Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Inona no Hataonao eo Amin’ny Fiainana?

Ry Tanora, Inona no Hataonao eo Amin’ny Fiainana?

Ry Tanora, Inona no Hataonao eo Amin’ny Fiainana?

“Tsy toy ny mamely rivotra aho rehefa mamely totohondry.”—1 KOR. 9:26.

1, 2. Inona no zava-dehibe tokony hoeritreretin’ny tanora, raha te hahomby izy eo amin’ny fiainana?

ERITRERETO hoe hanao dia lavitra ianao, kanefa mbola tsy nalehanao mihitsy ilay lalana. Mety hitondra sarintany ianao, mba hahitanao ny toerana misy anao sy ny lalana tokony harahinao. Tsy hisy dikany anefa ny fijerena sarintany, raha tsy fantatrao akory hoe ho aiza ianao. Tokony ho fantatrao tsara àry aloha izay toerana tianao haleha, mba tsy hahatonga anao ho lany andro eny an-dalana.

2 Toy ny hoe hanao dia lavitra koa ianareo ry tanora rehefa mihalehibe. Manana sarintany azo antoka anefa ianareo, dia ny Baiboly, mba hanampy anareo hifidy ny lalana tokony haleha. (Ohab. 3:5, 6) Tena hanampy anareo koa anefa ny feon’ny fieritreretanareo, raha voaofana tsara. Manampy anareo tsy hiala amin’ny lalana tokony hizoranareo izy io. (Rom. 2:15) Na eo aza anefa izany rehetra izany, dia tsy hahomby ianareo, raha tsy fantatrareo hoe aiza no toerana tianareo haleha. Midika izany fa mila manana tanjona mazava tsara ianareo.

3. Araka ny 1 Korintianina 9:26, inona no soa horaisinao raha manana tanjona ianao?

3 Nasehon’ny apostoly Paoly fa ilaina ny manana tanjona sy miezaka hanatratra izany. Inona no soa azony tamin’izany? Hoy izy: “Rehefa mihazakazaka aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny. Ary tsy toy ny mamely rivotra aho rehefa mamely totohondry.” (1 Kor. 9:26) Tsy hihazakazaka befahatany koa ianao raha manana tanjona. Efa mihalehibe ianao izao ka tsy ho ela dia handray fanapahan-kevitra lehibe momba ny fanompoana an’i Jehovah, ny asa, ny fanambadiana, ny fianakaviana, sy ny toy izany. Mety ho sahiran-tsaina ianao amin’izay, satria be dia be ny safidy azo atao. Tsy ho voatarika ho any amin’ny lalan-diso anefa ianao, raha eritreretinao mialoha izay hataonao, ka mampihatra izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ianao rehefa manapa-kevitra.—2 Tim. 4:4, 5.

4, 5. a) Inona no mety hitranga raha tsy manana tanjona ianao? b) Nahoana ianao no tokony hiezaka hampifaly an’Andriamanitra amin’ny safidy ataonao?

4 Hitaona anao hanaraka ny tanjona heveriny fa hahasoa anao ny tanora hafa na ny mpampianatra anao, raha tsy manana tanjona ianao. Na manana tanjona voafaritra tsara aza anefa ianao, dia mety mbola hampirisika anao hanaraka ny heviny ihany ny olona sasany. Rehefa mitranga izany, dia saintsaino izao: ‘Hanampy ahy hahatsiaro ny Mpamorona ve ny tanjona lazain’izy ireo sa hahatonga ahy ho varimbariana ka tsy hahavita izany?’—Vakio ny Mpitoriteny 12:1.

5 Nahoana ianao no tokony hiezaka hampifaly an’Andriamanitra amin’ny safidy ataonao? Satria avy amin’i Jehovah ny zavatra tsara rehetra ananantsika. (Jak. 1:17) Tokony hisaotra an’i Jehovah ny olona rehetra, raha ny marina. (Apok. 4:11) Mila mahatsiaro an’i Jehovah àry ianao, rehefa mieritreritra izay tianao hatao tanjona. Izany no fomba tsara indrindra azonao isaorana azy. Hodinihintsika izao hoe inona avy no tanjona azonao tratrarina, ary ahoana no hanatratrarana izany.

Inona no tanjona azonao tratrarina?

