Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manehoa “Hatsaram-panahy Feno Fitiavana” Rehefa Miteny

Manehoa “Hatsaram-panahy Feno Fitiavana” Rehefa Miteny

Manehoa “Hatsaram-panahy Feno Fitiavana” Rehefa Miteny

“Maneho fahendrena izy rehefa miteny, ary ny lalàn’ny hatsaram-panahy feno fitiavana no ambarany.”—OHAB. 31:26.

1, 2. a) Inona no toetra tokony hananan’ny mpanompon’i Jehovah? b) Inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

NIRESAKA momba ny toetra iray tena tokony hananan’ny vady tsara ny renin’i Lemoela, mpanjaka fahiny, tao amin’ny hafatra mafonja nolazainy taminy. Hoy izy: “Maneho fahendrena izy rehefa miteny, ary ny lalàn’ny hatsaram-panahy feno fitiavana no ambarany.” (Ohab. 31:1, 10, 26) Tokony haneho hatsaram-panahy feno fitiavana tokoa ny vehivavy hendry rehefa miteny. Toy izany koa ny olona te hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra. (Vakio ny Ohabolana 19:22.) Ny mpanompon’i Jehovah rehetra mihitsy no tokony haneho an’io toetra io rehefa miteny.

2 Inona àry no atao hoe hatsaram-panahy feno fitiavana? Amin’iza isika no tokony haneho azy io? Inona no hanampy antsika haneho “hatsaram-panahy feno fitiavana” rehefa miteny? Ahoana no ampiharantsika izany rehefa mifandray amin’ny mpianakavy sy ny mpiray finoana? Hodinihintsika ato izany.

Ny hatsaram-panahy feno fitiavana

3, 4. a) Inona no atao hoe hatsaram-panahy feno fitiavana? b) Inona no tsy itovizan’ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny hoe tsara fanahy?

3 Sady tsara fanahy no maneho fitiavana ny olona maneho hatsaram-panahy feno fitiavana. Tsara fanahy izy, ka miahy ny hafa, ary manao zavatra hanampiana azy na milaza teny mampahery aminy. Mitady izay hahasoa ny hafa koa izy noho ny fitiavana. Tsy hoe tsara fanahy noho ny fitiavana fotsiny anefa ny olona maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, raha ny dikan’io teny io tany am-boalohany no jerena. Midika koa izy io hoe tsy mivadika amin’ny olona iray, ka manampy azy hatramin’ny farany rehefa mila fanampiana izy.

4 Tsy mitovy amin’ny hoe tsara fanahy anefa izy io. Na ny olona tsy fantatra aza mantsy azo anehoana hatsaram-panahy. Tsara fanahy tamin’ny apostoly Paoly sy ireo olona 275 niara-vaky sambo taminy, ohatra, ny mponina tao amin’ny nosy Malta, nefa sambany vao nahita azy ireo. (Asa. 27:37–28:2) Tsy toy izany kosa ny hatsaram-panahy feno fitiavana. Olona efa mifandray sy tsy mivadika amin’izy samy izy no mifaneho an’io toetra io. * Naneho an’io toetra io tamin’i Mefiboseta zanak’i Jonatana, ohatra, i Davida.—2 Sam. 9:7.

Tena ilaina ny misaintsaina sy mivavaka

5. Inona no hanampy antsika hifehy ny lelantsika?

5 Tsy mora ny maneho hatsaram-panahy feno fitiavana rehefa miteny. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: ‘Tsy misy olombelona mahafolaka ny lela. Manimba sy tsy hay fehezina izy io sady feno poizina mahafaty.’ (Jak. 3:8) Inona àry no hanampy antsika hifehy ny lelantsika? Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mat. 12:34) Midika izany fa tokony ho feno hatsaram-panahy feno fitiavana aloha ny fontsika, izay isika vao afaka haneho an’io toetra io rehefa miteny. Manampy antsika hanao izany ny fisaintsainana sy ny vavaka.

6. Nahoana isika no tokony hisaintsaina sy hankasitraka ny fomba nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana?

