Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fiheveran’i Jehovah ny Fialan-tsiny?

Ahoana no Fiheveran’i Jehovah ny Fialan-tsiny?

Ahoana no Fiheveran’i Jehovah ny Fialan-tsiny?

NANAZAVA tamin’Andriamanitra i Adama hoe: “Ilay vehivavy nomenao ahy no nanome ahy ny voan’ilay hazo, ka nihinana aho.” Hoy kosa i Eva: “Ny menarana no namitaka ahy, ka nihinana aho.” Ireo no fialan-tsiny voalohany nataon’ny olombelona, ary lasa fanaon’ny olona izany hatramin’izao.—Gen. 3:12, 13.

Tsy neken’i Jehovah ny fialan-tsiny nataon’i Adama sy Eva. Nosaziny kosa izy ireo satria hitany fa ninia tsy nankatò. (Gen. 3:16-19) Midika ve izany fa tsy eken’i Jehovah daholo izay fanazavana omentsika?

Tsara homarihina aloha, fa ny fialan-tsiny tiana horesahina eto dia ny fanazavana omen’ny olona iray rehefa nanao fahadisoana izy, na tsy nahavita izay tokony ho nataony, na misy zavatra tsy tiany hatao. Mety ho marim-pototra ny fanazavan’ilay olona, ka azo atao ny mandefitra aminy na mamela ny fahadisoany. Misy kosa fialan-tsiny tsy tena marina, toy ilay nataon’i Adama sy Eva. Fanazavana namboamboarina ilay izy mba hanafenana ny tena marina. Io no fahita matetika, ka lasa tsy mifampatoky ny olona.

Misy olona mitady fialan-tsiny mba tsy hanompoana an’Andriamanitra. Mila mitandrina ny olona toy izany satria ‘mamita-tena amin’ny fiheveran-diso.’ (Jak. 1:22) Andeha isika hijery tantaran’olona sy toro lalana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly, mba ‘hamantarantsika tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.’—Efes. 5:10.

Inona no takin’Andriamanitra amintsika?

Misy didy mila ankatoavin’ny vahoakan’i Jehovah ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ilay hoe: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Mat. 28:19, 20) Tsy maintsy mankatò azy io izay rehetra manara-dia an’i Kristy. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza hoe: ‘Lozako raha tsy mitory ny vaovao tsara aho!’—1 Kor. 9:16.

Mbola tsy sahy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa ny olona sasany, na dia efa ela aza no nianatra Baiboly. (Mat. 24:14) Misy kosa efa nitory fa nijanona. Inona indraindray no lazain’izy ireo fa misakana azy tsy hitory? Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’ireo mpanompony tsy tonga dia nankatò ny didiny?

Fialan-tsiny tsy eken’Andriamanitra

“Sarotra be ilay izy.” Misy olona saro-kenatra, ka mafy aminy ny hitory. Diniho anefa ny tantaran’i Jona. Nirahin’i Jehovah izy hilaza fa horavany tsy ho ela i Ninive. Hitan’i Jona hoe sarotra be ilay asa nanirahana azy. Tsy mahagaga izany satria renivohitr’i Asyria i Ninive, ary malaza ho mpampijaly olona ny Asyrianina. Sahiran-tsaina angamba i Jona hoe: ‘Ireo koa ve dia hino ahy? Sao dia ho faty any aho?’ Nandositra àry izy! Tsy nanaiky anefa i Jehovah, fa nasainy namita an’ilay iraka ihany i Jona. Niezaka ny ho be herim-po àry izy, ka nandeha nitory tany Ninive. Notahin’i Jehovah ny ezaka nataony.—Jona 1:1-3; 3:3, 4, 10.

Sarotra be aminao ve ny hitory ny vaovao tsara? Tadidio fa ‘hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ (Mar. 10:27) Matokia fa hampahery anao izy, raha tsy mitsahatra mangataka ny fanampiany ianao. Hitahy anao koa izy raha miezaka ny ho be herim-po ianao, ka mandeha mitory.—Lioka 11:9-13.

“Izaho mihitsy no tsy mazoto e!” Inona no azonao atao raha tena tsy maniry hitory ianao? Tadidio fa afaka miasa ao anatinao i Jehovah, izany hoe afaka manampy anao ho tia manompo. Hoy i Paoly: ‘Andriamanitra no miasa ao anatinareo, satria izany no mahafinaritra azy. Amin’izay dia sady maniry ianareo no manatanteraka.’ (Fil. 2:13) Afaka mivavaka amin’i Jehovah àry ianao mba hampiany ho tia manao ny sitrapony. Izany no nataon’i Davida Mpanjaka. Niangavy an’i Jehovah izy hoe: “Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho.” (Sal. 25:4, 5) Afaka manahaka azy ianao, ka mitalaho amin’i Jehovah mba handrisika anao ho tia manao zavatra mampifaly azy.

