Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitako ny Nandrosoan’ny Asa

Hitako ny Nandrosoan’ny Asa

Hitako ny Nandrosoan’ny Asa

Notantarain’i Harley Harris

Nanao fivoriamben’ny faritra tany Kennett, Etazonia, izahay ny 2 Septambra 1950, ary nohodidinin’ny mpirotaka. Nitondra mpitandro filaminana ny ben’ny tanàna mba hiaro anay. Feno miaramila mitam-basy ny lalana, ary nanompa anay ny olona. Nandeha fiara nankany Cape Girardeau, izahay mba hanohy an’ilay fivoriambe. Tany aho no natao batisa, ary 14 taona aho tamin’izay. Aleo hotantaraiko aminareo ny nahatonga ahy hanompo an’i Jehovah nandritra an’izany fotoana nikorontana izany.

NANDRE lahateny noraisim-peo nataon’ny Rahalahy Rutherford i Dadabe sy Bebe ary ny zanany valo, taoriana kelin’ny 1930. Niaiky izy ireo fa nahita ny fahamarinana. Natao batisa i Bay sy Mildred Harris, ray aman-dreniko, nandritra ilay fivoriambe tany Washington, tamin’ny 1935. Fantatra tamin’io fivoriambe io ny “vahoaka be”, ary faly erỳ izy mivady fa anisany.—Apok. 7:9, 14.

Teraka aho tamin’ny 1936. Nifindra tany amin’ny faritany mitokana tany Mississippi izahay, herintaona tatỳ aoriana, ary tsy nisy na dia fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany aza tany. Nifandray tamin’ny Betela ny fianakaviako ary nanatrika fivoriambe. Izany no mba nifaneraseranay tamin’ireo rahalahy, nandritra ny fotoana elaela.

Niaritra fanenjehana

Nenjehina mafy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Ady Lehibe II, satria tsy nanao politika. Nifindra tany Mountain Home, Arkansas, izahay. Nitory teny an-dalana izahay sy Dada, tamin’izaho dimy taona. Nosintonin’ny lehilahy iray ny gazety teny amin’i Dada, ary tonga dia nodorany. Kanosa, hono, izahay matoa tsy mandeha miady. Nitomany aho, fa i Dada kosa tony nijery an’ilay lehilahy, ary tsy niteny mandra-pahalasany.

Nisy olona tsara fanahy taminay koa anefa. Nohodidinin’ny mpirotaka ny fiaranay, indray mandeha, ary sendra nandalo ny mpampanoa lalàna. Hoy izy: “Fa misy inona?” Hoy ny lehilahy iray: “Tsy hiady ho an’ny tanindrazana, hono, ireto Vavolombelon’i Jehovah ireto.” Nankeo amin’ny fiakarana tamin’ny fiaranay ilay mpampanoa lalàna, ary niteny mafy hoe: “Niady tamin’ny Ady Lehibe I aho, ary mbola hiady koa amin’ity! Tsy manao ratsy ireo fa avelao handeha.” Niparitaka moramora ny olona. Tena mankasitraka an’ireny olona tsara fanahy ireny izahay.—Asa. 27:3.

Nampahery anay ny fivoriambe

Tena nilainay ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Saint Louis, Missouri, tamin’ny 1941. Maherin’ny 115 000 ny mpanatrika, araka ny tombantombana, ary 3 903 no natao batisa. Tadidiko tsara ilay lahateny ho an’ny ankizy, nataon’ny Rahalahy Rutherford, hoe “Zanak’ilay Mpanjaka.” Nozaraina taminay ankizy rehetra, avy eo, ilay boky manga tsara tarehy hoe Ankizy. Niditra nianatra aho ny taona nanaraka, ary nampahery ahy hiatrika an’izay hitranga ilay fivoriambe. Tsy nety nanangan-tsaina izaho sy ny zanak’olo-mpiray tam-po amiko, ka noroahin’ny sekoly. Niverina tany an-tsekoly foana izahay isan’andro, sao mba niova hevitra ny tale. Imbetsaka izahay no nanavatsava ala mba ho any an-tsekoly, nefa niveri-maina fotsiny. Tsapako anefa fa tsy nivadika tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra izahay rehefa nanao izany.

