Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Aoka Isika Hanolotra Fanatitra ho An’i Jehovah’

‘Aoka Isika Hanolotra Fanatitra ho An’i Jehovah’

‘Aoka Isika Hanolotra Fanatitra ho An’i Jehovah’

AHOANA no havalinao raha nisy olona nanao soa taminao? Mariho izay nataon’ireo mpitari-tafika teo amin’ny Israely, rehefa avy niady tamin’ny Midianita. Nankasitraka an’i Jehovah izy ireo satria nomeny fandresena ny Israelita, na dia nanota aza talohan’izay, rehefa nanompo an’i Balan’i Peora. Nifampizaran’ireo miaramila 12 000 sy ny vahoaka rehetra ny zavatra azo babo. Nomen’ireo miaramila ampahany tamin’izay azony ny mpisorona, araka ny toromarik’i Jehovah. Nanome ampahany ho an’ny Levita koa ny Israelita hafa.—Nom. 31:1-5, 25-30.

Naniry hanome bebe kokoa anefa ireo mpitari-tafika. Hoy izy ireo tamin’i Mosesy: “Efa nisain’ny mpanomponao ny tontalin’ny lehilahy mpiady eo ambany fiandraiketanay, ka voalaza fa tsy misy tsy ao na iray aza ny olonay.” Nanapa-kevitra àry izy ireo fa hanolotra firavaka volamena isan-karazany ho an’i Jehovah. Nilanja 190 kilao mahery izany.—Nom. 31:49-54.

Olona maro koa ankehitriny no te hankasitraka an’i Jehovah, noho ny zavatra nataony ho azy ireo. Tsy ny mpanompon’Andriamanitra ihany no te hanao izany. Nisy mpitondra bisy iray, ohatra, naka sy nanatitra solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay namonjy fivoriambe iraisam-pirenena, tamin’ny 2009. Natao tany Bologne any Italia ilay fivoriambe. Nitandrina tsara ilay mpamily, ka nanoratra taratasy kely fisaorana sy nanome vola fanampiny ho azy ny mpandeha. Nomen’izy ireo boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? koa ilay rangahy. Hoy àry izy: “Horaisiko ilay taratasy fisaorana sy ilay boky, fa haveriko ilay vola. Tiako hatao fanomezana mantsy ilay izy, mba hanohizanareo ny asa tsara ataonareo. Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho nefa te handray anjara, satria hitako fa fitiavana no manosika anareo.”

Te hankasitraka ny zavatra nataon’i Jehovah ho anao ve ianao? Afaka manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. (Mat. 24:14) Hita eo amin’io efajoro io ny fomba fidin’ny sasany anaovana fanomezana.

[Efajoro, pejy 20, 21]

IREO FOMBA FIDIN’NY SASANY ANAOVANA FANOMEZANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana vola harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.”

Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, ny fiangonana. Azo atao ny mandefa mivantana ny vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. (Ireo fanomezana voatonona etsy ambany koa, dia azo alefa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tany misy anao.) Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireny.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola misy fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay vola amin’ilay mpanome, rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy aloha, mba hahazoana fanazavana fanampiny.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy ny misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, raha mbola velona izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana ao amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana ara-pivavahana iray ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 448 37 na 033 02 448 37

B.P. 116

105 Ivato