Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Iza no Nahafantatra ny Sain’i Jehovah?’

‘Iza no Nahafantatra ny Sain’i Jehovah?’

‘Iza no Nahafantatra ny Sain’i Jehovah?’

“ ‘Iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, mba hampianatra azy?’ Isika kosa anefa manana ny sain’i Kristy.”—1 KOR. 2:16.

1, 2. a) Inona no zavatra sarotra amin’ny olona maro? b) Manao ahoana ny fomba fisainantsika raha oharina amin’ny an’i Jehovah?

SAROTRA aminao ve indraindray ny mahatakatra ny fomba fisainan’ny olona iray? Vao haingana angamba ianao no nanambady, ary matetika no tsy azonao izay any an-tsain’ny vadinao. Tsy mitovy fomba fisainana sy firesaka tokoa ny lehilahy sy ny vehivavy. Any amin’ny tany sasany aza, dia hafa mihitsy ny fitenim-paritra ifampiresahan’ny lehilahy, ary hafa ny an’ny vehivavy! Tsy mitovy koa ny toe-tsain’ny olona sy ny fanaony, rehefa samy hafa ny kolontsainy sy ny fiteniny. Arakaraka ny ahafantaranao ny olona iray anefa no ahalalanao ny fomba fisainany.

2 Tsy tokony ho gaga àry isika, raha tena tsy mitovy amin’ny fomba fisainan’i Jehovah ny antsika. Hoy izy tamin’ny Israelita: ‘Ny fihevitrareo tsy mba fihevitro, ary ny lalako tsy mba lalanareo. Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany, ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo, sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo.’—Isaia 55:8, 9.

3. Inona no fomba roa hanampy antsika ‘hifandray akaiky amin’i Jehovah’?

3 Midika ve izany hoe tsy tokony hiezaka hahatakatra ny fomba fisainan’i Jehovah isika? Tsia. Marina fa tsy ho haintsika daholo izay rehetra ao an-tsainy. Ampirisihin’ny Baiboly anefa isika mba hiezaka ‘hifandray akaiky aminy.’ Izany mantsy no hahalalantsika ny fomba fisainany. (Vakio ny Salamo 25:14; Ohabolana 3:32.) Ahoana no hifandraisana akaiky amin’i Jehovah? Voalohany, mila dinihintsika sy saintsainintsika ny zavatra nataony voaresaka ao amin’ny Baiboly. (Sal. 28:5) Faharoa, mila fantarintsika “ny sain’i Kristy”, izay “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso.” (1 Kor. 2:16; Kol. 1:15) Hahalala tsikelikely ny toetran’i Jehovah sy ny fomba fisainany isika, raha maka fotoana handinihana sy hisaintsainana an’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly.

Aza maika hitsara an’i Jehovah

4, 5. a) Inona no tsy tokony hataontsika? b) Inona no hevi-diso nananan’ny Israelita?

4 Rehefa misaintsaina ny zavatra nataon’i Jehovah isika, dia tsy tokony ho maika hitsara azy araka ny fomba fihevitr’olombelona. Hoy i Jehovah tamin’ireo Israelita nanao izany: “Nihevitra ianao fa hanjary hitovy aminao tokoa aho.” (Sal. 50:21) Hoy ny manam-pahaizana iray, 175 taona mahery izay: “Maika hitsara an’Andriamanitra ny olona. Mihevitra izy ireo fa tokony hitovy amin’ny olombelona Andriamanitra, ka hanao izay zavatra heverin’izy ireo fa mety.”

5 Tsy tokony hanantena isika hoe tsy maintsy mifanaraka amin’izay eritreretintsika sy irintsika ny zavatra ataon’i Jehovah. Voafetra mantsy ny zavatra fantatsika, ary mety ho diso hevitra isika satria tsy lavorary. Rehefa mianatra ny Soratra Masina, ohatra, isika, dia mety hahita fa hoatran’ny tsy tena ara-drariny ny zavatra sasany nataon’i Jehovah. Nihevitra ny Israelita fa tsy rariny ny fomba nitondran’i Jehovah azy. Hoy anefa i Jehovah tamin’izy ireo: “Hiteny ianareo hoe: ‘Tsy mety ny ataon’i Jehovah.’ Koa henoy àry, azafady, ry taranak’Israely ô! Tsy mety tokoa ve ny ataoko? Tsy ny ataonareo ve no tsy mety?”—Ezek. 18:25.