Namoaka didy ny Fitsarana Tampony Amerikanina, taoriana kelin’izay, fa tsy tokony hoterena hanangan-tsaina ny olona. Afaka nianatra ihany àry izahay. Tsara fanahy be ny mpampianatra ka namela anay hanenjika ny lesona tsy vitanay. Nanaja anay koa ny mpiara-mianatra taminay.

Tsaroako koa ilay fivoriambe tao Cleveland, Ohio, tamin’ny 1942. Nanao lahateny hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” ny Rahalahy Nathan Knorr tamin’izay. Famakafakana ny Apokalypsy toko faha-17 io lahateny io ary nohazavaina fa hilamindamina kely ny tany, aorian’ny Ady Lehibe II. Azo antoka àry fa hisy fitomboana. Nosokafana ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1943, mba hiomanana ho amin’izany. Tsy nampoiziko mihitsy ny ho fiantraikan’io sekoly io eo amin’ny fiainako. Nilamina tokoa ny tany taorian’ny ady, ary nihena ny fanenjehana. Nipoaka anefa ny Adin’i Korea, tamin’ny 1950, ka nisy indray ny fanenjehana. Tamin’izay no nitranga ilay voalaza terỳ aloha.

Nampandroso ny asa bebe kokoa

Nanomboka nanao mpisava lalana aho, iray volana taorian’ny nahavitan’ny fianarako teny amin’ny lise, tamin’ny 1954. Nanompo tany Kennett, Missouri, aho, tany amin’ilay nisy mpirotaka tamin’ny 1950. Nasaina hiasa tao amin’ny Betela aho tamin’ny Martsa 1955. Anisan’ny faritanin’ny fiangonana nanendrena ahy i Times Square, any New York. Niova be ny fiainako. Izao no nataoko mba hisarihana ny sain’ireo mponina be atao tao New York: Nampiseho lahatsoratra mahaliana tao amin’ny gazety aho, ary niteny hoe: “Efa noeritreretinao ve ity fanontaniana ity?” Maro no nandray gazety.

Anisan’ny tiako indrindra tao amin’ny Betela ny fotoam-pivavahana maraina notarihin’ny Rahalahy Knorr. Hainy tsara ny nanazava andinin-teny sy nampiseho ny fomba hampiharana azy. Nataony toy ny zanakalahy izahay mpitovo rehefa niresaka taminay izy, ary matetika izy no nanoro anay ny fomba hifandraisana amin’ny anabavy.

Tapa-kevitra ny hanambady aho, tamin’ny 1960. Nilazako ny Betela fa hiala aho, rehefa afaka iray volana, saingy tsy nisy valiny izany. Saro-kenatra aho nefa nisikina herim-po rehefa tapitra ny iray volana, ka nanontany an-telefaonina momba an’ilay fialako. Ny Rahalahy Robert Wallen no namaly, ary tonga tao amin’ny toeram-piasako izy. Nanontaniany aho raha te hanao mpisava lalana manokana na asan’ny faritra. Hoy aho: “Vao 24 taona ange aho ry Bob e, ary mbola tsy nanao an’izany!”

Nanao ny asan’ny faritra

Nisy valopy lehibe tao an’efitranoko ny harivan’iny. Ankona aho rehefa nahita ny tao anatiny: Fangatahana ho mpisava lalana manokana sy fangatahana hanao ny asan’ny faritra. Tombontsoa lehibe ho ahy ny nanao ny asan’ny faritra, ka nanompo an’ireo rahalahy tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Missouri sy tany amin’ny faritra atsinanan’i Kansas. Nanatrika fivoriana ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany aho talohan’ny nandehanako. Hoy ny Ralahahy Knorr teo am-pamaranana: “Tsy hoe mahay noho ireo rahalahy eo an-toerana ianareo raha voatendry ho mpiandraikitra ny faritra na vondrom-paritra. Mety ho za-draharaha kokoa ny sasany, saingy tsy afaka manao ny asan’ny faritra. Betsaka no azonareo ianarana avy amin’izy ireny.”

Hitako fa marina izany. Tena niavaka, ohatra, ny Rahalahy Fred Molohan sy ny vadiny, ary Charley rahalahiny, izay tao Parsons, any Kansas. Nianatra ny fahamarinana izy ireo, taoriana kelin’ny 1900. Mahafinaritra erỳ ny mihaino azy ireo mitantara ny zavatra niainany tamin’izaho mbola tsy teraka. Teo koa i John Wristen, rahalahy be taona tsara fanahy tao Joplin, Missouri, izay efa mpisava lalana nandritra ny am-polony taona. Tena manaja ny fomba fiasan’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo. Nataon’izy ireo tsapako fa nankasitrahany ny asako, na dia mbola tanora aza aho.

