Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Henoin’i Jehovah ny Fitarainan’ny Torotoro Fo

Henoin’i Jehovah ny Fitarainan’ny Torotoro Fo

Henoin’i Jehovah ny Fitarainan’ny Torotoro Fo

NILAZA i Solomona mpanjaka hendry fa “mety ho azon-tsampona [isika] rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpito. 9:11) Mety hisy loza na fahoriana mafy hanjo antsika. Raha maty tampoka, ohatra, ny havantsika akaiky, dia tena ory isika ary rotidrotika mihitsy ny fontsika. Mila tsy ho zaka ny alahelo sy ny hakiviana, mandritra ny herinandro na volana maromaro. Misy aza mikorontan-tsaina loatra, ka lasa mihevitra hoe tsy mendrika ny hivavaka amin’i Jehovah.

Mila fampaherezana sy fiahiana ary fitiavana ny olona toy izany. Manome toky ny hiran’i Davida hoe: “Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.” (Sal. 145:14) Milaza koa ny Baiboly fa “ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tan. 16:9) “Eo amin’ireo torotoro fo sy manetry tena” izy, “mba hamelombelona ny sain’ireo manetry tena sy ny fon’ireo torotoro fo.” (Isaia 57:15) Ahoana no anohanan’i Jehovah sy ampaherezany an’ireo ory sy torotoro fo?

‘Teny amin’ny fotoana mety’

Manampy antsika amin’ny fotoana mety i Jehovah, ka anisan’ny ampiasainy amin’izany ireo mpiray finoana. Ampirisihina “hanao teny mampahery ny kivy” ny Kristianina. (1 Tes. 5:14) Mampitony an’ireo mijaly sy nidonam-pahoriana ny tenin’ny mpiray finoana be fiahiana sy be fitiavana. Mampitraka ny kivy na dia ny resaka mampahery vetivety ataon’ny namana aza. Mety ho efa niaritra ratram-po sy adin-tsaina koa mantsy izy ireny, na efa nandinika olona niharan’izany ka mahalala zavatra betsaka. Fomba ampaherezan’i Jehovah an’ireo torotoro fo izany rehetra izany.

Diniho ny tantaran’i Alex, izay anti-panahy. Nanambady vao haingana izy, nefa maty ny vadiny noho ny aretina tsy nisy fanafany. Nangoraka azy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, ka niezaka nampahery azy. Efa maty vady koa mantsy izy io, fa nanambady indray. Nohazavainy fa nalahelo be sy kivy tanteraka koa izy tamin’izany. Nisinda ny alahelony rehefa nanompo sy nivory niaraka tamin’ny hafa, kanefa tena nanirery izy rehefa tonga tao an-trano. Hoy i Alex avy eo: “Maivamaivana erỳ aho nahafantatra fa ara-dalàna ny fihetseham-poko, sady hay tsy izaho irery no nahatsapa an’izany.” Mampahery tokoa ny “teny lazaina amin’ny fotoana mety”, rehefa ao anatin’ny fahoriana!—Ohab. 15:23.

Nampahery an’i Alex koa ny anti-panahy iray, izay nahafantatra olona maromaro maty vady. Nangoraka sy be fitiavana izy, ka nilaza fa fantatr’i Jehovah izay tsapantsika sy ilaintsika. Hoy izy: “Raha tena mila namana ianao rehefa afaka volana na taona maromaro any, dia avelan’i Jehovah manambady indray.” Marina aloha fa tsy ny olona rehetra maty vady no afaka manambady indray, na dia maniry an’izany aza. Hoy anefa i Alex, rehefa nisaintsaina ny tenin’ilay rahalahy: “Mety hieritreritra ianao hoe mivadika amin’ny vadinao na mandika ny fitsipik’i Jehovah raha manambady indray. Tsy hanamelo-tena anefa ianao raha mitadidy fa i Jehovah mihitsy no mamela anao hanao izany.”—1 Kor. 7:8, 9, 39.

Efa niatrika olana sy fitsapana maro i Davida mpanao salamo, ka niaiky hoe: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.” (Sal. 34:15) Valian’i Jehovah amin’ny fotoana mety tokoa ny fitarainan’ny torotoro fo, ary ampiasainy amin’izany ireo mpiray finoana matotra, izay mangoraka sy mahay mandinika. Sarobidy sy tena ilaina izany.

Manampy koa ny fivoriana

Mora mamohafoha ny lasa ny olona nidonam-pahoriana, ka te hitokantokana. Mampitandrina anefa ny Ohabolana 18:1 hoe: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” Hoy i Alex: “Mora mieritreritra zavatra mahakivy ianao, rehefa maty ny vadinao.” Nanamelo-tena izy indraindray hoe: “ ‘Tahaka izay aho mba niezaka kokoa. Tahaka izay aho mba niahy azy kokoa sy nahatakatra ny fihetseham-pony.’ Tsy sitrapoko ange ny ho irery toy izao e! Lasa any amin’izany foana ny sainao, satria isan’andro ianao mahatsapa hoe irery.”