6. Inona no nila notadidin’i Joba, ary inona no ianaranao avy amin’izany?

6 Inona no azontsika atao mba tsy ho maika hitsara an’i Jehovah isika? Mila mitadidy isika hoe voafetra ny zavatra fantatsika ary diso hevitra tanteraka isika indraindray. Nila nitadidy izany i Joba tamin’izy nijaly. Kivy be izy ka tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany. Hadinony hoe mbola misy zavatra lehibe kokoa tokony ho nataony an-tsaina. Nanampy azy anefa i Jehovah. Nahariharin’i Jehovah taminy fa voafetra ny zavatra fantany. Nametraka fanontaniana 70 mahery tamin’i Joba mantsy izy, nefa tsy nisy voavaliny izany. Nanetry tena i Joba, ary niaiky fa diso.—Vakio ny Joba 42:1-6.

Fantaro “ny sain’i Kristy”

7. Hahalala ny fomba fisainan’i Jehovah isika raha mandinika ny zavatra nataon’i Jesosy. Nahoana?

7 Tena nanahaka ny Rainy i Jesosy tamin’izay rehetra nataony sy nolazainy. (Jaona 14:9) Hahalala ny fomba fisainan’i Jehovah àry isika, raha mandinika ny zavatra nataon’i Jesosy. (Rom. 15:5; Fil. 2:5) Andeha isika hijery fitantarana roa ao amin’ny Filazantsara.

8, 9. Inona no zava-nitranga nahatonga an’i Jesosy hanontany an’i Filipo, araka ny Jaona 6:1-5? Nahoana i Jesosy no nanontany azy?

8 Taloha kelin’ny Paska taona 32 tamin’izay. Vao avy nitory nanerana an’i Galilia ny apostolin’i Jesosy. Nahafinaritra ilay izy saingy reraka izy ireo ka nentin’i Jesosy tany amin’ny toerana mitokana, tany avaratratsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Nisy olona an’arivony anefa nanaraka azy ireo. Nanasitrana olona maro i Jesosy ary nampianatra zavatra be dia be. Nisy olana anefa. Mitokana loatra ilay toerana, ka sarotra ny hahita sakafo ho an’ilay vahoaka. Nonina teny akaiky teny i Filipo, ka nanontany azy i Jesosy hoe: “Aiza isika no hividy mofo hohanin’ireto?”—Jaona 6:1-5.

9 Sahiran-tsaina ve i Jesosy matoa nametraka an’io fanontaniana io? Tsia. Inona àry no tena tao an-tsainy? Nitantara ny apostoly Jaona hoe efa fantatr’i Jesosy izay hataony, fa “mba hitsapana an’i Filipo no nilazany izany.” (Jaona 6:6) Tian’i Jesosy ho fantatra raha tena mino ny mpianany hoe mahavita zavatra miavaka izy. Tsy araka ny nantenainy anefa no nitranga. Hita mihitsy hoe tsy nahalala izay tao an-tsain’i Jesosy izy ireo. (Vakio ny Jaona 6:7-9.) Nasehon’i Jesosy azy ireo, avy eo, fa mahavita zavatra tsy noeritreretin’izy ireo mihitsy izy. Nanao fahagagana izy, ka afaka nanome sakafo olona an’arivony.—Jaona 6:10-13.

10-12. a) Inona no nety ho nahatonga an’i Jesosy tsy hanasitrana avy hatrany ny zanak’ilay vehivavy? b) Inona izao no hojerentsika?

10 Nitovy ihany angamba ny zavatra tao an-tsain’i Jesosy tamin’iny fotoana iny sy taoriana kelin’izay. Niampita ny sisin-tanin’ny Israely izy sy ny apostoly, rehefa avy nanome sakafo an’ilay vahoaka, ka tonga tany akaikin’i Tyro sy Sidona. Nahita vehivavy grika izy ireo tany, ary niangavy an’i Jesosy izy io mba hanasitrana ny zanany vavy. Mody tsy nihaino azy i Jesosy tamin’ny voalohany. Nisisika ihany anefa ilay vehivavy ka hoy i Jesosy: “Avelao aloha ho voky ny zaza, fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny alikakely.”—Mar. 7:24-27; Mat. 15:21-26.

