Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokikely Iray ‘Manohina ny Fon’ny Olona’

Bokikely Iray ‘Manohina ny Fon’ny Olona’

Bokikely Iray ‘Manohina ny Fon’ny Olona’

TANÀNA any amin’ny faritra atsimon’i Brezila i Porto Alegre. Nisy kaonferansa iraisam-pirenena momba ny fiaraha-monina tany, indray mandeha. Olona an’aliny avy any amin’ny tany 135 no nanatrika azy io. Nandritra ny fiatoana, dia nanatona solontena maromaro ny Vavolombelona tao Porto Alegre, mba hitory ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Ahoana no nahafahan’izy ireo nifampiresaka?

“Nampiasa an’ilay bokikely hoe Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra izahay”, hoy ny mpisava lalana iray atao hoe Elizabete. “Maro tamin’ireo solontena no mbola tsy nandre ny vaovao tsara mihitsy, nefa nihaino tsara. Niresaka tamin’ny olona avy any Bolivia, Chine, Frantsa, Inde, Israely, ary Nizeria izahay. Nanana boky sy gazety tamin’ny fitenin’ny solontena sasany izahay, ka faly izy ireo nandray azy ireny.”

Mampiasa an’io bokikely io koa i Raúl, mpisava lalana any Meksika, ary mahita vokatra. Nanatona lehilahy arabo 80 taona izy, indray mandeha. Maty vady vao haingana izy io. Nirotsa-dranomasom-pifaliana ilay rangahy rehefa avy namaky ny hafatra amin’ny fiteniny tao amin’ilay bokikely. Nahoana? Tena nanohina ny fony ilay fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4, hoe tsy hisy fahafatesana intsony. Nitory tsy ara-potoana tamina lehilahy portogey koa i Raúl, indray andro. Nodimandry koa ny zanakalahin’izy io. Nasain’i Raúl novakiny àry ilay hafatra amin’ny teny portogey tao amin’ilay bokikely. Nampahafantarin’ilay lehilahy avy eo fa te hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly izy.

Efa nampiasa ny Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra i Raúl, mba hitoriana tamin’ny olona miteny alemà, anglisy, armenianina, frantsay, hindi, koreanina, mixe, persianina, rosianina, sinoa ary zapoteky. Hoy izy: “Tena ilaiko be eo amin’ny fanompoana ity bokikely ity. Manampy ahy hanohina ny fon’ny olona izy ity, na dia tsy haiko aza ny fiteniny.”

Mihamaro foana ny olona mivahiny sy monina any an-tany hafa, ka afaka mitory amin’izy ireo isika. Ho vitantsika izany raha mampiasa an’ilay bokikely hoe Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra isika. Entinao miaraka aminao foana ve izy io?

[Sary, pejy 32]

Raúl sy ilay bokikely manampy azy hanohina ny fon’ny olona