Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao ho Loha Laharana Amin’ny Fanomezam-boninahitra

Aoka Ianao ho Loha Laharana Amin’ny Fanomezam-boninahitra

Aoka Ianao ho Loha Laharana Amin’ny Fanomezam-boninahitra

“Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” —ROM. 12:10.

1, 2. a) Inona no ampirisihan’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

NASONGADIN’NY apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, fa tena mila mifankatia isika eo anivon’ny fiangonana. Nampahatsiahiviny fa tsy tokony hisy “fihatsarambelatsihy” ny fitiavantsika. Niresaka momba ny “fitiavan-drahalahy” koa izy, ary nilaza fa tokony hanana “firaiketam-po lalina” isika rehefa maneho azy io.—Rom. 12:9, 10a.

2 Tsy fihetseham-po fotsiny anefa ny fitiavan-drahalahy, fa tokony haseho amin’ny atao koa. Tsy hisy hahalala hoe manana fitiavana sy firaiketam-po lalina isika, raha tsy manao zavatra hampisehoana izany. Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Rom. 12:10b) Inona no atao hoe manome voninahitra? Nahoana isika no tokony ho loha laharana amin’izany, indrindra fa rehefa mifandray amin’ny mpiray finoana? Ahoana no hanaovantsika izany?

Fanajana sy fanomezam-boninahitra

3. Inona no dikan’ny teny hebreo sy grika nadika hoe “voninahitra”?

3 Midika ara-bakiteny hoe “havesarana” ny teny hebreo nadika matetika hoe “voninahitra.” Heverina ho toy ny hoe manan-danja na misy vidiny ny olona omena voninahitra. Milaza ny fanajana lalina aseho amin’ny olona koa izy io. (Gen. 45:13) Ny teny grika nadika hoe “voninahitra” indray dia manana heviny hoe fiheverana ho zava-dehibe na ho ambony, na fiheverana ho sarobidy. (Lioka 14:10) Sarobidy amintsika àry ny olona omentsika voninahitra.

4, 5. Inona no ifandraisan’ny hoe manome voninahitra sy ny hoe manaja? Manomeza ohatra.

4 Inona no tafiditra amin’ny hoe manome voninahitra? Manomboka amin’ny fanajana izy io. Ampiasaina miaraka ireo teny ireo matetika, satria misy ifandraisany be. Fomba ampisehoana ny fanajana ny hoe manome voninahitra. Matetika ny hoe manaja no milaza ny fiheverantsika an’ireo rahalahy ao am-pontsika ao. Milaza ny fomba itondrantsika azy kosa ny hoe manome voninahitra.

5 Ahoana tokoa moa no hahafahan’ny Kristianina iray hanome voninahitra ny mpiray finoana aminy, raha tsy manaja azy izy ao am-pony ao? (3 Jaona 9, 10) Raha tsara fototra ny zavamaniry iray vao handrobona sy hateza. Toy izany koa ny fanomezam-boninahitra. Tsy haharitra sady ho fihatsarambelatsihy fotsiny izy io, raha tsy avy ao am-pontsika mihitsy ilay fanajana. Tsy mahagaga àry raha nanome izao torohevitra izao i Paoly, talohan’ny hampirisihana antsika hanome voninahitra ny hafa: “Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo.”—Rom. 12:9; vakio ny 1 Petera 1:22.

Nataon’Andriamanitra ‘misy itovizana aminy’

6, 7. Nahoana isika no tokony hanaja ny olona?

6 Hitantsika teo fa tena ilaina ny fanajana mba hanomezam-boninahitra ny hafa. Mila fantarintsika sy tadidintsika àry ny antony ilazan’ny Baiboly hoe tokony hanaja an’ireo rahalahy rehetra isika. Handinika roa amin’izany isika.