11 Nahoana i Jesosy no tsy nanaiky avy hatrany ny fangatahan’ilay vehivavy? Tiany ho hita ve raha nanam-pinoana izy io, toy ny nataony tamin’i Filipo? Azo inoana aloha fa tsy nasiaka i Jesosy matoa mbola nitalaho ilay vehivavy. Tsy dia nanafintohina koa ny teniny, satria nampitahainy tamin’ny “alikakely” ny firenen’ilay vehivavy, fa tsy tamin’ny alika. Toy ny ray aman-dreny angatahin-janany zavatra i Jesosy teo. Angamba te hanome ihany izy fa jereny aloha raha tena maniry hahazo azy io ilay zaza na tsia. Na ahoana na ahoana, dia nanasitrana ny zanak’ilay vehivavy izy rehefa hitany hoe tena nanam-pinoana izy io.—Vakio ny Marka 7:28-30.

12 Tena manampy antsika hahatakatra “ny sain’i Kristy” ireo fitantarana ireo. Manampy antsika hahatakatra “ny sain’i Jehovah” koa ve izy ireo? Andeha hojerentsika izany.

Navela haneho ny heviny i Mosesy

13. Nahoana no ilaina ny mahalala “ny sain’i Kristy”?

13 Ilaina tokoa ny mahalala ny “sain’i Kristy”, mba hahatakarana tsara ny Soratra Masina. Misy andinin-teny tsy mora azo mantsy ao indraindray. Diniho, ohatra, ny tenin’i Jehovah tamin’i Mosesy, rehefa avy nanao zanak’omby volamena hivavahana ny Israelita. Hoy izy: “Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. Avelao hirehitra aminy ny fahatezerako ka haringako izy. Dia hataoko ho firenena lehibe ianao.”—Eks. 32:9, 10.

14. Ahoana no namalian’i Mosesy an’i Jehovah?

14 Inona no nataon’i Mosesy? “Nampitony an’i Jehovah Andriamaniny i Mosesy, ka nanao hoe: ‘Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no dia mirehitra amin’ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy tamin’ny tanana mahery? Nahoana ny Ejipsianina no dia avela hiteny hoe: “Nitetika ny hanao ratsy izy ka namoaka azy ireo niala teto amintsika, mba hamonoana azy any an-tendrombohitra sy handringanana azy tsy ho etỳ ambonin’ny tany”? Aoka re mba tsy hirehitra intsony ny fahatezeranao e, ary aoka ianao hanenina ny amin’ny ratsy saika hataonao amin’ny olonao. Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ny tenanao, ka nilazanao hoe: “Hataoko maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakareo. Ary io tany manontolo io izay efa nolazaiko taminareo, dia homeko ny taranakareo ho lovany mandritra ny fotoana tsy voafetra.”’ Dia nanenenan’i Jehovah ny ratsy rehetra nolazainy fa hataony amin’ny olony.”—Eks. 32:11-14. *

15, 16. a) Inona no tian’i Jehovah hataon’i Mosesy? b) Inona no dikan’ilay hoe ‘nanenina’ i Jehovah?

15 Nila nanitsy an’i Jehovah tokoa ve i Mosesy? Tsia. Marina fa nolazain’i Jehovah taminy ny zavatra tiany hatao, nefa tsy hoe izay no fanapahan-keviny farany. Tiany haneho ny heviny i Mosesy, raha ny marina, toy ny nataon’i Jesosy tamin’i Filipo sy ilay vehivavy grika. Notendren’i Jehovah ho mpanelanelana azy tamin’ny Israely i Mosesy, ka navelany hanao izany andraikiny izany. * Tian’i Jehovah ho fantatra koa raha hahafehy ny hatezerany i Mosesy na tsia. Vao mainka ve izy hampirisika an’i Jehovah hamongotra ny Israelita, sitrany ahay mba lasa firenena matanjaka ny taranany?

16 Hita tamin’ny tenin’i Mosesy fa nino izy hoe manao ny rariny i Jehovah. Tsy tia tena koa izy, fa izay tsy hahafa-baraka ny anaran’i Jehovah no zava-dehibe taminy. Niharihary fa nahafantatra “ny sain’i Jehovah” izy. (1 Kor. 2:16) Inona no vokany? Milaza ny Soratra Masina fa ‘nanenina’ i Jehovah. Inona no hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe ‘nanenina’? Tsy hoe nanenina ara-bakiteny akory izy, fa tsy notanterahiny fotsiny ilay zavatra tiany hatao. Mbola tsy izay mantsy no fanapahan-keviny farany.

