Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hazoto Amin’ny Fanompoana

Aoka Ianao Hazoto Amin’ny Fanompoana

Aoka Ianao Hazoto Amin’ny Fanompoana

“Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy.”—MAT. 9:37.

1. Manao ahoana ny olona rehefa maika, ary inona no ataony?

AHOANA raha misy vehivavy efa mihetsi-jaza, ary mila entina any amin’ny hopitaly? Inona no hataonao? Zavatra MAIKA izany, ka hitondra azy haingana ianao. Ahoana indray raha mifanao fotoana amin’olona ianao, nefa efa tara? MAIKA ianao, ka handeha haingana. Mitaintaina sy tsy mahatombina tokoa ianao rehefa maika, indrindra raha kely sisa ny fotoana anananao. Mamokatra hormonina atao hoe adirenalinina ny vatanao, ka lasa manao zavatra haingana be ianao.

2. Inona no asa maika indrindra ankehitriny?

2 Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy mampianatra any amin’ny firenena rehetra ny tena Kristianina. Izany no asa maika indrindra ankehitriny. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Nilaza i Jesosy hoe: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy.” (Mat. 9:37) Rehefa miakatra ny vokatra, dia mila angonina haingana, dieny mbola tsy tapitra ny fotoam-pijinjana. Mila vitaina ‘alohan’ny’ hahatongavan’ny farany àry ny asa fitoriana.—Mar. 13:10.

3. Inona no ataon’ny Kristianina maro satria maika ny asa fitoriana?

3 Tena maika ny asa fitoriana, ka tokony hiezaka mafy isika hamita azy. Izy io koa no tena tokony hampiasantsika ny herintsika sy ny fotoanantsika. Mahafinaritra fa maro no manao izany. Misy, ohatra, nanatsotra ny fiainany ka lasa mpisava lalana, na misionera, na mpiasan’ny Betela, sy ny sisa. Tena be atao izy ireo. Maro angamba ny zavatra nafoiny sy ny olana tsy maintsy atrehiny. Mahazo fitahiana be dia be anefa izy ireo. Tena mahafaly antsika izany. (Vakio ny Lioka 18:28-30.) Ny hafa indray tsy afaka manompo manontolo andro, nefa miezaka manompo be araka izay azony atao. Tsy izay ihany fa mbola mampianatra ny zanany koa izy, mba ho voavonjy izy ireny.—Deot. 6:6, 7.

4. Nahoana ny Kristianina sasany no lasa tsy dia mazoto mitory?

4 Maika ny zavatra iray rehefa tsy azo ampiandrasina ela, satria efa hifarana ny fotoana tokony hamitana azy. Efa andro farany izao, ary manamarina izany ny zava-misy sy ireo porofo maro ao amin’ny Soratra Masina. (Mat. 24:3, 33; 2 Tim. 3:1-5) Tsy misy mahafantatra anefa hoe rahoviana ny andron’i Jehovah. Hoy i Jesosy tamin’izy nilaza ny ‘famantarana ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Mat. 24:36) Inona no vokatr’izany? Lasa tsy heverin’ny Kristianina sasany ho asa maika intsony ny fitoriana, indrindra raha efa ela izy no nitory. (Ohab. 13:12) Efa nandalovanao koa ve izany? Inona no hanampy anao hazoto sy hitadidy fa maika ilay asa nasain’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ataonao?

Ohatra tsara i Jesosy

5. Inona no nataon’i Jesosy satria hitany fa maika ny asa fitoriana?

5 Maro no nazoto nanompo satria nahatsapa hoe asa maika izany. Tena niavaka anefa i Jesosy. Fantany fa tsy nanana afa-tsy telo taona sy tapany izy, nefa be dia be ny asa tsy maintsy nataony. Mbola nahavita zavatra be lavitra noho ny olon-kafa rehetra izy. Nampahafantatra ny anaran’ny Rainy sy ny fikasany izy, nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary nampiharihary fa nihatsaravelatsihy sy nampianatra zavatra diso ny mpitondra fivavahana. Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra koa izy mandra-pahafatiny. Nitety tanàna mihitsy aza izy, mba hampianatra sy hanasitrana ary hanampy olona. (Mat. 9:35) Telo taona sy tapany monja no nanaovany an’izany rehetra izany. Mbola tsy nisy nahavita hoatr’izany mihitsy. Tena niasa mafy izy!—Jaona 18:37.