Nanambady an’i Cloris Knoche, mpisava lalana mafana fo sy mena volo aho tamin’ny 1962. Nanohy ny asan’ny faritra izahay mivady. Lasa nahalala an’ireo rahalahy izahay rehefa niantrano tany amin’izy ireo. Afaka nampirisika ny tanora hanompo manontolo andro izahay. Izany indrindra no nilain’i Jay Kosinski sy JoAnn Kresyman, tanora tao amin’ny faritra nisy anay. Niara-nanompo tamin’izy ireo izahay ary hitany ny fifalianay noho izahay mahafoy tena, ka lasa nanana tanjona izy ireo. Lasa mpisava lalana manokana i JoAnn, ary nanompo tao amin’ny Betela i Jay. Nivady izy roa tatỳ aoriana, ary efa 30 taona eo ho eo no nanaovany ny asan’ny faritra.

Nanao misionera

Nanontanian’ny Rahalahy Knorr izahay tamin’ny 1966 raha te hanompo any an-tany hafa. Hoy izahay: “Tianay ny fanompoanay atỳ, nefa vonona koa izahay raha ilaina any an-toeran-kafa.” Nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada izahay, herinandro taorian’izay. Faly erỳ aho satria niverina tao amin’ny Betela, nandritra an’ilay sekoly, ary niaraka tamin’ireo olona maro nolalaiko sy nohajaiko. Lasa namanay koa ireo mpianatra hafa, izay tsy mivadika hatramin’izao.

Voatendry teto Ekoatera, atỳ Amerika Atsimo, izahay mivady, Dennis sy Edwina Crist, Ana Rodríguez, ary Delia Sánchez. Nankao Quito renivohitra ry Crist mivady. Izahay sy Ana ary Delia kosa nasaina nankany Cuenca, tanàna fahatelo lehibe indrindra eto Ekoatera. Nahafaoka faritany roa ny toerana nitorianay. Natao tao aminay ny fivoriana voalohany tany Cuenca. Izahay efatra sy olona roa hafa no nanatrika. Nieritreritra izahay hoe ahoana àry no hamitanay ny faritaninay.

Feno fiangonana tao Cuenca, ary nanao dia be tao an-tanàna ny mpivavaka rehefa andro masina. Maro anefa ny fanontanian’ny olona. Nihaona tamin’i Mario Polo, tompon-daka amin’ny hazakazaka am-bisikileta tao Cuenca, ohatra, aho. Gaga aho fa hoy izy: “Iza ilay vehivavy mpivaro-tena resahin’ny Apokalypsy?”

Tonga tao aminay i Mario indray alina, ary nanahy be. Nisy pasiteran’ny Fiangonana Ara-pilazantsara nanome azy boky manaratsy Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza taminy aho fa tokony havela hiaro tena izay ampangaina. Nasain’i Mario tany an-tranony àry izahay sy ilay pasitera ny ampitso. Nangataka ny hiresaka momba ny Andriamanitra telo izay iray aho, tamin’izay. Namaky ny Jaona 1:1 ilay pasitera, ka i Mario no nanazava ny maha samy hafa ny hoe “Andriamanitra” sy “andriamanitra”, amin’ny teny grika. Toy izany foana no nitranga, isaky ny nanonona andinin-teny ilay pasitera. Tsy afaka nanohana an’ilay fampianarana ilay pasitera ka lasa. Niaiky i Mario sy ny vadiny fa marina izay nampianarinay, ary lasa mpiaro ny fampianaran’ny Baiboly izy ireo. Tena mahafaly ny mahita hoe lasa 33 ny fiangonana tao Cuenca, ary 63 ny fitambaran’ny fiangonana ao amin’ilay faritra lehibe nanendrena anay voalohany. Nandroso be tokoa ny asa!

Fandrosoan’ny asa teto amin’ny sampana

Nasaina hiasa tao amin’ny sampan’i Guayaquil izahay sy Al Schullo, tamin’ny 1970. Niasa tapa-potoana tao koa i Joe Sekerak. Izy no namono ny boky sy gazetin’ireo fiangonana 46 nanerana an’i Ekoatera. Nisy fotoana niasan’i Cloris teny amin’ny saha, tamin’izaho niasa teto amin’ny Betela. Telo na efatra na dimy amin’ny olona ampiany indraindray no atao batisa amin’ny fivoriambe, ary nahatratra 55 izy ireny.