Navela haneho ny heviny i Abrahama

17. Ahoana no ahitana fa nanam-paharetana i Jehovah?

17 Tsy tamin’io ihany i Jehovah no namela ny mpanompony hanaporofo hoe mino sy matoky azy izy ireo. Mbola hita koa izany tamin’i Abrahama nitalaho taminy tsy handringana an’i Sodoma. Nanam-paharetana i Jehovah, satria navelany hiangavy azy imbetsaka i Abrahama. Nitalaho mafy i Abrahama ka nahateny hoe: “Sanatria anao ny hanao toy izany! Eny, sanatria anao ny hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy! Raha izany mantsy, dia ho toy izay manjo ny ratsy fanahy ihany no manjo ny marina. Tsy hanao ny rariny anefa ve ny Mpitsara ny tany manontolo?”—Gen. 18:22-33.

18. Inona no ianarantsika avy tamin’ny fomba niresahan’i Jehovah tamin’i Abrahama?

18 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tena nila nampisaintsainin’i Abrahama ve i Jehovah vao hahay hanapa-kevitra? Tsia. Marina fa azon’i Jehovah nolazaina taminy avy hatrany ny antony handringanany an’i Sodoma. Navelany haneho ny heviny anefa i Abrahama. Rehefa niresaka elaela teo mantsy izy ireo, dia fantatr’i Abrahama ihany izay tena tao an-tsain’i Jehovah sy ny anton’ilay fanapahan-kevitra. Lasa tsapan’i Abrahama koa fa tena mamindra fo sy manao ny rariny Andriamanitra. Hita mihitsy hoe noraisin’i Jehovah ho namana izy.—Isaia 41:8; Jak. 2:23.

Lesona ho antsika

19. Ahoana no hanahafantsika an’i Joba?

19 Mila mandalina ny Tenin’Andriamanitra isika, mba hahalalantsika “ny sain’i Jehovah.” Tsy tokony hitsara azy isika, satria voafetra ny zavatra fantatsika sady tsy voatery hanaraka izay heverintsika fa mety sy tsy mety izy. Hoy i Joba: “Tsy olombelona tahaka ahy [Andriamanitra] ka ahoana moa no hamaliako azy, na hifandaharako aminy eo amin’ny fitsarana?” (Joba 9:32) Na kely aza ny zavatra fantatsika momba “ny sain’i Jehovah”, dia efa miaiky toa an’i Joba isika hoe: “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany izany, ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy! Fa raha ny kotroka mafy avy aminy kosa, iza no mahalala izany?”—Joba 26:14.

20. Inona no tokony hataonao rehefa misy andinin-teny tsy azonao?

20 Inona no tokony hataonao, raha mahita andinin-teny tsy mora azo ianao, indrindra raha mahakasika ny fomba fisainan’i Jehovah ilay izy? Ahoana raha efa nanao fikarohana ianao, nefa mbola tsy azonao ihany ilay andinin-teny? Raiso ho toy ny fitsapana ho anao izany, mba hahitana raha matoky an’i Jehovah ianao na tsia. Asehoy fa mino ianao hoe mety foana ny zavatra ataon’i Jehovah, satria manana toetra tsara izy. Mila manetry tena koa ianao ka miaiky fa tsy voatery hazava aminao daholo ny zavatra ataon’i Jehovah. (Mpito. 11:5) Raha manao izany ianao dia hiombon-kevitra amin’ny apostoly Paoly hoe: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany! Fa ‘iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, ary iza no lasa mpanoro hevitra azy?’ Na, ‘iza no nanome azy aloha, ka tsy maintsy valiany koa avy eo?’ Fa avy aminy ny zava-drehetra, ary izy no nampisy izany sady ho azy izany. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay! Amena.”—Rom. 11:33-36.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Misy fitantarana mitovitovy amin’io ao amin’ny Nomery 14:11-20.

^ feh. 15 Milaza ny manam-pahaizana sasany fa teny entina hanasana olona hanao zavatra ilay teny hebreo nadika hoe “avelao”, ao amin’ny Eksodosy 32:10. Nampiasa an’io teny io angamba i Jehovah, satria tiany ‘hijoro eo amin’izay misy banga’ i Mosesy, izany hoe hanelanelana azy sy ilay firenena. (Sal. 106:23; Ezek. 22:30) Na izany na tsy izany, dia hita hoe tsy nisalasala nilaza ny heviny i Mosesy.

[Tadidinao Ve?]

• Inona no hanampy antsika tsy ho maika hitsara an’i Jehovah?

• ‘Hifandray akaiky amin’i Jehovah’ isika, raha mahatakatra “ny sain’i Kristy.” Nahoana?

• Inona no ianaranao avy amin’ny resaka nifanaovan’i Jehovah tamin’i Mosesy sy tamin’i Abrahama?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]

Inona no ianarantsika avy amin’ny resaka nataon’i Jehovah tamin’i Mosesy sy tamin’i Abrahama?