7 Tsy toy ny zavaboary hafa eto an-tany ny olombelona, fa nataon’Andriamanitra ‘misy itovizana aminy.’ (Jak. 3:9) Izany no mahatonga antsika hanana ny toetran’Andriamanitra, toy ny fitiavana sy fahendrena ary fanaovana ny rariny. Misy zavatra hafa koa anefa nomen’ny Mpamorona antsika. Hoy ny mpanao salamo: ‘Tantaraina any ambonin’ny lanitra ny voninahitrao Jehovah ô! Efa nataonao ambany kely noho ireo andriamanitra ny olombelona, ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana.’ (Sal. 8:1, 4, 5; 104:1) * Nosatrohan’Andriamanitra, izany hoe noravahany voninahitra ny olombelona. Rehefa manome voninahitra ny olona àry isika, dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay manome voninahitra ny olombelona. Koa raha ny olona amin’ny ankapobeny aza tokony hohajaintsika, tsy mainka ve fa ny mpiray finoana amintsika!—Jaona 3:16; Gal. 6:10.

Fianakaviana iray ihany

8, 9. Araka ny nolazain’i Paoly, nahoana isika no tokony hanaja an’ireo mpiray finoana amintsika?

8 Nilaza antony faharoa tokony hanajantsika ny hafa koa i Paoly. Nilaza toy izao izy, talohan’ny hampirisihana antsika hanome voninahitra: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.” Ilay teny grika nadika hoe “firaiketam-po lalina”, dia milaza ny fifandraisana akaiky misy eo anivon’ny fianakaviana mifankatia sy mifanohana. Nampiasa an’io teny io àry i Paoly, mba hanamafisana fa tokony hifandray akaiky sy hifankatia, toy ny fianakaviana mifandray am-po, ny fiangonana. (Rom. 12:5) Tadidio koa fa ho an’ny Kristianina voahosotra no nanoratan’i Paoly an’ireo teny ireo, ary efa natsangan’i Jehovah ho zanany daholo izy ireo. Noho izany, dia tena fianakaviana mifandray akaiky izy ireo. Tena tokony hifanaja àry ireo Kristianina voahosotra tamin’ny andron’i Paoly, ary toy izany koa ny voahosotra ankehitriny.

9 Ahoana kosa ny amin’ireo anisan’ny “ondry hafa”? (Jaona 10:16) Marina fa mbola tsy natsangan’Andriamanitra ho zanany izy ireo. Afaka mifampiantso hoe rahalahy sy anabavy anefa izy ireo, satria anisan’ny fianakavian’ny Kristianina maneran-tany. (1 Pet. 2:17; 5:9) Tena tokony hanaja ny mpiray finoana aminy àry ireo anisan’ny ondry hafa, raha mazava tsara aminy hoe nahoana izy ireo no mifampiantso hoe “rahalahy” sy “anabavy.”—Vakio ny 1 Petera 3:8.

Nahoana no tena zava-dehibe ny hoe mifanome voninahitra?

10, 11. Nahoana no tena zava-dehibe ny hoe manaja sy manome voninahitra ny hafa?

10 Nahoana no tena zava-dehibe ny hoe manaja sy manome voninahitra an’ireo rahalahy sy anabavy? Satria rehefa manao izany isika, dia mahatonga ny fiangonana manontolo ho sambatra sy hiray saina.

11 Fantatsika fa tena ilaina ny mifandray akaiky amin’i Jehovah sy mahazo ny fanahiny. Ireo no fomba lehibe indrindra ahazoantsika hery. (Sal. 36:7; Jaona 14:26) Mahazo hery koa anefa isika, rehefa asehon’ny mpiray finoana amintsika hoe sarobidy aminy isika. (Ohab. 25:11) Mahatsiaro ho velombelona isika, rehefa misy zavatra lazain’izy ireo na ataony, mampiseho fa mihevitra antsika ho sarobidy izy ireo ary manaja antsika. Mahazo hery isika mba handehanana amim-pifaliana hatrany eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana, ary tapa-kevitra tsy hiala amin’izany. Azo inoana fa efa nahatsapa an’izany ianao.

12. Inona no azontsika tsirairay atao, mba hampisy fifankatiavana eo anivon’ny fiangonana?

12 Fantatr’i Jehovah fa efa ao anatintsika ao ny hoe te hohajaina, ka mampirisika antsika izy hoe: “Miezaha amin’ny fifanajana.” (Rom. 12:10, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara; vakio ny Matio 7:12.) Mampisy fifankatiavana eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy, ny Kristianina mampihatra an’io torohevitra tsy lany andro io. Mila manontany tena àry isika hoe: ‘Hita amin’ny teniko sy ny ataoko ve fa manaja ny hafa aho ato am-poko ato? Oviana aho no nanao izany farany tamin’ny mpiara-manompo?’—Rom. 13:8.