6. Inona no antony lehibe nahatonga an’i Jesosy hazoto tamin’ny fanompoana?

6 Inona koa no nahatonga an’i Jesosy hiasa mafy toy izany? Marina aloha fa fantany ilay faminanian’i Daniela hoe voafetra ihany ny fotoana nomen’i Jehovah azy, mba hamitany ny asany. (Dan. 9:27) Voalaza ao fa hifarana ny fanompoany ‘rehefa misasaka ny herinandro’, izany hoe afaka telo taona sy tapany. Rehefa avy nihoby azy ny vahoaka tao Jerosalema, tamin’ny faramparan’ny Martsa taona 33, dia hoy izy: “Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.” (Jaona 12:23) Fantatr’i Jesosy àry fa efa ho faty izy. Mbola nisy antony lehibe noho izany anefa nahatonga azy hiasa mafy. Nanararaotra nanompo foana izy, satria te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tia olona koa izy, ka nampiofana mpianatra mba hitory amin’izy ireny. Ny mpianany no hanohy ny asa fitoriana rehefa lasa izy, ary hanao asa lehibe noho izany aza.—Vakio ny Jaona 14:12.

7, 8. Inona no tsaroan’ny mpianatra rehefa nandroaka an’ireo mpivarotra i Jesosy? Nahoana i Jesosy no nanao izany?

7 Vao nanompo kelikely i Jesosy, dia efa hita fa tena nafana fo. Paska taona 30 tamin’izay. Nankany Jerosalema izy sy ny mpianany. Hitany fa nisy olona ‘nivarotra omby aman’ondry sy voromailala, ary nanakalo vola’ tao amin’ny tempoly. Inona no nataon’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny mpianany?—Vakio ny Jaona 2:13-17.

8 Rehefa nahita izay nataon’i Jesosy sy nandre ny teniny ny mpianany, dia tsaroan’izy ireo ilay faminanian’i Davida hoe: “Mandany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.” (Sal. 69:9) Nafana fo i Jesosy matoa sahy nandroaka an’ireo mpivarotra. Mety hahita raharaha amin’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny lohandohany tao amin’ny tempoly mantsy izy, satria ry zareo no tena nampirisika ny olona hivarotra tao. Tsy azo ivarotana anefa ao amin’ny tempoly. Tsy vitan’izay fa nanararaotra be ireo mpivarotra. Mety ho lasa halan’ny mpitondra fivavahana i Jesosy, satria nampiharihary ny ratsy nataony, sady nanakantsakana izany. ‘Nafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra’ tokoa àry i Jesosy, izany hoe nazoto nanohana ny fivavahana marina. Inona anefa no dikan’ny hoe mazoto?

Inona no dikan’ny hoe mazoto?

9. Inona no atao hoe mazoto?

9 Resahin’ny rakibolana iray fa ny atao hoe “mazoto” dia ‘mafana fo rehefa manao zavatra, marisika, mavitrika, be zotom-po.’ Nanana an’ireo toetra ireo i Jesosy nandritra ny fanompoany. Tsy mahagaga raha tadidin’ny mpianany ilay salamo teny aloha, rehefa nahita an’ilay zavatra nataon’i Jesosy tao amin’ny tempoly izy ireo. Nahoana i Jesosy no nafana fo toy izany?