6 Milaza ny Baiboly hoe “be hatsaram-panahy feno fitiavana” i Jehovah. (Eks. 34:6) Hoy koa ny mpanao salamo: “Mameno ny tany ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, Jehovah ô!” (Sal. 119:64) Maro ny tantara ao amin’ny Soratra Masina mampiseho hoe naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny mpanompony i Jehovah. Hanampy antsika hanahaka azy ny fisaintsainana sy ny fankasitrahana an’ireny ‘zavatra nataony’ ireny.—Vakio ny Salamo 77:12.

7, 8. a) Ahoana no nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’i Lota sy ny fianakaviany? b) Inona no tsapan’i Davida, rehefa naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy Andriamanitra?

7 Eritrereto, ohatra, ny namonjen’i Jehovah an’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama, tamin’izy handringana an’i Sodoma, tanàna nipetrahany. Nisy anjely tonga tao amin’i Lota taloha kelin’izay, ary nampirisika azy hiala haingana tao amin’ilay tanàna niaraka tamin’ny fianakaviany. “Mbola nitaredretra” anefa i Lota. ‘Notantanan’ireo’ anjely àry ‘izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, noho ny fangoraham-pon’i Jehovah taminy. Ary nentiny nivoaka izy ireo ka nateriny teo ivelan’ny tanàna.’ Tsy manohina ny fonao ve ny namonjen’Andriamanitra azy ireo? Tsy miaiky ve ianao hoe naneho hatsaram-panahy feno fitiavana Izy tamin’izay?—Gen. 19:16, 19.

8 Diniho koa ny ohatr’i Davida mpanjakan’ny Israely, izay nihira hoe: ‘Mamela ny fahadisoanao rehetra i Jehovah, ary manasitrana ny aretinao rehetra.’ Tena faly i Davida fa voavela ny helony, tamin’izy nijangajanga tamin’i Batseba, ka nidera an’i Jehovah izy. Hoy izy: “Toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany ny haben’ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehony amin’izay matahotra azy.” (Sal. 103:3, 11) Rehefa misaintsaina an’ireo tantara ireo sy ny tantara hafa ao amin’ny Baiboly àry isika, dia lasa mankasitraka ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’i Jehovah, ka te hidera azy sy hisaotra azy. Vao mainka te hanahaka azy isika, rehefa feno fankasitrahana ny fontsika.—Efes. 5:1.

9. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tena tokony haneho hatsaram-panahy feno fitiavana eo amin’ny fiainany andavanandro?

9 Asehon’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly, fa ny olona efa mifandray amin’i Jehovah sy ankasitrahany no anehoany hatsaram-panahy feno fitiavana, na fitiavana tsy miovaova. Ahoana kosa ny amin’ireo olona mbola tsy mifandray aminy? Ratsy fanahy amin’izy ireo ve i Jehovah? Tsy izany velively. Milaza ny Lioka 6:35 fa ‘tsara fanahy amin’ireo tsy mankasitraka sy amin’ireo ratsy fanahy’ izy. ‘Mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy izy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.’ (Mat. 5:45) Nanehoan’Andriamanitra an’ilay hatsaram-panahy asehony amin’ny olona rehetra isika, talohan’ny nianarantsika ny fahamarinana sy nampiharantsika azy io. Lasa anehoany fitiavana tsy miovaova, na hatsaram-panahy feno fitiavana kosa anefa isika, rehefa lasa mpanompony. (Vakio ny Isaia 54:10.) Tena velom-pisaorana an’i Jehovah isika, noho izany! Tena tokony hahatonga antsika haneho hatsaram-panahy feno fitiavana koa izany, na amin’izay lazaintsika, na amin’izay ataontsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro!

10. Nahoana no tena manampy antsika haneho hatsaram-panahy feno fitiavana ny vavaka?

10 Tena manampy antsika haneho hatsaram-panahy feno fitiavana koa ny vavaka. Anisan’ny vokatry ny fanahy masin’i Jehovah mantsy ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy. (Gal. 5:22) Raha manaiky hotarihin’ny fanahy masina isika, dia ho afaka hanana hatsaram-panahy feno fitiavana ao am-pontsika. Ny vavaka no fomba tsotra indrindra hahazoana an’io fanahy masina io. (Lioka 11:13) Tokony hivavaka matetika àry isika mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra, ary tokony hanaiky ny tari-dalan’izy io. Tena ilaina tokoa ny misaintsaina sy mivavaka, mba hanehoana hatsaram-panahy feno fitiavana rehefa miteny.

