Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaka ho Be Atao Foana Aho eo Anivon’ny Fandaminan’i Jehovah

Miezaka ho Be Atao Foana Aho eo Anivon’ny Fandaminan’i Jehovah

Miezaka ho Be Atao Foana Aho eo Anivon’ny Fandaminan’i Jehovah

Notantarain’i Vernon Zubko

TANY akaikin’ny tanànan’i Stenen, Kanada, izahay no nipetraka taloha. Niezaka mafy i Fred sy Adella ray aman-dreninay, mba hampianarana anay momba an’i Jehovah sy hamelomana anay. Aurellia no anaran’ny zokiko vavy. I Alvin sy Allegra ary Daryl kosa no zandriko. Mankasitraka an’i Dada sy Neny izahay nampianatra anay ny fahamarinana.

Mpitory nafana fo i Dada, izay anisan’ny voahosotra. Nampahafantariny tamin’ny rehetra hoe Vavolombelona izy. Niresaka momba ny fahamarinana foana izy. Nisy vokany be teo amiko ny zotom-pony sy ny fahasahiany. Matetika izy no nilaza hoe: “Miezaha foana ho be atao eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, dia hisoroka olana maro ianao.”

Fanaonay ny nitory teny an-dalana, tao Stenen sy ny manodidina. Tsy mora tamiko izany indraindray. Nisy ankizy efa lehibebe mantsy tamin’ireny tanàna ireny, nampijaly sy naneso anay foana. Nijoro teo amin’ny kihon-dalana aho, indray andro, tamin’izaho valo taona, sady nitazona Tilikambo sy Mifohaza! Indreo fa nisy andian-jatovo nanodidina ahy. Nesorin’izy ireo ny satroko vaovao, ary nahantony teo amin’ny tsato-kazo teo akaikiko. Soa fa hitan’ny rahalahy iray efa lehibebe izany. Nanatona izy sady niteny hoe: “Misy olana angaha, ry Vern?” Nitsoaka haingana ireo ankizilahy. Nahasosotra ahy iny zava-nitranga iny, nefa nianarako hoe rehefa mitory eny an-dalana, dia aleo mandehandeha fa tsy mijoro fotsiny hoatran’ny tsato-kazo. Lasa sahy nitory isan-trano koa aho tatỳ aoriana.

Natao batisa izahay sy Alvin tamin’ny Mey 1951, tamin’izaho 13 taona. Ny Rahalahy Jack Nathan no nandaha-teny, ary mbola tsaroako izy nampirisika hoe aza avela hisy volana iray tsy hiresahanao momba an’i Jehovah! * Ny asan’ny mpisava lalana no noheverinay mianakavy hoe asa tsara indrindra. Rehefa vita àry ny fianarako, tamin’ny 1958, dia nanao mpisava lalana tany Winnipeg aho. Marina fa tian’i Dada ny nanampiako azy tamin’ny asany, satria izaho no nanomana ny hazo hanamboaranay fanaka hamidy. Nampirisika anay hanompo manontolo andro anefa izy sy Neny, ka nanaiky ny hifindrako.

Fiainana vaovao sy namana vaovao

Nila mpitory maro kokoa tany Québec, ka nasain’ny biraon’ny sampana nifindra tany izay afaka, tamin’ny 1959. Tao Montréal indray àry aho no nanao mpisava lalana. Niova be ny fiainako. Nila nianatra teny frantsay koa aho. Tena nahasoa ahy ny torohevitry ny mpiandraikitra ny faritra, ka nahatonga ahy hanaraka ny kolontsaina teo an-toerana. Hoy izy: “Aza mieritreritra hoe ‘tsy izany no fanao tany aminay’!”—1 Kor. 9:22, 23.

Tsy nisy mpisava lalana hafa teto Québec tamin’izaho nifindra. Nihaona tamin’ny anabavy atao hoe Shirley Turcotte anefa aho, tamin’izaho tany Winnipeg. Nahazo namana àry aho rehefa nivady izahay tamin’ny Febroary 1961. Notezaina tao amin’ny fahamarinana koa izy. Tatỳ aoriana vao tena tsapako fa izy no hanatanjaka sy hampahery ahy amin’izay rehetra hataoko.

Fitoriana tany Gaspé

Voatendry ho mpisava lalana manokana tao Rimouski, Québec, izahay, roa taona taorian’ny mariazinay. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nirahin’ny sampana izahay mba hitory tany amin’ny Saikinosin’i Gaspé, nanaraka ny morontsiraka atsinanana. Ny hamafy voan’ny fahamarinana be dia be no tanjona. (Mpito. 11:6) Nasianay gazety 1 000 mahery, boky efa ho 400, sakafo ary akanjo ny fiaranay, ka lasa izahay nitory tany nandritra ny iray volana. Notetezinay daholo ireo tanàna kely tao Gaspé. Nampitandrina ny radio teo an-toerana hoe rehefa tonga ny Vavolombelona, dia tsy tokony horaisina ny boky sy gazetiny. Maro anefa no tsy nahazo an’ilay filazana. Nihevitra izy ireo fa dokam-barotra momba ny bokintsika ilay izy, ka nandray ry zareo.

Mbola nisy fanenjehana tany amin’ny faritra sasany teto Québec, tamin’izany, ka matetika izahay no nosamborin’ny polisy. Izany no nitranga tao amin’ny tanàna iray, rehefa nahapetraka boky sy gazety saiky isan-trano izahay. Nasain’ny polisy iray nanaraka azy tany amin’ny paositry ny polisy izahay. Fantatray fa namoaka didy hisakanana ny fitorianay ny mpahay lalàna iray. Tsy teo an-toerana ny lehiben’ny polisy tamin’io andro io, ka nasehoko an’ilay mpahay lalàna ny taratasy ara-dalàna avy tany amin’ny sampana any Toronto, hoe manan-jo hitory izahay. Novakiny ilay taratasy, ary hoy haingana izy: “Izaho tsy te hahita olana an! Ny pretra no nampisambotra anareo.” Tianay ho fantatry ny olona fa ara-dalàna ny asantsika, ka niverina teo amin’ilay toerana nakan’ny polisy anay izahay, ary nitory indray.