Fampirisihana ho an’ny rehetra

13. a) Iza no tokony ho loha laharana amin’ny fanomezam-boninahitra? b) Inona no asehon’ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 1:7?

13 Iza no tokony ho loha laharana amin’ny fanomezam-boninahitra? Nilaza i Paoly hoe ny anti-panahy no “mitarika eo aminareo.” (Heb. 13:17) Marina fa efa mitarika amin’ny asa maro ny anti-panahy. Mpiandry ny andian’ondry anefa izy ireo, ka tokony ho loha laharana koa eo amin’ny fanomezam-boninahitra an’ireo mpiray finoana, anisan’izany ny anti-panahy hafa. Tokony hifanome voninahitra, ka hihaino tsara izay lazain’ny anti-panahy hafa, ohatra, izy ireo, rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny fiangonana. Manome voninahitra ny hafa koa izy ireo, raha mandinika ny hevitry ny anti-panahy hafa rehetra, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. (Asa. 15:6-15) Natao ho an’ilay fiangonana koa anefa ilay taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina, fa tsy ho an’ny anti-panahy ihany. (Rom. 1:7) Midika izany fa tokony ho loha laharana amin’ny fanomezam-boninahitra ny rehetra.

14. a) Inona no tsy mampitovy ny hoe manome voninahitra sy ny hoe loha laharana amin’izany? Manomeza ohatra. b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

14 Mariho fa tsy nampirisika ny mpiray finoana taminy mba hifaneho voninahitra fotsiny i Paoly, fa nampirisika azy ireo mba ho loha laharana amin’izany koa. Inona no tsy mampitovy an’izany? Diniho ity ohatra ity. Mbola mila ampianarina hamaky teny ve ny ankizy efa mahay mamaky teny? Azo antoka fa tsia. Mety ho mbola mila hampianarina hahay hamaky teny kokoa anefa izy ireo. Toy izany koa isika. Efa toetra amantarana ny tena Kristianina ny fifankatiavana, ary mifanome voninahitra isika noho izany. (Jaona 13:35) Toy ny ankizy mbola afaka manatsara ny fahaizany anefa, dia afaka mihatsara isika tsirairay, ka ho loha laharana amin’ny fanomezam-boninahitra. (1 Tes. 4:9, 10) Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Manao ny dingana voalohany ve aho mba hanomezam-boninahitra ny hafa?’

Omeo voninahitra “ny olona ambany”

15, 16. a) Tsy tokony hanadino hanome voninahitra an’iza isika, ary nahoana? b) Ahoana no hahalalana raha manaja an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika ao am-pontsika ao?

15 Tokony homentsika voninahitra ny olona rehetra, anisan’izany ny olona voalaza ato amin’ity ohabolana ity: “Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.” (Ohab. 19:17) Ahoana no azontsika ampiharana an’io andininy io?

16 Ekenao angamba fa vonona hanome voninahitra an’izay olona ambony noho izy ny ankamaroan’ny olona, fa tsy dia manao an’izany kosa amin’ny olona heveriny ho ambany. Tsy toy izany i Jehovah. Hoy izy: “Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra.” (1 Sam. 2:30; Sal. 113:5-7) Omen’i Jehovah voninahitra ny olona rehetra manompo azy sy manome voninahitra azy. Tsy manao tsinontsinona “ny olona ambany” izy. (Vakio ny 1 Samoela 2:8; 2 Tan. 16:9) Azo antoka fa te hanahaka an’i Jehovah isika. Mila manontany tena toy izao àry isika, mba hahafantarantsika raha tena manome voninahitra ny hafa isika na tsia: ‘Ahoana no fomba itondrako an’ireo olona tsy mitana andraikitra lehibe eo anivon’ny fiangonana, na ireo olona tsy dia misongadina loatra?’ (Jaona 13:14, 15) Ho hita amin’izany raha tena manaja ny hafa isika ao am-pontsika ao.—Vakio ny Filipianina 2:3, 4.

