Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Zanakao Hahalala Tsara ny Fandaminan’i Jehovah

Ampio ny Zanakao Hahalala Tsara ny Fandaminan’i Jehovah

Ampio ny Zanakao Hahalala Tsara ny Fandaminan’i Jehovah

TIA manontany ny ankizy. Nety ho nanontany toy izao ny ankizy israelita, ny alin’ilay Paska voalohany tany Ejipta: ‘Fa maninona isika no mamono ondrikely?’ ‘Fa maninona no asian’i Dada ra ny varavarana?’ ‘Ho aiza kay isika?’ Tian’i Jehovah hahazo valiny mahafa-po ny ankizy rehefa manontany. Hoy mantsy izy tamin’ireo raim-pianakaviana israelita: “Rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: ‘Fa maninona ianareo no manao izao fankalazana izao?’, dia lazao hoe: ‘Fanaovana sorona ny Paska ho an’i Jehovah izao. Nolalovany fotsiny mantsy ny tranon’ny zanak’Israely tany Ejipta, fony izy namely ny Ejipsianina fa nitsimbina ny tao an-tranontsika kosa.’ ” (Eks. 12:24-27) Nampahatsiahy an’ireo ray aman-dreny israelita i Jehovah, tatỳ aoriana, fa tena ilaina ny mamaly ny fanontanian’ny ankizy momba ny ‘fitsipika sy lalàna’ nomeny.—Deot. 6:20-25.

Nasain’i Jehovah nomena valiny mahafa-po àry ny ankizy israelita, rehefa nanontany momba ny fivavahana marina. Niriny ho tia azy mantsy ireny ankizy ireny, ary hanaiky hoe izy no Andriamanitra sy Mpamonjy. Iriny hanao toy izany koa ny ankizy ankehitriny. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hanampiana ny zanany ho tena tia an’Andriamanitra sy ny vahoakany? Tokony hampahafantariny azy ireo ny fandaminan’i Jehovah sy ny soa raisiny avy amin’izy io. Ahoana no anaovana izany?

Ny fiangonana misy anareo

Mila mahafantatra tsara ny fiangonana misy anareo ny zanakareo. Tsara àry raha entina mamonjy ny fivoriana rehetra izy. Nasaina nivory koa mantsy ny ankizy fahiny, araka ilay didin’i Jehovah hoe: ‘Vorio ny vahoaka, dia ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy madinika, mba hihainoany sy hianarany, satria tokony hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo izy, ary tokony hitandrina mba hanaraka an’izay rehetra voalazan’ity lalàna ity. Ary ny zanany izay tsy mahalala an’izany dia tokony hihaino sy hianatra hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo.’—Deot. 31:12, 13.

Efa afaka mahay zavatra sasany ao amin’ny Tenin’i Jehovah, na dia ny zazakely aza. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina.” (2 Tim. 3:15) Na ny zaza aza, dia efa mahatakatra ny fanazavana sasany omena any amin’ny Efitrano Fanjakana, ary efa manomboka mahaihay ny hira atao any. Mianatra mampiasa Baiboly sy ireo boky ara-baiboly izy any, ary lasa mahay manaja azy ireny. Hitan’ny ankizy koa hoe tena mifankatia isika mpanara-dia an’i Kristy. Hoy i Jesosy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Hazoto hivory foana ny ankizy, rehefa hitany hoe tena mifankatia sy tsy manana ahiahy ny Kristianina any amin’ny Efitrano Fanjakana.

Tsara raha zatra tonga aloha any am-pivoriana ianareo, ary tsy tonga dia mody rehefa mirava. Hahazo namana ny zanakao amin’izay. Ampifankahalalao amin’ny tanora sy ny be taona izy ireo, mba tsy ho ankizy foana no hiarahany. Rehefa mifanerasera amin’ny olon-dehibe izy, dia ho hitany fa mahalala zavatra maro izy ireny, sady manam-pahendrena. ‘Nampianarin’i Zakaria hatahotra an’ilay tena Andriamanitra’ i Ozia, mpanjakan’i Joda, tamin’izy mbola kely. Nisy vokany tsara teo amin’i Ozia izany. (2 Tan. 26:1, 4, 5) Modely ho an’ny ankizy tokoa ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika efa hatramin’ny ela. Ankoatra izany, dia atoroy ny zanakao hoe inona no ilana ny fitehirizam-boky sy ny tabilao misy filazana ary ny zavatra hafa ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

Fandaminana iraisam-pirenena

Tokony ho fantatry ny zanakao fa manana fandaminana iray i Jehovah eto an-tany. Misy fiangonana 100 000 mahery ao amin’izy io, ary iray amin’izany ny fiangonanareo. Hazavao ny momba an’io fandaminana io sy ny fomba fiasany, ary izay azon’ny ankizy atao mba hanohanana azy io. Resaho hoe nahoana no tsy andrinao ny hahatongavan’ireo fivoriambe sy ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra.—Jereo ilay  efajoro eo amin’ny pejy 28.