Anisan’izany ny vehivavy atao hoe Lucresia. Nanohitra azy ny vadiny, nefa vita batisa ihany izy ary lasa mpisava lalana maharitra. Nampianariny ny lalan’i Jehovah ny zanany. Mpisava lalana manokana izao ny zanany lahy iray, anti-panahy ny roa, ary mpisava lalana ny zanany vavy. Nanambady rahalahy matotra ny zafikelin’i Lucresia ary mpisava lalana manokana koa izy mivady. Nanampy olona maro hahalala ny fahamarinana io fianakaviana io.

Nisy mpitory 5 000 teo ho eo teto Ekoatera, tamin’ny 1980, ary nihatery ny biraonay. Nisy rahalahy nanome tany 32 hektara, ary tsy tao Guayaquil ilay izy. Nanorenana biraon’ny sampana sy Efitrano Fivoriambe ilay tany tamin’ny 1984, ary notokanana tamin’ny 1987 izany.

Nitondra ny anjara birikiny ny hafa

Maro ny mpitory sy mpisava lalana avy any ivelany tonga teto mba hanitatra ny fanompoany. Tena nampahery izany! Mbola tsaroako i Andy Kidd avy any Kanada, izay mpampianatra efa nisotro ronono. Efa 70 taona izy rehefa nifindra teto Ekoatera, tamin’ny 1985. Tsy nivadika izy mandra-pahafatiny tamin’ny 2008, tamin’izy 93 taona. Izy irery no mpiandraikitra tao amin’ny fiangonana kely iray, tamin’ny nahitako azy voalohany. Tsy nahay teny espaniola tsara izy, nefa izy no nanao ny lahateny ho an’ny besinimaro sy nitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Izy koa no nitarika ny Sekolin’ny Fanompoana sy nanao ny ankamaroan’ny anjara tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Misy fiangonana miroborobo roa izao any amin’io toerana io. Efa ho 200 ny mpitory any ary maro ny anti-panahy.

Tonga teto koa i Ernesto Diaz sy ny fianakaviany, avy any Etazonia. Hoy izy, valo volana taorian’ny nahatongavany: “Lasa nahay an’ilay fiteny ny zanakay telo dahy ary lasa mpampianatra mahay. Manao ny asan’ny mpisava lalana aho, ka manompo manontolo andro miaraka amin’ny fianakaviako. Tanjona sarotra tratrarina ho an’ny raim-pianakaviana izany eto amin’ity tontolo ity, nefa vitako. Mitarika fampianarana Baiboly 25 izahay raha atambatra. Nihanifankatia izahay mianakavy, ary lasa tena akaiky an’i Jehovah aho!” Tena tianay sy ankasitrahanay ireny rahalahy sy anabavy ireny!

Nitarina ho indroan’ny teo aloha ny biraon’ny sampana, tamin’ny 1994. Nihoatra ny 50 000 ny mpitory teto tamin’ny 2005, ary nila nitarina indray ny biraon’ny sampana. Anisan’ny nitarina ny Efitrano Fivoriambe sy ny trano fonenana ary ny biraon’ny fandikan-teny. Notokanana tamin’ny 31 Oktobra 2009 ireo trano vaovao ireo.

Vavolombelona 60 000 teo ho eo no tany Etazonia tamin’ny 1942, tamin’ilay izaho voaroaka tany an-tsekoly. Efa iray tapitrisa mahery anefa izany izao. Nisy 1 400 teo ho eo ny mpitory ilay Fanjakana teto Ekoatera, tamin’izahay vao tonga teto tamin’ny 1966, nefa 68 000 mahery izany izao. Azo antoka fa mbola hitombo izany, satria nisy 120 000 ny fampianarana Baiboly ary 232 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 2009. Tena tsy nampoizinay mihitsy ny fomba nitahian’i Jehovah ny vahoakany! Mampientam-po tokoa ny manatri-maso ny fandrosoan’ny asa eto! *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 34 Nodimandry i Harley Harris, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy.

[Sary, pejy 5]

Fivoriambe tamin’ny 1981 sy ny Efitrano Fivoriamben’i Guayaquil (2009), teo amin’ilay toerana ihany