6. Inona no tanjona lehibe azonao tratrarina, ary nahoana?

6 Misy tanjona lehibe iray noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hitantsika tao fa afaka miezaka ianao mba ho resy lahatra hoe marina tokoa ny Baiboly. (Rom. 12:2; 2 Kor. 13:5) Mino ny fivoarana miandalana angamba ny mpiara-mianatra aminao, na mino fampianaran-diso hafa, satria izay no nolazaina taminy fa tokony hinoany. Tsy voatery hino an-jambany izay lazain’ny olona anefa ianao. Tadidio fa tian’i Jehovah hanompo azy amin’ny sainao manontolo ianao. (Vakio ny Matio 22:36, 37.) Tian’ilay Raintsika any an-danitra hiorina amin’ny porofo marim-pototra ny finoanao.—Heb. 11:1.

7, 8. a) Inona avy ny tanjona azonao tratrarina ao anatin’ny fotoana fohy? b) Inona no ho vokany raha mahatratra ny sasany amin’ireo tanjona ireo ianao?

7 Misy tanjona sasany azonao tratrarina ao anatin’ny fotoana fohy, mba hanatanjahana ny finoanao. Anisan’izany ny hoe mivavaka isan’andro. Azonao atao ny mitadidy na manoratra ny zavatra sasany nitranga nandritra ny andro, ary miresaka momba izany rehefa mivavaka. Ho voafaritra tsara ny vavaka ataonao amin’izay, ary tsy hilaza zavatra mitovy foana ianao. Azonao resahina ny olana natrehinao, nefa aza hadinoina ny milaza izay zavatra nahafinaritra anao. (Fil. 4:6) Azonao atao tanjona koa ny hoe mamaky Baiboly isan’andro. Fantatrao ve fa ho voavakinao ao anatin’ny herintaona ny Baiboly, raha mamaky pejy dimy eo ho eo ianao isan’andro? * Milaza ny Salamo 1:1, 2 fa ‘sambatra ny olona [tia] ny lalàn’i Jehovah’ sy ‘mamaky moramora’ azy io “andro aman’alina.”

8 Azonao atao tanjona koa ny hanome valin-teny iray isaky ny fivoriana. Afaka mamaky izany ianao amin’ny voalohany, na koa mamaky andinin-teny. Afaka miezaka hanome valin-teny amin’ny fiteninao anefa ianao any aoriana. Tadidio fa manao fanomezana ho an’i Jehovah ianao isaky ny mamaly. (Heb. 13:15) Rehefa mahatratra ny sasany amin’ireo tanjona ireo ianao, dia hatoky tena kokoa sy hankasitraka kokoa an’i Jehovah, ary ho vonona hanatratra tanjona lavitra ezaka kokoa.

9. Inona avy ny tanjona lavitra ezaka azonao tratrarina, raha mbola tsy mpitory ianao?

9 Inona kosa ny tanjona lavitra ezaka azonao tratrarina? Afaka miezaka ho lasa mpitory ny vaovao tsara ianao. Rehefa tratranao io tanjona io, dia hatsarao ny fanompoanao ary miezaha mba tsy ho tapatapaka, ka hamerina tatitra foana isam-bolana. Tsara koa raha mianatra mampiasa Baiboly ianao eny amin’ny fanompoana. Hahafinaritra anao kokoa ny fitoriana raha manao izany ianao. Mety ho tianao ny hampitombo ny fotoana hitorianao isan-trano amin’izay, na hiezaka mihitsy aza ianao hanana fampianarana Baiboly. Ankoatra izany, dia afaka miezaka hahafeno fepetra hatao batisa ianao, ka ho lasa Vavolombelon’i Jehovah manokan-tena ho azy. Tanjona faran’izay tsara izany!

10, 11. Inona avy ny tanjona lavitra ezaka azon’ny tanora vita batisa tratrarina?

10 Ahoana kosa raha efa vita batisa ianao? Azonao atao tanjona ny handeha hitory tsindraindray miaraka amin’ny fiangonana manana faritany tsy voasa matetika. Afaka mampiasa ny tanjakao sy ny fahasalamanao koa ianao mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy na maharitra. Manana mpisava lalana an’alina ny fandaminana ary tena sambatra izy ireny. Afaka milaza aminao izy ireny fa tena mahafinaritra ny hoe mahatsiaro ny Mpamorona amin’ny fahatanorana. Afaka manatratra an’ireo tanjona ireo ianao, na dia mbola miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreninao aza. Handray soa ianao amin’izay ary handray soa koa ny fiangonana misy anao.