Nankany amin’ilay lehiben’ny polisy izahay ny ampitso. Tezitra izy hoe nosamborina izahay. Nitelefaonina an’ilay mpahay lalàna izy ary nivazavaza be. Raha ianareo no naheno an’izany an! Nilaza taminay ilay lehiben’ny polisy fa raha misy olana, dia izy mihitsy antsoina. Vahiny sy tsy dia nahay teny frantsay izahay, nefa nandray tsara anay ny olona. Nieritreritra anefa izahay hoe: ‘Ho takatr’izy ireo ve ny fahamarinana?’ Voavaly izany, taona maro tatỳ aoriana, rehefa nanorina Efitrano Fanjakana eran’i Gaspé izahay. Maro tamin’ireo olona nitorianay no lasa rahalahy. I Jehovah ihany tokoa no mampitombo!—1 Kor. 3:6, 7.

Nahazo lova avy amin’i Jehovah

Teraka i Lisa zanakay vavy, tamin’ny 1970. Vao mainka nahafaly anay io lova avy amin’i Jehovah io. Nanampy ahy tamin’ny tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana maro i Shirley sy Lisa. Rehefa vita ny fianaran’i Lisa, dia hoy izy: “Izaho no nampiala anareo tamin’ny fanompoana manontolo andro, ka hanao mpisava lalana aho mba hanonerana izany.” Mbola mpisava lalana izy izao, 20 taona mahery atỳ aoriana, miaraka amin’i Sylvain vadiny. Nandray anjara tamin’ny fanorenana efitrano maromaro koa izy ireo. Miezaka ny hanana fiainana tsotra izahay mianakavy, mba ho afaka hanompo an’i Jehovah. Tsy hadinoko mihitsy ilay tenin’i Lisa tamin’izy vao hanao mpisava lalana. Nandrisika ahy hiverina hanompo manontolo andro mihitsy aza izany, tamin’ny 2001, ary mbola mpisava lalana aho hatramin’izao. Mampianatra ahy hitoky amin’i Jehovah amin’ny zava-drehetra ny asan’ny mpisava lalana. Tsotra ny fiainanay nefa sambatra sy afa-po izahay.

Ilana tsy fivadihana sy fitiavana ny asa fanorenana

Nampianarin’i Jehovah ahy fa handray fitahiana maro izay manaiky ny fanendrena rehetra omeny. Tombontsoa lehibe tokoa ny manompo ao amin’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, sy miara-miasa amin’ireo rahalahy sy anabavy amin’ny fanorenana manerana an’i Québec sy any an-toeran-kafa.

Marina fa tsy dia mahay mandaha-teny ny mpiasa an-tsitrapo sasany, nefa tena manan-talenta amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Miasa amin’ny fony manontolo mantsy izy ireo. Mahavita trano tsara tarehy hivavahana amin’i Jehovah foana izy ireo, noho izany.

Nisy nanontany ahy indray mandeha hoe: “Inona no tena takina amin’ny mpanao fanorenana Efitrano Fanjakana?” Voalohany, hitako fa tsy maintsy tia an’i Jehovah sy ny Zanany ary ireo rahalahy izy. (1 Kor. 16:14) Faharoa, ilaina ny tsy mivadika. Tsy voatery handeha araka ny hiheverantsika azy foana ny zava-drehetra. Hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana foana anefa isika raha tsy mivadika. Mbola vonona hanao tetikasa hafa mihitsy aza isika.

Velom-pankasitrahana an’i Jehovah

Maty i Dada tamin’ny 1985, nefa tsy afaka ato an-tsaiko ny toroheviny mba ho be atao foana eo anivon’ny fandaminana. Azo antoka fa be atao koa izy izao, miaraka amin’ireo rehetra efa manompo eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra. (Apok. 14:13) Efa 97 taona izao i Neny. Tapaka lalan-dra izy ka tsy afaka miresaka firy intsony, nefa mbola mahatadidy andinin-teny tsara. Manonona andinin-teny foana izy rehefa manoratra ho anay, ary mampirisika anay tsy hivadika fa hanompo an’i Jehovah. Tena faly izahay manana ray aman-dreny be fitiavana toy izany!

Misaotra an’i Jehovah koa aho nanome ahy an’i Shirley vadiko, ilay namako tsy mivadika. Tadidiny foana ny torohevitry ny reniny hoe: “Ho be hatao i Vern eo anivon’ny fandaminana, ka tsy maintsy mandefitra ianao ary mamela azy hanampy ny hafa.” Efa 49 taona nivadiana izahay izao. Tapa-kevitra izahay fa hiara-hihantitra sy hanompo an’i Jehovah foana, ary raha samy tafavoaka velona, dia hiara-hihatanora indray ka hanompo Azy mandrakizay. “Be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” izahay. (1 Kor. 15:58) I Jehovah koa moa tena nikarakara anay foana, ka tsy orin-java-tsoa mihitsy izahay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ao amin’ny Tilikambo 1 Desambra 1990, pejy 10-14, ny tantaram-piainan’i Jack Nathan.

[Sary, pejy 31]

“Miezaka ny hanana fiainana tsotra izahay mianakavy, mba ho afaka hanompo an’i Jehovah”