Mila mahafoy fotoana ho an’ny hafa isika

17. Inona no fomba lehibe iray ampisehoantsika fa loha laharana isika amin’ny fanomezam-boninahitra, ary nahoana?

17 Misy fomba lehibe iray ampisehoantsika hoe loha laharana isika amin’ny fanomezam-boninahitra. Mila mahafoy fotoana ho an’ny hafa isika. Nahoana no hoe fomba anomezam-boninahitra izany? Satria samy be atao isika Kristianina. Maka betsaka amin’ny fotoanantsika koa ireo asa maro samihafa eo anivon’ny fiangonana. Tsy mahagaga àry raha sarobidy amintsika ny fotoana. Tsapantsika fa tsy mety ny manantena hoe tokony hanokana fotoana be ho antsika ireo rahalahintsika. Faly koa anefa isika rehefa takatry ny hafa hoe tsy tokony hitaky be amintsika izy.

18. Araka ny asehon’ny sary eo amin’ny pejy 18, inona no azontsika atao mba hampisehoana fa vonona hanokana fotoana ho an’ny mpiray finoana amintsika isika?

18 Izao anefa no tokony hotsaroantsika, indrindra fa ny mpiandry eo anivon’ny fiangonana: Hita hoe manaja ny mpiray finoana amintsika isika, raha mahafoy fotoana ho azy, ka vonona hanajanona ny zavatra ataontsika mba hanampiana azy. Toy ny milaza mantsy isika amin’izay hoe: ‘Tena sarobidy amiko ianao, ka aleoko manokana fotoana ho anao, toy izay manohy an’ity zavatra ataoko ity.’ (Mar. 6:30-34) Raha tsy vonona hanajanona izay ataontsika kosa anefa isika, dia mety hieritreritra izy hoe tsy dia misy dikany amintsika izy. Marina fa misy zavatra maika indraindray, ka tsy azo ajanona. Na izany aza, dia tena hita amin’ny fahavononantsika hanokana fotoana ho an’ireo rahalahintsika, raha manaja azy fatratra isika ao am-pontsika ao na tsia.—1 Kor. 10:24.

Aoka ianao ho loha laharana

19. Inona no fomba hafa azontsika ampisehoana fa manome voninahitra ny mpiray finoana amintsika isika?

19 Mbola misy fomba lehibe hafa azontsika ampisehoana fa manome voninahitra an’ireo mpiray finoana amintsika isika. Tsy ampy ny hoe manokana fotoana ho an’ny mpiray finoana amintsika, fa mila mihaino tsara azy koa isika. Nanome modely amin’izany i Jehovah. Hoy i Davida mpanao salamo: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.” (Sal. 34:15) Manahaka an’i Jehovah isika, raha mijery sy mihaino an’ireo rahalahintsika, izany hoe mifantoka tsara amin’izay lazainy, rehefa miresaka amintsika izy ireo, indrindra fa rehefa manatona antsika mba hangataka fanampiana. Manome voninahitra azy ireo isika, raha manao izany.

20. Inona avy no tokony hotadidintsika momba ny fanomezam-boninahitra?

20 Tokony hotadidintsika tsara àry hoe nahoana no tokony hanaja an’ireo mpiray finoana amintsika isika ao am-pontsika ao. Miezaka hanao ny dingana voalohany koa isika mba hanome voninahitra ny olona rehetra, anisan’izany ny olona ambany. Raha manao izany isika, dia hitombo ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina misy eo anivon’ny fiangonana. Aoka àry isika hifanome voninahitra foana, ary indrindra ho loha laharana amin’izany. Tapa-kevitra hanao izany ve ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Faminaniana momba an’i Jesosy Kristy, lehilahy lavorary, koa io nolazain’i Davida ao amin’ny Salamo faha-8 io.—Heb. 2:6-9.

Tadidinao Ve?

• Inona no ifandraisan’ny hoe manome voninahitra sy ny hoe manaja?

• Inona avy ny antony tokony hanomezantsika voninahitra ny mpiray finoana amintsika?

• Nahoana no tena zava-dehibe ny hoe mifanome voninahitra?

• Ahoana no ampisehoantsika fa manome voninahitra ny mpiray finoana amintsika isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Ahoana no ampisehoantsika fa manome voninahitra ny mpiray finoana amintsika isika?