Tena mila namana hanohana azy ny olona torotoro fo. Any amin’ny fivoriana kristianina no ahitana an’izany. Any koa no ampianaran’Andriamanitra antsika hevitra mahasoa sy mampahery.

Manampy antsika hahay handanjalanja ny fivoriana. Nahoana? Ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra sy ny fanamasinana ny anarany no tena zava-dehibe. Hifantoka amin’izany àry isika, fa tsy amin’ny fahoriantsika, rehefa mihaino sy misaintsaina andinin-teny. Mahazo hery koa isika any am-pivoriana, satria fantatsika fa takatr’i Jehovah ny olana atrehintsika sy izay tsapantsika, na dia tsy takatry ny hafa aza. Fantany fa ‘mahakivy ny fahoriam-po.’ (Ohab. 15:13) Te hanampy antsika tokoa ilay tena Andriamanitra, ary izany no mahatonga antsika hitraka sy ho vonona hiatrika ny fiainana.—Sal. 27:14.

Nampahorin’ny fahavalony i Davida Mpanjaka, ka nitaraina tamin’Andriamanitra hoe: “Rera-tsaina aho, ary ngoly ny foko ato anatiko.” (Sal. 143:4) Matetika ny olona ory no rera-batana sy rera-tsaina tanteraka, ary toy ny hoe ngoly mihitsy ny fony. Ahoana raha aretina na takaitra ara-batana no mampijaly antsika? Afaka matoky isika fa hanampy antsika hiaritra foana i Jehovah. (Sal. 41:1-3) Marina fa tsy manasitrana amin’ny fomba mahagaga intsony izy, kanefa omeny fahendrena sy hery hiatrehana fahoriana isika. Tadidio fa nitady an’i Jehovah i Davida rehefa ory. Nihira izy hoe: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho. Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho, ary ny asan’ny tananao foana no tiako hoeritreretina.”—Sal. 143:5.

Nosoratana ao amin’ny Baiboly ireny fihetseham-po ireny, mba hampisehoana fa takatr’i Jehovah izay manjo antsika ary henoiny ny fitarainantsika. Raha manaiky ny fanampiany àry isika, dia ‘hanohana antsika izy.’—Sal. 55:22.

“Aza mitsahatra mivavaka”

Hoy ny Jakoba 4:8: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Anisan’ny fomba anatonana azy ny vavaka. Hoy ny apostoly Paoly: “Aza mitsahatra mivavaka.” (1 Tes. 5:17) Na tsy mahita holazaina aza isika, dia ‘miangavy ho antsika ny fanahy rehefa mitoloko ao am-po tsy miloaka isika.’ (Rom. 8:26, 27) Tena takatr’i Jehovah àry ny fihetseham-pontsika.

Hoy i Monika: “Lasa namako akaiky i Jehovah, satria mivavaka sy mamaky Baiboly ary mianatra samirery aho. Tena tsapako mihitsy hoe ny tanany no manampy ahy eo amin’ny fiainako. Tsy haiko hazavaina indraindray ny fihetseham-poko. Mampahery anefa hoe i Jehovah mahatakatra an’ilay izy. Fantatro fa tsy manam-petra ny hatsaram-panahiny sy ny fitahiany.”

Ekeo àry ny fitiavana sy ny teny fampiononana omen’ny mpiray finoana. Ampiharo ny torohevitra sy ny fampahatsiahivana mampahery renao any am-pivoriana. Ary mivavaha amin’i Jehovah ka lazao izay ao am-ponao. Ireo rehetra ireo no fomba anehoan’i Jehovah fa mikarakara anao izy. Izany no tsapan’i Alex, ka hoy izy: “Hahazo ‘hery fanampiny’ hizakana ny fahoriana rehetra isika, raha manaiky ireo fanampiana omen’i Jehovah, mba hahafahantsika hifandray akaiky aminy.”—2 Kor. 4:7.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

Fampiononana ho An’ireo Torotoro Fo

Feno tenin’olona malahelo na kivy ao amin’ny salamo, ary imbetsaka no averina ao hoe mihaino ny fitarainan’ireo ory sy torotoro fo i Jehovah. Anisan’izany ireto:

“Niantso an’i Jehovah foana aho, tao anatin’ny fahoriako. Ilay Andriamanitro no nilako vonjy. Tao an-tempoliny izy no nandre ny feoko, ary ren’ny sofiny aho rehefa niantso vonjy.”—Sal. 18:6.

“Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Sal. 34:18.

“Manasitrana an’ireo torotoro fo [i Jehovah], ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.”—Sal. 147:3.

[Sary, pejy 17]

Tena mampahery ny “teny lazaina amin’ny fotoana mety”, rehefa ao anatin’ny fahoriana!