiomanako, ka vonona amin’ilay fotoana noferanay hiaingana izahay.” Noferan’izy ireo ny fotoana iaingany, ary mifanampy ny rehetra mba hanaja an’izany.

Mahasoa ny tonga aloha rehefa mivory

Ho vonona hiezaka mafy ho tonga ara-potoana any am-pivoriana isika, raha misaintsaina ny soa azo avy amin’izany. Zatra tonga aloha, ohatra, ny tanora atao hoe Sandra. Hoy izy: “Tiako ny tonga aloha any am-pivoriana satria afaka miarahaba sy miresaka amin’ireo anadahy sy rahavavy aho, ka lasa mahafantatra azy ireo bebe kokoa.” Rehefa tonga aloha any amin’ny Efitrano Fanjakana isika, dia afaka mandre ny hafa mitantara ny zavatra iaretany sy ny tsy fivadihany. Mandrisika an’ireo rahalahy sy anabavy “ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara” koa isika, rehefa tonga aloha ka mifampahery amin’izy ireo.—Heb. 10:24, 25.

Zava-dehibe ny hira sy vavaka fanokafana, satria anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Sal. 149:1) Midera an’i Jehovah isika rehefa mihira. Mampahatsiahy antsika ny toetra tokony hananantsika koa izy ireny, ary mandrisika antsika hazoto sy ho faly amin’ny fanompoana. Ary ny vavaka? Fahiny dia nantsoin’i Jehovah hoe “trano fivavahana” ny tempoly. (Isaia 56:7) Miara-mivory koa isika ankehitriny mba hivavaka amin’Andriamanitra. Ahazoantsika ny fanahy masina sy ny fitarihan’i Jehovah ny vavaka fanokafana. Manomana ny saintsika sy ny fontsika koa izy io, mba handray tsara an’ireo hevitra hodinihina. Tokony ho tapa-kevitra ny ho tonga ara-potoana any am-pivoriana àry isika, mba hanao ny hira sy vavaka fanokafana.

Manazava ny antony hahatongavany aloha i Helen, 23 taona. Hoy izy: “Tonga aloha aho mba ho fankasitrahako an’i Jehovah, satria avy aminy ilay fivoriana manontolo, anisan’izany ny hira sy vavaka fanokafana.” Tsy tokony ho izany koa ve no tsapantsika? Aoka àry isika hiezaka ho marim-potoana foana amin’izay rehetra ataontsika, indrindra amin’ny fanompoana an’ilay tena Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Novana ireo anarana.

[Sary, pejy 26]

Miomàna aloha be

[Sary, pejy 26]

Tadidio fa mety hisy ny “sampona”

[Sary, pejy 26]

Handray soa ianao raha tonga aloha any am-pivoriana