Asao ho any aminareo ny mpiandraikitra mpitety faritany, misionera, mpiasan’ny Betela, na mpitory manontolo andro hafa. Aza mieritreritra hoe tsy hanam-potoana hiresahana amin’ny zanakao izy ireny. Miezaka manahaka an’i Jesosy ny mpanompo manontolo andro, ka tia miaraka amin’ny ankizy. (Mar. 10:13-16) Ho hitan’ny zanakao hoe faly manompo an’i Jehovah izy ireny, sady manan-javatra maro hotantaraina. Mety handrisika azy hanompo manontolo andro izany.

Ahoana koa no azo anampiana ny ankizy hahafantatra kokoa ny fandaminana? Azonareo iarahana mamaky, ohatra, ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Resaho aminy fa tena nahafoy tena sy tsy nivadika ary nanetry tena ireo mpanompon’i Jehovah voaresaka ao. Hazavao fa nampiasa azy ireny i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara maneran-tany. Azonareo jerena koa ny video navoakan’ny fandaminana. Miresaka momba ny mpanompon’i Jehovah fahiny sy ankehitriny izy ireny, ary tena mahasoa. Ento mitsidika ny Betela eto amintsika na any an-tany hafa ny zanakao. Ho hitany amin’izay fa voalamina tsara ny fandaminan’i Jehovah, ka afaka mahazo sakafo ara-panahy sy tari-dalana ny rahalahy eran-tany. Ny mpanompo mendri-pitokisana no mandrindra an’izany rehetra izany, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany.—Mat. 24:45-47; Asa. 15:22-31.

Ataovy arakaraka ny taonan’ny ankizy ny fanazavanao

Tadidio ny fomba nampianaran’i Jesosy ny apostoly, rehefa manampy ny zanakao ianao. Hoy izy: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.” (Jaona 16:12) Nampita ny fahamarinana tamin’ireo mpianany izy, saingy nataony tsikelikely izany mba ho azon’izy ireo tsara. Aza omena fanazavana be loatra àry ny zanakao. Ampianaro tsikelikely momba ny fandaminana izy, ary ataovy tsy tapaka izany. Hahafinaritra azy foana amin’izay ny mianatra momba azy io. Azonao averimberina na ampitomboina ny zavatra ampianarinao azy, arakaraka ny taonany.

Tena manampy antsika hifandray tsara amin’Andriamanitra ny fandaminana. Mahavita kokoa manohitra an’ity tontolon’i Satana ity ny ankizy, raha mazoto manompo sy mivory. (Rom. 12:2) Matoky izahay fa ho faly ianao hanampy ny zanakao hahalala tsara ny fandaminan’i Jehovah. Hitahy ny ezaka ataonao anie ilay Raintsika be fitiavana, ka tsy hivadika amin’ny fandaminany ny zanakao sady hanompo azy foana.

[Efajoro/Sary, pejy 28]

 Inona no Azo Resahina Mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

Ireto misy zavatra vitsivitsy momba ny fandaminan’i Jehovah azonareo dinihina:

▪ Resaho amin’ny zanakao ny tantaran’ny fiangonanareo. Ohatra hoe: Ahoana no nampisy azy io ary oviana? Taiza avy ny fiangonanareo no nivory? Manasà mpitory efa ela teo anivon’ny fiangonana, mba hamaly ny fanontanian’ny ankizy.

▪ Hazavao amin’ny zanakao hoe inona no ilana ny fivoriana rehetra sy ny fivoriambe. Resaho aminy koa ny soa azo avy amin’izy ireny.

▪ Azonareo dinihina ny antony anaovana an’ireo sekoly isan-karazany eo anivon’ny fandaminana. Milazà fitantarana manaporofo fa tena misy vokany tsara izy ireny.

▪ Lazao aminy fa tsy tokony ho mpitory tapatapaka izy. Resaho koa fa tsy very maina ny fanompoana vitany, satria anisan’ny voasoratra ao amin’ny tatitra maneran-tany, ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

▪ Ampahafantaro azy ny karazana fanompoana manontolo andro azon’ny tanora atao eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Manazava tsara an’izany ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, toko faha-10.

▪ Lazao aminy hoe nahoana no misy toromarika mila arahina eo anivon’ny fiangonana. Tsara ho fantany hoe nahoana izy no tsy tokony hanao izay tiany eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, na dia amin-javatra madinika aza. Mila hazavainao aminy koa fa hilamina tsara ny fiangonana, raha manaraka ny tari-dalan’ny anti-panahy izy.

[Sary]

Handray soa ny zanakao raha minamana amin’ny mpanompon’i Jehovah efa ela

[Sary, pejy 26]

Tahafo ny Israelita, ka omeo valiny mahafa-po ny zanakao rehefa manontany momba ny fandaminan’i Jehovah