Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hoy i Jesosy: “Tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.” Ahoana no hahatonga antsika ho “lavorary”?—Mat. 5:48.

Hanampy antsika hahalala ny valin’izany ny fahafantarana ny fomba ampiasan’ny Baiboly ny hoe “lavorary” na “tonga lafatra.” Tsy ny zava-drehetra resahin’ny Baiboly hoe “lavorary” no lavorary tanteraka. I Jehovah no lavorary tanteraka, fa ny olona sy ny zavatra kosa lavorary amin’ny fomba voafetra. Inona no dikan’ny teny hebreo sy grika nadika hoe “lavorary” na “tonga lafatra”? Midika izy io hoe “feno” na “matotra” na “tsy misy tsiny” mifanaraka amin’ny fitsipika napetraky ny olona manana fahefana. Fitenintsika, ohatra, ny hoe: ‘Ataovy tonga lafatra io zavatra io.’ Ny tena tiantsika holazaina anefa dia hoe ‘vitao tsara io’, fa tsy hoe atao lavorary tanteraka.

Noforonina mba ho lavorary teo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy ary ara-batana i Adama sy Eva. Lavorary mifanaraka amin’ny fitsipika napetraky ny Mpamorona azy izy ireo. Tsy nankatò anefa izy ireo, ka tsy nahavita nanaraka an’io fitsipika io intsony, ary lasa tsy lavorary izy sy ny taranany. I Adama àry no namindra ny ota, sy ny tsy fahalavorariana, ary ny fahafatesana tamin’ny olombelona.—Rom. 5:12.

Afaka ny ho lavorary amin’ny fomba voafetra anefa ny olombelona tsy lavorary, araka ny nolazain’i Jesosy, tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra. Nanome fitsipika momba ny hoe fitiavana izy tamin’izay, ary nilaza fa afaka maneho izany amin’ny fomba lavorary isika. Mitovy amin’ny fitiavana nasehon’Andriamanitra tamin’ny olombelona izany. Hoy i Jesosy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Mat. 5:44, 45) Manahaka ny modely tonga lafatra asehon’Andriamanitra ny mpianatr’i Jesosy, raha maneho fitiavana toy izany.

Miezaka manaraka foana izany fitsipika ambony momba ny fitiavana izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Te hanampy ny olona avy amin’ny fari-piainana sy fiaviana ary fivavahana samihafa izy ireo, mba hahatonga azy ireny hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mampianatra olona liana maro izy ireo. Mitarika fampianarana Baiboly 7 000 000 mahery izy ireo any amin’ny tany 236.

Hoy i Jesosy: “Raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa azonareo? Tsy mba manao toy izany koa ve ny mpamory hetra? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mampiavaka ny ataonareo amin’ny ataon’ny hafa? Tsy mba manao toy izany koa ve ny olona eo amin’izao tontolo izao?” (Mat. 5:46, 47) Tia ny olona rehetra àry ny tena Kristianina, fa tsy hoe tiany kokoa ny olona manam-pahaizana na ny olona avy amin’ny firazanana sasany. Tsy hoe ny olona afaka mamaly fitia azy ihany koa no tiany. Ampian’izy ireo kosa na ny mahantra, na ny marary, na ny tanora, na ny antitra. Manahaka ny fomba anehoan’i Jehovah fitiavana izy ireo amin’izany, ka lasa lavorary amin’ny fomba voafetra.

Mety ho mbola lavorary toa an’i Adama tamin’ny voalohany ve isika? Eny! Ho lasa lavorary ny olona mankatò, amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, noho ny finoana ny sorom-panavotana nataon’i Jesosy. “Handrava ny asan’ny Devoly” koa “ny Zanak’Andriamanitra” amin’izay.—1 Jaona 3:8.