Marina aloha fa reraka na kivy isika indraindray, ka tsy maintsy manery tena vao mahavita mitory sy mandeha mivory. Tsy midika anefa izany hoe tsy tena tia an’i Jehovah isika. Na ireo mpanompony tsy nivadika fahiny aza tsy maintsy niezaka mafy vao nahavita nanao ny sitrapony. Nilaza, ohatra, i Paoly fa toy ny hoe ‘nasiany mafy ny vatany’, mba hankatoavana ny didin’Andriamanitra. (1 Kor. 9:26, 27) Matokia àry fa hotahin’i Jehovah ianao, na dia tsy maintsy manery ny tenanao aza vao mahavita mitory. Nahoana? Satria ny fitiavanao an’i Jehovah no mahatonga anao hanao izany. Porofoinao amin’izay fa diso ilay fiampangan’i Satana hoe hivadika amin’Andriamanitra ianao, rehefa iharam-pitsapana.—Joba 2:4.

“Tsy manam-potoana aho.” Raha izany no antony tsy itorianao, dia tena mila mandinika ianao hoe inona no zava-dehibe aminao. Hoy i Jesosy: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany.” (Mat. 6:33) Angamba ianao mila manatsotra ny fiainanao, na mampihena ny fotoana ialanao voly mba hahafahanao handeha hitory. Marina fa ilaina ny miala voly sy manao zavatra hafa, nefa tsy mety raha ireo no atao fialan-tsiny tsy handehanana hanompo. Mikatsaka ilay Fanjakana alohan’ny zava-drehetra ny mpanompon’Andriamanitra.

“Tsy mahay aho.” Mieritreritra angamba ianao hoe tsy mahay mitory ny vaovao tsara. Efa nisy mpanompon’i Jehovah tsy nivadika nieritreritra toy izany koa fahiny. Nihevitra, ohatra, i Mosesy fa tsy ho vitany ny iraka ampanaovin’i Jehovah azy. Hoy izy: “Tena miala tsiny aminao aho Jehovah ô, fa tsy mahay mandaha-teny aho, efa hatramin’izay ka hatramin’izao iresahanao amin’ny mpanomponao izao, fa votsa vava aho sady miraiki-dela.” Nampahery azy i Jehovah, nefa mbola niteny ihany izy hoe: “Tena miala tsiny aminao aho, Jehovah ô! Olon-kafa re irahina e! Izay tianao hirahina no iraho.” (Eks. 4:10-13) Inona no nataon’i Jehovah?

Tsy nanaiky ny fangatahan’i Mosesy i Jehovah. Nampiany kosa izy, ka notendreny hiaraka aminy i Arona. (Eks. 4:14-17) Mbola nanampy an’i Mosesy foana koa i Jehovah tatỳ aoriana, ary nanome azy izay rehetra nilainy mba hamitana ilay asa. Matokia àry fa hampiasa an’ireo Kristianina efa za-draharaha i Jehovah, mba hanampy anao eny amin’ny fanompoana. Mampanantena koa ny Teniny fa hataony izay hahatonga anao hahay tsara an’ilay asa nanirahany anao.—2 Kor. 3:5; jereo ilay  efajoro etsy ambony.

“Nisy olona nanafintohina ahy.” Tsy mitory intsony na tsy mivory intsony ny Kristianina sasany, satria nisy nanafintohina azy teo anivon’ny fiangonana. Mihevitra izy fa tsy hanameloka azy i Jehovah. Rariny aloha raha malahelo isika rehefa misy olona nanafintohina antsika. Mety ve anefa raha izany no antony tsy hitoriana na tsy hivoriana? Eritrereto ange e! “Nisafoaka mafy” i Paoly sy Barnabasy rehefa avy nifamaly. (Asa. 15:39) Azo inoana fa samy nalahelo izy ireo, nefa mbola nitory foana.

Nisy mpiray finoana nanafintohina anao ve? Tadidio fa tsy lavorary izy, ary i Satana no fahavalonao fa tsy izy. Mitady handrapaka anao ny Devoly, nefa tsy hahomby izy raha ‘manohitra azy’ sy ‘manana finoana matanjaka’ ianao. (1 Pet. 5:8, 9; Gal. 5:15) “Tsy ho diso fanantenana” ianao, raha manana finoana toy izany.—Rom. 9:33.

Ahoana raha tsy mahavita manompo firy isika?