11 Ny tanjona sasany anefa mety hahatonga anao hiala ao amin’ny fiangonana misy anao. Ohatra hoe manompo any amin’ny faritra mila mpitory bebe kokoa, na manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana na tranon’ny sampana. Azo atao tanjona koa aza ny hiasa ao amin’ny Betela na hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana. Tokony ho vita batisa anefa aloha ianao, vao ho afaka hanatratra an’ireo tanjona ireo. Diniho àry izao izay tokony hataonao, raha mbola tsy nahavita an’io dingana lehibe io ianao, dia ny batisa.

Ny tokony hataon’ireo te hatao batisa

12. Inona no mahatonga ny tanora sasany hatao batisa, ary nahoana izany no tsy mety?

12 Araka ny hevitrao, inona no antony anaovana batisa antsika? Misy mihevitra fa natao hiarovana azy tsy hanao ratsy ny batisa. Misy koa mieritreritra fa tokony hatao batisa izy, satria natao batisa ny namany. Ny sasany indray te hampifaly ny ray aman-dreniny fotsiny. Tsy mety anefa izany. Tsy natao hisakanana anao tsy haditra mantsy ny batisa, raha mbola te haditra ianao ao am-ponao ao. Tsy mety koa raha noho ny fampirisihan’ny olona no antony anaovana batisa. Azo atao batisa kosa anefa ianao, rehefa azonao tsara hoe inona avy no takina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary azonao antoka fa vonona hanatanteraka izany ianao.—Mpito. 5:4, 5.

13. Nahoana ianao no tokony hatao batisa?

13 Atao batisa ny Kristianina, satria nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: ‘Ataovy mpianatra ny olona, ka ataovy batisa.’ Nanome modely koa izy rehefa natao batisa. (Vakio ny Matio 28:19, 20; Marka 1:9.) Anisan’ny dingana lehibe mila atao koa ny batisa, raha te ho voavonjy. Nilaza toy izao ny apostoly Petera, rehefa avy nilaza fa nanao sambofiara i Noa mba hamonjena azy sy ny fianakaviany: ‘Ny mifanitsy amin’izany, dia ny batisa, izay mamonjy anareo ankehitriny amin’ny alalan’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.’ (1 Pet. 3:20, 21) Tsy tokony hoe ny fanirianao ho voavonjy fotsiny anefa no mahatonga anao hatao batisa. Atao batisa kosa ianao satria tia an’i Jehovah, ary te hanompo azy amin’ny fonao sy ny sainao ary ny herinao manontolo.—Marka 12:29, 30.

14. Inona no mety hahatonga ny olona sasany hisalasala ny hatao batisa? Inona anefa no azo antoka fa ho vitanao?

14 Misy olona tsy te hatao batisa anefa, satria matahotra sao ho voaroaka rehefa any aoriana any. Matahotra toy izany koa ve ianao? Tsy voatery ho ratsy izany. Mety hidika mantsy izany fa azonao tsara hoe andraikitra lehibe ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Misy antony hafa koa ve anefa mahatonga anao hisalasala? Mbola tsy tena resy lahatra angamba ianao hoe mahasoa ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Raha izany, dia tsara ny mieritreritra hoe inona no vokany rehefa tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly ny olona iray. Afaka manampy anao hanapa-kevitra izany. Mety hoe tianao anefa ny fitsipik’Andriamanitra, saingy matahotra ianao hoe tsy ho vitanao ny hankatò azy ireny. Azo lazaina hoe tsara izany, satria hita amin’izany fa manetry tena ianao. Ny Baiboly rahateo milaza fa mamitaka ny fo. (Jer. 17:9) Ho vitanao anefa ny handresy an’ireo olana ireo, raha ‘mitandrina’ foana ‘ny tenin’Andriamanitra’ ianao. (Vakio ny Salamo 119:9.) Na inona na inona anefa mahatonga anao hisalasala, dia mila mitady vahaolana ianao. *

15, 16. Ahoana no hahalalanao raha efa vonona hatao batisa ianao?

15 Ahoana anefa no hahalalanao fa vonona hatao batisa ianao? Afaka manontany tena ianao hoe: ‘Mahavita manazava an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ve aho? Mandeha manompo ve aho na dia tsy mandeha aza ny ray aman-dreniko? Miezaka manatrika ny fivoriana rehetra ve aho? Inona avy no ditra nasain’ny ankizy nataoko, nefa tsy nanaiky aho? Mbola hanompo an’i Jehovah foana ve aho, na dia tsy manompo azy intsony aza ny ray aman-dreniko na ny namako? Efa nivavaka momba ny fifandraisako amin’Andriamanitra ve aho? Efa niresaka tamin’i Jehovah ve aho hoe hanokan-tena tanteraka ho azy?’