Rehefa mifampiresaka ny mpivady

11. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tian’i Jehovah haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny vadiny ny lehilahy? b) Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy hoe maneho hatsaram-panahy feno fitiavana izy rehefa miteny?

11 Nanoro hevitra an’ireo lehilahy manambady i Paoly hoe: “Tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efes. 5:25) Nampahatsiahiviny azy ireo koa ny teny nolazain’i Jehovah an’i Adama sy Eva, nanao hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.” (Efes. 5:31) Hita amin’izany fa tian’i Jehovah tsy hivadika amin’ny vadiny mihitsy ny lehilahy, ka hampiseho hatsaram-panahy feno fitiavana aminy foana. Tsy hiresaka ny fahadisoan’ny vadiny izy rehefa eny imason’olona, na hilaza zavatra manambany azy. Faly kosa izy midera azy. (Ohab. 31:28) Raha misy ny tsy fifanarahana, dia haneho hatsaram-panahy feno fitiavana izy, ka hifehy tena tsy hilaza zavatra manambany ny vadiny.

12. Ahoana no ampisehoan’ny vehivavy manambady fa maneho hatsaram-panahy feno fitiavana izy rehefa miteny?

12 Tokony haneho hatsaram-panahy feno fitiavana koa ny vehivavy manambady, rehefa miteny. Tsy tokony hanaraka ny fomba fitenin’ny olona manana ny toe-tsain’ity tontolo ity izy. ‘Manaja fatratra ny vadiny’ kosa izy, ka milaza zavatra tsara momba azy, ary manao izay hahatonga ny olona hanaja azy kokoa. (Efes. 5:33) Tsy miady hevitra aminy na manohitra ny heviny eo imason’ny zanany koa izy, satria tsy tiany hihena ny fanajan’izy ireo ny rainy. Rehefa mitokana izy mivady vao manao izany izy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Manamafy orina ny ankohonany ny vehivavy tena hendry.” (Ohab. 14:1) Mahafinaritra sady mampilamin-tsaina ny mpianakavy ny miara-miaina amin’ny renim-pianakaviana toy izany.

13. Aiza no tena tokony hanjakan’ny hatsaram-panahy feno fitiavana, ary inona no tokony hataontsika mba hanehoana an’io toetra io?

13 Na dia rehefa ao an-trano aza, dia tokony hifanaja foana ny mpivady rehefa mifampiresaka. Hoy i Paoly: ‘Esory aminareo ireto rehetra ireto: Fahatezerana, fahavinirana, faharatsiana, fanevatevana, ary resaka vetaveta lazain’ny vavanareo.’ Hoy koa izy: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po. ... Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kol. 3:8, 12-14) Hahatsiaro ho sambatra ny ankizy sady hanahaka ny fomba fitenin’ny ray aman-dreniny, raha zatra mahare azy ireo miteny amin-katsaram-panahy sy fitiavana.

14. Inona no azon’ny loham-pianakaviana atao, mba hanohanana ny mpianakaviny?

14 Nanome modely ho an’ny loham-pianakaviana ilay Raintsika any an-danitra. Hoy ny mpanao salamo: “Ny hatsaram-panahinao feno fitiavana no nanohana ahy, Jehovah ô!” (Sal. 94:18) Fomba miavaka anohanan’i Jehovah ny vahoakany ny fanomezany torohevitra sy tari-dalana azy ireo. (Sal. 119:105) Ahoana no azon’ny loham-pianakaviana anahafana azy? Afaka manome tari-dalana sy fampaherezana ho an’ny fianakaviany izy. Mety tsara amin’izany ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, izay ahazoana fahalalana sarobidy avy ao amin’ny Baiboly.—Ohab. 24:4.

Manehoa fitiavana tsy miovaova amin’ny mpiray finoana

15. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy sy ny olon-kafa matotra, mba hiarovana ny fiangonana?