10. Inona no dikan’ny hoe ‘mafana fo’, ao amin’ny Baiboly?

10 Ilay teny hebreo nadika hoe ‘mafana fo’ ao amin’ny Salamo 69:9, dia natao hoe “saro-piaro” any amin’ny andininy sasany. Rehefa momba an’Andriamanitra ilay izy, dia nadika hoe ‘mitaky ny hanompoana azy irery ihany.’ (Vakio ny Eksodosy 20:5; 34:14; Josoa 24:19.) Hoy ny rakibolana ara-baiboly iray: “Ny lehilahy na vehivavy manambady mazàna no saro-piaro. ... Zony mantsy ny mitaky hoe izy irery no tokony ho tian’ny vadiny. Toy izany koa fa zon’Andriamanitra ny mitaky amin’ny vahoakany hoe izy irery no tokony hotompoina, ary tsy avelany ho lasan’olon-kafa io zony io.” Tsy hafanam-po tsotra fotsiny àry no tian’ny Baiboly horesahina. Ilay hoe ‘mafana fo’ ao amin’ny Salamo dia midika hoe tsy milefitra rehefa misy manala baraka an’i Jehovah, na rehefa misy mpanompony mitady hivavaka amin’andriamani-kafa. Midika koa izy io hoe miaro ny lazan’i Jehovah na ny anarany.

11. Nahoana i Jesosy no niasa mafy?

11 Tsy diso àry ireo mpianatra, satria tanteraka tamin’i Jesosy tokoa ny tenin’i Davida. Marina fa voafetra ny fotoana nanompoany. Tsy izay anefa no antony voalohany niasany mafy. Nafana fo izy, izany hoe saro-piaro tamin’ny anaran’ny Rainy sy ny fivavahana marina. Hitany, ohatra, fa nisy nanala baraka sy nanevateva ny anaran’Andriamanitra. Nahasaro-piaro azy izany, ka nataony izay hanamasinana azy io. Nazoto nanampy ny vahoaka madinika koa izy, satria hitany fa nampahorin’ny mpitondra fivavahana sy nohararaotiny izy ireo. Sahy nampiharihary ny ratsy nataon’ny mpitondra fivavahana koa izy.—Mat. 9:36; 23:2, 4, 27, 28, 33.

Aoka ianao hazoto amin’ny fanompoana

12, 13. Porofoy ireto: a) Tsy manamasina ny anaran’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana. b) Tsy zava-dehibe aminy ny Fanjakan’Andriamanitra.

12 Mbola tsy miova ny mpitondra fivavahana hatramin’izao. Ratsy kokoa aza ny zavatra ataony. Eritrereto ange e! Ny anaran’Andriamanitra no nasain’i Jesosy noresahina voalohany rehefa mivavaka. Nasainy nivavaka ny mpianany hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Mampianatra an’io anarana io ve anefa ny mpitondra fivavahana, indrindra ireo milaza azy ho Kristianina? Mampirisika ny olona hanamasina na hanome voninahitra azy io ve izy ireo? Tsia! Manala baraka an’Andriamanitra kosa izy ireo, satria ratsy fitondran-tena sy mihatsaravelatsihy. (Vakio ny Romanina 2:21-24.) Mampianatra zavatra diso koa izy ireo. Lazainy fa tsy mety maty ny fanahy, telo izay iray Andriamanitra, ary misy ny afobe. Lasa mihevitra àry ny olona hoe hafahafa sy saro-pantarina ary lozabe Andriamanitra. Afenin’ny mpitondra fivavahana koa ny anaran’Andriamanitra, ary nesoriny tao amin’ny Baiboly mihitsy aza. Lasa tsy afaka manatona an’Andriamanitra sy minamana aminy àry ny olona.—Jak. 4:7, 8.

13 Anisan’ny vavaka nampianarin’i Jesosy koa ilay hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mat. 6:10) Mamerimberina an’io vavaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra io ny mpitondra fivavahana, nefa mampirisika ny olona hanohana antoko politika na fikambanana hafa naorin’olombelona. Manambany an’izay miezaka mitory ny Fanjakan’Andriamanitra koa izy ireo. Maro amin’ireo milaza azy ho Kristianina àry no tsy miresaka momba an’io Fanjakana io intsony, sady tsy mino azy io.

