Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ezaka Manokana Natao Tany Boligaria

Ezaka Manokana Natao Tany Boligaria

Ezaka Manokana Natao Tany Boligaria

“Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.”—MAT. 9:37, 38.

MAHALAZA tsara ny zava-misy any Boligaria ireo tenin’i Jesosy ireo! Misy mponina fito tapitrisa mahery any amin’io tany tsara tarehy, any atsimoatsinanan’i Eoropa, io. Tena mila mpiasa betsaka ry zareo, mba hitory ny vaovao tsara. Misy mpitory 1 700 eo ho eo any, ary tsy vitan’izy ireo ny mitory amin’ilay faritra iray manontolo. Noho izany, dia neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hanasana mpitory mahay teny boligara, avy any amin’ny firenena eoropeanina maromaro, mba hanao ezaka manokana tany amin’io faritra io. Tamin’ny vanim-potoana mafana tamin’ny 2009 no natao ilay ezaka. Naharitra roa volana latsaka kely ilay izy, ary niafara tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miambena Hatrany!”, izay natao tao Sofia ny 14 ka hatramin’ny 16 Aogositra 2009.

Maro be no namaly ny antso

Nanontany tena ireo rahalahy tao amin’ny biraon’ny sampana tao Sofia hoe firy ny mpitory ho tonga avy any Alemaina, Espaina, Frantsa, Gresy, Italia, ary Polonina. Izy ireo ihany mantsy no hiantoka ny saran-dalany, sady ny andro tsy hiasany no hampiasainy amin’izany. Nahafinaritra anefa fa nitombo isan-kerinandro ny isan’ireo namaly ny antso, ka nahatratra 292 izy ireo! Maro be izy ireo, ka afaka nirahina tany amin’ny tanàna telo, dia i Kazanlak sy Sandanski ary Silistra. Nampirisika an’ireo mpisava lalana sy mpitory teo an-toerana koa ny mpiandraikitra ny faritra mba handray anjara tamin’ilay ezaka, ka lasa 382 no nandray anjara tamin’ny farany. Nazoto erỳ izy ireo ka afaka nitory tamin’ireo toerana tsy dia mbola nandre ny vaovao tsara.

Talohan’ny hahatongavan’izy ireo, dia nirahina hikarakara ny filasiany ny rahalahy teo amin’ny fiangonana tsy lavitra teo. Nanofa trano izy ireo, sady namandrika efitra tao amin’ny hotely tsy lafo loatra. Rehefa tonga ireo mpitory, dia niezaka mafy izy ireo nanome izay nilainy. Nisy trano nohofana hanaovana fivoriana koa tao Kazanlak sy Sandanski ary Silistra, ary ireo mpitory ireo no nitarika ny fivoriana. Tena nahafinaritra ny nahita hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah 50 nivory mba hidera an’i Jehovah, tany amin’ny tanàna sasany tsy nisy Vavolombelona.

Tena be zotom-po ireo rahalahy sy anabavy vahiny tonga nitory tany Boligaria. Mahatratra 40 degre ny hafanana indraindray, nefa tsy nahasakana azy ireo izany! Tao anatin’ny roatokombolana, dia vita ny fitoriana tao Silistra, tanàna amoron’ny Reniranon’i Danube, izay misy mponina 50 000 mahery. Nandeha nitory tany amin’ireo tanàna teo akaiky àry ireo rahalahy, ka tonga hatrany Tutrakan, 55 kilaometatra any andrefan’i Silistra. Tamin’ny 9.30 maraina izy ireo matetika no nanomboka nanompo, niato rehefa nisakafo antoandro, ary nanohy hatramin’ny 7.00 hariva na mahery. Tena be zotom-po koa ireo tany Kazanlak sy Sandanski, ka nitory tany amin’ireo tanàna manodidina.

Ny vokatr’ilay ezaka manokana

Betsaka ny fitoriana vita tao anatin’ireo roa volana latsaka kely. Toy ny tamin’ny andron’ny apostoly, dia afaka nilaza toy izao ny mponina tao amin’ireny tanàna ireny: “Nofenoinareo ny fampianaranareo [ny tanànanay].” (Asa. 5:28) Gazety 50 000 teo ho eo no voazara, ary fampianarana Baiboly 482 no natomboka. Nahafinaritra fa nisy fiangonana vaovao niforona tany Silistra tamin’ny 1 Septambra 2009, ary misy antoko-mpitory any Kazanlak sy Sandanski. Mampahery ny mahita hoe nisy olona sambany vao nandre ny vaovao tsara tamin’izay, nefa efa mandroso tsara izao.

Nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana tany Silistra ny anabavy iray mpisava lalana manokana any Espaina. Nitory tamin’i Karina, vehivavy mpivaro-gazety eny an-dalana, izy ny herinandro voalohany. Tena liana izy io ary namonjy fivoriana. Avy hatrany dia nanaiky hianatra Baiboly izy taorian’izay. Tsy mino an’Andriamanitra anefa ny vadiny, ka nangataka izy hoe aleo eny amin’ny zaridainam-panjakana no mianatra. Nianatra niaraka taminy koa ny zanany roa vavy. Tena tia ny fahamarinana i Daniela vavimatoany. Voavakiny tao anatin’ny herinandro ny boky Ampianarina, ary nampihariny avy hatrany ny voalazan’ny Baiboly hoe tsy mety ny mampiasa sary rehefa mivavaka. Nanomboka niresaka momba ny fahamarinana tamin’ny namany koa izy. Telo herinandro monja taorian’ny nanatrehany fivoriana, dia nilaza tamin’ilay nampianatra azy izy hoe: “Tsapako hoe efa hoatr’anareo mihitsy aho, ka inona no hataoko mba ho lasa mpitory?” Mandroso tsara izy, ary toy izany koa ny reniny sy ny zandriny vavy.

Nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana natao tany Kazanlak koa i Orlin, rahalahy boligara avy any Italia. Teny an-dalana hody izy indray mandeha, no nahita tovolahy roa nipetraka teo amin’ny zaridainam-panjakana. Nitory tamin’izy ireo izy, ary nomeny boky Ampianarina izy ireo. Nilaza koa izy hoe hiverina hitsidika azy ireo ny ampitso. Nanomboka nampianatra an’ilay anankiray i Orlin ny ampitson’iny. Svetomir no anaran’izy io. Mbola nitohy ihany ilay fianarana ny afakampitso, ary natao imbalo izany tao anatin’ny sivy andro. Hoy i Svetomir: “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanampy ahy hahafantatra azy, roa andro talohan’ny nihaonantsika. Nilaza aho hoe raha manampy ahy izy, dia hanokan-tena ho azy aho.” Rahalahy eo an-toerana izao no mampianatra an’i Svetomir, ary tena mandray am-po ny fahamarinana izy.

Nahazo fitahiana be ireo nahafoy tena

Inona no tsapan’ireo nahafoy andro tsy hiasana sy niantoka ny saran-dalany nankany Boligaria? Hoy ny anti-panahy iray any Espaina: “Nanjary nifandray akaiky kokoa ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana boligara eto Espaina, taorian’iny ezaka manokana iny. Nisy vokany be tamin’ireo nandray anjara ilay izy.” Hoy koa ny mpivady iray any Italia, izay nandray anjara nandritra ny iray volana: “Iny no volana nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainanay! Nanova ny fiainanay ilay izy! Hoatran’ny hoe lasa olom-baovao mihitsy izahay izao.” Mikasa hifindra any Boligaria izy mivady izao, mba hanompo any amin’izay mila mpitory bebe kokoa. Nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana tany Silistra koa i Carina, mpisava lalana maharitra mpitovo avy any Espaina. Niala tamin’ny asany izy taorian’ilay ezaka, ary nifindra tany Boligaria mba hanampy an’ilay fiangonana vaovao tany Silistra. Nahangom-bola hahafahany mijanona any herintaona izy. Hoy izy: “Tena faly aho hoe avelan’i Jehovah manompo eto Boligaria. Manantena aho fa ho afaka hijanona eto ela be. Efa manana mpianatra dimy aho izao, ary mamonjy fivoriana ny telo.”

Nisy anabavy italianina iray indray te handray anjara tamin’ilay ezaka manokana, nefa vao nahazo asa vaovao, ka tsy nanana andro tsy hiasana. Tsy nahasakana azy anefa izany. Nangataka iray volana tsy hiasana sy tsy handraisam-karama izy, ary vonona hiala amin’ilay asa raha tsy ekena ny fangatahany. Gaga izy satria neken’ilay mpampiasa ilay izy sady nampiany hoe: “Mahazo mandeha ianao, fa izao fotsiny: Andefaso karta paostaly avy any Boligaria aho.” Tsapan’ilay anabavy fa tena namaly vavaka i Jehovah.

Nanana asa be karama sady niasa tontolo andro i Stanislava, anabavy tanora ao Varna, any Boligaria. Te handray anjara tamin’ilay ezaka anefa izy, ka nangataka andro tsy hiasana. Latsa-dranomaso izy, rehefa nahita hoe tena sambatra ireo mpisava lalana maro be tonga avy lavitra, mba hitory ny vaovao tsara tao amin’ny taniny. Nahatonga azy hisaintsaina momba ny fiainany sy ny asa ataony izany. Rehefa nody izy tapa-bolana tatỳ aoriana, dia niala tamin’ny asany ary nirotsaka ho mpisava lalana maharitra. Tena sambatra izy izao mahatsiaro ny Mpamorona amin’ny andro fahatanorany.—Mpito. 12:1.

Mahafinaritra tokoa ny hoe be atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy misy tsara noho ny hoe mampiasa ny fotoananao sy ny herinao mba hampianarana Baiboly sy hitoriana ny vaovao tsara. Misy azonao atao ve mba handraisana anjara bebe kokoa amin’io fanompoana mamonjy aina io? Misy faritra mila mpitory bebe kokoa angamba ao amin’ny tany misy anao. Mety ho afaka hifindra any ve ianao, sa afaka mianatra teny vahiny mba hanampiana an’ireo vahiny mangetaheta ny fahamarinana ao amin’ny tany misy anao? Na inona na inona fanovana hataonao mba hampitomboana ny fanompoanao, dia matokia fa hanome fitahiana tondraka ho anao i Jehovah.—Ohab. 10:22.

[Efajoro/Sary, pejy 32]

Andro Iray Tsy Hay Hadinoina

Nanatrika an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miambena Hatrany!”, tany Sofia, ireo mpitory maro avy any Eoropa tonga nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana. Tena nampahery an’ireo rahalahy sy anabavy teo an-toerana ny nihaona tamin’izy ireo. Tena faly koa ny mpanatrika, izay niisa 2 039, rehefa nilaza ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe nivoaka ny Baiboly Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny boligara! Tena nankasitraka izany ny mpanatrika rehetra tonga tamin’io zoma io, ka nitehaka nirefodrefotra tsy an-kiato. Maro aza no latsa-dranomaso. Hanampy an’ireo Boligara tso-po hahalala an’i Jehovah io fandikan-teny marina tsara sy mora azo io.

[Sarintany, pejy 30, 31]

(Jereo ny gazety)

BOLIGARIA

SOFIA

Sandanski

Silistra

Kazanlak

[Sary, pejy 31]

Betsaka ny fitoriana vita tao anatin’ireo roa volana latsaka kely