Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atao Foana ny Manompo An’Andriamanitra

Azo Atao Foana ny Manompo An’Andriamanitra

Azo Atao Foana ny Manompo An’Andriamanitra

Nisy mpianaka natao batisa tamin’ny 19 Desambra 2009, tany Málaga, any amin’ny faritra atsimon’i Espaina, ary samy Ana ny anarany. Anisan’ireo 2 352 natao batisa tany Espaina tamin’ny 2009 izy ireo. Ny taonany anefa no mampiavaka azy mianaka: 107 taona ilay reniny ary 83 taona ilay zanany vavy.

Inona no nahatonga azy ireo hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa? Nisy Fianarana Boky tao an-tranon’ny Vavolombelona mpiray tanàna tamin’i Ana, ilay 83 taona, taoriana kelin’ny 1970. Nasain’ilay Vavolombelona hanatrika foana i Ana ary tonga tsindraindray. Tsy nandroso firy anefa izy noho ny asany.

Nisy zanak’i Ana nanomboka nianatra Baiboly, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, ary lasa mpanompon’i Jehovah. Anisan’izy ireo i Mari Carmen. Nampiany ny reniny mba ho tia indray ny fahamarinana sy hanaiky hianatra Baiboly. Lasa liana tamin’ny Baiboly koa i Ana, reniben’i Mari Carmen. Olona folo tamin’io fianakaviana io no natao batisa rehefa nandeha ny fotoana.

Faly be mihitsy ry Ana mianaka, tamin’ny andron’ny batisany. Hoy i Ana, ilay 107 taona: “Tena tsara fanahy tamiko i Jehovah ka navelany hahalala azy aho.” Hoy koa i Ana, ilay 83 taona: “Te hanompo an’i Jehovah aho alohan’ny hahatongavan’ny Paradisa, ka hanao ny sitrapony sy hitory ny vaovao tsara araka izay fara heriko.”

Ny manatrika fivoriana no tena tian’izy mianaka, izay samy efa maty vady. Hoy ny anti-panahy iray ao amin’ny fiangonany: “Tsy tapaka amin’ny fivoriana mihitsy izy ireo, na indray mandeha aza. Manangan-tanana foana izy ireo mandritra ny Fianarana Tilikambo.”

Mampahatsiahy antsika an’ilay mpitondratena ao amin’ny Baiboly atao hoe Ana ny ohatra tsaran’izy ireo. “Tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly ... izy, nanao fanompoana masina andro aman’alina sady nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka.” Nanana tombontsoa hahita an’i Jesosy zaza àry izy. (Lioka 2:36-38) Tsy hoe antitra loatra i Ana, izay 84 taona, ka hoe tsy afaka nanompo an’i Jehovah. Toy izany koa ry Ana mianaka ankehitriny.

Manan-kavana mety hihaino ny hafatra ao amin’ny Baiboly koa ve ianao? Sa ianao nahita zokiolona nanaiky hihaino, tamin’ianao nitory isan-trano? Mety hitovy amin-dry Ana mianaka izy ireny, satria azo atao foana ny manompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, na dia efa antitra aza.

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Tena tsara fanahy tamiko i Jehovah”

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Te hanompo an’i Jehovah aho alohan’ny hahatongavan’ny Paradisa”