14. Hazavao fa manao tsinontsinona ny Tenin’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana.

14 Nilaza mazava tsara i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony fa ny tenin’Andriamanitra no “fahamarinana.” (Jaona 17:17) Niteny koa izy hoe hanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpanara-dia azy. (Mat. 24:45) Tsy mendri-pitokisana anefa ny mpitondra fivavahana, na dia milaza ho mampianatra ny Tenin’Andriamanitra aza. Lazainy fa angano fotsiny izay resahin’ny Baiboly. Tsy zavatra marina sy mampahery no ampianarin’izy ireo, fa filozofian’olombelona. Izay mantsy no mahafinaritra ny sofin’ny olona. Somary ovany kely koa ny fitsipik’Andriamanitra, mba tsy ho tafintohina ny mpiangona ratsy fitondran-tena.—2 Tim. 4:3, 4.

15. Inona no hataonao rehefa mahita ny zava-dratsy ataon’ny mpitondra fivavahana?

15 Be loatra ny zava-dratsy ataon’ny mpitondra fivavahana, ka maro ny olona diso fanantenana na lasa tsy mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly intsony. Lasa fehezin’i Satana sy ny tontolo ratsiny izy ireny. Inona no hataonao rehefa mahita na mahare zavatra toy izany ianao isan’andro? Rehefa misy manala baraka sy manevateva ny anaran’ilay Andriamanitra tompoinao, tsy hanao izay vitanao ve ianao hiarovana azy? Rehefa mahita olona tso-po voafitaka sy voambaka ianao, tsy hiezaka hampionona azy ve ianao? Tsy hoe nangoraka fotsiny i Jesosy, rehefa nahita olona ‘nampahorina sy naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry.’ ‘Nampianatra azy ireo zavatra maro’ kosa izy. (Mat. 9:36; Mar. 6:34) Tokony hanahaka an’i Jesosy àry isika, ka hazoto amin’ny fanompoana.

16, 17. a) Inona no mahatonga antsika hazoto amin’ny fanompoana? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

16 Raha mazoto manompo isika, dia manaporofo fa zava-dehibe amintsika ilay tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 2:3, 4. (Vakio.) Marina fa fantatsika hoe efa andro farany izao. Tsy izay fotsiny anefa no antony hiasantsika mafy, fa fantatsika koa hoe sitrapon’Andriamanitra ny hahalalan’ny olona ny fahamarinana. Afaka manompo azy izy ireo amin’izay ary hotahiny. Marina fa kely sisa ny fotoana hitoriana. Tsy izay anefa no tena mahatonga antsika hazoto. Te hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra kosa isika, ary te hanampy ny hafa hahalala ny sitrapony. Mafana fo amin’ny fivavahana marina isika, rehefa manao izany.—1 Tim. 4:16.

17 Sambatra isika vahoakan’i Jehovah satria mahalala ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Ampy fitaovana isika, ka afaka manampy ny olona ho sambatra sy hanana fanantenana azo antoka. Afaka manoro azy isika hoe inona no hatao mba tsy ho ringana, rehefa horavana ny tontolon’i Satana. (2 Tes. 1:7-9) Aza kivy na sorena àry raha hitanao hoe mbola tsy tonga foana ny andron’i Jehovah. Mifalia kosa satria mbola manana fotoana hitoriana ianao. Mazotoa foana amin’ny fanompoana. (Mika 7:7; Hab. 2:3) Inona no azontsika atao mba hazoto kokoa isika? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana i Jesosy no niezaka mafy tamin’ny fanompoana?

• Inona no dikan’ny hoe ‘mafana fo’, ao amin’ny Baiboly?

• Inona no zavatra hitantsika ankehitriny, ka tokony handrisika antsika hazoto hanompo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Nazoto nanompo i Jesosy satria te hanao ny sitrapon’ny Rainy sy tia olona

[Sary, pejy 10]

Tokony hazoto amin’ny fanompoana isika