15 Nivavaka toy izao tamin’i Jehovah i Davida Mpanjaka: “Hiaro ahy mandrakariva anie ny hatsaram-panahinao feno fitiavana sy ny fahamarinanao.” (Sl. 40:11) Maneho hatsaram-panahy feno fitiavana tokoa i Jehovah, mba hiarovana ny mpanompony! Manahaka an’i Jehovah ny anti-panahy sy ny olon-kafa matotra eo anivon’ny fiangonana, raha mampiasa ny lelany mba hampirisihana ny mpiray finoana aminy hanaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina.—Ohab. 17:17.

16, 17. Ahoana no ampisehoantsika amin’ny zavatra lazaintsika hoe maneho hatsaram-panahy feno fitiavana isika?

16 Ahoana no tokony hataontsika, raha misy Kristianina mitady hanao zavatra mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly? Tsy tokony haneho hatsaram-panahy feno fitiavana ve isika, ka hiteny azy mba hanitsiana azy? (Sal. 141:5) Ahoana indray raha fantatsika hoe nisy mpiara-manompo nanao fahotana lehibe? Haneho fitiavana tsy miovaova isika, ka hampirisika azy “hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana.” “Hivavaka ho azy” izy ireo, ary “hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah.” (Jak. 5:14) Raha tsy mety miresaka amin’ny anti-panahy ilay olona, dia isika no tokony hanao izany. Tsy tia azy isika sady tsy tsara fanahy aminy, raha tsy manao izany. Inona kosa no azontsika atao ho an’ireo mpiray finoana ketraka, manirery, mahatsiaro tena ho tsy misy dikany, na diso fanantenana be? Maneho hatsaram-panahy feno fitiavana isika, raha ‘manao teny mampahery ny kivy.’—1 Tes. 5:14.

17 Ary ahoana raha manely zavatra tsy marina momba ny mpiray finoana amintsika ny fahavalon’Andriamanitra? Tsy tokony hiahiahy an’ireo rahalahintsika isika, ka hieritreritra hoe nivadika izy. Tsy tokony hino an’ilay zavatra lazainy isika fa hangina fotsiny. Na raha azo iresahana izy, dia azontsika anontaniana hoe tena azony antoka ve ny zavatra lazainy. Ahoana indray raha misy olona te hanisy ratsy an’ireo rahalahintsika, ka manontany antsika ny toerana mety hahitana azy? Tsy hilaza izany aminy isika, satria maneho fitiavana tsy miovaova amin’ireo rahalahintsika.—Ohab. 18:24.

‘Hahazo fiainana izay mikatsaka hatsaram-panahy feno fitiavana’

18, 19. Nahoana no tokony ho hita foana amin’izay lazaintsika hoe maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpiray finoana amintsika isika?

18 Tokony haneho fitiavana tsy miovaova amin’ny mpiray finoana amintsika foana isika. Tokony ho hita amin’izay lazaintsika foana hoe maneho hatsaram-panahy feno fitiavana isika, eny fa na dia rehefa misy zava-tsarotra aza. Tezitra tamin’ny zanak’Israely i Jehovah, satria lasa “toy ny ando levona vao maraina” ny hatsaram-panahy feno fitiavan’izy ireo. (Hosea 6:4, 6) Faly kosa izy rehefa maneho an’io toetra io foana isika. Diniho ny fitahiana omeny an’ireo olona manao izany.

19 Hoy ny Ohabolana 21:21: “Izay mikatsaka fahamarinana sy hatsaram-panahy feno fitiavana dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.” Voalaza eo fa hahazo fiainana izy, kanefa tsy hoe fiainana mihelina fotsiny, fa fiainana tsy misy farany. Manampy azy “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana” i Jehovah. (1 Tim. 6:12, 19) Koa aoka àry isika “hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana.”—Zak. 7:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manazava bebe kokoa ny maha samy hafa ny hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny tsy fivadihana sy ny fitiavana ary ny hatsaram-panahy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2002, pejy 12-13, 18-19.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no atao hoe hatsaram-panahy feno fitiavana?

• Inona no hanampy antsika haneho hatsaram-panahy feno fitiavana, rehefa miteny?

• Ahoana no ampisehoan’ny mpivady amin’ny zavatra lazainy, hoe maneho fitiavana tsy miovaova izy ireo?

• Ahoana no tokony hampiasantsika ny lelantsika, raha maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpiray finoana amintsika isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nidera an’i Jehovah i Davida, noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana

[Sary, pejy 24]

Manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka ve ianareo?