Inona no lesona raisintsika avy amin’ireo fanazavana ireo? Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara isika. Tsy eken’Andriamanitra mantsy izay fialan-tsiny rehetra lazaintsika mba tsy hanompoana azy. Ahoana anefa raha manompo ihany isika, saingy tsy mahavita be satria tsy maintsy manatanteraka andraikitra hafa voalaza ao amin’ny Soratra Masina? Ary ahoana raha reraka be na marary mafy isika, indraindray, ka tsy mahavita manompo araka izay tiantsika? Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa fantatr’i Jehovah hoe tena maniry hanompo azy isika, ary tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika izy.—Sal. 103:14; 2 Kor. 8:12.

Tsy tokony hanamelo-tena àry isika raha kely ny fanompoana vitantsika. Tsy mety koa ny manakiana an’izay tsy mahavita be. Hoy ny apostoly Paoly: “Fa iza moa ianao no hitsara ny mpiasa an-tranon’ny hafa? Eo anoloan’ny mpampiasa azy no ijoroany na ahalavoany.” (Rom. 14:4) Tsy tokony hampitaha ny fanompoana vitantsika amin’ny an’ny hafa isika. Tadidio kosa fa “samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.” (Rom. 14:12; Gal. 6:4, 5) Tokony hanana “feon’ny fieritreretana tsara” koa isika, izany hoe hilaza ny marina, rehefa miresaka amin’i Jehovah ny antony tsy nahavitantsika ny zavatra takiny.—Heb. 13:18.

Mahafaly ny manompo an’i Jehovah

Afaka ny ho faly isika rehetra, rehefa manompo an’i Jehovah. Tsy hentitra loatra mantsy ny zavatra takiny sady azo tanterahina tsara, na manao ahoana na manao ahoana fiainantsika.

Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa raha mbola azon’ny tananao atao ihany.” (Ohab. 3:27) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy milaza i Jehovah hoe tsy maintsy mitovy amin’ny vitan’ny hafa ny vitanao. Ampirisihiny kosa ianao mba hanompo azy, araka izay “azon’ny tananao atao.” Afaka manompo an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo àry isika, na kely na be no azontsika atao.—Lioka 10:27; Kol. 3:23.

[Efajoro/Sary, pejy 14]

 “Fotoana Mamy Indrindra teo Amin’ny Fiainako”

Marary angamba ianao, na sembana, na manana olana hafa. Tsy tokony hieritreritra avy hatrany anefa ianao hoe tsy hahavita be eo amin’ny fanompoana mihitsy. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Ernest, rahalahy tany Kanada.

Tsy nahay niteny tsara i Ernest, sady saro-kenatra. Mpanao trano izy saingy voatery niala tamin’ny asany, satria naratra be ny lamosiny ary lasa kilemaina izy. Lasa nanam-potoana kokoa hanompoana anefa izy. Nisy fampirisihana foana tany am-pivoriana hoe tsara ny manao mpisava lalana mpanampy. Tena te ho mpisava lalana izy, nefa natahotra sao tsy hahavita izany.

Tiany ho hita raha tena tsy mahavita an’io asa io tokoa izy, ka nangataka hanao azy io mandritra ny iray volana. Gaga be izy fa vitany tsara ilay izy. Nieritreritra izy hoe: ‘Tsy hahavita hoatran’iny intsony aho.’ Tiany hoporofoina raha marina tokoa izany, ka nanandrana indray izy ny volana nanaraka. Mbola vitany ihany anefa ilay izy.

Afaka nanao mpisava lalana mpanampy nandritra ny herintaona i Ernest. Hoy anefa izy: “Tsy ho vitako kosa aloha izany hanao mpisava lalana maharitra izany e!” Tiany hoporofoina indray hoe tsy ho vitany tokoa ilay izy, ka nangataka ny ho mpisava lalana maharitra izy. Gaga be izy fa vitany tsara ilay asa rehefa tapitra ny herintaona. Tapa-kevitra ny hanohy àry izy, ka nahavita ny asan’ny mpisava lalana maharitra nandritra ny roa taona. Mampalahelo fa maty izy taorian’izay, satria lasa narary be vokatr’ilay ratra nahazo azy. Talohan’ny nahafatesany anefa, dia matetika izy no nitomany sady nilaza tamin’izay nitsidika azy hoe: “Iny telo taona nanaovako ny asan’ny mpisava lalana iny no fotoana mamy indrindra teo amin’ny fiainako.”

[Sary, pejy 13]

Azontsika resena daholo izay zava-tsarotra misakana antsika tsy hitory

[Sary, pejy 15]

Faly i Jehovah rehefa manompo azy amin’ny fo manontolo isika, na manao ahoana na manao ahoana fiainantsika