16 Manova ny fiainana ny batisa, ka tsy tokony hataotao foana. Ho hainao anefa ny hanapa-kevitra raha efa matotra ianao. Ny hoe matotra akory tsy midika fotsiny hoe mahay manao sekoly na mahavita manome valin-teny miavaka be. Midika koa izy io hoe mahazo tsara ny toro lalan’ny Baiboly, ary mampihatra izany rehefa hanapa-kevitra. (Vakio ny Hebreo 5:14.) Efa vonona hatao batisa àry ve ianao? Misy tombontsoa faran’izay tsara miandry anao rehefa vita batisa ianao. Ho afaka hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ianao, ary ho afaka hanaporofo hoe tena nanokan-tena ho azy.

17. Inona no hanampy anao hiatrika ny fitsapana mety hitranga aorian’ny batisanao?

17 Mety hafana fo amin’ny fanompoana ianao raha vao vita batisa. Tsy ho ela koa anefa ianao dia hiatrika olana, izay hitsapa ny finoanao sy ny fiaretanao. (2 Tim. 3:12) Tsy voatery hiady irery anefa ianao. Mangataha torohevitra amin’ny ray aman-dreninao. Mitadiava olona matotra eo anivon’ny fiangonana mba hanampy anao. Miezaha foana hinamana amin’ireo olona ho afaka hanohana anao. Aza hadinoina mihitsy fa miahy anao i Jehovah, ary hanome anao hery ahafahanao miatrika izay olana mitranga.—1 Pet. 5:6, 7.

Ahoana no hanatratraranao ny tanjonao?

18, 19. Inona no soa horaisinao raha mandinika izay ataonao loha laharana ianao?

18 Tsapanao ve fa tsy mety ampy mihitsy ny fotoananao mba hanaovanao ny zavatra ilainao sy ny zavatra tianao? Mila mandinika izay ataonao loha laharana ianao, raha izany. Andramo ange izao e: Makà siô, ary asio vato maromaro ao anatiny. Fenoy fasika ilay siô avy eo. Sady misy vato izao ilay siô no misy fasika. Esory avy eo ilay vato sy fasika, nefa aza mbola ariana. Ny fasika indray aloha no ataovy ao anaty siô, izay vao ny vato. Inona no mitranga? Tsy antonona ilay siô! Ny fasika tsinona no nataonao voalohany tao anatiny.

19 Manana olana toy izany ianao eo amin’ny resaka fotoana. Raha ny zavatra madinika toy ny fialam-boly no ataonao voalohany, dia tsy hanam-potoana firy hanaovana ny zavatra lehibe kokoa ianao, izany hoe hanaovana ny zavatra ilaina ara-panahy. Raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly kosa ianao, ka ‘mamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa’, dia sady hanam-potoana hanaovana ny asan’ilay Fanjakana ianao, no ho afaka hiala voly kely.—Fil. 1:10.

20. Inona no tokony hataonao, raha manahy na misalasala ianao eo am-piezahanao hanatratra ny tanjonao?

20 Mety hisy zavatra hampanahy na hampisalasala anao anefa eo am-piezahanao hanatratra ny tanjonao, anisan’izany ny batisa. “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao” rehefa mitranga izany, “fa izy no hanohana anao.” (Sal. 55:22) Dieny izao anefa ianao dia efa afaka mandray anjara amin’ny fitoriana sy fampianarana atao maneran-tany. Mbola tsy nisy asa lehibe sy mahafinaritra noho io hatramin’izay! (Asa. 1:8) Afaka misafidy ianao: Na handray anjara amin’izy io, na hitazam-potsiny. Mampirisika anao anefa izahay mba tsy hisalasala hampiasa ny fahaizanao, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Tsy hanenenanao mihitsy ny manompo an’ilay ‘Mpamorona anao, amin’ny andro fahatanoranao.’—Mpito. 12:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2009, pejy 15-18.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana ianao no tokony hanana tanjona?

• Inona ny tanjona sasany azonao tratrarina?

• Inona avy no tokony hataon’ny olona iray raha te hatao batisa izy?

• Nahoana no mila mandinika izay ataonao loha laharana ianao, mba hahafahanao manatratra ny tanjonao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Manana tanjona hamaky Baiboly isan’andro ve ianao?

[Sary, pejy 15]

Manana tanjona hatao batisa ve ianao? Inona no hanampy anao hahatratra izany?

[Sary, pejy 16]

Inona no ianaranao avy amin’io fanoharana io?